Fil d'actualités du 15/10/2018

  • 15/10/2018 - 23:00 : FIFANINTSANAN'NY CAN 2019: Amin'izao amin'ny 11 ora alina izao vao tafavoaka tao Ivato ny delegasiona Équato-guinéen noho ny fisavana. Mbola maniry ny hijery ny kianjan'i Vontovorona izy ireo amin'izao alina izao. Mbola miandrandra fandresena, raha ny resaka nataony.

  • 15/10/2018 - 22:00 : BAREA: Tonga an-tanindrazana izao alina izao ny Barean'i Madagasikara, niray fiaramanidina tamin'ny delegasionina Équato-guinéen.

  • 15/10/2018 - 15:30 : TETR'ANDRO: Miraraka ny rotsak'orana arahina avandra amin'izao fotoana izao amin'ny faritra sasany eto Antananarivo, ka isan'ny efa rakotra izay havandra ny Ankaraobato sy eny amin'iny faritra Antananarivo Atsimondrano iny.

  • 15/10/2018 - 15:00 : BAREAN'I MADAGASIKARA: Tamin'ny 2 ora mahery minitra vitsivitsy teo vao niainga avy any Malabo ny Barean'i Madagasikara iray fiaramanidina amin'ny ekipam-pirenen'i Guinée Equatoriale.

  • 15/10/2018 - 13:30 : MARC RAVALOMANANA -AMBOVOMBE: "Faly tena faly aho mihaona aminareo eto Ambovombe. Tsapako fa mangetaheta fampandrosoana ianareo. Ny antony nahatonga ahy hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena dia tsapako ny fijaliana mahazo ny vahoaka Malagasy. Tonga aho hamerina indray ny fandriam-pahalemana, hamerina ny rafitra fitsaboana, hamerina ny tetik'asa fampianarana, hanome rano fisotro madio".

  • 15/10/2018 - 13:00 : BASY TSY ARA-DALANA: Basy 843 no hopotehina ampahibemaso eo anoloan'ny Lapan'ny tanana Analakely rahampitso 16 oktobra.

  • 15/10/2018 - 12:30 : MARC RAVALOMANANA : Any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy izy no manao fampielezan-kevitra amin'izao fotoana izao. Efa miomana fatratra handray azy ohatra ny vahoakan'i Tolagnaro.

  • 15/10/2018 - 12:00 : FIANGONANA KATOLIKA : Miantso ny tanora hahay hifidy ka hahay hihaino ny feon'ny fieritreretana ny eglizy katolika, ary tsy hanome toromarika ny mpino hanohana kandida izatsy na izaroa.

  • 15/10/2018 - 11:30 : JMJ 2021: Any Antsirabe no hatao ny JMJ MADA 10 amin'ny taona 2021 taorian'ny tany Mahajanga farany teo.

  • 15/10/2018 - 11:00 : TVM - VAOVAO MAHAFINARITRA: Hivantana amin'ny fahita-lavitra TVM ny lalao miverina hiaonan'ny Barea an'i Madagasikara sy Guinée Equatoriale rahampitso amin'ny 2ora sy sasany eny Vontovorona.

Voir plus d'infos...

15/10/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20181008

Misongadina

Marc Ravalomanana Mandresy no toromarika

08/10/2018

Nisy ny fotoam-pivavahana omaly alahady tany amin'ny FJKM Imerinkasinina, izay nanomezan'ny Fiangonana tsodrano ho an’i Marc Ravalomanana kandida laharana faha-25, ho tody soa aman-tsara amin’ny tanjona, dia ny ho tonga indray eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena, hanarina sy hampandroso an’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lesoka amin’ny lisi-pifidianana Mampiaka-peo ny TIM

08/10/2018

Mikasika io lisi-pifidianana io, dia efa nitabataba izahay fa tsy nisy nihaino, hoy ny Depiote sady mpisolovava Hanitra Razafimanantsoa avy amin’ny antoko TIM. Miantso ny CENI sy ny goverenamanta satria tsy nisy lisitra ratsy noho io, hoy ny teknisianina maro. Mbola nokitihina ny lisitra taorian'ny 15 aprily, ka nankaiza ireo nesorina ary iza ireo nampiana?

Hamaky ny tohiny...

Praiminisitra Ntsay Christian Azo hesorina, hoy ny mpahay lalàna

08/10/2018

Isan’ny miteraka resabe ny fetran’ny fahefan’ny filoham-panjakana Rivo Rakotovao, indrindra mikasika ny filazana fa tsy afaka manolo praiminisitra ny tenany.

Hamaky ny tohiny...

OnitianaRealy Aza mampihorohoro e !

08/10/2018

Ny voka-pifidianana amin’ny 7 novambra 2018 ihany no ahitana hoe iza no favori sy lanim-bahoaka, hoy Rtoa Onitiana Realy talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Hery Rajaonarimampianina omaly.T

Hamaky ny tohiny...

Antoko FAIMA “Olona matahotra an’Andriamanitra no ilaintsika”

08/10/2018

Nanomboka androany tamin’ny 6 ora maraina ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ho filoham-pirenena hotontosaina ny 7 novambra izao.

Hamaky ny tohiny...

Bokin’ I Andry Rajoelina Hampiana-dratsy tanora?

08/10/2018

Nivoaka sy naparitaka tetsy amin’ ny zaridainan’ i Andohalo ny asabotsy lasa teo ny boky mirakitra ny tantaram-piainan’i Andry Nirina Rajoelina mitondra ny lohateny hoe « Par amour de la patrie ». Resahina sy hita ao avokoa ny fahazazany, ny fiainany manokana, ny mampiavaka azy ary ny lalany ara-politika izay nodiaviny.

Hamaky ny tohiny...

Kandida Orlando Robimanana Niharan-doza ny fiara nitondra azy

08/10/2018

Niharan-doza teo anelanelan’Antalaha sy Sambava omaly alahady tokony ho tamin’ny 7ora sy fahefany hariva teo ny fiara nitondra ny kandida laharana faha 35 Orlando Robimanana.

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra Hanao izay fara heriny ireo antoko politika

08/10/2018

Tsy misy intsony ny sakatsakana fa nigadona ity ilay andro malaza. Nanomboka androany tamin’ ny 6 ora maraina ny fampielezan-kevitra amin’ ny fifidianana filoham-pirenena izay tontonsaina ny 07 novambra ho avy izao ny fihodinana voalohany.

Hamaky ny tohiny...

KMF-CNOE sy ny Liberty 32 Velon’ahiahy tanteraka ny amin’ny fifidianana

08/10/2018

Betsaka ny tsy fanarahan-dalàna miseho miharihary araka ny fanambarana nataon’ny KMF/CNOE sy ny Liberty 32 tetsy amin’ny Immeuble Santa Antanimena tamin’ny sabotsy 06 oktobra lasa teo raha fiatrehana fifidianana no resahana.

Hamaky ny tohiny...

ANTOKO MFM Manohana an-dRajaonarimampianina

08/10/2018

Tontosa soa aman-tsara ny faran’ny herinandro teo rehefa naharitra roa andro ilay vovonana notanterahin’ny antoko MFM teny Ambatomirahavavy, nentin’izy ireo nifanakalozan-kevitra sy nifandresena lahatra.

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra any Farafangana Misy olana sahady

08/10/2018

Anio alatsinainy 8 Oktobra no hanomboka ny fampielézam-kevitra araka ny voatondron,ny lalana mifehy ity fifidianana Filohampirenena ity.Diikany tokony ho tafapetraka alohan,io fepotoana io avokoa ireo fitaovana ilaina momba izany.

Hamaky ny tohiny...

Paul Pody “Zava-doza no ao anaty IEM!”

08/10/2018

Nijoro vavolombelona mikasika ny zava-natrehiny fony izy tao anaty vondrona Mapar ny mpahay lalàna sady filohan’ny antoko RDR, Paul Pody, ny sabotsy teo, tetsy amin’ny biraon’ny hetsi-bahoaka ho an’ny fanovana sy fanorenana ifotony etsy Antaninandro.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Nareo koa zany aa !!

08/10/2018

Oay ! Fa inona ry ireto ity ataonareo ity aa ! Io re ry Jean aa! Mba hajanony moa marina ee! Aleo amin’izay ho aho hilamina ity resaka ity fa tsss..!! Efa 3 andro anie sisa ee! Inona indray ary ity angaredona tampotampoka be anareo ity?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fitsarana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana Hanao fanovana ny mpitsara anatin’ny “ANJA”

08/10/2018

Hanatanteraka atrikasa (atelier) ny Fikambanana ANJA (Association Nationale Pour La Justice Administrative) na Fikambanana nasionalin’ireo mpitsara ny raharaha momba ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana anio 8 oktobra hatramin’ny 12 oktobra 2018 ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Telma Coupe de Madagascar 2018 Norombahin’ny Elgeco Plus Analamanga

08/10/2018

Nifarana omaly alahady 07 oktobra 2018 tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny fifaninanana baolina kitra « Telma Coupe de Madagascar 2018 ». Ny ekipan’ny Elgeco Plus Analamanga no nandrombaka ny amboara sy medaly volamena tamin’ity taona ity niampy taratasim-bola 3.000.000 ar avy amin’ny

Hamaky ny tohiny...

Basket Alley Hoop RDJ Fantatra ireo hisolotena ny Boriborintany 1 sy 3 ary 4

08/10/2018

Fantatra avokoa ihany koa ireo ekipa 9 avy ao amin’ny Boriborintany 1 sy faha-3 ary faha-4 hiatrika ny dingana famaranan’ny fifaninanana basikety Alley Hoop fanamarihan’ny ny faha-15 taonan’ny RDJ “Radio Des

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hifampidera taim-by

08/10/2018

Raikitra ity ny propagandy efa nandrasan’ny maro, ka hanakoako manerana ny tanàna ny fampielezan-kevitra. Samy niomana ny kandida tsirairay avy amin’io, ary samy manana ny paikadiny.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Lozam-pifamoivoizana teny Ankazobe Tovovavy iray hanatrika JMJ no maty

08/10/2018

Tovovavy iray vao erotrerony satria vao 22 taona monja, izay anisan’ireo tanora Katolika handeha hanatrika ny JMJ any Mahajanga no namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Ankazobe telo amin’ny PK 114 + 500 teo amina Tanana antsoina hoe Ampivoarana, ao anatin’ny kaominin’Ankazobe.

Hamaky ny tohiny...

Lalam-pirenena faharoa Mahazo 2000 ariary isan’andro ireo ankizy manamboatra lalana

08/10/2018

Ny fotoanan’ny fialan-tsasatra lehibe tahaka izao no tena mampahazo vahana ireo ankizy manao asa an-tselika eto amintsika. Ankoatra ny fitaomana biriky sy ny famakiana vato ary ny tsaka ranon’orana ho antsika eto an-drenivohitra dia tena mahazo vahana be ihany koa any amin’iny lalam-pirenena voalohany iny ireo ankizy mikarama manamboatra làlana.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FJKM ANALAKELY

08/10/2018

Nikorontana ny fiangonana tetsy amin'ny Fjkm Analakely omaly. Ny anton'izany dia ny savorovoro teo amin'ny samy mpino tao, izay mahakasika ny fanalàna na tsia ny mpitandrina Dina Razaf. Nisy hatramin'ny vadin-tany sy mpitandro ny filaminana tonga tao am-piangonana.

Hamaky ny tohiny...

Takela-kazo fametahana afisy

08/10/2018

Anio no manomboka ny fampielezan-kevitra kanefa mahagaga ihany ny tsy fahitana ireo takela-kazo fametahana afisin’ ny kandidà miisa 36 manerana ny Nosy kanefa ilain’ny mpifidy izany afisy izany mba hahafantarany izay ho tohanany. Ho atao ihany ve ny fifidianana sa tsia?

Hamaky ny tohiny...

Politika

08/10/2018

Ry zareo avy eo anivon’ny hetsi-bahoaka ho an’ny fanovana sy ny fanorenana ifotony dia naneho fisaorana ireo kandida miisa 22 sahy naneho ny ahiahin’izy ireo mikasika ny fifidianana. Manao antso avo azy ireo kosa anefa ity hetsika ity mba hiroso lalindalina kokoa.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Mponin’ny Faritra iva Sahirana amin’ny fitadiavana izay harapany ny ankamaroany

08/10/2018

Betsaka ireo fianakaviana Malagasy tsy mihinana afa-tsy indray mandeha isan’andro intsony ankehitriny noho ny hasarotan’ny fiainana. Amin’ny atoandro na amin’ny alina tokana ihany no mba miara-mihinana izay misy eo am-pelatanana ny isam-pianakaviana noho ny fahantrana lalim-paka mianjady amin’ny isam-baravarana.

Hamaky ny tohiny...

Mpiasam-panjakana matoatoa Miisa 120 ireo efa tratra hatreto

08/10/2018

Mbola betsaka ireo mpiasam-panjakana matotoa eto amintsika. Miisa 120 sahady ireo tratran’ny « Association Sportive Interministerielle pour l’éducation des fonctionnaires » tarihin’Atoa Randrianarison Jean Aimée Botosera, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe : John love.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Ambanivohitra Ambohimanambola Notokanana ny trano vaovao

08/10/2018

Notokanana ny zoma 5 oktobra 2018 ny trano vaovaon’ny kaominina Ambanivohitra Ambohimanambola ao amin’ny distrikan’Avaradrano.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana