Fil d'actualités du 18/01/2019

  • 18/01/2019 - 15:30 : NICOLAS SARKOZY: Efa tonga eto Madagasikara i Nicolas Sarkozy, Filoham-pirenena frantsay teo aloha izay hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso.

  • 18/01/2019 - 11:00 : HANITRA RAZAFIMANANTSOA: Tonga niarahaba ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Hanitriniaina Razafimanantsoa noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2019 ny fikambanan'i Iarivo Miray, eo amin'ny Antenimierampirenena.

  • 18/01/2019 - 10:30 : IAVOLOHA: Hatao anio eny amin'ny Lapan'Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny vaovao Andry Rajoelina

  • 18/01/2019 - 10:00 : FIANIANANA: Filoham-pirenena miisa 6 avy aty Afrika no hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso: -Alpha Condé (Guinée) -Edgar Lungu ( Zambie) -Hage Geingob (Namibie) -Azali Assoumani (Union des Comores) -Nana Addo Dankwa Akufo-Addo (Ghana) -Sahle-Work Zewde (Ethiopie).

  • 17/01/2019 - 19:00 : RIVO RAKOTOVAO: Hiverina ho Filohan'ny antenimieran-doholona avy hatrany ny tenany rahampitso hariva aorian'ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha sy ny vaovao, rehefa avy nitazona ny anjara asa maha filoham-panjakana mpisolo toerana.

  • 17/01/2019 - 13:00 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga niarahaba ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana tao amin'ny lapan'ny tanana Analakely ny delegen'ny tsena ao amin'ny tsenan'Anosibe. Nisy ny dinik'asa niarahan'ny roa tonta hanatsarana ny fomba fiasa mba ho soa ho an'ny rehetra .

  • 17/01/2019 - 12:00 : MORAMANGA: Lehilahy miisa roa sarona tao amina trano fisotroana nitondra basy sy odigasy, izay voasambotry ny zandary, ka notanana am-ponja vonjimaika taorian'ny nanolorana azy ny fitsarana.

  • 17/01/2019 - 09:00 : BAOLINA KITRA: Azon'ny Juventus de Turin ny amboaran'ny "Super coupe d'Italie" rehefa resin'izy ireo tamin'ny isa 1-0 tamin'ny alalan'ny baolina matin'i Christiano Ronaldo ny AC Milan halina.

  • 16/01/2019 - 18:00 : ANOSIMAHAVELONA: Zazarano iray vao avy nesorina hita nisy nanary teny amoron'ny Ranon'Ikopa teny Anosimahavelona androany.

  • 16/01/2019 - 12:45 : FIFAMOIVOIZANA:Ny fahateren'ny arabe, ny fisian'ireo mpivarotra amoron-dalana,ny tsy fanajana firy intsony ny code de la route, ny fitiavan-tena no mampikorontana ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy.

Voir plus d'infos...

18/01/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20190103

Misongadina

Nafana ny hetsiky ny 13 mey Lakrimozenina an-jatony no nirefotra

03/01/2019

Daroka baomba mandatsa-dranomaso efa ho an-jatony no nasetrin’ny mpitandro ny filaminana maro be nirongo fiadiana ny vahoaka tetsy amin’ny Kianjan’ny 13 mey Analakely omaly alarobia 2 janoary.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Ady amin’ny tsy fahamarinana Hieli-patrana manerana ny Nosy ny tolona

03/01/2019

Tsy mihemotra eo anatrehan’ny ramatahora sy ny fampihorohoroana ary ny fampiasan-kery ny vahoaka mitaky ny fahamarinana fa hiady hatramin’ny farany amin’ny hosoka sy ny tsimatimanota tadiavina hampanjakaina eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

« Ecran géant » tsy navela andeha Mahana ny mpanao ratsy ve ?

03/01/2019

Hatramin’ny farany dia nampametra-panontaniana ny mpanara-baovao rehetra ny antony nandavan’ny prefen’Antananarivo Renivohitra ny hampiasana ilay fahitalavitra vaventy na “ecran géant”

Hamaky ny tohiny...

Antoko TVM Ny HCC no tompon’ny teny farany

03/01/2019

Samy nanana ahiahy mikasika ny fifidianana daholo ny rehetra hatramin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana ho filoham-pirenena, hoy ny filohan’ny antoko Tolon’ny Vahoaka Malagasy (TVM), Olivier Vaovolo Razafindratoho,

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoham-pirenena 2018 Miha miseho ny vokatry ny fanomanana kitoatoa

03/01/2019

Miha miseho ary mitombo isan’andro ny voka-dratsin’ny hamafisan-dohan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI, raha ny fivoaran’ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Marc Ravalomanana Terena ho resy tsotr’izao…

03/01/2019

Ny marina marina ihany, ary izay no takian’ny kandida Marc Ravalomanana sy ny mpiara-dia aminy manoloana ny hosoka sy halatra bevava tamin’ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Miatrika ady ara-politika sy ara-toekarena

03/01/2019

Nandritra ny fitondrana Ravalomanana (2002 – 2009) no nisy fientanan’ny toekarena tsara indrindra teto Madagasikara. Efa nahatratra 7,1% ny fitomboan’ny harinkarena raha toa ka 6% mahery kely ny salanisa ho an’ny kaontinanta Afrikanina.

Hamaky ny tohiny...

Malagasy monina any Frantsa sy Eoropa Miray hina amin’ny mpiray tanindrazana mitaky ny fahamarinana

03/01/2019

Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy eto Madagasikara ankehitriny ireo teratany Malagasy monina any Frantsa sy Eoropa mivondrona eo anivon’ny fikambanana AIFM, tarihin-dRtoa Francine Ranaivo.

Hamaky ny tohiny...

Kianjan’ny 13 mey Nitifitra tamin’ny bala fingotra ny Emmo reg

03/01/2019

Henjankenjam-pihetsika ireo mpitandro ny filaminana (emmo reg) teny amin’ny kianjan’ny 13 mey omaly. Totoafo ny daroka baomba mandatsa-dranomaso, nanomboka ny maraina ka hatramin’ny 4 ora tolakandro.

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Raikitra ny tsindry…

03/01/2019

Baomba lakrimozenina… no nitsena ireo olona nikasa hanamafy ny hetsika tsy fanekena ny halatra sy hosoka nandritra ny fifidianana tetsy amin’ ny kianjan’ny 13 Mey omaly maraina. Tsy navela hiaro ny safidiny ny olom-pirenena hitaky ny rariny sy ny marina satria vory mpitandro filaminana ny teny an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

AHINTSANO NY MPANGALA-BATO

03/01/2019

Mila ahintsana tanteraka ny olona mpangala-bato, Manome modely ratsy ka dia tokony haato. Tsy olo-mendrika hitondra fa mpividy fahefana, Sady efa ratsy laza fa mpanongam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Air Madagascar Trosa 290 miliara ariary no nailika tao anatin’ny herintaona

03/01/2019

« Nanefa trosa 290 miliara ariary ny orinasa ana habakabaka malagasy Air Madagascar tao anatin’ ny herintaona, ka mety ho vita tanteraka izany amin’ny martsa 2019 », hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Eric Koller.

Hamaky ny tohiny...

Mpitandro ny filaminana malagasy Naverina tamin’ny maha hery famoretana azy

03/01/2019

Doka, toraka voninkazo no nomen’ireo vahoaka nijoro hitolona ho an’ny fahamarinana tarihin’ny K 25 tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey ireo mpitandro ny filaminana nanoloana ny fihetsika nataony ny sabotsy 29 desambra 2018 teo.

Hamaky ny tohiny...

Tsena hofaina amin’ny Sinoa Hiakatra 10 hatramin’ny 40% ny sarany

03/01/2019

500 000 Ar ny hofan-trano ambany indrindra ary tafakatra 1 000 000 Ar ny ambony indrindra amin’ireny tsena lehibe hofaina amin’ny sinoa ireny (centre commercial) ka ny ambany rihana no lafo kokoa noho ny any ambony amin’ny ankapobeny.

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Maty nosemporina tamin’ny “sachet” ilay tovovavy …

03/01/2019

Nahitana fatim-behivavy iray tao Antsirabe tsy lavitry ny tranon’ny Ben’ny tanàna Paul Razanakolona ny alin’ny talata 01 janoary 2019, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany.

Hamaky ny tohiny...

Toetry ny andro Ambony ny maripana,ho avy ny andro ratsy

03/01/2019

Mikasika ny mety ny ho toetry ny andro dia mety hiverina ny orana ao anatin’ny telo andro ary saika manerana ny nosy afa-tsy ny morontsiraky ny faritra Atsimo Andrefana sy Androy.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Basket Tournoi St Sylvestre Lasan’ny BTS Analamahitsy ny ondry matavy

03/01/2019

Lasan’ny ekipan’ny BTS avy eny Analamahitsy ny ondry matavy natao amboara tamin’ny fifaninanana basikety « Tournoi St Sylvestre »

Hamaky ny tohiny...

Mohamed Salah Voafidy ho mpilalao arabo mendriky ny taona 2018

03/01/2019

Voafidin’ny “édition arabe de Goal » fanindroany ho mpilalao Arabo mendrika indrindra ny taona 2018 ilay teratany Egypsiana milalao ao amin’ny ekipa Anglisy “Liverpool” ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy azo alevina ny fahamarinana !

03/01/2019

Toran-kovitra tanteraka ny mpiantehatra amin’ny hosoka sy ny hala-bato satria matahotra mafy amin’ny fivoahan’ny marina.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampananana asa ny tanora Tokony ho laharam-pahamehana eto Madagasikara

03/01/2019

Maro be ireo zaza, ankizy ary tanora sahirana amin’ny lafiny fampianarana ankehitrny eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Mpanao asa tanana Malagasy Maro ireo olana mila vahana

03/01/2019

Tsy azo tsinontsinoavina sy hodian-tsy hita ny asa tanana satria maherin’ny roa tapitrisa amin’ny Malagasy no mivelona aminy. Mitondra vokatra ho amin’ny fampandrosoana ara-toekarena eto Madagasikara izany satria manome 15 % hatramin’ny 17 % amin’ny harinkarena faobe.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

MPISANDOKA

03/01/2019

Lehilahy iray izay nisandoka ho zandary no nosamborin’ny polisy tao Mahajanga.

Hamaky ny tohiny...

Fetin’ny faran’ny taona

03/01/2019

Olona miisa 5 no maty, 326 no niditra hopitaly nandritra ny fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao teo.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Asa an-trano Ilana traikefa na dia tsy mitaky diplaoma aza

03/01/2019

Ilana traikefa ny asa an-trano na dia tsy ilana diplaoma aza. Anisan’ny tsiambaratelon’ny faharetan’ny asa izany amin’ny ankapobeny ankoatra ny resaka fahadiovana sy ny fahaizana mifampitondra amin’ilay mpampiasa.

Hamaky ny tohiny...

Sampana mpamonjy voina Miantso ny olona ho mailo manoloana ny hain-trano

03/01/2019

Saika ahitana hain-trano hatrany isan’andro eto an-drenivohitra amin’izao.

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Hararaotina amin’ny fahantrany sy ny tsy fahalalany

03/01/2019

Mampanahy ny zavatra mety hitranga eto Madagasikara, taorian’iny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa izay tena nahitana hosoka sy hala-bato iny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana