Fil d'actualités du 21/03/2019

  • 21/03/2019 - 11:00 : MINISITRA ROA KANDIDA HO DEPIOTE: Ho an'ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena dia ny Minisitra Félicitée REJO-FIENENA misahana ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika no handray izany vonjimaika. Ho an'ny Minisiteran'ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy kosa dia ny Minisitry ny ati-tany Tianarivelo Razafimahefa no hitantana vonjimaika ity Minisitera ity.

  • 21/03/2019 - 11:00 : SOAVIMASOANDRO: Misy ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana arahina fanafody tanterahin'ny TIMK25 tarihin'ny kandida depiote Ralambozafimbololona Fetra nanomboka ny maraina teo. Tonga maro ireo mponina. Tsy hijanona eto aminy fokotany Soavimasoandro, fa hitohy any amin'ny fokontany maro eto aminy boriborintany faha-5 indrindra any aminy toerana marefo, hoy ny kandida Fetra.

  • 21/03/2019 - 10:30 : ZAVA-KANTO: Nodimandry alina i Pierre ao amin'ny Tarika Nanahary. Lala no tena nahafantaran'ny olona azy.

  • 21/03/2019 - 10:00 : POEZIA: Marihina anio 21 marsa ny andro maneran-tany ho an’ny poezia. Hanamarika izany amin’ny alalan’ny fiantsana tononkalo mitety vohitra ireo poeta avy etsy anivon’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy na ny IKM. Hifanome fotoana eo amin’ny Tranombokim-pirenena ireo mpiantsa ary hizotra mihazo ny toerana rehetra manodidina ny renivohitra hizara ny sanganasany. Ny « fiarovana ny tontolo iainana » no lohahevitra amin’izany.

  • 21/03/2019 - 09:00 : CNAPS: Nesorin'ny fanjakana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny Tale Jeneralin'ny orinasam-panjakana misahana ny fiahiana ara-tsosialy dia ny CNAPS.

  • 21/03/2019 - 08:30 : ANTALAHA: Olona roa no maty voatifitra nandritra ilay sakoroka niteraka fahamaizan'ny JIRAMA omaly.

  • 20/03/2019 - 17:00 : ANTALAHA: Nodoran'ny olona ny Biraon'ny Jirama noho ny resaka delestazy any an-toerana, izay efa nanomboka ny volana janoary no nisiany.

  • 20/03/2019 - 14:40 : BAOLINA KITRA: Misy lalao ara-pirahalahiana ataon'ny Nosy MAYOTTE sy ny ekipan'ny CUA USCAFOOT amin'izao ora izao ao amin'ny kianjan'Imahamasina

  • 20/03/2019 - 11:00 : MINISITRA KANDIDA DEPIOTE : Dinihina ao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra anio ny fanesorana ireo minisitra roa nirotsaka ho kandida solombavambahoaka.

  • 20/03/2019 - 10:30 : KANDIDA DEPIOTE VEHIVAVY : Miisa 126 ireo kandida vehivavy voaray ho mpifaninana amin’ny fifidianana depiote, izay manome 15% eo ho eo.

Voir plus d'infos...

22/03/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190216

Misongadina

Fifidianana Solombavambahoaka Hampijoro kandida vonon-kandresy ny “TIM.K25”

16/02/2019

Tsy ao anaty rafi-panjakana intsony ny avy amin’ny Antoko Tiako I Madagasikara, taorian’ny faharavan’ny governemanta sy ny antenimieram-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Vahoaka any amin’ny faritany Manomboka mimenomenona amin-dRajoelina

16/02/2019

Tsy voasoratra any anaty lalàna, saingy efa naman’ny nipetraka ho lamina mandeha ho azy teto amintsika ny fifandanjana ara-paritra na ny “équilibre régionale” amin’ny fitsinjaran’ny fahefana.

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Te hanadio tena eo imason`izao tontolo izao

16/02/2019

Fanadiovan-tena. Mazava ny resaka fa te-ho filoham-pirenena hadio i Andry Rajoelina. Niniana tsy nolazaina avokoa anefa ireo tranga tena niteraka ny krizy politika teto amintsika, indrindra fa ny fahapotehan’ny toekarena, izay nampiaiky volana ny maro fa tena ho sarotra ny hanarina azy.

Hamaky ny tohiny...

Olon`ny HVM Hovizanina tanteraka ?

16/02/2019

Araka ny efa notaterina teto dia manahy valifaty politika ny olon`ny HVM.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Orinasa Jirama Ny tetezamita no tena namotika azy

16/02/2019

Hampiakarina avo roa heny araka ny tenin-dRajoelina tokoa ve ny famokarana herinaratra eto amin’ny firenena sa hahena avo telo eny mba hampijaly ny vahoaka ?

Hamaky ny tohiny...

Famarotana ny zaridainan’Antaninarenina Handray fepetra hentitra ny kaominina (CUA)

16/02/2019

Misy milaza fa mivarotra tany ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) ka voatonona tao ny zaridainan’Antaninarenina. Manambara sady manamafy mazava ny fiadidiana ny tanàna tarihan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana fa tsy nivarotra ny zaridainan’Antaninarenina izany izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pastera Roger Randriamisata “Tarihana tsy hino an’Andriamanitra ny Malagasy…”

16/02/2019

Maro ny olona mandika ny loza samihafa miseholany eto amin’ny firenena, izay efa namoizana ain’olona an-jatony mahery ho kapoka na famaizan’Andriamanitra.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Africa Basket-ball League Nandresy ny Smouha Sc sy ny Petro Atletico

16/02/2019

Tsy nisy alaharo fa nanomboka avy hatrany omaly zoma 15 febroary 2019 tetsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fifaninanana Africa Basket League 2019 ho an’ny vondrona D misy

Hamaky ny tohiny...

Tompondakan’ny Ligue 1 Analamanga Vonona handrombaka izany ny Uscafoot

16/02/2019

Hotanterahina rahampitso alahady 17 febroary 2019 etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny ankatoky ny famaranan’ny fiadiana ny amboaran’ny baolina kitra eto Analamanga sokajy ligue 1.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fanafihana sy asa ratsy Mampiasa fiara “plaque rouge” ireo jiolahy

16/02/2019

Nohararaotin’ny olon-dratsy ny fampiasana takelaka mena (plaque rouge) misy ireo laharan’ny fiaram-panjakana. Io no vaovao nampitain’ny Talen’ny filaminam-bahoaka eo anivon’ny polisim-pirenena, Contrôleur Général de Police,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana