Fil d'actualités du 23/09/2018

  • 23/09/2018 - 08:00 : ANDRAISORO: Vehivavy iray hita faty nihantona tsy lavitra ny Toby FOFIFA androany maraina.

  • 22/09/2018 - 09:30 : ANKADINDRATOMBO AMBATONJARA: Vehivavy iray maty norasarasaina tamin'ny antsy, ka araka ny voalazan'ny manodidina dia ny vadiny ihany no nahavanona ny loza ary rehefa maty dia lasa nitsoaka izy.

  • 21/09/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Mitana ny laharana faha-106, izany hoe nahazo toerana iray ny Barean'i Madagasikara tamin'ny filaharana maneran-tany navoakan'ny FIFA ho an'ity volana ity, raha toa ka i Belgique no mitana ny laharana voalohany.

  • 20/09/2018 - 11:00 : ANTSIRANANA: Tapaka efa ho herinandro ny jiro ao amin'ny Oniversite noho ny fahasimban'ny "transformateur" ka isan'ny anton'izany ny fitomboan'ny fitaovana matanjaka.

  • 20/09/2018 - 10:30 : ASAN-DAHALO: Efa miditra ao Fianarantsoa tampon-tanana ireo Mpanara-dia, very omby tany Manandratrony sy ny manodidina. Mitondra basy, fitaovana maro samy hafa...

  • 20/09/2018 - 10:00 : RALLYE: Manomboka anio any Moramanga ny andiany faha-39 amin'ny RIM (Rallye International de Madagascar), Ka ekipazy 41 no handray ny fiaingana.

  • 20/09/2018 - 09:30 : FIFIDIANANA: Hisy ny fivoriana hoarahan'ny CFM na ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy sy ny solontenan'ny kandida filoha anio hiresahana ny sata ara-pitondran-tenan'ny kandida.

  • 20/09/2018 - 09:00 : VAOVAO MAMPALAHELO: Nodimandry alina i Andry Herizo Rakotozafy, zanaky ny Minisitra Razanamahasoa Christine, izay "mandataire"-n'ny kandida Andry Rajoelina.

  • 19/09/2018 - 13:00 : TOBY FITEHIRIZAN-TSOLIKA: Hafindra eny Ambohijanaka ny toby fitehirizan-tsolika etsy Ankorondrano. Efa voafaritra ny toerana asiana azy izay mahatratra 88 Ha ny habeny ary afaka hitehirizana solika 60 000 m3 ary mety hihitatra hatramin’ny 75 000 m3.

  • 19/09/2018 - 12:30 : FANDORANA FIARA: Hatolotra ny fampanoavana anio ilay lehilahy nosamborina noho ny resaka fandorana ilay fiara mpisava lalan'ny Praiminisitra nandona ankizy roa teny Ivandry.

Voir plus d'infos...

20/09/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180816

Misongadina

Marc Ravalomanana Efa voasedra ary tsy mitsoaka ady

16/08/2018

Efa niomana sy nivonona handray fitondrana ny TIM. Tsy atao kitaitaitra io fa mila paikady tsara petrapetraka. Mila rafitra mafy mahenika ny Nosy ny fahazoana fandresena, ary tsikaritra ho efa niomana ho amin’izany satria saika mihetsika avokoa ny rehetra amin’izao fotoana ary fifaninanana masina ny an’ny TIM samy TIM amin’io fifidianana io amin’ny fahazoana isam-bato betsaka indrindra hampandaniana an’i Marc Ravalomanana. Maro sy be rahateo ny fampianarana sy fiofanana natao.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Saraha Rabeharisoa Hametraka ny repoblika parlemantera

16/08/2018

Raha ny vina politikan` ny antoko PLD (Paika sy Lamina ho an`ny Daholobe) dia hametraka repoblika parlemantera eto Madagasikara satria ny fahefana dia miainga avy amin`ny vahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Omer Beriziky Hampisafidy rafi-panjakana roa

16/08/2018

Nahavita sy nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidina ho filoham-pirenena ny praiministra teo aloha, Omer Beriziky, omaly teny amin`ny HCC. Tsy mbola feno ny fepetra rehetra hanatanterahana fifidianana madio, malalaka, izay heken`ny besinimaro ny vokany.

Hamaky ny tohiny...

Jean Jacques Ratsietison Hamaha olan’ny firenena amin’ny didim-pitondrana

16/08/2018

Kandida faha-10 tonga nanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany ho filoham-pirenena tetsy amin’ny HCC Ambohidahy ny talata teo ny natolotry ny antoko politika Fahefa-Mividy izao no Ilain’ny Malagasy (FMI Ma), Jean Jacques Ratsietison.

Hamaky ny tohiny...

Richard Razafy Rakotofiringa Kandidà nijaikojaiko teny amin`ny HCC

16/08/2018

Hatairana ny an`ny mpanao gazety tonga teny amin`ny HCC omaly raha nahita fiara iray nitondra olona milaza fa hametraka antontan-taratasy maha kandidà azy taorianakelin’ny fahalasan`ny kandidà iray vao avy nanatitra izany.

Hamaky ny tohiny...

Solo Norbert Andriamorasata Kandidan’ny hery ankavia

16/08/2018

Iray amin’ireo hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenana ny mpanao gazety zokiolona Solo Norbert Andriamorasata, izay sokajiana ho zokiny indrindra amin’ireo kandida satria efa 82 taona izy amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Raharaha QMM Tsy raharahian’ny fanjakana

16/08/2018

Manana petra-bola 20% ao amin’ny QMM ny fanjakana Malagasy kanefa toa mitazam-potsiny ny olana manjo ity orinasa ity. Rantsan’ny orinasa matanjaka Rio Tinto izay miasa amina firenena marobe eto ambonin’ny tany ny QMM.

Hamaky ny tohiny...

Fampandrosoana ny toekaren’i Madagasikara Sakana ny tsy fisian’ny firaisankina

16/08/2018

Rariny raha saika voafehin’ny vahiny ary eo am-pelatanany avokoa ny toekaren’i Madagasikara. Tsy mba misy fiaraha-mientana sy firaisan-tsaina eto fa samy mandeha samy mitady ny ankamaroan’ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana