Fil d'actualités du 18/09/2019

  • 18/09/2019 - 16:00 : ANOSY:Miofana etsy amin’ny Plan Anosy miaraka amin’ny mpampiofana avy ao amin’ny « Autorité de Régulation des Marchés Publics » (ARMP) ireo mpisehatra amin’ny resaka tsenam-panjakana eto amin’ ny Tahirimbolam-panjakana nanomboka androany 18/09/2019.

  • 18/09/2019 - 15:30 : TRANGA:Fiangonana Vahao ny oloka iray teny Ankaraobato no nakaton'ny fanjakana noho ny fitarainan'ny olona maro.

  • 18/09/2019 - 15:00 : POLITIKA:Tonga nitsidika ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo RAKOTOVAO ny solotenan’ny FAO miasa sy monina eto amintsika Andriamatoa Patrice Talla TAKOUKAM sy ny mpiara-miasa aminy.

  • 18/09/2019 - 14:30 : FANATANJAHAN-TENA:Mitaky fifidianana hitantana ny federasiona ny taranja BOXE ny mpanazatra sy ny ligimparitra fa efa tapitra tamin'ny 2018 ny fotoampiasan'ny Federasiona mbola miasa ankehitriny.

  • 18/09/2019 - 14:00 : FANATANJAHAN-TENA:Fantatra izao fa i Nicolas Dupuis no hiandraikitra ny toeran' ny Tale Tekinika nasionalin'ny federasiona Malagasy ny baolina kitra ary mbola izy ihany koa no hiandraikitra ny fitantanana ny ekipam-pirenena Malagasy.

  • 18/09/2019 - 11:00 : MISS TOURISME MADAGASCAR 2019:Ny faha 19 Octobra no hanatanterahina ny dingana famaranana ny "Miss Tourisme Madagascar 2019" etsy amin'ny hotely Carlton Anosy,Miisa 15 ireo tovovavy hiatrika ny famaranana.

  • 18/09/2019 - 10:30 : TSARA HO FANTATRA:Ny faha 25 Septambra ho avy izao no hankalazaina ny andro maneran-tany ho an'ny farmasianina izay ho tanterahina etsy amin'ny gara Soarano manomboka amin'ny 9 ora maraina.

  • 18/09/2019 - 10:00 : KIDNAPPING:Anio no hiakatra fampanoavana ireo jiolahy tratra nanao kidnapping teny Ankadibe Ambihidratrimo izay voasambotra afak'omaly.

  • 18/09/2019 - 09:30 : JIRAMA:Hisy fahatapahana ny JIRO anio Alarobia 18 septambra 2019, manomboka amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 04 ora tolakandro eny AMPANGABE ANOSIPATRANA;ary amin'ny 09 ora maraina ka hatramin'ny 05 ora hariva eny AMPEFY- FKT AMPEFY. Antony :Asa fanoloana andrin-jiro sy asa fikojakojana fanao isaky ny fotoana voafetra.

  • 18/09/2019 - 09:00 : FANDAMINANA NY FIFAMOIVOIZANA:Anio no hijery izay kaoperativa manaraka ny fenitra eny Ambodivona ny ATT.

Voir plus d'infos...

18/09/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190420

Misongadina

Marc Ravalomanana Nanome vahaolana ho an’ny fitondrana

20/04/2019

Nanaja ilay 100 andro voalohany nitantanan’ny filoha vaovao aho, hoy i Marc Ravalomanana omaly tany Mahajanga saingy efa tonga kosa ny fotoana hitenenako.Vonona aho ny hiara-kiasa amin’ny fitondrana, hoy izy saingy tsy maintsy miteny kosa aho satria tsy araka ny nampanantenaina ny zava-mitranga.Miiba iny 100 andro iny raha atao ny jery todika; tsy mahalala ny tena laharampahamehana ny mpitondra, mitombo be ny tsy fandriampahalemana satria tsy misy ny asa ary tsy manam-bola ny olona, hoy i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Antoko TIM Efa manomana ireo mpandimby

20/04/2019

Atao antoko filamatra eto Madagasikara tahaka ireo antoko lehibe any ivelany : Etazonia, Alemana, na koa ny ANC (African National Conbgress) atsy Afrika atsimo izay efa naharitra 100 taona fa mbola manana ny maha izy azy ihany ny Tiako i Madagasikara na ny TIM. Efa manomana ireo mpandimby ihany koa ny TIM ary ho hita foana amin'ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana rehetra eto Madagasikara: hanabe ara-politika ny olom-pirenena ihany koa.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pasitera Roger Randriamisata “Fandresena ny ota ny Paska”

20/04/2019

Ao anatin’ny fetin’ny paska tanteraka isika amin’izao fotoana izao, ka nezahina ny naka hevitra mpitondra fivavahana dia ny Pasitera Roger Randriamisata nahafahana nahazo fanehoan-kevitra mafonja kokoa mahakasika azy io.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana