Fil d'actualités du 18/02/2019

  • 18/02/2019 - 19:00 : LOZA MAHATSIRAVINA: Olona miisa 2 no voafaokan'ny fiara teny Marais Masay tokony ho tamin'ny 6ora hariva teo, ka ny iray maty tsy tra-drano ary ny iray naratra mafy.

  • 18/02/2019 - 12:00 : TOETR'ANDRO: Misy andian-drahona matevina ao amin’ny lakandranon’i Mozambika izay mitondra orana betsaka sy rivotra mahery mety hahatratra 45 Km/ora ary mety hihoatra ny 60Km/ora indraindray any amin’ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy.

  • 18/02/2019 - 11:30 : FONJAN'I TSIROANOMANDIDY: Mitsahatra ao anatin'ny fotoana tsy voafetra ny fahafaha-mamangy ao amin'ny fonjan'i Tsiroanomandidy taorian'ny fahavakian'ny fonja omaly alahady.

  • 18/02/2019 - 11:00 : ERIC FOU'HEHY: Tsy mbola nodidiana izy satria mbola mila vola 75 000Euros ny fanatanterahana izany.

  • 18/02/2019 - 10:30 : SMM: Ny mpitsara Clément Jaona no voafidy ho filohan'ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara na ny SMM.

  • 18/02/2019 - 10:00 : ANDOTIANA: Higadona an-tanindrazana ny zoma 22 febroary ny nofo mangatsiakan'ity tovovavy Malagasy 23 taona nanjavona iray volana teo ho eo tany Frantsa ary hita faty ity, ka ny fanjakana no hiantoka manontolo ny lany.

  • 18/02/2019 - 09:30 : HERINANDRON'NY ANGOVO: Eny amin'ny Hôtel PANORAMA, manomboka androany faha-18 hatramin'ny zoma faha-22 febroary ny fanamarihana izany.

  • 18/02/2019 - 09:30 : MAROTSOPOY ANJOZOROBE: Olona 4 no efa matin'ny dahalo tao antin'ny fanafihana nisesy ary basy 4 no very ankoatran'ny omby maro.

  • 16/02/2019 - 20:00 : TSIROANOMANDIDY:Vaky ny tolakandro tokony tamin'ny 4 ora teo ny fonjan'ny Tsiroanomandidy. Raha ny vaovao voaray vonjimaika hatreto dia voafonja am-polony no tafatsoaka. Ny roa tamin'ireo gadra ireo kosa efa voasambotra.

  • 15/02/2019 - 11:00 : MOPERA VOATIFITRA: Nodimandry androany maraina i Mopera Nicolas isan'ireo voatifitra teny Mahitsy nandritra ny fanafihan-jiolahy tamin'ny herinandro ambony.

Voir plus d'infos...

18/02/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190122

Misongadina

Loza voajanahary Dibo-drano any Antsiranana

22/01/2019

Nihotsaka ny tany teto Antananarivo ary namoizana ain’olona am-polony mahery sy traboina dimampolo mahery tetsy Andohalo sy Tsimbazaza vokatry ny ora-mikija nateraky ny oram-be.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Resaka « laïcité » Fototr’olana mety hanakorontana ny firenena

22/01/2019

Hatramin’izao dia mbola miteraka resabe foana ny mikasika ny tsy fifangaroan’ny fivavahana sy fitantanan-draharaham-panjakana na ny « laïcité de l’Etat » , hoy ny CRN.

Hamaky ny tohiny...

Vina IEM Tsy hilamina raha tsy vita ny fampihavanana, hoy ny CRN

22/01/2019

Nisaotra ireo filoham-pirenena Malagasy teo aloha sy ny vadin’Itompokolahy Zafy Albert ny filohan’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na CRN, Tabera Randriamanantsoa.

Hamaky ny tohiny...

Imbiky Herilaza “Manan-jo hivondrona ny mpitarika ho mpanohitra”

22/01/2019

Nanomboka nandray ny asany amin`izay ny filoham-pirenena vaovao ary miandry ny fanovana izay heveriny fa mety ho an`ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Avarapianarana malagasy Manomboka manao pimaso an’i Andry Rajoelina

22/01/2019

Nanao pimaso amin’ny filoham-pirenena vaovao Andry Rajoelina omaly ry zareo avarapianarana mivondrona eo anivon’ny fikambanana Mafami.

Hamaky ny tohiny...

Ntsay Christian Praiminisitra hanaramaso an-dRajoelina

22/01/2019

Voatendry ho praiminisitra hitantana ny governemanta amin’izao fanjakana Rajoelina, filoha faharoan’ny Repobilika faha-4 izao ny praiminisitra teo aloha Ntsay Christian, taorian’ny filankevitry ny minisitra manokana natao teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly takariva.

Hamaky ny tohiny...

Fampanofinofisan-dRajoelina Dodona tsy mahandry 5 taona ny vahoaka

22/01/2019

Manomboka ny fotoana hahafahan’ny filoha vaovao Andry Rajoelina manatanteraka ny fampanofinofisana nakana ny fom-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Governemanta vaovao Homena sehatra kokoa ny olon’ny 2009…

22/01/2019

Voafaritra ao anatin’ny boky IEM fa miisa 21 na 22 eo miaraka amin’ny praiminisitra ireo mpikamban’ny governemanta.

Hamaky ny tohiny...

Jeopolitika frantsay Mametraka ny olony amin`ireo firenena zanatany fahiny

22/01/2019

Taorian`ny fianianan`ny filoham-pirenena vaovao ny sabotsy lasa teo, dia nitafa fohy tamin`ny mpanao gazety ny iraky ny filoham-pirenena frantsay, Jean Baptiste Lemoyne, izay nilaza fa hampitombo ny tetibola ampiasain`ny firenena Malagasy amin`ny lafiny fampandrosoana.

Hamaky ny tohiny...

Fitsinjaram-pahefana tena izy Finiavana ara-politika no tsy misy

22/01/2019

Tsy tokony ho olana ny fanatanterahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy saingy olana ny tsy fisian’ny finiavana ara-politika, hoy ny mpahay lalàna Dokotera Razaranaina Nome.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Ligin’ny baolina kitra Atsimo Andrefana Hiditra amin’ny dingana faha-2 amin’ny alahady izao

22/01/2019

Ligin’ny baolina kitra Atsimo Andrefana Hiditra amin’ny dingana faha-2 amin’ny alahady izao

Hamaky ny tohiny...

Edito

Edito Naniry zaza ka tera-dahy !

22/01/2019

Io ary ilay nandrasana. Naniry zaza isika Malagasy ankehitriny ka tera-dahy.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Anosizato Andrefana Lavaka be iray mahatonga amboteiazy

22/01/2019

Henjana raha samy fitohanan’ny fiara eto Antananarivo Renivohitra ny eny Anosizato. Maro no antony.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Bakalorea 2019 Haroso ny 30 septambra hatramin’ny 4 oktobra

22/01/2019

Haroso ny 30 septambra ka hatramin’ny 4 oktobra ho avy izao ny fanadinam-panjakana bakalôrea amin’ity taona 2019 ity saingy mbola hiandrasana fankatoavana ny didim-pitondrana izany.

Hamaky ny tohiny...

Fanohizana fianarana any ivelany Firenena maro no vonona handray ireo mpianatra Malagasy

22/01/2019

Samy maniry ny handeha hanohy fianarana any ivelany avokoa ny ankamaroan’ireo tanora Malagasy manana ny maripahaizana Bakalôrea.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Vaksiny fanefitry ny kitrotro Mbola hitohy ny hetsika

22/01/2019

Fahombiazana no azo tamin’ilay fanaovam-baksiny faobe fanefitry ny kitrotro notanterahina teto amin’ny Faritra Analamanga, hoy ny teo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Trano Printy FLM Miantso ny fanjakana hanamora ny fampidirana ny akora fototra

22/01/2019

Nilaza ny tale jeneralin’ny Trano Printy Fiangonana Loterana Malagasy (TPFLM), Pasitera Lahivelo Jean Donné fa tena lafo ny vidin’ny taratasy avy amin’ireo mpamatsy eto an-toerana noho ny fandoavan’ireo hetra ambony be amin’ny fanjakana.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny Zanak’Alaotra Nanolotra ny vina fampandrosoana ny faritra

22/01/2019

Tahaka ireo faritra maro samihafa izay nampatsiahy ny vina IEM sy ny veliranon’ny filoham-pirenena vaovao dia nanatanteraka ny fanambarany ihany koa ny fikambanan’ny zanak’Alaotra.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

VOATAFIKA NY DZAMA

22/01/2019

Nisy nanafika ny mpiasan’ny orinasa Dzama handeha hanatitra vola eny amin’ny banky

Hamaky ny tohiny...

Fiara Cadillac

22/01/2019

Mbola mampametra-panontaniana ny maro hatramin’izao ny loharanom-bola nividianana ilay fiara raitran’ny filoham-pirenena Malagasy, Andry Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fihotsahan’ny tany eny Tsimialonjafy Efa tamin’ny taon-dasa no nisy fampitandremana

22/01/2019

Efa tamin’ny taon-dasa no nampitandremana sy nalana tamin’ny toerany ireo olona nianjeran’ny trano teny Tsimialonjafy, Ambanin’Ampamarinana, raha araka ny fanazavan-dRakotomalala André,

Hamaky ny tohiny...

3 mianaka tototry ny tany Anio ny fandevenana

22/01/2019

Halevina anio talata 22 janoary izy telo mianaka indray maty namoy ny ainy vokatry ny fianjeran’ny hazo sy ny fihotsahan’ny tany tamin’ny sabotsy alina lasa teo teny Tsimialonjafy Ambanin’Ampamarinana.

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana Nampahery ireo fianakaviana tra-pahoriana

22/01/2019

Noho ny voina nahazo ny fianakaviana nihotsahan’ny tany teny Andoharano Tsimbazaza Boriborintany faha-4 ny takarivan’ny sabotsy ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA)

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana