Fil d'actualités du 21/03/2019

  • 21/03/2019 - 11:00 : MINISITRA ROA KANDIDA HO DEPIOTE: Ho an'ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena dia ny Minisitra Félicitée REJO-FIENENA misahana ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika no handray izany vonjimaika. Ho an'ny Minisiteran'ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy kosa dia ny Minisitry ny ati-tany Tianarivelo Razafimahefa no hitantana vonjimaika ity Minisitera ity.

  • 21/03/2019 - 11:00 : SOAVIMASOANDRO: Misy ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana arahina fanafody tanterahin'ny TIMK25 tarihin'ny kandida depiote Ralambozafimbololona Fetra nanomboka ny maraina teo. Tonga maro ireo mponina. Tsy hijanona eto aminy fokotany Soavimasoandro, fa hitohy any amin'ny fokontany maro eto aminy boriborintany faha-5 indrindra any aminy toerana marefo, hoy ny kandida Fetra.

  • 21/03/2019 - 10:30 : ZAVA-KANTO: Nodimandry alina i Pierre ao amin'ny Tarika Nanahary. Lala no tena nahafantaran'ny olona azy.

  • 21/03/2019 - 10:00 : POEZIA: Marihina anio 21 marsa ny andro maneran-tany ho an’ny poezia. Hanamarika izany amin’ny alalan’ny fiantsana tononkalo mitety vohitra ireo poeta avy etsy anivon’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy na ny IKM. Hifanome fotoana eo amin’ny Tranombokim-pirenena ireo mpiantsa ary hizotra mihazo ny toerana rehetra manodidina ny renivohitra hizara ny sanganasany. Ny « fiarovana ny tontolo iainana » no lohahevitra amin’izany.

  • 21/03/2019 - 09:00 : CNAPS: Nesorin'ny fanjakana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny Tale Jeneralin'ny orinasam-panjakana misahana ny fiahiana ara-tsosialy dia ny CNAPS.

  • 21/03/2019 - 08:30 : ANTALAHA: Olona roa no maty voatifitra nandritra ilay sakoroka niteraka fahamaizan'ny JIRAMA omaly.

  • 20/03/2019 - 17:00 : ANTALAHA: Nodoran'ny olona ny Biraon'ny Jirama noho ny resaka delestazy any an-toerana, izay efa nanomboka ny volana janoary no nisiany.

  • 20/03/2019 - 14:40 : BAOLINA KITRA: Misy lalao ara-pirahalahiana ataon'ny Nosy MAYOTTE sy ny ekipan'ny CUA USCAFOOT amin'izao ora izao ao amin'ny kianjan'Imahamasina

  • 20/03/2019 - 11:00 : MINISITRA KANDIDA DEPIOTE : Dinihina ao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra anio ny fanesorana ireo minisitra roa nirotsaka ho kandida solombavambahoaka.

  • 20/03/2019 - 10:30 : KANDIDA DEPIOTE VEHIVAVY : Miisa 126 ireo kandida vehivavy voaray ho mpifaninana amin’ny fifidianana depiote, izay manome 15% eo ho eo.

Voir plus d'infos...

22/03/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190312

Misongadina

Raharam-panjakana sy akamakama Mifangaro sahady…

12/03/2019

Tsy tao anatin’ny fampitam-baovao ofisialy naparitaky ny fiadidiana ny repoblika momba ireo delegasionina miaraka amin’ny filoham-pirenena manao fitsidihana ofisialy any Maorisy nanomboka nyalahady teo ny anaran’ilay mpandraharaha mpanefoefo Mamy Ravatomanga;

Hamaky ny tohiny...

Politique

Sarah Zoe Ravaonirina Miantso famondronan-kery ho an’ny TIM.K25

12/03/2019

y voatery mahazo seza na toerana vao afaka mandray andraikitra eto amin’ny firenena, hoy Rtoa Sarah Zoe Ravaonirina Filohan’ny Vondron’Olon-Tsotra na ny VOT. Tsy mila tambiny ny fanaovana asa soa ho an’ny VOT, izy.

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Ho lasa fialokalofan’ireo be dosie ?

12/03/2019

Ny tena mahasarika ny sain` ny mpanara-baovao momba ny fifidianana depiote hatreto dia ny anaran’ireo kandidà manohana ny Filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Brigitte Rasamoelina “Mila mitaiza ny tanora sy ny vehivavy ny mpanao politika”

12/03/2019

Nanatanteraka famelabelaran-kevitra sy fampianarana narahina fanontaniana ho an’ny tanora ny teo anivon’ny fikambanana FIFITAMA sy Kintan’ny Gasikara teny amin’ny centre Universitaire jésuite d’Ambohidempona ny Loholona Brigitte Rasamoelina sy ireo mpiara-miasa aminy ny sabotsy 09 martsa 2019 lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Tabera Randriamanantsoa « Mainty ny ho avin’i Madagasikara. »

12/03/2019

Raha izao no mitohy, hoy ny mpanao politika, Tabera Randriamanantsoa, dia tsy hisy mpandraharaha malagasy intsony ankoatry ny mpitondra eto. Enjehina daholo ny mpandraharaha malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Malagasy mpifidy Mbola ho voavidin’ny tolotolotra ihany ve ?

12/03/2019

Manakaiky ity ny fotoam-pifidianana izay ho solombavambahoaka ka mipetraka ary ny fanontaniana hoe: Iza no hofidiana? Olona tahaka ny ahoana no tokony ho mpitondra firenena ? “olona ambony” no niantsoan` ireo filozofa Confucius, Platon ary Gulen, an` ireo olombelona lafatra

Hamaky ny tohiny...

Distrika an’Ambohidratrimo Tanora no maro hifaninana ho depiote

12/03/2019

Miisa 6 sahady ny nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana depiote ny omaly fotsiny araka ny tatitry ny filohan’ny OVEC eny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo, Rasolofoarisoa Marcellin. 4 tamin’izany dia tsy miankina avokoa ary saika ny tanora no maro.

Hamaky ny tohiny...

Randrianarisoa Stanislas Lohalisitry ny kandida TIM K 25 Boriborintany faha-2

12/03/2019

Tafapetraka soa aman-tsara teny amin’ny Ovec ny Boriborintany faha-2 teny Andohan’i Mandroseza ny sabotsy 9 martsa teo ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho solombavambahoaka amin’ny 27 mey 2019 izao ny kandida TIM K 25

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fandefasana horonan-tsary mamoafady Ho sahirana ny fahitalavitra I-BC

12/03/2019

Niteraka resabe ny sarimihetsika sokajiana ho mamoafady nandeha tamin’ny fahitalavitra tsy miankina I-BC omaly 11 martsa tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Sport

« Thb Champion’s League Malagasy » Mitarika ny Fc Zanakala any Fianarantsoa

12/03/2019

Mitarika ao amin’ny vondrona C milalao any Fianarantsoa ny Zanakala Fc (M/Ambony) manana isa 6 (+11) arahin’ny CNaPS Sport isa 6 (+10). Faha-3 nny FcVaknà isa 6 (+5).

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Saran-dalana miazo ny RN1 Niakatra avokoa

12/03/2019

Tsy nihemotra tamin’ny teny nataony ny filohan’ireo koperativa miasa any amin’iny lalam-pirenena voalohany iny fa tena nanatanteraka ny teniny ny amin’ny fampiakarana saran-dalana tokoa.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Oniversiten’ Antananarivo Lany filoha ny Profesora Mamy Ravelomanana

12/03/2019

Nahazo filoha vaovao sady tanora ny Oniversiten’Antananarivo. Voafidy hitantana izany ny Profesora Mamy Ravelomanana, mpahay toekarena sady anisan’ny mpikambana namorona ny faribolan’ny mpandalina ny hary eto Madagasikara (CREM).

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Toekarena maneran-tany Miadam-pamindra tanteraka

12/03/2019

Nanamarika tanteraka ny fihaonambe ara-toekarena faha-49 natao tany Davos Soisa ny jery todika nataon’ny filohan’ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena FMI, Christine Lagarde nanao ny famelabelarana nilaza fa nisy ny fihemorana ara-toekarena maneran-tany tamin’iny taona 2018 iny.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Mpanakanto SHYN Voatendry ho ambasadaoron’ny Airtel

12/03/2019

Taorian’i Stephanie dia voatendry ho ambasadaoron’ny Airtel vaovao indray Shyn na i Bejean Prospere ilay mpanakanto tsy zoviana amin’ny maro intsony

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Lakrimozenina sy bala tra-tehaka Ahiana ny fikotrehana korontana

12/03/2019

Baomba mandatsa-dranomaso 6 sy bala 7 no tra-tehaky ny polisy teo Anatihazo Isotry. Fitaovam-piadiana izay tsy tokony ho eny am-pelatanana sivily ary hahafahana manakorontana na mandratra sy mamono olona mihitsy aza.

Hamaky ny tohiny...

ITAOSY Mirongatra ny vaky trano

12/03/2019

Tsy vitsy ireo mponina tonga mitaraina amin’ny tomponandraikitra eny an-toerana, indrindra amin’ny fokontany mahakasika ireo izay lasibatry ny vaky trano, indrindra ny lakozia sy ny tsena ambany rihana izay tsy misy mpatory.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

ANTANANARIVO I

12/03/2019

Ny Maitre Hanitra Razafimanantsoa avy amin’ny TIM.K25 no kandida voalohany nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany omaly ho an’ny boriborintany voalohany Antananarivo renivohitra.Anisan’ny mpiray lisitra aminy ny mpitandrina Roger Randriamisata.

Hamaky ny tohiny...

Marc Tatandraza

12/03/2019

Marary mafy any am-ponja ilay mpitondra fivavahana, Marc Tatandraza, hoy ireo mpiaradia aminy fa tsy mbola nodimandry izany.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fanamboarana ny tetezan’i Bemasoandro Mahitsy Nitondra fanampiana i Fy Andrianarison

12/03/2019

Tonga nanolotra fitaovana ho entina manamboatra ny tetezana eny Bemasoandro Mahitsy Distrikan’Ambohidratrimo Rtoa Fy Andrianarison reny mpiahy ny Fikambanana MIAHI (Marovatana Iraisantsika ka Ambohidratrimo Handroso no Iriantsika). Vokatry ny ora-mikija mantsy dia tapaka ny tetezana mampitohy amin’i Mahitsy sy ny Fokontany Bemasoandro ary ireo tanàna manodidina.

Hamaky ny tohiny...

Vehivavin’ Ambohidratrimo Nizara sakafo ho an’ireo zokiolona sy namboly hazo

12/03/2019

Nizara sakafo ho an’ireo zokiolona vehivavy teny amin’ny distrikan’Ambohidratrimo ireo vehivavy manerana ireo kaominina 24 eny an-toerana ny faran’ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Pilaonina mitsangana etsy Andohatapenaka Manahy ny hoavin’ny taranany ireo mponina

12/03/2019

Efa ho roatokom-bolana amin’izao fotoana izao no nitsanganan’ny pilaonina iray etsy Andohatapenaka, raha ny fanazavan’ny sefo fokontany ao an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

“Riz Hybride” n’ny Sinoa Asisika ampidirina eto Madagasikara, fa nahoana ?

12/03/2019

Ny Malagasy dia homam-bary. Ny Malagasy dia mamboly vary. Ny vary eto an-toerana anefa tsy ampy lava noho ny antony samihafa: eo ny tsy fahazotoan’ny tantsaha hiala amin’ny fomba mahazatra, ny teknika fambolena tsy mbola miparitaka tsara, ny tsy fahampian’ny fitaovana…

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana