Fil d'actualités du 18/01/2019

  • 18/01/2019 - 15:30 : NICOLAS SARKOZY: Efa tonga eto Madagasikara i Nicolas Sarkozy, Filoham-pirenena frantsay teo aloha izay hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso.

  • 18/01/2019 - 11:00 : HANITRA RAZAFIMANANTSOA: Tonga niarahaba ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Hanitriniaina Razafimanantsoa noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2019 ny fikambanan'i Iarivo Miray, eo amin'ny Antenimierampirenena.

  • 18/01/2019 - 10:30 : IAVOLOHA: Hatao anio eny amin'ny Lapan'Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny vaovao Andry Rajoelina

  • 18/01/2019 - 10:00 : FIANIANANA: Filoham-pirenena miisa 6 avy aty Afrika no hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso: -Alpha Condé (Guinée) -Edgar Lungu ( Zambie) -Hage Geingob (Namibie) -Azali Assoumani (Union des Comores) -Nana Addo Dankwa Akufo-Addo (Ghana) -Sahle-Work Zewde (Ethiopie).

  • 17/01/2019 - 19:00 : RIVO RAKOTOVAO: Hiverina ho Filohan'ny antenimieran-doholona avy hatrany ny tenany rahampitso hariva aorian'ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha sy ny vaovao, rehefa avy nitazona ny anjara asa maha filoham-panjakana mpisolo toerana.

  • 17/01/2019 - 13:00 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga niarahaba ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana tao amin'ny lapan'ny tanana Analakely ny delegen'ny tsena ao amin'ny tsenan'Anosibe. Nisy ny dinik'asa niarahan'ny roa tonta hanatsarana ny fomba fiasa mba ho soa ho an'ny rehetra .

  • 17/01/2019 - 12:00 : MORAMANGA: Lehilahy miisa roa sarona tao amina trano fisotroana nitondra basy sy odigasy, izay voasambotry ny zandary, ka notanana am-ponja vonjimaika taorian'ny nanolorana azy ny fitsarana.

  • 17/01/2019 - 09:00 : BAOLINA KITRA: Azon'ny Juventus de Turin ny amboaran'ny "Super coupe d'Italie" rehefa resin'izy ireo tamin'ny isa 1-0 tamin'ny alalan'ny baolina matin'i Christiano Ronaldo ny AC Milan halina.

  • 16/01/2019 - 18:00 : ANOSIMAHAVELONA: Zazarano iray vao avy nesorina hita nisy nanary teny amoron'ny Ranon'Ikopa teny Anosimahavelona androany.

  • 16/01/2019 - 12:45 : FIFAMOIVOIZANA:Ny fahateren'ny arabe, ny fisian'ireo mpivarotra amoron-dalana,ny tsy fanajana firy intsony ny code de la route, ny fitiavan-tena no mampikorontana ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy.

Voir plus d'infos...

18/01/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181231

Misongadina

Ady amin’ny tsy fahamarinana Hihamafy ny tolon’ny 13 mey

31/12/2018

Fahombiazana tanteraka ny hetsiky ny 13 mey nijoroan’ny vahoaka hiady amin’ny hosoka sy kolikoly tamin’ny fifidianana, ary tsy arakaraka ny fanatsatsoana ninian’ny sasany naely fa hisy fanakorontanana ary hiteraka ra mandriaka sy faty olona mihitsy, fa dia nilamina ny rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Tandrevaka tamin’ny fifidianana Tsy ho afa-bela ny CENI

31/12/2018

Maika ny hanala ny zioga nitambesatra teo an-tsorony dia ny vokatry ny fifidianana kitoatoa nokarakarainy ny CENI, raha ny fihetsiny nihazakazaka namoaka voka-pifidianana ny herinandro teo.

Hamaky ny tohiny...

Lisi-pifidianana Singa fototra nahatonga ny hala-bato ?

31/12/2018

Efa hatramin’ny volana oktobra, nialoha ny handehanan’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany no efa nanakiana mafy ny lisi-pifidianana ireo nitaky ny fangaraharahan’ny fifidianana rehetra, indrindra ry zareo avy eo anivon’ny firaisankinan’ireo kandida.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Tanora Mandray Andraikitra Mitaky ny fanintsanana an’i Andry Rajoelina

31/12/2018

Mandray anjara feno ary mankasitraka ny fitakiana ny rariny sy hitsiny handresena ny hosoka sy ny kolikoly tamin’ny fifidianana ny Tanora Mandray Andraikitra (TMA), tarihin’i Tsiry Andriamihantasoa,

Hamaky ny tohiny...

Fandraisana fitarainana eny amin’ny HCC Hifarana anio

31/12/2018

Ho fampiharana ny fanapahan-kevitra nivoaka teo anivon’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na HCC tamin’ny fihodinana voalohan’ny fifidianana filoham-pirenena dia tsy

Hamaky ny tohiny...

Taona 2018 Ireo daty manan-danja teo amin`ny tontolo politika

31/12/2018

Ora sisa dia hivalona ny taona 2018 ka indro fantaro ireo daty nanan-tantara teo amin`ny firenena indrindra teo amin`ny tontolo politika:

Hamaky ny tohiny...

Firaisamonim-pirenena FTMF Hametraka fitoriana noho ny hosoka ara-pifidianana

31/12/2018

Nandray anjara feno tamin’ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena teo nanomboka ny taona 2001 ny Fikambanana FTMF (Fikambanan’ny Tanora Mandala fahamarinana mba ho fampandrosoana firenena).

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’I Jean Nomen’i Jean inona ?

31/12/2018

Fa nomen’i Jean inona daholo mihitsy ary ireto vahoakany ireto no dia minia mikimpy manao mody fanina be toy io ? Mba omeo ny tena fitiavana marina re izy ireo fa aza dia lavoina amin’ny fandraikirekena toy io a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Asa fanaovan-gazety Maro ireo namana nandao ny taona 2018

31/12/2018

Taona maloka ho an’ny tontolon’ny fanaovan-gazety teto Madagasikara ity taona 2018 ity. Maro ireo namana nindaosin’ny fahafatesana nanomboka ny volana mey hatramin’ny novambra. Lasa ny 5 mey ny namana Martin Ravonjisoanirina tao amin’ny RNM.

Hamaky ny tohiny...

Zanaka vavin’i Rivo Rakotovao Nanambady ny sabotsy teo

31/12/2018

Tontosa ny sabotsy 29 desambra teo tetsy amin’ny Ekar Faravohitra ny fitsofan-drano ny fanambadian’ny zanaka vavin’ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao, Aina Miranto Rakotovao sy ny vadiny, Mamy Antonio Razafinimpanana.

Hamaky ny tohiny...

Mpanao vakansy mivoaka any amin’ny faritra Vitsy tamin’ity faran’ny taona ity

31/12/2018

Vitsy ireo mpiala sasatra nivoaka tany amin’ny faritra tamin’ity faran’ny taona 2018 ity, raha araka ny fanadihadiana natao tetsy amin’ny toby fiantsonana Andohatapenaka. Voakasik’izany ireo miazo an’i Mahajanga ka ireo tsy maintsy mody any amin’ireo fianakaviany ihany sisa no mandeha.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Ekar Md Josefa Mahamasina Nankalaza jobily roa sosona

31/12/2018

Omaly alahady 30 desambra 2018 dia jobily roa sosona no nankalazaina tao amin`ny Ekar Md Josefa etsy Mahamasina.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Foot à 6 The Best Fans Lasan’ny ekipan’ny Manchester United Panther

31/12/2018

Nifarana omaly alahady 30 desambra 2018, teny amin’ny kianja sentetikan’Andohalo, ny fifaninanana baolina kitra lalaovin’olona 6 “The Best Fans” andiany faha-2 nokarakarain’ny Plate forme Gasyfoot.

Hamaky ny tohiny...

Basket Be Seksiona Ambohidratrimo Nifarana ny sabotsy teo ny andiany voalohany

31/12/2018

Nifarana tamin’ny sabotsy 29 desambra 2018 teo, teny amin’ny kianjan’ny RFI Ivato, ny andiany voalohany tamin’ny hetsika Basket Be nokarakarain’ny seksion’ny basikety baolina eny Ambohidratrimo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mitohy ny tantara, resena ny ratsy!

31/12/2018

Mifarana tanteraka ny taona 2018 ho an’ny anio, fa ny tantara nentiny kosa hitohy amin’io 2019 ho avy io, raha ny fiainam-pirenena sy ny politika no zohiana. Mafana sy mangotraka ny toe-draharaha,

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampandrosoana ara-toekarena Tsy marin-toerana ny harifaobe eto Madagasikara

31/12/2018

Miainga amin’ny fahamarinan-toeran’ny harifaobe (stabilités macroéconomiques) ny fiaingan’ny toekarena kanefa tsy mbola misy mihitsy izany eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Light Generation,NTC Gospel sy Messengers Nanampy ankizy sy renim-pianakaviana 200 mahery

31/12/2018

Ankizy miisa 105 sy renim-pianakaviana miisa 105 no nisitraka ny asa fanasoavana nataon’ny fandaharana Light Generation sy ny tarika NTC Gospel ary ny Messengers ny zoma lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FANAFIHANA TENY ANKADINDRAMAMY

31/12/2018

Raikitra indray ny fanafihana tetsy Ankadindramamy. Toeram-pivarotana toaka amin’ny ambongadiny no norobain’ny efa-dahy mitazona poleta roa.

Hamaky ny tohiny...

Fitakiana ny fahamarinana

31/12/2018

Fahombiazana tanteraka ary azo lazaina ho santatry ny fandresen’ny fahamarinana no nitranga tetsy amin’ny Parvis Analakely ny sabotsy teo. Tonga maro namaly ny antson’ny K 25 ireo tsy manaiky ny hala-bato na dia teo aza ny fandrahonana maro samihafa.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Herisetra tamin’ny fifidianana sy tsiambaratelon’ny dahalo Nijoro vavolombelona Randriamampandry Adolphe

31/12/2018

Olom-pirenena iray tafahaona tamin’ny Tia Tanindrazana (TT) Atoa Randriamampandry Adolphe. Mendri-piderana ny fihetsiny sahy nijoro vavolombelona tamin’ny teti-dratsy sy herisetran’ny fifidianana ary namoaka tsiambaratelo mety tsy mbola fantatry ny besinimaro momba ny asan-dahalo.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Boriborintany fahatelo Hentanina tsy hanaparitaka fako ny mponina mandritra ny fety

31/12/2018

Manao hetsika manokana amin’ny fanadiovana ny tanàna ny Boriborintany fahatelo, kaominina Antananarivo Renivohitra amin’izao fetin’ny faran’ny taona sy ny taom-baovao izao.

Hamaky ny tohiny...

Fakana sary sy kilalao ho an’ny ankizy Mifanaretsaka ny eny Analakely

31/12/2018

Mitohy hatrany ny kilalao ho an’ny ankizy sy ny fakana sary ho fahatsiarovana amin’izao fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona izao etsy Analakely.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Taona 2018 Matroka ny toekaren’i Madagasikara

31/12/2018

Nanjombona sy niiba hatrany ny sehatra ara-toekaren’i Madagasikara ny taona 2018. Nanjaka ny fifaninanana tsy ara-drariny mampitaraina ny mpandraharaha tsy miankina izay mbola iainany hatramin’izao faran’ny taona izao noho ny fibosasahan’ny entana miditra avy any ivelany.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana