Voir plus d'infos...
Archive du 20190208
08/02/2019
Tsy afaka ato an-tsaina hatramin’ny andro androany ny endrik’ireo tanora lavo sy naratra, hoy i Andry Rajoelina omaly tamin’ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny raharaha 7 febroary teny Ambohitsorohitra.
08/02/2019
Tapa-bolana mahery izay no nitantanan’ny fanjakana Rajoelina ny firenena, ary tsy mbola ampy hitsarana azy izany.
08/02/2019
Anisan’ireo tapa-kevitra ny hanova tanteraka ny tontolo politika misy eto amintsika manomboka izao ny tenako, hoy ny solombavambahoaka teo aloha voafidy tany Betroka,
08/02/2019
Manomboka mihetraketraka ny fanjakana Rajoelina. Raha ny fampitam-baovao avy any Antsiranana dia raikitra ny fandrefirefesana ny tanin’ny orinasa Tiko any Arasara any Antsiranana any.
08/02/2019
Efa niteny foana izahay momba ny fifidianana feno hosoka, feno halatra, feno tsy fahamarinana. Iny fifidianana iny dia feno kolikoly
08/02/2019
· Namoaka ny didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana solombavambahoaka ny 27 mey ho avy izao ny governemanta. Roso amin`ny dingana samihafa amin`ny fanatanterahana izany isika, hoy ny teo anivon`ny CENI.
08/02/2019
Tapitra ny 5 febroary misasakalina teo ny fe-potoana niasan`ireo solombavambahoaka.
08/02/2019
Tsy mahazo manatrika hetsika na lanonana intsony Rafaramandimby Bona Pierre, filohan’ny fikambanana niaram-boina tamin’ny 07 febroary taona 2009 na AV7, mpiara-dia tamin’ny antoko HVM teo aloha.
08/02/2019
Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina omaly.
08/02/2019
Miarahaba anao aho ry Jean ! Tena arahabaina ianao satria mbola velon’aina. Raha ny vitanao hatreto mantsy dia tokony tsy ho tratry ny famindram-po tahaka izao
08/02/2019
Efa ny fanjakana mpamotika ny firenena tany amin’ny folo taona lasa no mitondra ny firenena amin’izao fotoana izao.
08/02/2019
Tamin'ireo dimy mpandeha, telo naratra mafy, iray maty tsy tra-drano. Io no vokatry ny lozam-pifamoizana tamin'ny talata 5 febroary farany teo, sahabo ho tamin'ny 9 ora alina, araka ny loharanom-baovaon'ny zandarimariam-pirenena eo Andrefan'Ambohijanahary.
08/02/2019
Mitohy hatrany ny fitokonan’ny mpiasan’ny SIRAMA Nosy Be faritra DIANA sy Brickaville. Tsiahivina fa efa am-bolana maro ity tolona ataon’ny mpiasa ity ary mitohy tsy mety milamina hatramin’izao.
08/02/2019
Nampahafantarina tetsy amin’ny filankevitry ny fampandrosoana ara-toekarena (EDBM) Antaninarenina omaly alakamisy 7 febroary ny fandraisan’anjaran’ireo orinasa Malagasy amin’ilay hetsika fampirantiana Biofach 2019.
08/02/2019
Rehefa miakatra ny faripahaizan’ny olona dia tokony hiakatra manaraka izay ihany koa ny faripananany.
08/02/2019
Tsy mbola nisy vola nivoaka sy nomena ny havan’ireo izay niharam-boina tamin’ny raharaha 7 febroary hatramin’izao.
08/02/2019
Firenena sahirana isika ary mbola “miady amin`ny kapoaka”. Raha ny fiainan`ny ankamaroan`ny Malagasy no jerena akaiky dia feno fanaratsiana, fihatsarambelatsihy, kolikoly, fitiavan-tena…
08/02/2019
Omaly alakamisy 07 febroary no fe-potoana farany nomena ireo olona monina eny amin’ny Fokontany Ampamarinana sy ny manodidina tafiditra ao anatin’ny faritra mena, ahiana hisy fihotsahan’ny tany sy fianjeran’ny vato.
08/02/2019
Tsy manana “cantine scolaire” intsony ny eo anivon’ny EPP Andraharo, sekolim-panjakana iray mandray ireo zanaky ny sahirana eny an-toerana.