Fil d'actualités du 25/05/2019

  • 25/05/2019 - 19:30 : VAOVAO MAMPALAHELO: Nodimandry i Andriambolatiana Miarantsoa na Mitchou Amy, mpikambana ao amin'ny Tarika RyKala Vazo. Fahatapahan'ny lalan-dra in-telo no nitarika ny fahafatesany taorian'ny nampidirana azy tao amin'ny Sampana Fameloman'aina Hopitaly HJRA Ampefiloha.

  • 25/05/2019 - 17:00 : GRANDE BRADERIE DE MADAGASCAR:Mpangalatra entana roa tratra nadritra ny grande braderie de Madahasikara tetsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina,marihina mo fa efa notazomina eny amin'ny biraon'ny pôlisy izy roa vavy araka ny fanazavana nataon'ny mpikarakara avy ao amin'ny "Mada vision".

  • 24/05/2019 - 16:40 : ANALAKELY:Fiara 4x4 iray nandona olona tetsy akaiky ny TANA CONFOR ary refa nosakanana dia tsy nety nijanona fa nitohy nihazo ny Pochard ka nifanejehana ka voasakan'ny mpitandro filaminana teo apitan'ny gastro pizza ka nosamborina avy antrany,marihina mo fa teran-tany vahiny no nitondra ilay fiara.

  • 24/05/2019 - 15:00 : FAMPIELEZAN-KEVITRA:Hifarana rahampitso Asabotsy amin'ny 12 ora alina ny fampielezan-kevitra izay ataon'ireo kandida nilatsaka ho fidiana solombavambahoaka.

  • 24/05/2019 - 14:30 : PERMIS BIOMETRIKA:nampafantarina tamin'ny fomba ôfisialy tetsy amin'ny Centre immatriculateur Ambodahy ny permis vaovao na ny fahazahoan-dàlan hitondra fiara amin'ny endriny vaovao.

  • 24/05/2019 - 14:15 : MONDIALE 2022:Fantatra androany fa hijanona ho 32 ireo ekipa hifanandrina amin'ny lalao baolina kitra "mondiale 2022"

  • 23/05/2019 - 14:30 : JAZZ TOHATOHABATO:Ho an'ireo mpakafy Jazz dia tsara ny mampafatantra fa hoa avy indray ny Jazz tohatohabato andian'ny faha sivy izay hanomboka ny faha 29 may ary hifarana ny faha 2 Jona ho avy izao.

  • 23/05/2019 - 14:10 : ANDRO TSY HIASANA:Nanamafy ny minisiteran'ny serasera fa natokana ho andro tsy fiasana ny Talata 4 Jona hoavy izao,Marihina fa fetin'ny mpino silamo io andro io izay antsoina hoe "Eid al-fitr";tahaka ny fety kristianina toy ny pantekosta izay natao tsy hiasana.

  • 23/05/2019 - 10:00 : BAOLINA KITRA: Azon'ny Charleroi SC klioba misy ilay Malagasy Maro Ilaimaharitra ny "Coupe de Belgique" rehefa nandresy 2-1 an'i Courtrai izy ireo halina.

  • 23/05/2019 - 10:00 : MPISOLOVAVA WILLY RAZAFINJATOVO: Hiakatra fitsarana anio amin'ny 2ora sy sasany tolakandro ao amin'ny efitrano faha-4 Atoa Willy Razafinjatovo na Olala.

Voir plus d'infos...

24/05/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190417

Misongadina

Andry Rajoelina Misy manipy hoditr’akondro

17/04/2019

Tena nanome sary ratsy ary nanimba an’i Hery Rajaonarimampianina ireo olona nanodidina azy (namana, mpanolontsaina, minisitra, depiote, mpiasam-panjakana ambony,…). Telo volana nitantanana ny firenena ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina, fa toa efa tratran’io toe-javatra io sahady. Misy ireo akaiky azy tsikaritra fa efa manao fanararaotam-pahefana ary tena manambany olona, fa izy ireo izao no eo amin’ny fahefana. Vao nitondra herinandro vitsy dia toa efa nisy nisoloky hoe iraky ny filoha hanao hanao ny IEM.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fifidianana solombavambahoaka Ahiana hihamafy ny hosoka sy hala-bato…

17/04/2019

Manodidina ny 200 000 ny anarana niverimberina efa nodiovina tao anatin’ny lisi-pifidianana taorian’ny fifidianana filoham-pirenena, raha ny nambaran’ny teo anivon’ny CENI. Mbola nisy an’io 200 000 izany tamin’ny fifidianana filoha, izany hoe lisi-pifidianana tsy araka ny tokony ho izy sy azo nanaovana hosoka tsara no nampiasaina. Ny fanalana ireo anarana niverina no ambara mazava ho azy fa tsy nampitombo betsaka firy ny fitomboan’ny isan’ny mpifidy zara raha nisy 0,83% taorian’ny fisokafan’ny lisitra ny volana desambra, izay nikatona vonjimaika tamin’ny 15 febroary, ary ny 15 mey izany hoe: 12 andro aorian’ny fifidianana solombavambahoaka.

Hamaky ny tohiny...

SeFaFi “Solombavambahoaka, inona marina no ilana azy ?”

17/04/2019

Namoaka fanambarana ny Sehatra Fanaraha-Maso Ny Fiainam-Pirenena (SEFAFI) mahakasika ny anton`ny ilana solombavambahoaka. Amin’ny 27 mey ho avy izao, ny olom-pirenena dia hifidy depiote 151 amin’ny kandidà 803 samy hafa. Ny and. 68 ao amin’ny Lalàm-panorenana dia milaza fa « Ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan’ny governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikam-panjakana ».

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fiandrianam-pirenena ahoana e ?

17/04/2019

Resahina sy ventesina ny resaka fiandrianam-pirenena eto Madagasikara, ka lohalaharana amin’io ny mpitondra fanjakana ankehitriny. Rehefa manonintohina ny tombotsoa politikan’ny mpitondra ny fihetsiky ny avy any ivelany dia ny hoe : tany manana ny fahaleovantenany sy ny fiandrianany i Madagasikara, ka aza hidinkidirana. Isan’ireny ilay raharaha toa mampifanolana ny Afrikanina Tatsimo sy ny Fanjakana Rajoelina, izay tsikaritra ezahina takona sy alamindamina amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Etona mangeja hafanana Tokony hidina ambanin’ny 14%

17/04/2019

Nanatanteraka atrikasa fiofanana mahakasika ny fandrefesana etona mangeja hafanana (gaz à effet de serre) tetsy amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina ny Birao Nasionaly Mpandrindra ny REDD+ omaly talata 16 aprily. Haharita 3 andro izy io ary tanjona ny handinihana sy hifampizarana ny famolavolana ny tatitra mba ahafahana manatontosa ny fanamarinana ireo tarehimarika efa azo eo amin’ny sehatry ny ala, ny fiompiana ary ireo hafa manodidina ny etona mangeja hafanana.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Tantaram-pirenena Nahatety vanim-potoana maro i Michel Rakotobe

17/04/2019

Mampiranty ireo sary mifandraika amin`ny tantaram-pirenena etsy amin’ny CEMDLAC Analakely nanomboka omaly talata 16 aprily Rakotobe Michel. mpaka sary an-gazety sady arsivista. Manodidina ny 500 isa ireo sary ampirantiany hatramin`ny sabotsy 20 aprily ho avy izao. Tamin’ity indray mitoraka ity dia mifototra kokoa amin’ny fankalazana ny 29 martsa ny fampirantiana. Hita ao ireo sary sy lahatsoratra an-gazety nivoaka tamin’izany.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Halatra taolam-paty Fisolokiana avo lenta ?

17/04/2019

Raha ny fanadihadiana azon’ny zandary hatramin’izay nahitana resaka halatra taolam-paty, mijanona ho fisolokiana avo lenta hatrany izany. «Ireo izay tratra dia tsy mahita ny mpandray ny taolam-paty izay heveriny ho entam-barotra. Ny atidoha mikotrika nampaniraka olon-kafa milaza fa misy mitady. Ilay voairaka mamoaka vola hividianana izany kinanjo tsy hita ilay tompon’ny ketrika fa efa azon’ilay nahitana ny taolam-paty ny vola ary ity farany dia mpiray tsikombakomba amin’ilay tena mpaniraka. Matetika ireo mpanera sy ireo mpanelanelana izay efa namoaka vola nefa tsy nahita mpividy no tra-tehaka, sady efa nividy lany vola no itobian’ny entam-barotra tsy ahitana mpandray ary voasambotr’ireo mpitandro filaminana. Dia ireny miahaka fotsiny ireny ny entana fa matahotra ny hosamborina ireo nividy tsy nahita mpividy”.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana