Fil d'actualités du 18/01/2019

  • 18/01/2019 - 15:30 : NICOLAS SARKOZY: Efa tonga eto Madagasikara i Nicolas Sarkozy, Filoham-pirenena frantsay teo aloha izay hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso.

  • 18/01/2019 - 11:00 : HANITRA RAZAFIMANANTSOA: Tonga niarahaba ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena Hanitriniaina Razafimanantsoa noho ny fahatrarana ny taona vaovao 2019 ny fikambanan'i Iarivo Miray, eo amin'ny Antenimierampirenena.

  • 18/01/2019 - 10:30 : IAVOLOHA: Hatao anio eny amin'ny Lapan'Iavoloha ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny vaovao Andry Rajoelina

  • 18/01/2019 - 10:00 : FIANIANANA: Filoham-pirenena miisa 6 avy aty Afrika no hanatrika ny fianianan'i Andry Rajoelina rahampitso: -Alpha Condé (Guinée) -Edgar Lungu ( Zambie) -Hage Geingob (Namibie) -Azali Assoumani (Union des Comores) -Nana Addo Dankwa Akufo-Addo (Ghana) -Sahle-Work Zewde (Ethiopie).

  • 17/01/2019 - 19:00 : RIVO RAKOTOVAO: Hiverina ho Filohan'ny antenimieran-doholona avy hatrany ny tenany rahampitso hariva aorian'ny fifamindram-pahefana eo amin'ny filoha teo aloha sy ny vaovao, rehefa avy nitazona ny anjara asa maha filoham-panjakana mpisolo toerana.

  • 17/01/2019 - 13:00 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga niarahaba ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana tao amin'ny lapan'ny tanana Analakely ny delegen'ny tsena ao amin'ny tsenan'Anosibe. Nisy ny dinik'asa niarahan'ny roa tonta hanatsarana ny fomba fiasa mba ho soa ho an'ny rehetra .

  • 17/01/2019 - 12:00 : MORAMANGA: Lehilahy miisa roa sarona tao amina trano fisotroana nitondra basy sy odigasy, izay voasambotry ny zandary, ka notanana am-ponja vonjimaika taorian'ny nanolorana azy ny fitsarana.

  • 17/01/2019 - 09:00 : BAOLINA KITRA: Azon'ny Juventus de Turin ny amboaran'ny "Super coupe d'Italie" rehefa resin'izy ireo tamin'ny isa 1-0 tamin'ny alalan'ny baolina matin'i Christiano Ronaldo ny AC Milan halina.

  • 16/01/2019 - 18:00 : ANOSIMAHAVELONA: Zazarano iray vao avy nesorina hita nisy nanary teny amoron'ny Ranon'Ikopa teny Anosimahavelona androany.

  • 16/01/2019 - 12:45 : FIFAMOIVOIZANA:Ny fahateren'ny arabe, ny fisian'ireo mpivarotra amoron-dalana,ny tsy fanajana firy intsony ny code de la route, ny fitiavan-tena no mampikorontana ny fifamoivoizana eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina azy.

Voir plus d'infos...

18/01/2019

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181017

Misongadina

Baolina kitra Malagasy Nanoratra ny tantara ny BAREA

17/10/2018

Ela ny ela ka tafita hiatrika ny lalao CAN ihany ny ekipam-pirenena Malagasin’ny taranja baolina kitra “Barean’i Madagasikara”, izay mendrika azy ireo tokoa araka ny efa notaterina teto amin’ny gazety Tia Tanindrazana ny alatsinainy 15 oktobra lasa teo noho ny ezaka goavana azo tsapain-tanana natao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fivorian’ny Antenimieram-pirenena Nangingina ny teny Tsimbazaza

17/10/2018

Banbangoana ny sezan`ireo depiote teny Tsimbazaza nandritra ny fivoriana ara-potoana faharoa omaly. 20 izy ireo no tonga nanatrika ny fanokafana ny andro voalohany.

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana fifidianana Mizara ho karazany enina ny mpifidy

17/10/2018

Tena ao anatin`ny fampielezan-kevitra tanteraka isika amin`izao ary samy mampiasa ny fahafahana ananany na fahefana na fitaovana na vola ireo kandidà. Hatreto, miavaka ireo kandidà matanjaka izay mitifitra hatrany ireo tanàn-dehibe na faritra na distrika io.

Hamaky ny tohiny...

Fanonganam-panjakana 2009 Tsy tokony hohamarinina intsony, hoy ny mpahay politika

17/10/2018

Mandalo eto an-tanindrazana amin’izao ny mpahay politika na « politologue », Samuel Benjamin, malagasy mipetraka any ampitan-dranomasina.

Hamaky ny tohiny...

Fananganana Fanjakana Nosamborina i Pety Rakotoniaina…

17/10/2018

Nosamborin’ny mpitandro ny filaminana tany Camp Robin any amin’iny lalam-pirenena faha-7 mihazo an’i Fianarantsoa iny omaly tokony ho tamin’ny 4 ora hariva i Pety Rakotoniaina, iray amin’ireo mpitarika ny vovonana politika HFI, na ny hetsiky ny Fanorenana Ifotony.

Hamaky ny tohiny...

Fanarenam-pirenena Ravalomanana no mahavita an’io

17/10/2018

Fotoan-dehibe ho an’ny firenena Malagasy ny fifidianana filoham-pirenena, ary tsy afaka manao fahadisoana intsony isika, raha mbola te hanavotra firenena sy hivoaka amin’izao fahantrana lalina izao.

Hamaky ny tohiny...

Distrikan’Andramasina Nosomparana fa maka an’i Dada ihany

17/10/2018

Tafiditra tsara ao anatin’ny fampielezankevitra amin’izao fotoana ny Distim Andramasina, hoy ny filohany, Herinjato Rabetokotany.

Hamaky ny tohiny...

Adihevitra propagandy Hampihaona ireo kandida 36 ny FES

17/10/2018

Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny FES (Friederich Ebert Stiftung) amin’ny fanampiana ireo kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena amin’ny 7 novambra ho avy izao sy ny fanentanana ireo olom-pirenena feno 18 taona rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Soa fa nisy anao ry Jean !

17/10/2018

Arahabaina aloha fa mba nitondra fifaliana goavana tamin’ity tontolo andro ity ianao ry Jean a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Mpisandoka ho mpanao gazety Nisoloky minisitra teo aloha

17/10/2018

Efa ela no nampikolay ireo mpanao gazety ny afitsoky ny tovolahy iray misandoka mpanao gazety amina onjam-peo iray tsy misy fampahalalam-baovao akory.

Hamaky ny tohiny...

Asa mendrika eto Madagasikara Fanatsarana no mbola tokony atao

17/10/2018

Misy fifandraisana ny olana ara-toekaren’ny firenena sy ny sehatry ny asa. Ny fampandrosoan’ny fampananan’asa feno (plein emploi), ny fampananana asa mamokatra (emploi productif) ary ny fampananana asa mendrika dia hitarafana ny fahatanjahan’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rivo Rakotovao teny Vontovorona Nosiatsiahan’ny mpankafy ny Barea

17/10/2018

Nitodika tetsy amin’ny Kianjan’i Vontovorona ny saina sy mason’ny maro omaly noho ilay lalao goavana natrehan’ny Barean’i Madagasikara, ekipam-pirenena Malagasy,

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara tafita ho any Cameroun

17/10/2018

Nilaza ny heviny i Dupuis mpanazatra sy Ima kapiteny ary i Gothlieb Hevitry ny olona 3 teny Vontovorona ihany no atolotra anao amin’izao fahatafitan’ny Barea hiatrika ny CAN andiany faha-32 izao.

Hamaky ny tohiny...

Karate Analamanga Nanjakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra

17/10/2018

Nanjakan’ny seksiona Antananarivo Renivohitra izay nahazo medaly volamena 10 tamin’ny ankapobeny ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondakan’Antananarivo Renivohitra, notontosaina tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina tamin’ny alahady 14 oktobra teo,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Ny vokatra azo no hifampitsarana

17/10/2018

Manakoako eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao ny akon’ny fandresen’ny Barean’i Madagasikara sambany tafita hiatraka ny dingana famaranana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny taona 2019.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanadinana enim-bolana faharoa CNTEMAD Mpianatra 18.000 no hiatrika izany

17/10/2018

Mpianatry ny sekolim-panjakana Cntemad miisa 18.000 no hiatrika ny fanadinana enim-bolana faharoa ny 22 ka hatramin’ny 26 oktobra ho avy izao manerana ny Nosy.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampandoavan-ketra eto Madagasikara Mbola ilana ezaka be

17/10/2018

Mbola tena sarotra ny asa fampandoavan-ketra manerana an’i Afrika ary hita taratra izany eto Madagasikara. Raha ny eto amin’ny firenena Malagasy manokana dia tsy mbola ampy ny serasera sy ny fanentanana amin’ny fampandoavan-ketra, indrindra ny any amin’ny tontolo ambanivohitra.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Fanjifana boky eto Madagasikara Nihena hatrany amin’ny 10 %

17/10/2018

Nihena hatrany amin’ny 10 % ny fanjifana ireo boky hamidy eny anivon’ny trano fivarotam-boky eto amintsika raha oharina tamin’ny taon-dasa.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Ady amin’ny tsy fandriampahalemana Basy miisa 846 nopotehina tetsy Analakely

17/10/2018

Dingana ho amin’ny firosoana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana no antony namotehana ampahibemaso ireo basy miisa 846 tetsy Analakely nandritry ny fankalazana ny iray volan’ny famotsoran-keloka amin’ny fahazoam-basy tsy ara-dalàna omaly,

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FANAPOTEHANA NAHATSIKAIKY

17/10/2018

Nahatsikaiky ny fanapotehana ireo basy miisa 846 tetsy Analakely. Ny antony dia satria nohitsahina tamin’ny trakitera ireo fitaovam-piadiana ary zara raha simba.

Hamaky ny tohiny...

Politika

17/10/2018

Tsy miova ny fomba fanao politika dinozoro eto Madagasikara fa dia mbola mitohy amin’ny fombana manambola sy mpanao fafikatrana vola hatrany.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

“Tanora Manova Rasa” Hiaro ireo 90 %-n’ny Malagasy mahantra

17/10/2018

Namoaka ny andiany voalohany ny Tanora Manova Rasa ( TMR) izay miara-miasa akaiky amin’ny “Friederich Ebert Stiftung”.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Asa fampandrosoana ny firenena Azo tsapain-tanana tamin’ny fitondrana Ravalomanana

17/10/2018

Salama sy marin-toerana ny toekarena teto Madagasikara raha tsy nisy ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009.

Hamaky ny tohiny...

Tetibolam- panjakana 2019 Hitentina 9 014 miliara ariary ny fandaniana

17/10/2018

Tolo-dalàna iray sy volavolan-dalàna valo no vonona hodinihana eny amin’ny Antenimieram-pirenena ka efatra amin`ireo no vary mangatsiaka.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana