Fil d'actualités du 25/03/2019

  • 25/03/2019 - 12:00 : ONIVERSITEN'ANTANANARIVO: Nanamafy ny hetsika ataony, ary nampikatso tanteraka ny asa fampianarana ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES Sampana Antananarivo androany.

  • 25/03/2019 - 11:30 : VEHIVAVY MANANA OLANA ANY KOWEIT: Nanainga omaly nihazo an'i Koweit ireo delegasionina nalefan'ny fanjakana hijery sy hamaha ny olan'ireo vehivavy Malagasy miasa any an-toerana izay manana olana samihafa, toy ny fampijaliana, fanagiazana pasipaoro,...

  • 25/03/2019 - 11:00 : BEHENJY: Fiara maromaro no nifandona androany maraina, ka nisy ny nivadika mihitsy ary tao ny nisy fahasimbana.

  • 25/03/2019 - 10:30 : RAHARAHA KIDANAPPING : Nosamborina ny faran’ny herinandro teo i Manantena Haja, kandida solombavambahoaka lisitra faharoa ao Ifanadiana, izay efa voarohirohy tamin’ny fakana an-keriny ilay karana antsoina hoe Arman Kamisy tany Toamasina ny faramparan’ny taona 2018.

  • 25/03/2019 - 10:00 : TERATANY KARANA NISY NAMONO: Vehivavy teratany karana iray mipetra-drery no nisy namono tao an-tranony omaly alahady tetsy Behoririka. Norobaina ny tranony, taorian'ny famonoana azy.

  • 21/03/2019 - 11:00 : MINISITRA ROA KANDIDA HO DEPIOTE: Ho an'ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena dia ny Minisitra Félicitée REJO-FIENENA misahana ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiantifika no handray izany vonjimaika. Ho an'ny Minisiteran'ny mponina sy ny fiahiana ara-tsosialy kosa dia ny Minisitry ny ati-tany Tianarivelo Razafimahefa no hitantana vonjimaika ity Minisitera ity.

  • 21/03/2019 - 11:00 : SOAVIMASOANDRO: Misy ny hetsika fizaham-pahasalamana maimaimpoana arahina fanafody tanterahin'ny TIMK25 tarihin'ny kandida depiote Ralambozafimbololona Fetra nanomboka ny maraina teo. Tonga maro ireo mponina. Tsy hijanona eto aminy fokotany Soavimasoandro, fa hitohy any amin'ny fokontany maro eto aminy boriborintany faha-5 indrindra any aminy toerana marefo, hoy ny kandida Fetra.

  • 21/03/2019 - 10:30 : ZAVA-KANTO: Nodimandry alina i Pierre ao amin'ny Tarika Nanahary. Lala no tena nahafantaran'ny olona azy.

  • 21/03/2019 - 10:00 : POEZIA: Marihina anio 21 marsa ny andro maneran-tany ho an’ny poezia. Hanamarika izany amin’ny alalan’ny fiantsana tononkalo mitety vohitra ireo poeta avy etsy anivon’ny Ivon-toeran’ny Kolontsaina Malagasy na ny IKM. Hifanome fotoana eo amin’ny Tranombokim-pirenena ireo mpiantsa ary hizotra mihazo ny toerana rehetra manodidina ny renivohitra hizara ny sanganasany. Ny « fiarovana ny tontolo iainana » no lohahevitra amin’izany.

  • 21/03/2019 - 09:00 : CNAPS: Nesorin'ny fanjakana nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny Tale Jeneralin'ny orinasam-panjakana misahana ny fiahiana ara-tsosialy dia ny CNAPS.

Voir plus d'infos...

25/03/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181024

Misongadina

Brickaville, Fenoarivo Atsinanana, Mananara Avaratra,… Vonon-kampandresy an’i Dada

24/10/2018

Tao amin’ny Faritra Atsinanana, dia i Brickaville, Miarinarivo, Vavatenina, Fenoarivo Atsinanana, Mananara Avaratra,… no nanohizan’ny kandida faha-25 Marc Ravalomanana fampielezan-kevitra omaly talata 23 oktobra.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mpifidy matoatoa Manomboka mivoaka ny porofo

24/10/2018

Manomboka mivoaka tsikelikely ny porofo amin’ny mety hisian’ny hala-bato bevata amin’ity fifidianana ity, sy ny fisiana mpifidy matoatoa.

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana ny fifidianana Tapafetraka ny fepetra, hoy ny SADC

24/10/2018

Midina an-tsehatra manara-maso ny fizotry ny fifidianana mba ho lavorary sy mangarahara ny vahiny ankehitriny. Raha ny fantatra, mankasitraka ny fikarakarana ny eo anivon`ny SADC satria efa tafapetraka avokoa ny fepetra amin`izao.

Hamaky ny tohiny...

Hetsika fanorenana ifotony Namaky bantsilana ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana

24/10/2018

Niverenan-drizareo avy eo anivon’ny hetsika fanorenana ifotony na HFI tetsy Antaninandro omaly ny tantaram-pirenena ka antony mahatonga an-drizareo hitaky fa tsy maintsy hiverenana sokafana ny lisim-pifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Propagandin-dRajoelina Nahafaty olona indray

24/10/2018

Fiara tsy mataho-dalana mpanao propagandy indray no nandona nahafaty mpitaingina bisikileta tao Andrebakely Sud Alaotra omaly tolakandro tokony ho tamin'ny 3ora.

Hamaky ny tohiny...

Kandida 26 hivory eny Ivato Mikasa hanangana tetezamita…

24/10/2018

Hivory eny amin’ny CCI Ivato ireo kandida 26 mitaky ny fanemorana ny fifidianana anio alarobia 24 oktobra raha tsy misy ny fiovana.

Hamaky ny tohiny...

Fandehanana mifidy Sahia mijoro sy mandray andraikitra !

24/10/2018

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao dia tsara ny mampahatsiahy fa zo sy adidy ny mifidy. Amin’ny maha zo azy dia ny olona voasazy ihany no tsy mahazo mifidy, na ny olona izay heverina fa tsy manana fahefana ara-tsaina hanao izany.

Hamaky ny tohiny...

Lalao Ravalomanana “Afaka mamaha tsara ny olan’ny Tantsaha i Dada”

24/10/2018

Distrika 2 amin’ny faritra Analamanga dia Avaradrano tapany avaratra sy Manjakandriana tapany avaratra no voatsidik’i Neny Lalao Ravalomanana omaly, nanao fampielezan-kevitra ho fampandresena an’i Dada laharana faha-25.

Hamaky ny tohiny...

Atahorana mafy Ravalomanana Horesena amin’ny hala-bato ?

24/10/2018

Mivoaka ny resaka ankehitriny fa hokotrehina hararaka amin’ny alalan’ny hala-bato sy ny kajikajy maloto samihafa ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25 satria atahorana mafy.

Hamaky ny tohiny...

Fanesorana an-daharana kandidà Tena ho sahy ve ny HCC ?

24/10/2018

Ny lalàna dia mamaritra fa mandritra ny fe-potoan’ny fifidianana, ka tafiditra amin`izany ny fampielezan-kevitra, dia tsy azon` ny olon-tsotra na kandidà atao ny mitsipaka na manaratsy ireo sampan’asa misahana ny raharaham-pifidianana sy ny zotram-pifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Rehefa Ravalo no filoha Hovana ny lalàmpanorenana

24/10/2018

Mipetrapetraka ny fanarenana ny firenena amin’ny endriny rehetra ho an’i Marc Ravalomanana na ara-drafitra na ara-politika na ara-toekarena na ara-piarahamonina …

Hamaky ny tohiny...

Ravalomanana tany Analanjirofo Resy lahatra ny rehetra

24/10/2018

Faly nahatsidika ireo toerana tena saro-dalana tao amin’ny faritra Analanjirofo ao amin’ny faritanin’i Toamasina toa an’i Sahambala, Miarinarivo aho , hoy i Marc Ravalomanana omaly;

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

TAMIN-DRAVALO

24/10/2018

Eny ho’aho vahoaka mifoha amin’izao Hitanao tsara izay efa natsangany Hitanao ihany ny hanao sy tsy hanao Hitanao foana Ravalo no sangany !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Amnesty International « Ny 55%-n’ny voafonja eto Madagasikara no tsy mbola voatsara »

24/10/2018

Omaly talata 23 oktobra tetsy amin’ny Hotel Carlton Anosy no navoakan’ny Amnesty International tamin’ny fomba ofisialy ny tatitra mahakasika ny fanadihadiana nataon’izy ireo mitondra ny lohateny hoe « Voasazy satria mahantra ».

Hamaky ny tohiny...

Sport

Arizaka Rabekoto Raoul Efa ampy traikefa amin’ny fitantanana baolina kitra

24/10/2018

9 ireo kandida navoakan’ny CE Foot-ball Malagasy fa hiatrika ny fifidianana ho filoha vaovao hitantana ny FMF « Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra » izay hotanterahina amin’ny 3 novambra 2018 ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Ligin’ny Baolina kitra any Bongolava Mbola i Dr Dezy no lany ho filoha

24/10/2018

I Dr Dezy na Rakotoarimino Andrianina Desire filoha teo aloha ihany no lany ho filoha vaovaon’ny ligim-paritry ny baolina kitra any Bongolava.

Hamaky ny tohiny...

Basket Tompondaka N 1 A Miditra amin’ny andro faha-6 anio alarobia

24/10/2018

Miditra amin’ny andro faha-6 farany amin’ny fifanintsanam-bondrona anio alarobia 24 oktobra, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena

Hamaky ny tohiny...

Edito

Vava efa zatra mandainga…

24/10/2018

Na ireo vonona sy mikofokofoka amin’ny propagandy na ireo misalasala sy miketrika mafy ny hisian’ny fampiatoana ny fifidianana dia samy hotsarain’ny karatra eo amin’ny 7 novambra,

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Taksibe mihazo an’i Ivato Hiakatra 600 Ar ny saran-dalana amin’ny 01 novambra

24/10/2018

Toy ireo taksibe rehetra miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina dia hampiakatra ny saran-dalany ho 600 Ar ny taksibe mampitohy an’Ivato sy Vassacos manomboka amin’ny 01 novambra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Mpianatra mitokona ao Barikadimy Mitaky ny fialan’ny filohan’ny oniversiten’i Toamasina

24/10/2018

Efa ho roa herinandro izao no nitokona ireo mpianatra ao amin’ny oniversiten’i Toamasina. Mpianatra ao amin’ny taona fahatelo sy fahefatra manaraka ny lalam-piofanana toekarena no nanomboka ny hetsika raha tsiahivina izay nampian’ireo departemanta hafa tosika taty aoriana.

Hamaky ny tohiny...

Salon de la rentrée universitaire Hanampy ny mpianatra amin’ny fiatrehany ny hoaviny

24/10/2018

Hotanterahina manomboka rahampitso alakamisy eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, haharitra roa andro, ilay hetsika « Salon de la rentrée universitaire » amin’ity taona 2018 ity.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Sehatry ny vato sarobidy Hetsika goavana no tanterahana eny amin’ny MBC Ivato

24/10/2018

Voalohany eto Madagasikara ny fisiana hetsika lehibe momba ny vato sarobidy dia ny Salon des gemmes et des bijoux. Nanomboka omaly eny amin’ny Mining Business Center (MBC) Ivato izy io ary hifarana amin’ny sabotsy 27 oktobra izao.

Hamaky ny tohiny...

Fizakan-tena ara-bola Hitondra fampandrosoana ara-toekarena

24/10/2018

Anisan’ny singa iray hahatongavana amin’ny fampandrosoana ara-toekarena ny fizakan-tena ara-bolan’ny firenena iray.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

RAVAN’NY AFO

24/10/2018

Kila tsy nisy noraisina intsony ilay orinasa mpanao kidoro tao amin’ny fokontany Mazava-Huile, ao Mahajanga ny alatsinainy hariva teo.

Hamaky ny tohiny...

Fitaterana

24/10/2018

Mbola ho lavitra ezaka ny famahana ny olana mikasika ny fitaterana eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Disadisam-pianakaviana Notsatohany lefona ny rafozany

24/10/2018

Tranga mampalahelo sady mampivarahontsana no nitranga noho ny disadisa nisy teo amina fianakaviana iray.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Trafikana sokatra 10 196 tany Toliara Nampaneno lakolosy ny WWF sy ny TSA

24/10/2018

Ny 9 aprily 2018 no nahatrarana zana-tsokatra miisa 10.196 tany Betsinjaka tany Toliara II, izay maro no niandry ny tohin’ny raharaha, ary omaly no fotoana nomena fa hiakarany fampanoavana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana