Fil d'actualités du 24/09/2018

  • 24/09/2018 - 11:00 : BASIKETY:Voahosotra ho tompon-daka eran-tany ao amin’ny taranja basket-ball sokajy vehivavy ny ekipan’i Sénégal rehefa nandavo an’i Lettonie tamin’ny isa 70 noho 69.

  • 23/09/2018 - 08:00 : ANDRAISORO: Vehivavy iray hita faty nihantona tsy lavitra ny Toby FOFIFA androany maraina.

  • 22/09/2018 - 09:30 : ANKADINDRATOMBO AMBATONJARA: Vehivavy iray maty norasarasaina tamin'ny antsy, ka araka ny voalazan'ny manodidina dia ny vadiny ihany no nahavanona ny loza ary rehefa maty dia lasa nitsoaka izy.

  • 21/09/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Mitana ny laharana faha-106, izany hoe nahazo toerana iray ny Barean'i Madagasikara tamin'ny filaharana maneran-tany navoakan'ny FIFA ho an'ity volana ity, raha toa ka i Belgique no mitana ny laharana voalohany.

  • 20/09/2018 - 11:00 : ANTSIRANANA: Tapaka efa ho herinandro ny jiro ao amin'ny Oniversite noho ny fahasimban'ny "transformateur" ka isan'ny anton'izany ny fitomboan'ny fitaovana matanjaka.

  • 20/09/2018 - 10:30 : ASAN-DAHALO: Efa miditra ao Fianarantsoa tampon-tanana ireo Mpanara-dia, very omby tany Manandratrony sy ny manodidina. Mitondra basy, fitaovana maro samy hafa...

  • 20/09/2018 - 10:00 : RALLYE: Manomboka anio any Moramanga ny andiany faha-39 amin'ny RIM (Rallye International de Madagascar), Ka ekipazy 41 no handray ny fiaingana.

  • 20/09/2018 - 09:30 : FIFIDIANANA: Hisy ny fivoriana hoarahan'ny CFM na ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy sy ny solontenan'ny kandida filoha anio hiresahana ny sata ara-pitondran-tenan'ny kandida.

  • 20/09/2018 - 09:00 : VAOVAO MAMPALAHELO: Nodimandry alina i Andry Herizo Rakotozafy, zanaky ny Minisitra Razanamahasoa Christine, izay "mandataire"-n'ny kandida Andry Rajoelina.

  • 19/09/2018 - 13:00 : TOBY FITEHIRIZAN-TSOLIKA: Hafindra eny Ambohijanaka ny toby fitehirizan-tsolika etsy Ankorondrano. Efa voafaritra ny toerana asiana azy izay mahatratra 88 Ha ny habeny ary afaka hitehirizana solika 60 000 m3 ary mety hihitatra hatramin’ny 75 000 m3.

Voir plus d'infos...

20/09/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180813

Misongadina

Fifidianana Filoha Vonon-kandresy Ravalomanana

13/08/2018

Tsotra ary zavatra 5 no hafatra hampitaina amin'ny mpitolona, ny TIM sy ireo rehetra mpanohana an'i Marc Ravalomanana, raha ny nambaran’ny depioten’ny fanovana Hanitra Razafimanantsoa nandritra ny fanatrehana ny lanonana nokarakarain’ny tanora TIM Avaradrano teny Anosiavaratra ny andron’ny sabotsy 11 aogositra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Andry Rajoelina Mikononkonon-javatra hafahafa…

13/08/2018

Mampanahy tanteraka ny fihetsik’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana satria tsy tan-dalàna intsony amin’ny propagandy mialoha ny fotoana, ka mampanantena abobo samihafa, toy ny tao Antsirabe ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Repoblika fahefatra Nanary fahafahana

13/08/2018

Raha tsiahivina dia “Tanindrazana – Fahafahana – Fandrosoana” no tarigetran’ny firenena Malagasy tao anaty repoblika fahatelo.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana mangarahara Mila mpanohitra, hoy ny Tamami

13/08/2018

Dieny tsy tara, hoy ny filohan’ny antoko Tanora Malagasy miray na Tamami, Samihary Floriot, dia mbola manao antso avo amin’ny filoham-pirenena ihany izahay hoe raha hilatsaka ho fidiana ho filoham-pirenena ianao ary hametra-pialana atsy ho atsy dia tsiahivo fa misy adidy mbola tsy vitanao.

Hamaky ny tohiny...

Fiatrehana fifidianana Miara-miasa ny CENI sy ny mpanao gazety

13/08/2018

I Antsirabe indray no nampiantrano ny fiofanana nokarakarain`ny CENI Madagascar ho an’ireo mpanao gazety momba ny fiatrehana ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny 7 novambra 2018 izao

Hamaky ny tohiny...

Propagandin’ireo kandida Tsy voara-maso ireo vola maloto

13/08/2018

Tany tan-dalàna e ! Firenena tsara tantana e ! Fitantanana magarahare e ! Ireo no fehezan-teny atao ambetin-dresaka eto amintsika,

Hamaky ny tohiny...

Saraha Rabeharisoa “Zava-dehibe ny fahaleovantena ara-toekarena”

13/08/2018

Ahoana ny fampiakarana ny farim-piainan`ny Malagasy? Tsy maintsy ny toekarena no hampiakarana azy, hoy ny kandidàn`ny PLD, Saraha Rabeharisoa satria ny mpitondra Malagasy dia mbola miankin-doha amin`ny vahiny amin`ny tetibola hananany na ny vola ampiasiany.

Hamaky ny tohiny...

Zafilahy Stanislas « Kandida efa vonona tanteraka i Dada »

13/08/2018

Efa vonona tanteraka ny Filoha Marc Ravalomanana amin’ny fiatrehana ny fifidianana. Io no fanambarana nataon’i Zafilahy Stanislas tetsy amin’ny Magro Behoririka tamin’ny hetsika ny sabotsy 11 Aogositra farany teo manoloana ireo mpitolona tonga teny an-toerana. Misy fotoana ny zavatra rehetra ary efa vonona izy amin’ny angady sy ny harona hoy hatrany izy nandritra ny kabary nataony.

Hamaky ny tohiny...

Pastera Mailhol sy ny Apokalipsy “Ny harena an-kibon’ny tany no hampandrosoana ny firenena”

13/08/2018

Tsy ny fiompiana sy ny fambolena intsony izay miantoka ny 85 %-n’ny fiainan’ny Malagasy no ho enti-mampandroso ny firenena atsy ho atsy hoy Pastera Mailhol fa haompana indray amin’ny fitrandrahana ny harena an-kibon’ny tany. Io ihany mantsy hoy izy no

Hamaky ny tohiny...

Gasy tia vao Kolontsaina no nisy resy tosika, hoy ny mpandinika

13/08/2018

Na iza na iza firenena naniry hanjanaka teto Madagasikara, hoy ny mpandinika, Toky Rakotobe, dia ny lafiny kolontsaina foana no nezahan’izy ireo nodomina teto.

Hamaky ny tohiny...

Depiote Rasendramiadana Manetsika ireo TIM Boriborintany fahadimy

13/08/2018

Nihaona sy nitafa tamin’ny tamin'ny mpandrindra, DISTIM sy FokoTIM tao amin'ny boriboritany fahadimy ny depiote Rasendramiadana Clarisse ny andron’ny sabotsy 11 aogositra 2018 teo.

Hamaky ny tohiny...

Propagandy mialohan’ny fotoana Fanompana ireo manara-dalàna

13/08/2018

Misy fitondram-panjakana ara-dalana eto kanefa misy olona manao fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana, ary milaza ny programany.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Faminaniana samihafa Sao dia famitaham-bahoaka sy fanasana atidoha ?

13/08/2018

Nisy resaka faminaniana sy fahitana foana teo amin’ny tantaram-pirenen’i Madagasikara. Saika nisy foana ny hoe fisehoan’i jesoa kristy, fisehoan’i Masina Maria…

Hamaky ny tohiny...

Sport

Poule des As « Thb Champions League 2018 » Mitarika vonjimaika ny Fosa Juniors

13/08/2018

Mitarika an’isa vonjimaika eo amin’ny filaharana ankapobeny amin’ny fifaninanana “Poule des As Thb Champions League Malagasy 2018” ny

Hamaky ny tohiny...

Rugby Amboaran’ny Ben’ny tanànan’Iarivo Tsy tonga niatrika ny lalao ny FTM Manjakaray

13/08/2018

Nanomboka omaly alahady 12 aogositra 2018 tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina ny lalao rugby à XV fiadiana ny Amboaran’ny Ben’ny tanànan’Iarivo andiany voalohany.

Hamaky ny tohiny...

Klioba Lion Force Kick Boxing Miditra amin’ny faha-8 taonany amin’ity 2018 ity

13/08/2018

Miditra eo amin’ny faha-8 taona niorenan’ny ny kliobana Kick Boxing Lion Force.

Hamaky ny tohiny...

FIHEZAMA

13/08/2018

FIHEZAMA

Hamaky ny tohiny...

Edito

NY atao no hita

13/08/2018

Samy miroso tsikelikely amin’ny fanaterana ny antontan-taratasy maha kandida azy daholo aloha hatreto izay te ho filoham-pirenena rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

ESC ESPIC Manohana ireo tanora hampandroso ny firenena

13/08/2018

Niampy 50 mianadahy indray ireo tanora teknisiana eto amintsika, mpianatry navoakan’ny sekoly ambony ESC ESPIC.

Hamaky ny tohiny...

Fanadinana CEPE hatao rahampitso Misy laza adina efa niparitaka ?

13/08/2018

Mifamahofaho tanteraka ny resaka laza adina momba ny fanadinana CEPE tanterahina rahampitso 14 aogositra 2018. Nanaitra ny zava-nisy tany Sambava, noho ny ambara fa fipariahan’ny laza adina “Opération” na Asa marika izay voalaza fa niparitaka nanomboka ny sabotsy tolakandro.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Mandoto Taksibrosy nitondra sembana notafihin’ny dahalo

13/08/2018

Mirongatra hatrany ny fanafihan-jiolahy eto amintsika. Lohalaharana amin’izany ny lalam-pirenena fahafito izay nitrangana fanafihana indray ny sabotsy lasa teo tokony ho tamin’ny 01 ora maraina.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

KANDIDA MIANDRY KELY ALOHA

13/08/2018

Maromaro ny kandidà ny hanapa-kevitry ny tsy mbola hametraka ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana raha tsy amin’ny faramparan’ny fetr’andro hahafahana manatontosa izany.

Hamaky ny tohiny...

TOLON’NY MPAMPIANATRA

13/08/2018

Ho antsika eto Antananarivo dia mitohy hatrany ny tolona ka maka aina tsara isika anio alatsinainy fa rahampitso talata 14 Aogositra 2018 amin ny 9ora tsy diso eny amin’ny INFP Mahamasina ny fotoana, hoy ireo mpampianatra mbola manohy ny tolona amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

HAFARI Malagasy sy ny FMOS Namoaka mpianatra 300 mianadahy

13/08/2018

Namoakatra mpianatra mahay sy mahafolaka ny teny Anglisy 300 mianadahy indray ny FMOS miahy ireo ankizy sahirana etsy Anosizato sy ny fikambanana HAFARI Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Banky foiben’i Madagasikara Manao pi-maso amin’ny mpamatsy vola

13/08/2018

Nisy ny fanapahan-kevitra noraisina tamin’ny “conseil de ministre” farany teo ka nivoizana ny resaka “recapitalisation” an’ny banky foiben’i Madagasikara. Rehefa miresaka banky foibe anefa dia ny fanjakana avy hatrany no ao an-tsaina ka raha izany no misy dia ny maha-fanjakana mihitsy no mampametram-panontaniana hoe mbola afaka atao ve ny mifampiraharaha aminy (crédibilité).

Hamaky ny tohiny...

Indostria manodim-bokatra Mbola maro ireo sakana eto Madagasikara

13/08/2018

Raha te hiroso tanteraka amin’ny fampiroboroboana ny Indostria Madagasikara dia tsy maintsy manana vahaolona maharitra ny amin’ny sehatra angovo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana