Fil d'actualités du 18/01/2019

  • 18/01/2019 - 15:30 : NICOLAS SARKOZY: Efa tonga eto Madagasikara i Nicolas Sarkozy, Filoham-pirenena frantsay teo aloha izay hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso.

  • 18/01/2019 - 11:00 : HANITRA RAZAFIMANANTSOA: Tonga niarahaba ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Hanitriniaina Razafimanantsoa noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2019 ny fikambanan'i Iarivo Miray, eo amin'ny Antenimierampirenena.

  • 18/01/2019 - 10:30 : IAVOLOHA: Hatao anio eny amin'ny Lapan'Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny vaovao Andry Rajoelina

  • 18/01/2019 - 10:00 : FIANIANANA: Filoham-pirenena miisa 6 avy aty Afrika no hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso: -Alpha Condé (Guinée) -Edgar Lungu ( Zambie) -Hage Geingob (Namibie) -Azali Assoumani (Union des Comores) -Nana Addo Dankwa Akufo-Addo (Ghana) -Sahle-Work Zewde (Ethiopie).

  • 17/01/2019 - 19:00 : RIVO RAKOTOVAO: Hiverina ho Filohan'ny antenimieran-doholona avy hatrany ny tenany rahampitso hariva aorian'ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha sy ny vaovao, rehefa avy nitazona ny anjara asa maha filoham-panjakana mpisolo toerana.

  • 17/01/2019 - 13:00 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga niarahaba ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana tao amin'ny lapan'ny tanana Analakely ny delegen'ny tsena ao amin'ny tsenan'Anosibe. Nisy ny dinik'asa niarahan'ny roa tonta hanatsarana ny fomba fiasa mba ho soa ho an'ny rehetra .

  • 17/01/2019 - 12:00 : MORAMANGA: Lehilahy miisa roa sarona tao amina trano fisotroana nitondra basy sy odigasy, izay voasambotry ny zandary, ka notanana am-ponja vonjimaika taorian'ny nanolorana azy ny fitsarana.

  • 17/01/2019 - 09:00 : BAOLINA KITRA: Azon'ny Juventus de Turin ny amboaran'ny "Super coupe d'Italie" rehefa resin'izy ireo tamin'ny isa 1-0 tamin'ny alalan'ny baolina matin'i Christiano Ronaldo ny AC Milan halina.

  • 16/01/2019 - 18:00 : ANOSIMAHAVELONA: Zazarano iray vao avy nesorina hita nisy nanary teny amoron'ny Ranon'Ikopa teny Anosimahavelona androany.

  • 16/01/2019 - 12:45 : FIFAMOIVOIZANA:Ny fahateren'ny arabe, ny fisian'ireo mpivarotra amoron-dalana,ny tsy fanajana firy intsony ny code de la route, ny fitiavan-tena no mampikorontana ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy.

Voir plus d'infos...

18/01/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181227

Misongadina

Fanoherana ny Hala-bato Eny amin’ny kianjan’ny 13 mey ny fotoana

27/12/2018

Voaporofo izao fa tena nisy tokoa ny fanodinkodinana ny voka-pifidianana, halatra ary hosoka niniana natao tamin’ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana faharoa notanterahana ny 19 desambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Valim-pifidianana avoakan’ny CENI Niainga tamin’ny hosoka sy halatra

27/12/2018

Mitohy ny fampitahana PV sy ny fisavana ireo antontan-taratasy hafa nampiasaina nandritra ny fifidianana farany teo eny amin'ny CENI. Ny tsy fahatomombanana hita mandritra izany dia tsy azon'ny CENI andraisana fepetra hanovany ny vokatra vonjimaika nokirakirainy fa kosa azon'ireo kandida entina hanamafisana ny fitoriana hapetrak'izy ireo eny amin'ny HCC, hoy ny CENI.

Hamaky ny tohiny...

Filohan’ny CENI Hery Rakotomanana Nahoana no tsy andrenesam-peo firy intsony ?

27/12/2018

Niala tamin’ny fampandaniana ny lalàmpanorenana petatoko tamin’ny taona 2010 nampanaovina azy ny Filohan’ny CENI ankehitriny Hery Rakotomanana, dia tratry ny kiana samihafa indray ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Hary Razafindrazaka “Ataovy lany amin’ny fahamarinana ny filoham-pirenena vaovao !”

27/12/2018

Nivoaka tamin’ny fahanginany ny filoha lefitry ny antoko Leader Fanilo, Elatra Jean Max Rakotomamonjy, misahana ny faritanin’Antananarivo, Hary Razafindrazaka.

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina sy ny fanonganam-panjakana 2009 Tsy hahazo rirany mihitsy amin’ny mpamatsy vola

27/12/2018

Tsy azo fafana ny habibiana vitan’i Andry Rajoelina teto amin’ny firenena tamin’ny famotehana nataony tamin’ny taona 2009. Tsy vitan’ny potika sy rava ny orinasa Malagasy maro namelona fianakaviana an’aliny fa nanao tari-dositra ihany koa ny mpamatsy vola tamin’ireny.

Hamaky ny tohiny...

Pr James Ratsima Mbola hanao ampamoaka maro momba ny hala-bato

27/12/2018

Tsy hanaiky ny profesora James Ratsima mpanohana ny kandida Marc Ravalomanana fa tsy maintsy hamoaka ny marina rehetra mikasika ny hala-bato niseho nandritra ny fifidianana fihodinana faharoa mba tena hisehoan’ny marina.

Hamaky ny tohiny...

Ambina bileta tokana Nisy nampiasaina tamin’ny hala-bato ?

27/12/2018

Anisan’ny notakian’ny K25 ny fanamarinana ny bileta rehetra nampiasaina sy ny ambiny tamin’ny birao fandatsaham-bato. Banga eo amin’ny 25 ka hatramin’ny 50 eo hatrany ny ambina bileta isaky ny birao fandatsaham-bato nohamarinina, raha ny nambaran’i Faniry Ernaivo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Efa tena maty eritreritra ve e ?

27/12/2018

Efa tena mihinana fanafody fampatoriana marina angamba ianareo ry Jean raha mbola mahita torimaso amin’izao halatra be vata ataonareo izao a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Manantsoa Victor « Mila mivavaka isika !»

27/12/2018

Efa niteny izahay teo anivon’ny Hetsika Fanorenana Ifotony (HFI), hoy ny minisitra teo aloha Manantsoa Victor fa mila fanarenana ifotony sy mamerina ny fifampitokisan’ny samy Malagasy isika aloha izao vao miditra amin’ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Fanaratsiana ny Charmelle Beauté Vao mainka nampitombo ireo olona tonga nanatona azy

27/12/2018

Niteraka resabe tamin’ny tambajotran-tserasera fesiboky ny herinandro teo ny resaka nataona renim-pianakaviana iray nikasa ny hanao volo tao amin’ny Charmelle Beauté Ampasampito saingy tsy nifanaraka ny roa tonta tamin’ny ora farany.

Hamaky ny tohiny...

Nofo mangatsiakan’i Marthe Hervée Ho tonga anio tolakandro eto an-tanindrazana

27/12/2018

Anio alakamisy 27 desambra folakandro no higadona eny amin’ny seranam-piaramanidina eny Ivato ny nofomangatsiakan’Itompokovavy Marthe Hervée filoha mpanorina ny sekoly tsy miankina IMH sy ny Radio Vaovao Mahasoa na ny RVM.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rtoa Atallah Beatrice Mila havaozina ifotony ny rafitry ny baolina kitra Malagasy

27/12/2018

Ny fijerena ny fanomanan’ny Barea ny CAN 2019 no vaindohan-draharaha imasoan’ny “Comité de normalisation” ny baolina kitra Malagasy ankehitriny, hoy Rtoa Atallah Beatrice filohany tao

Hamaky ny tohiny...

Seksion’ny Basikety Ambohidratrimo Hifarana ny Basket Be andiany voalohany

27/12/2018

Hifarana amin’ny sabotsy 29 desambra 2018 izao, eny amin’ny kianja RFI Ivato Areoport, ny fifaninanana BASKET BE 2018 ANDIANY VOALOHANY nokarakarain’ny SBBA “Seksion’ny Basket Ball Ambohidratrimo” tarihan’ny filohany, Rajoelimanantsoa Fidson Phaelien.

Hamaky ny tohiny...

Foot à 6 – The Best Fans 2 Abel Anicet no nanokatra azy ofisialy

27/12/2018

Tonga nanome voninahitra manokana ny fanokafana ofisialy ny hetsika baolina kitra an’olona 6 “The Best Fans” andiany faha-2 karakarain’ny Gasyfoot eny amin’ny kianja sentetikan’Andohalo

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fandresena hitondra aiza ?

27/12/2018

Hatramin’izay nisian’ny fifidianana teto Madagasikara na filoham-pirenena io na depiote na ben’ny tanàna, dia saika nisy savorovoro hatrany.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Sandam-bola Ariary Tsy nitsaha-nitotongana ny taona 2018

27/12/2018

Hatramin’ny fiandohan’ity taona 2018 ity dia nitotongana hatrany ny sandan’ny vola Malagasy Ariary mihoatra amin’ny Euro sy ny dolara. Raha 3 873,76 Ariary ny Euro iray tamin’ny fiandohan’ny taona dia efa nanafosafo ny 4.000 Ariary hatrany taorian’ny enim-bolana.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

HAIN-TRANO TENY AMBODINISOTRY

27/12/2018

Ranomaso sy hiakiaka no niainan’ny olona ny firehetan’ny tranony tetsy Ambodinisotry omaly antoandro.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana

27/12/2018

Nampitandrina ny avy eo anivon’ny CENI ny filohan’ny fikambanan’ireo gadra politika na FEDEP, Henry Rakotomalala na Riribe, fa hanomboka hihetsika anio, raha tsy mihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny CENI.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Hain-trano teny Ambodin’Isotry Nanampy ireo traboina ny CUA

27/12/2018

Trano 100 tafo no may kila vokatry ny hain-trano nitranga omaly teny Ambodin’Isotry.

Hamaky ny tohiny...

HJRA Ampefiloha Misy zaza tsy ampy taona ireo toran’ny toaka

27/12/2018

Olona folo no toran’ny toaka nandritra ny datin’ny 24 sy ny 25 desambra lasa teo nentina nanaraka fitsaboana tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana Ilàna ezaka maro eto Madagasikara

27/12/2018

Mampiroborobo ny toekarena ny fahasalaman’ny tontolon’ny fandraharahana anatin’ny firenena iray.

Hamaky ny tohiny...

Fitiavan-tanindrazana ara-toekarena Mila ananan’ny mpandraharaha sy mpamokatra Malagasy

27/12/2018

Tena ilaina ny fampirisihina ny mpandraharaha sy mpamokatra, ny mpiasa sy ny mpikaroka Malagasy hanana ny fitiavan-tanindrazana ara-toekarena.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana