Fil d'actualités du 18/01/2019

  • 18/01/2019 - 15:30 : NICOLAS SARKOZY: Efa tonga eto Madagasikara i Nicolas Sarkozy, Filoham-pirenena frantsay teo aloha izay hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso.

  • 18/01/2019 - 11:00 : HANITRA RAZAFIMANANTSOA: Tonga niarahaba ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Hanitriniaina Razafimanantsoa noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2019 ny fikambanan'i Iarivo Miray, eo amin'ny Antenimierampirenena.

  • 18/01/2019 - 10:30 : IAVOLOHA: Hatao anio eny amin'ny Lapan'Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny vaovao Andry Rajoelina

  • 18/01/2019 - 10:00 : FIANIANANA: Filoham-pirenena miisa 6 avy aty Afrika no hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso: -Alpha Condé (Guinée) -Edgar Lungu ( Zambie) -Hage Geingob (Namibie) -Azali Assoumani (Union des Comores) -Nana Addo Dankwa Akufo-Addo (Ghana) -Sahle-Work Zewde (Ethiopie).

  • 17/01/2019 - 19:00 : RIVO RAKOTOVAO: Hiverina ho Filohan'ny antenimieran-doholona avy hatrany ny tenany rahampitso hariva aorian'ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha sy ny vaovao, rehefa avy nitazona ny anjara asa maha filoham-panjakana mpisolo toerana.

  • 17/01/2019 - 13:00 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga niarahaba ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana tao amin'ny lapan'ny tanana Analakely ny delegen'ny tsena ao amin'ny tsenan'Anosibe. Nisy ny dinik'asa niarahan'ny roa tonta hanatsarana ny fomba fiasa mba ho soa ho an'ny rehetra .

  • 17/01/2019 - 12:00 : MORAMANGA: Lehilahy miisa roa sarona tao amina trano fisotroana nitondra basy sy odigasy, izay voasambotry ny zandary, ka notanana am-ponja vonjimaika taorian'ny nanolorana azy ny fitsarana.

  • 17/01/2019 - 09:00 : BAOLINA KITRA: Azon'ny Juventus de Turin ny amboaran'ny "Super coupe d'Italie" rehefa resin'izy ireo tamin'ny isa 1-0 tamin'ny alalan'ny baolina matin'i Christiano Ronaldo ny AC Milan halina.

  • 16/01/2019 - 18:00 : ANOSIMAHAVELONA: Zazarano iray vao avy nesorina hita nisy nanary teny amoron'ny Ranon'Ikopa teny Anosimahavelona androany.

  • 16/01/2019 - 12:45 : FIFAMOIVOIZANA:Ny fahateren'ny arabe, ny fisian'ireo mpivarotra amoron-dalana,ny tsy fanajana firy intsony ny code de la route, ny fitiavan-tena no mampikorontana ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy.

Voir plus d'infos...

18/01/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181226

Misongadina

Hentitra i Dada « Hijoro hatramin’ny farany isika »

26/12/2018

Miarahaba antsika rehetra nahatratra ny Krismasy, tena faly aho satria nahatratra ity androm-pamonjena ity mariky ny fitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao ka nanomezany ny zanany hamonjy antsika mba tsy hisy ho very izay mino azy,

Hamaky ny tohiny...

Politique

CENI Madagascar Hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika rahampitso

26/12/2018

Vokatra 90% mahery avy amin`ny biraom-pifidianana manerana ny nosy no efa namoahan`ny vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny fifiidianana (CENI) ny fironana ary efa nahavoaray 100% ny tatitra an-tsoratra ihany koa ny SRMV

Hamaky ny tohiny...

CENI Madagascar Manasa ireo kandida ho filoham-pirenena hiatrika ny fampitahana

26/12/2018

Nanao antso avo ireo kandida ho filoham-pirenena niatrika ny fiodinana faharoa ny alatsinainy teo ny avy eo anivon’ny CENI mba hiatrika fampitahana.

Hamaky ny tohiny...

Fampitahana ny voka-pifidianana Tokony tohizana, hoy ny CFM

26/12/2018

Nety, hoy ny fanazavan’ny filoha lefitry ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM, Gerard Ramamimampionona, ny fihetsiky ny mpanaradia ny kandida laharana faha 25 raha

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana RPSH “Tokony manao velirano an-tsoratra izay filoha lany eo “

26/12/2018

Naneho ny heviny mahakasika ny fiainam-pirenena ny fikambanana RPSH (Rassemblement pour la Solidarite Humaine) ka nilazany fa samy tsara avokoa ny vinan`ireo kandidà roa nifaninana tamin`ny fihodinana faharoa fa saingy ny manahirana ny vahoaka dia ny fanatanterahana azy ieo,

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filoha Mibaribary ny hosoka sy hala-bato

26/12/2018

Mangataka ny hampitsaharana ny famoahana valim-pifidianana ataon'ny CENI izay azo sokajiana ho fanakorontanana ny saim-bahoaka ny kandida Marc Ravalomanana sy ny K25 amin’izao fotoana izao satria tsy marina io ary tsy mifanandrify amin'ny zava-misy marina, raha ny fanamarihany.

Hamaky ny tohiny...

Mpanohana an-dRavalomanana Nodarohana, noratraina, nampihorohoroana

26/12/2018

Sesilany ny fampihorohoana sy ny herisetra nialoha sy nandritra ary taorian’ny fifidianana natao teto amintsika, izay nahalasibatra ny kandida Marc Ravalomanana sy ny mpanohana azy.

Hamaky ny tohiny...

Rado Ramparaoelina Tokony hanaovana fampitahana ny vokatra rehetra

26/12/2018

Naneho ny heviny mikasika ny voka-pifidianana misy ankehitriny ny Ben’ny tanànan’ny kaominina Ampitatafika Atsimondrano Rado Ramparaoelina ny alatsinainy lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Tranga hafahafa mikasika ny fanomanana ny fifidianana Efa nanomboka tany amin’ny fanisana mpifidy

26/12/2018

Tamin'ny fanisan'ny CENI ny mpifidy dia efa hafahafa satria nitombo 1 tapitrisa ny isan'ny mpifidy ary tany amin'ny faritra Atsimo no tena nitombo betsaka. Ity faritra atsimon'ny Nosy ity anefa no efa fantatra mialoha fa ho maro mpifidy ny kandidà 13.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Aza mibitaka aloha e !

26/12/2018

Miarahaba anao aho ry Jean ! Tena mbola salama tsara ny tenako ary ianao manao ahoana ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Airbus A 340 nampidirin-dRajoelina Teren’ny Frantsay handoa 101 tapitrisa dolara ny Airmad

26/12/2018

Ny 12 desambra teo no nandeha tao amin’ny Tribonaly ny raharaha mahakasika ny raharaha Air Madagascar, araka ny loharanom-baovaon’ny Jeune Afrique tamin’ny 23 desambra teo. Mitaky volabe 46 tapitrisa dolara fanampin’ny 55 tapitrisa izay misy zana-bola 12 tapitrisa dolara hofana fiaramanidina nampidirin’ny fanjakana tetezamita ny Tribonaly ara-barotra Frantsay, hoy io fampahalalam-baovao io.

Hamaky ny tohiny...

Marthe Hervée Nodimandry ny alatsinainy alina teo

26/12/2018

Nindaosin’ny fahafatesana tamin’ny alatsinainy 24 desambra tamin’ny 11 alina lasa teo ny filoha namorona ny Radio ara-pilazantsara RVM (Radio Vaovao Mahasoa) 106.8Fm sy ny IMH (Institution Marthe Hervée). Taorian’ny

Hamaky ny tohiny...

Akon’ny fetin’ny Noely Mibaribary ny fahantran’ny Malagasy

26/12/2018

Niezaka nifaly ny Malagasy na dia hita ho tena sahirana aza tao anatin’ny fetin’ny Krismasy. Nanao izay heriny ny ray aman-dreny nampifaly ny ankizy tamin’ny fividianana akanjo sy ny kilalao.

Hamaky ny tohiny...

Fahamaroan`ireo voafonja Handray fepetra ny fonjan`i Tsiafahy

26/12/2018

Avo telo heny ny tokony ho izy no isan`ireo voafonja ankehitriny satria miisa 1062 izy ireo amin`izao fotoana izao raha to aka 300 no zaka. 370 amin`izy ireo no miandry fitsarana ary 443 kosa no efa voaheloka mannefa ny saziny.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Hopitaly Befelatanana Zazalahy kely avokoa ny ankamaroan’ireo teraka tao omaly

26/12/2018

Zazalahy kely iray antsoina hoe : Randriamampionona Zo Christiano no teraka tamin’ny 11 ora sy sasany alina saika nitovy tamin’ny daty nahaterahan’ny Mpamonjy tetsy amin’ny hôpitaly Befelatanana ny alin’ny 24 Desambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Andriamirado DAX Tsy nilalao tetsy Mahamasina satria…

26/12/2018

Tsy niakatra ny kianjan’i Mahamasina i DAX “Aro Hasina Andriamirado Andrianarimanana”, ilay mpilalao Malagasy milalao ao amin’ny ekipa Afrikana Tatsimo Kaiser Chiefs ny sabotsy 22 desambra 2018

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy handefitra ny manana ny rariny

26/12/2018

Miandry izay ho valim-pifidianana izany isika izao, na dia efa hita sy efa mazava aza ny havoakan’ny Vaomiera misahana izany dia ny CENI.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Lamaody sy fampihaingoana ny ati-trano Namoakatra mpianatra 400 isa ny ECCOVA

26/12/2018

Namoaka mpianatra 400 isa ny “Ecole de Coupe et Couture Volana” eto Antananarivo, tarihin-dRazanamanalina Volana

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

MPITANDRO FILAMINANA AO ESIRA

26/12/2018

Tsy misy mpitandro ny filaminana sahy mipetraka intsony ao Esira, tanàna izay tena faritra mena amin’ny fanafihan-dahalo.

Hamaky ny tohiny...

K 25

26/12/2018

Nivory maika tsy nisy toy izany ny avy eo anivon’ireo komity mpanohana ny kandida ho filoham-pirenena laharana faha 25, Marc Ravalomanana, ny 24 desambra teo. Araka ny heno dia fanomanana ny paikady entina hanoherana ny tsy fahamarinana miseho eo amin’ny voka-pifidianana no antony.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Hopitalin’ny zaza Tsaralalana Marary 60 nahazo fanampiana

26/12/2018

Miisa 60 ireo ankizy marary tsaboina etsy amin’ny hôpitalin’ny zaza etsy Tsaralalana ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Olana ara-pitiavana Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ilay vazaha

26/12/2018

Efa teny sahy amin’ny fanaovana heloka mihintsy ny tanora Malagasy ankehitriny, efa tsy misy fanajana ny aina intsony sy efa tsy misy fanajana ny soa tohavina ny maha-malagasy ihany koa; satria sahin’ny ity tovovavy vao 19 taona voalaza

Hamaky ny tohiny...

Noely FIFALIANA Ong Ny Sahy Ankizy niisa 468 no nikorana sy nisakafo teny Ilafy

26/12/2018

Ankizy latsaky ny 12 taona niisa 468 manana olana amin'ireo raiamandreny misotro toaka, na mandray zava-mahadomelina, avy avy amin'ny faritra : Ambatobe ambony, Ambatobe Ambany, Ambohikely, Mandrosoa,

Hamaky ny tohiny...

Antaninarenina Buffet du Jardin Nisitraka fetin’ny Noely ireo sahirana ara-pivelomana

26/12/2018

Tahaka ny fanaony isan-taona dia nisitraka fetin’ny Noely tamin’ny alalan’ny fanomezana natolotry ny fianakaviana Eric Kholer tompon’ny toeram-pisakafoana Buffet du Jardin eny Antaninarenina azy ireo ny kilonga sy olon-dehibe sahirana ara-pivelomana nanodidina ny 400 teo ho eo avy amin’ny faritra Antaninarenina, Ambatonakanga,

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Lalàna momba ny harena azo tamin`ny tsy ara-drariny Malaina handany ary ireo depiote ?

26/12/2018

Na dia efa nampanantsoina fivoriana tsy ara-potoana aza ireo solombavambahoaka dia tsy mbola lany indray ireo volavolan-dalàna momba ny harena azo amin`ny tsy ara-drariny.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana