Fil d'actualités du 21/10/2019

  • 21/10/2019 - 15:30 : H.J.R.A:Tonga nitsidika nijery ilay naratra nandritra ny savorovoro teny Ambohitrimanjaka ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena, izay notarihan’ny Jeneraly Richard RAVALOMANANA, Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimaria sy ny Jeneraly Njatoarisoa ANDRIANJANAKA, Komandin’ny Zandarimaria sy ireo mpiara-miasa ny marainan’ny Alatsinainy 21 Oktobra 2019 tamin’ny 08 ora maraina.

  • 21/10/2019 - 15:25 : FILAZANA:Ny FMF dia mampahafantatra fa tsy hanan-kery intsony ny «Licence jaune» aorian’ny 31 décembre 2019. Manasa ireo Klioba ara-dalàna tsirairay mpandray anjara amin’ny fifaninanana noho izany hanatona ny ligim-paritra misy azy avy, hameno taratasy fisoratana anarana mba hahazoana «Licence» amin’ny endriny vaovao.

  • 21/10/2019 - 15:15 : TRANGAM-PIARAHAMONINA:Lany ny solika amin'izao fotoana izao eny amin'ireo mpanjindrara maromaro eto Antananarivo sy ny manodidina.

  • 21/10/2019 - 15:00 : FIANARANTSOA:Lozam-pifamoivoizana amin'izao fotoana izao ao Fianarantsoa fiara Kamiao mpitatitra fasika no tapaka hisatra ka nifaoka olona,4 no maty,4 ihany koa naratra.

  • 21/10/2019 - 14:50 : JIRAMA:Tapaka ny famatsiana RANO fisotro madio eny :ANKORONDRANO - ANDRANOMAHERY ary ny VILLAGE DES JEUX, amin'izao fotoana izao. Antony: Fanamboarana fantsona lehibe DN200 vaky.

  • 21/10/2019 - 14:30 : PARAMEDY:Hotanterahina any Mahajanga, renivohitry ny Faritra Boeny, anio 21 hatramin'ny 25 oktobra 2019 ny zaikabe nasionalin’ny Paramedy.

  • 21/10/2019 - 14:00 : SAMBAVA:Nomeny fitsarana fahafahana vonjy maika ilay voarohirohy nanindrona antsy tovolahy iray vao 22 taona, izay maty tamin'ny 06 alahady Oktobra 2019 tany Ambodisatrana, CU Sambava.

  • 21/10/2019 - 12:00 : FILAZANA:Ho fanomezam-boninahitra farany ho an'i Fafah Mahaleo ny Alarobia 23 Oktobra ho avy izao manomboka amin'ny 10 ora maraina ao amin'ny lapan'ny kolon-tsaina sy ny fanatanjahatena Mahamasina.

  • 21/10/2019 - 11:30 : Tahiry Ny Rina Randriamasinoro:Nitsidika ny boribory tany faha V indray ny kandida N°2 izay natolotry ny TIM.

  • 21/10/2019 - 11:00 : FANATANJAHANTENA:Niondrika teo amin'ny isa 2 no 0 ny Malagasy nanoloana ny Namibianina. Ny boalina voalohany dia tafiditra teo amin'ny faha 10'36 tamin'ny fizaram-potoana voalohany. Ny faharoa kosa dia tamin'ny faha 50'00.

Voir plus d'infos...

21/10/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190226

Misongadina

Andry Rajoelina Be afera mampiahiahy sahady…

26/02/2019

Miezaka mikosoka ny tantaran’ny tetezamita i Andry Rajoelina. Manadio tena sy mametraka ny tenany sy ny mpitondra ho maodely amin’ny ady amin’ny kolikoly, fitantanana mangarahara ny volam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Me Hanitra Razafimanantsoa “ Efa niadianay ary mbola hiadianay ny kolikoly”

26/02/2019

Tontosa soa aman-tsara tao amin’ny Salle d’oeuvre EKAR Soanierana ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao nataon’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ao amin’ny faha-4.

Hamaky ny tohiny...

Lohandohan’ny mpisorona HVM Maro no hahita raharaha

26/02/2019

Mbola Rajaonah, Claudine Razaimamonjy, Hugue Ratsiferana, Anthelme Ramparany, Henri Rabary Njaka, Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, Jaobarison Randrianarivony,

Hamaky ny tohiny...

Ben’ny tanànan’Antsirabe Naato tamin’ny asany ihany koa

26/02/2019

Taorian’i Toamasina I dia niakatra ihany koa ny maripanan’ny mpanolotsain’ny tanànan’Antsirabe I sady taitra tamin’ny torimasony koa angamba, manoloana ny fitokonan’ny mpiasa efa ho herinandro izao.

Hamaky ny tohiny...

Zanak’i Sazalahy Tsianihy -Regtim Sakaraha Dahalo 20 lahy namono sy nandroba azy mivady

26/02/2019

Fantatra, araka ny tatitra nampitain’i Sazalahy Tsianihy filohan’ny Regtim any Atsimo Andrefana fa dahalo 20 lahy ireo nitifitra sy namono ary nandroba ny fananan’ny zanany lahy sy ny vadiny tany Sakaraha tamin’ny 25 novambra 2018.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mpiara-miasa amin’ny JIRAMA “Aoka izay ny tombotsoa mihoapampana”

26/02/2019

Nidina teny amin’ny teny amin’ny toby mpamokatra herinaratra an’ny orinasa jirama eny Ambohimanambola ny Lehiben’ny governementa Ntsay Christian omaly maraina, niaraka tamin’ny minisitry ny Angovo, ny Tale jeneralin’ny Jirama.

Hamaky ny tohiny...

Hentitra ny Kaominina “Sazio ary izay nivarotra ny zaridainan’Antaninarenina”

26/02/2019

Tsy nivarotra, tsy mivarotra ary tsy hivarotra tany mihitsy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), tarihan’ny ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana, hoy ny valin-kafatry ny CUA omaly eo

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny filaminam-bahoaka “Tsy mahazo migrevy ny polisy”

26/02/2019

Tsy nitokona ary tsy mitokona izany ny polisim-pirenena tamin’ny faran’ny herinandro, hoy ny minisitry ny filaminam-bahoaka Rafanomezantsoa Roger.

Hamaky ny tohiny...

BAR sy Karaoke eto an-drenivohitra Hakatona izay misokatra aorian’ny amin’ny 9 ora alina

26/02/2019

Tsy maintsy mikatona amin’ny 9 ora alina avokoa manomboka izao ireo bara fisotroan-toaka sy karaoke rehetra misy eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Fiaram-panjakana Nentina nirevy andro tsy fiasana ka potika

26/02/2019

Fiara 4x4 roa samy takelaka mena voalaza fa an'ny ministeran'ny serasera no indray simba ny faran’ny herinandro teo andro tsy fiasana, raha ny vaovao azo.

Hamaky ny tohiny...

FIBEMIH Betafo 2019 Hankalaza ny faha-15 taonany

26/02/2019

Nisy ny fanokafana ny fankalazana ny faha-15 taonan’ny fikambanana FIBEMIH tamin’ny alahady 17 febroary 2019 teo tao amin’ny Centre Fibemih Imerimandroso Atsinanantsena Betafo, notarihin’ny filohany Ratheo

Hamaky ny tohiny...

Sport

Gala International de Multi-Boxe Goragora ny fikarakarana

26/02/2019

Notontosaina tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny sabotsy 23 febroary2019 tolakandro teo ny hetsika “Gala International de Multi-Boxe”

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Marary ny firenena

26/02/2019

Sosialy, toekarena, kolontsaina, fanatanjahantena, indrindra moa fa ny politika dia sarotra ny hilaza ireo rehetra ireo fa efa tomombana tanteraka ny momba azy avy.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fitaterana an-dranomasina Tokony hifamatotra amin’ny teknolojia vaovao

26/02/2019

Nisy ny atrikasa famolavolana ny fandrafetana ny drafitra nasionaly momba ny fikarohana sy famonjena an-dranomasina (SAR) notanterahina tetsy amin’ny foiben’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy ny ranomamy (APMF) Alarobia omaly alatsinainy 25 febroary.

Hamaky ny tohiny...

Loza manjo ny moto scooter Vokatry ny fandehanana mafy sy ny fandikan-dalàna

26/02/2019

Nisesisesy hatrany ny loza mihatra amin’ireo mpitondra moto scooter teto Antananarivo sy tany amin’ny faritra tato ato. Matetika dia fahamoizan’aina mihitsy no mahazo ny mpitaingina ireny moto scooter ireny rehefa sendra ny loza.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fahasalamam-bahoaka Mila fampivoarana ny rafitra sy ny fitaovana

26/02/2019

Mbola ahitana kolikoly ny sehatry ny fahasalamana, indrindra eny amin`ireo toeram-pitsaboana mampitaraina ny marary sy ny fianakaviana manana ny tsy salama midodododo eny amin`ny hopitaly.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Indostrian’ny lamba Ho jerena manokana ny fiarovana ny fahasalaman’ny mpiasa

26/02/2019

Tompon’andraikitra ambony maherin` ny 30 isa eo amin' ny minisitera isan-karazany (Laboratoara, Fahasalamana, Fambolena, Varotra ary Indostria) ary fikambanana nifandraika tamin'ny fampiroboroboana ny fiarovana sy ny fahasalamana amin'ny asa (SST)

Hamaky ny tohiny...

Fanondranana entana aty Madagasikara Miaro ny anjara tsenany i Indonezia

26/02/2019

I Indonezia dia anisan’ireo firenena manana tombontsoa sy anjara tsena goavana amin’ny fandefasana ny vokatra mankaty Madagasikara. 5% ny anjara tsenany ny amin’ny fanondranana paty ary 20% ny vovo-tsavony.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihana teny Ambohipo Jiolahy roa maty voatifitry ny UIR

26/02/2019

Jiolahy roa no voatifitry ny polisin’ny UIR teny Antsobolo, Ambatomaro omaly alatsinainy tokony ho tamin’ny 12h30 raha saika hamaky toeram-pivarotana fanafody iray teny Ambohipo. araka ny fampitam-baovaon’ny polisim-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Lalana mihotsaka eny Soanierana ambony Fianakaviana 9 nalana tamin’ny trano fonenany

26/02/2019

Olona 54 ao anatina fianakaviana miisa sivy no voatery nalana tamin’ny toeram-ponenany omaly teny amin’ny fokontany Soanierana I sy III, Boriborintany fahefatra vokatry ny fihotsahan’ny lalana eny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Ala 50.000 ha no manjavona isan-taona

26/02/2019

Mihasimba hatrany ny tontolo iainana eto amintsika vokatry ny fandripahana ala tsy ara-drariny.

Hamaky ny tohiny...

Faritry ny tsena kaominalin’Ambohijatovo Tsy milamina ny tanàna amin’ny gaboraraka misy

26/02/2019

Tsy milamina mihitsy ny tanàna amin’ny gaboraraka misy etsy amin’ny faritry ny tsena kaominaly etsy amin’ny fokontanin’i Mandrosoa-Ambohijatovo-Ambatonakanga-Antsapanimahazo noho ny gaboraraka miseho eny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Hosoka sy fitsoahana ara-ketra Miroborobo loatra eto Madagasikara

26/02/2019

Olana hatrany eto Madagasikara ny hamaroan’ny sehatra tsy ara-dalàna mitarika ny hosoka sy ny fitsoahana ara-ketra.

Hamaky ny tohiny...

Rafitra momba ny antontan’isa Mila averina alamina

26/02/2019

Ahoana no ahazoana antontan’isa azo antoka sy ara-potoana ? Fanontaniana mipetraka amin’ny resaka fikirakirana antontan’isa eto Madagasikara io.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana