Fil d'actualités du 18/01/2019

  • 18/01/2019 - 15:30 : NICOLAS SARKOZY: Efa tonga eto Madagasikara i Nicolas Sarkozy, Filoham-pirenena frantsay teo aloha izay hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso.

  • 18/01/2019 - 11:00 : HANITRA RAZAFIMANANTSOA: Tonga niarahaba ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Hanitriniaina Razafimanantsoa noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2019 ny fikambanan'i Iarivo Miray, eo amin'ny Antenimierampirenena.

  • 18/01/2019 - 10:30 : IAVOLOHA: Hatao anio eny amin'ny Lapan'Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny vaovao Andry Rajoelina

  • 18/01/2019 - 10:00 : FIANIANANA: Filoham-pirenena miisa 6 avy aty Afrika no hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso: -Alpha Condé (Guinée) -Edgar Lungu ( Zambie) -Hage Geingob (Namibie) -Azali Assoumani (Union des Comores) -Nana Addo Dankwa Akufo-Addo (Ghana) -Sahle-Work Zewde (Ethiopie).

  • 17/01/2019 - 19:00 : RIVO RAKOTOVAO: Hiverina ho Filohan'ny antenimieran-doholona avy hatrany ny tenany rahampitso hariva aorian'ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha sy ny vaovao, rehefa avy nitazona ny anjara asa maha filoham-panjakana mpisolo toerana.

  • 17/01/2019 - 13:00 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga niarahaba ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana tao amin'ny lapan'ny tanana Analakely ny delegen'ny tsena ao amin'ny tsenan'Anosibe. Nisy ny dinik'asa niarahan'ny roa tonta hanatsarana ny fomba fiasa mba ho soa ho an'ny rehetra .

  • 17/01/2019 - 12:00 : MORAMANGA: Lehilahy miisa roa sarona tao amina trano fisotroana nitondra basy sy odigasy, izay voasambotry ny zandary, ka notanana am-ponja vonjimaika taorian'ny nanolorana azy ny fitsarana.

  • 17/01/2019 - 09:00 : BAOLINA KITRA: Azon'ny Juventus de Turin ny amboaran'ny "Super coupe d'Italie" rehefa resin'izy ireo tamin'ny isa 1-0 tamin'ny alalan'ny baolina matin'i Christiano Ronaldo ny AC Milan halina.

  • 16/01/2019 - 18:00 : ANOSIMAHAVELONA: Zazarano iray vao avy nesorina hita nisy nanary teny amoron'ny Ranon'Ikopa teny Anosimahavelona androany.

  • 16/01/2019 - 12:45 : FIFAMOIVOIZANA:Ny fahateren'ny arabe, ny fisian'ireo mpivarotra amoron-dalana,ny tsy fanajana firy intsony ny code de la route, ny fitiavan-tena no mampikorontana ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy.

Voir plus d'infos...

18/01/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181220

Misongadina

Marc Ravalomanana “Efa mandresy isika…”

20/12/2018

Nihaona tamin’ireo mpiara-dia aminy tetsy amin’ny foiben’ny K25 Belair Ampandrana halina Atoa Marc Ravalomanana, fifampizarana vaovao sy fhaonana voalohany taorian’ny

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hosoka ara-pifidianana Andrasana izay hafitsoky ny fitsarana

20/12/2018

Tsy takona nafenina ny karazana hosoka sy teti-dratsy maloto tamin’ny fifidianana, izay nisy ny tsy tanteraka fa misy kosa ireo mety tontosan’ireo olon-dratsy. Nisy hatramin’ny fitifirana ka nahafaty olona roa tao amin’ny Birao fandatsaham-bato iray tany Ankazoabo Atsimo.

Hamaky ny tohiny...

Vondrona Eoropeanina “Aoka samy hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana

20/12/2018

Amin`ny ankapobeny dia tsy dia nahitana olana ireo biraom-pifidianana teto an-dRenivohitra notsidihan`ireo mpanara-maso avy amin`ny Vondrona Eoropeanina saingy nahatsikaritra birao tara fisokafana na dia resaka fandaminana anefa izany.

Hamaky ny tohiny...

Filoham-pirenena ho avy eo Mila mamerina ny hasin’ny politika, hoy Dany Rakotoson

20/12/2018

Tontosa iny ny fifidianana na dia maro toy ny efa nitranga tamin’ny fihodinana voalohany ihany aza ny tsy fahatomombanany. Isan’ny naneho ny heviny mikasika izay ny mpanao politika, Dany Rakotoson.

Hamaky ny tohiny...

Vondrona iraisam-pirenena CIS- Emo Noraràna tsy hanara-maso ny fifidianana

20/12/2018

Ankoatran-dry zareo avy ao amin’ny Ceni na ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana eto amintsika dia voalaza fa ilaina koa ny fanampian’ireo fanaraha-mason’ireo vondrona iraisampirenena hafa, raha fintinina sy tsiahivina ny ambetin-dresaky ny avy eo anivon’ity vaomiera ity.

Hamaky ny tohiny...

Hentitra i Dada “Tsy ekena ny korontana, atokisako ny mpitandro filaminana”

20/12/2018

Faly aho, tena faly fa nahavita ny adidiko, hoy ny kandida laharana faha 25 amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena fiodinana faharoa, Marc Ravalomanana, raha naneho ny heviny tetsy amin’ny biraom-pifidianany etsy Faravohitra omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fanodikodinam-bato “Ho gadraina avokoa izay tratra” hoy ny CENI

20/12/2018

Tranga anisan`ny nahoraka nandritra ny androm-pifidianana omaly dia ireo biletà tokana nivoaka tao Ambohipo. Tsy nifanaraka tamin` ny isan`ny fitaovana voarakitra an-tsoratra tao anaty baoritra omaly maraina teo satria fitaovana miisa 12 natokana amina biraom-pifidianana 12 no tokony tao anatin`ny baoritra saingy 11 sisa no hita tao.

Hamaky ny tohiny...

Fandresena amin’ny fifidianana Miankina amin’ireo faritra be mpifidy

20/12/2018

Miandry izay ho voka-pifidianana isika amin’izao fotoana izao hoe: iza amin’ireo kandida roa no ho voafidy hitondra ny firenena? Efa misy ny ampahany amin’ny voka-pifidianana mivoaka amin’ny haino aman-jery samihafa, saingy mbola tsy hahafahana mamantatra ny mety ho lany aloha hatreto.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana fihodinana faharoa Nihena ny taham-pahavitrihan`ny mpifidy

20/12/2018

Nahatratra 32% ny mpifidy nandray anjara hatramin’ny 12 ora raha 44% izany tamin’ny fifidianana fihodinana voalohany, raha ny nambaran`ny Ivotoerana SAFIDY nandritra ny valan-dresaka niarahana tamin`ny mpanao gazety omaly, ary raha ny fahitana azy omaly takariva dia manodidina ny 40% mahery kely izany raha toa ka 53% tamin’ny fihodinana voalohany.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Tafaray Hanara-maso hatramin’ny vokatry ny HCC

20/12/2018

Isan’ireo fikambanana nilatsaka nanara-maso ny fizotry ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana faharoa teny amin’iny boriborintany faharoa iny omaly ry zareo avy eo anivon’ny fikambanana Madagasikara tafaray izay tarihin’ny filohany, Mbola Rajaonah.

Hamaky ny tohiny...

Praiministra Ntsay Christian Tsy mazava ny teny heviny

20/12/2018

Tsy dia nazava loatra tamin’ireo mpanao gazety nantsoina teny amin’ny lapan’i Mahazoarivo omaly alarobia tolakandro 19 desambra 2018 ny tena hevitry ny praiministra Ntsay Christian tamin’ny

Hamaky ny tohiny...

Voka-pifidianana fihodinanana faha-2 Ilaina ny fiaraha-manamarina azy

20/12/2018

Ahian’ny maro hiteraka korontana eto amin’ny firenena ity fifidianana fihodinana faharoa ity noho ny sahoan-dresaka nanodidina azy efa ho andro maromaro izay ary indrindra ny zava-nitranga omaly nialoha sy nandritra ny fandatsaham-bato.

Hamaky ny tohiny...

Hosoka tamin`ny fifidianana Maro be ny fitoriana voaray

20/12/2018

Maro loatra ny fitoriana sy resaka manodidina ny fanaovana hosoka tamin`ity fihodinana faharoa ity. Manoloana izany, nampita vaovao ny Lehiben’ny Fampanoavana eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany eto Antananarivo, Razafimelisoa Odette Balisama.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Jean Rasambo

20/12/2018

Manakory indray ianao ry Jean aa ! Io indray ianao aa! Dia tsy mba afaka ny hiova mihitsy kosa ve ee!

Hamaky ny tohiny...

Sport

Klioban’ny Cospn Analamanga Mbola nahazo 10.000.000 ariary hafa indray

20/12/2018

Rehefa avy notoloran’ny ministeran’ny filaminana anatiny taratasim-bola nitentina 10.000.000 ariary sy omby roa ary taratasy marim-pankasitrahana sy fitsangantsanganana mankany Nosy be Hell Ville, niampy taratasim-bola nitentina 3.000.000 ariary

Hamaky ny tohiny...

« Basket Tournoi U 10 sy Super-Vétérans » Analamanga Amin’ny 12 sy 13 janoary indray ny tohiny

20/12/2018

Tontosa tamin’ny 15 sy 16 desambra teo teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano ny fifaninanana rejionaly Analamanga “Tournoi U 10 sy Super-Vétérans 2018”. Anisan’ireo katita nandray anjara tamin’izany ny klioban’ny Jcba, Mb2All, Bcr, Cbbt, Helaskbi, Bcsm ary ny Asf.

Hamaky ny tohiny...

Basket Challenge Baobab andiany faha-10 Ekipa 10 no handrasana any Mahajanga ny 22-30 desambra izao

20/12/2018

Tapitra omaly alarobia 19 desambra 2018 ny fisoratana anarana hahazoana mandray anjara amin’ny fifaninanana basikety baolina “Challenge Baobab”

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsipaky ny miala aina

20/12/2018

Vita ihany iny ny fihodinana faharoa tamin’ny fifidianana filoham-pirenena na henjakenjana aza ny dingana nolalovana. Samy miandry am-pitoniana izany isika saingy misy ny miezaka mandrangaranga sandry sy mitady hanakorontana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampandrosoana ny firenena Tsy maintsy miara-mientana sy miasa miaraka…

20/12/2018

Be dia be ny ratra navelan`ny endriky ny fifampitondrana nandritra ny dimam-polo taona mahery.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fampianarana teknika 19 mianadahy nahazo vatsim-pianarana ho any Maroc

20/12/2018

Ankizy 19 mianadahy nanaraka fiofanana manokana teny anivon’ireo lisea teknika manerana ny Nosy no nahazo vatsim-pianarana hiazo an’i Maroc ary hiainga amin’ny Alahady ho avy izao eto an-tanindrazana.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

COCKTAIL MOLOTOV

20/12/2018

Nirefotra ny cocktail molotov omaly tolakandro tetsy Itaosy. Tsy fantatra ny fiaviany ary natao tao anatin’ny tavoahangy coca ny pitsopitsony izay nampirefotra azy.

Hamaky ny tohiny...

FJKM

20/12/2018

Nampita hafatra miisa fito ho an’ny vahoaka malagasy iraimanontolo iny omaly iny ny filohan’ny fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM, Irako Ammi Andriamahazosoa. Isan’ny hafatra nampitainy moa ny hoe mivavaha fa manova zavatra io ary arovy ny fahamarinan’ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Kojakoja ho an’ny fety Mitohy ny fihenam-bidy eny amin’ny Baolai

20/12/2018

Amin' ny fotoanan' ny fety toy izao, dia ny karazana kojakoja electronika na « electromenager » no mahasarika ny olona maro.

Hamaky ny tohiny...

Entana lany daty miparitaka Roa isam-bolana ny fitarainana voarain’ny RNDC

20/12/2018

Miha mahazo vahana eto amintsika tato anatin’ny enim-bolana farany izao ny fiparitahan’ireo karazan’entana lany daty eny an-tsena izay tena mora tokoa ny vidiny.

Hamaky ny tohiny...

Vidim-borona ankatoky ny fety Efa ho 120.000 Ar ny vorontsiloza iray

20/12/2018

Andro vitsy sisa no isaina dia hianoka tanteraka ao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny Noely isika. Ankoatra ny kilalao hamalifaliana ny ankizy dia tsy afa-misaraka amin’izany ny sakafo matsiro toy ny akoho amam-borona izay marihina fa efa tena midangana tokoa ny vidiny eny an-tsena amin’izao.

Hamaky ny tohiny...

Hetra aloa Fa mankaiza marina ?

20/12/2018

Madagasikara dia firenena faha-145 mikambana ao amin’ny tambazotra iraisam-pirenena mifanakalo traikefa sy ny mangarahara ho fanatsarana ny fampidiran-ketra nanomboka aogositra 2017.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fanitarana ny fifanakalozana ara-barotr’i Madagasikara 87 332 000 dolara avy amin’ny BAD

20/12/2018

Nisy ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa ny amin’ny tetikasa fanamorana ny lalam-barotra sy ny fandraharahana ataon’i Madagasikara amin’ny Tsena iombonan’ireo faritra atsimo sy atsinanan’i Afrika (COMESA) sy ny firenena ao amin’ny Oseana Indiana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana