Fil d'actualités du 14/06/2019

  • 14/06/2019 - 16:00 : Namoahana filazana fikarohana i Rtoa Ravelohanitra Nirina noho ny fivadiham-pitokisana miaro fisolokiana. Marihina moa fa depiote HVM ny tenany nandritra ny fe-potoam-piasana 2014 -2019.Tsahivina fa mbola nirotsaka hofidiana izy tamin'ny fifidianana solombavambahoaka farany teo saingy amin'ny alalan'ny tsy miakina tao Antsirabe II.

  • 14/06/2019 - 15:50 : CENI:Efa manomana ny fifidianana ben'ny tanàna sahady ry zareo eo anivon'ny CENI izay vinavinaina ho tanterahina ny volana septambra 2019 ho avy izao.

  • 14/06/2019 - 15:45 : JIRAMA:Hisy fahatapahana ny JIRO ny Sabotsy 15 Jona 2019 manomboka amin’ny 10ora maraina hatramin’ny 2ora tolakandro amin’ireto faritra manaraka ireto:TOMBONTSOA- TSARAFIRAISANA- ANTSAHA- AMBATOMAINTY- ANDRANOLANELATRA- TSARAMANDROSO- ANTSAPANIMAHAZO NORD- SAMBAINA- AMBOHIBARY- AMBATONDRADAMA- FARAVOHITRA- ANTSAMPANIMAHAZO FARATSIHO- FARATSIHO Antony: Fametrahana « Transformateur » vaovao eny SVD TSARAVAVAKA-ANTANETIBE.

  • 14/06/2019 - 15:30 : BASE TOLIARA:Navotsotry ny fitsarana ireo olona 9 voarohirohy tamin'ny raharaha base de Toliara.

  • 14/06/2019 - 15:00 : LALANA TAPAKA : Noho ny asa fanamboaran-dàlana dia voarara ho an'ny fifamoivoizan'ny fiara rehetra ny ampahan-dàlana PK3+450 (Ambodivonkely-Route du Pape) hatreo amin'ny PK6+000 (Station Jovena-Ambodimita) manomboka ny alatsinainy 17 jona ka hatramin'ny 29 jolay.

  • 14/06/2019 - 14:30 : KUNG FU WUSHU:delegationina Sinoa 8 no tonga hiara-hiasa amin’ ny Komity olympika malagasy ny MJS Nigadona, omaly teny amin’ny seranampiaramanidina Ivato, ireo delegasiona miisa valo avy amin’ny minisitera sinoanan’ny fanatanjahantena,notarihin’andriamatoa Wang Ping,filohan’ny delegasiona. Nitsena azy ireo Rakotozafy Rosa sy ny maitre Gao. Handinika izay hampandrosoana nyfanatanjahantena malagasy ireto delegasiona ireto raha ny fanazavan’ny maître Ramaherison José, fantatra amin’ny anarana hoe “Mtre Gao”, filohan’ny federasiona malagasy ny kung fu wushu. Hihaona mivantana amin’andriamatoa minisitra izy ireo ho amin’ny anio, hanapaka izay azo hiarahamiasa mandritra ny efatra andro hijanonany eto Madagasikara. Hifampiresaka amin’ny Komity olympika malagasy ihany koa ireto delegasiona sinoa ireto, raha ny fanazavana hatrany. Marihina fa avy eo anivon’ny minisitera sy ny orinasam-panjakana sinoa, ahitana ihany koa ny avy eo anivon’ny China Sport ireto delegasiona manan-kaja ireto. Ny orinasa “China Sport” izay nanampy betsaka an’i Madagasikara tamin’ny fandefasana ireo atleta niofana tany Sina, ny taon-dasa. Voninahitra lehibe ho an’i Madagasikara sy ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izao fahatongavan’ireto iraka manokana sinoa ireto, raha ny nambaran-dramatoa tale Jeneralin’ny fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa, omaly, teny Ivato. Nisaotra ihany koa an-dRamaherison José ity farany satria anisan’ny angady nananana izao fiarahamiasa izao ity filohan’ny federasiona ny kung fu wushu ity.

  • 14/06/2019 - 14:00 : KOLIKOLY:Zandary telo indray no nosamborina tamin'iny làlana RN4 iny izay voalaza fa tratra nanao kolikoly.

  • 14/06/2019 - 12:00 : FETE DE LA MUSIQUE : Noho ny fankalazana ny "Fête de la Musique" dia ho tapaka ho an'ny fiara rehetra ny lalana Allée des palmiers eo Antsahavola, eo amin'ny lalana 77 Solombavambahoaka frantsay, ny alakamisy 20 jona ka hatramin'ny sabotsy 22 jona manomboka amin'ny 5 ora maraina hatramin'ny 11 ora alina.

  • 14/06/2019 - 11:30 : FETIN'NY RAY:Ho fanomanana ny fetin'ny Ray amin'ny Alahady izao dia misy ny hetsika manokana ataon'ny Top Radio rahampitso manomboka amin'ny 8ora sy sasany ko manasa anao ary ihaino ny Top radio fa mety hisy ny mahasoa anao anomananao fanomezana ho an'i Dada.

  • 14/06/2019 - 11:00 : JIRAMA:Ny JIRAMA dia manao izao fampadrenesana izao:Hisy fahatapahana ny famatsiana RANO hoan'ny anio faha 14 Jona manomboka amin'ny 9 ora maraina ka atramin'ny 6ora ariva amin'ireto toerana ireto:Manaritsoa Atsinananana – Anatihazo – Andavamamba.Antony : Asa fikojakojana ny hidin-drano eny Ampefiloha. Raha vao vita ny asa dia hiverina tsikelikely ny famatsiana RANO.Ny JIRAMA dia miala tsiny amin'ny mety ho fanelingelenana aterak'izany ary misaotra antsika rehetra amin'ny faharetana.

Voir plus d'infos...

14/06/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181221

Misongadina

//

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Ny Pr Ralaisoa Emile Tsy « recteur » ao amin’ny oniversite ACEEM intsony

21/12/2018

Araka ny resaka heno dia tsy “recteur”ao amin’ny onivesite Aceem intsony ny Pr Ralaisoa Emile.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana