Fil d'actualités du 23/09/2018

  • 23/09/2018 - 08:00 : ANDRAISORO: Vehivavy iray hita faty nihantona tsy lavitra ny Toby FOFIFA androany maraina.

  • 22/09/2018 - 09:30 : ANKADINDRATOMBO AMBATONJARA: Vehivavy iray maty norasarasaina tamin'ny antsy, ka araka ny voalazan'ny manodidina dia ny vadiny ihany no nahavanona ny loza ary rehefa maty dia lasa nitsoaka izy.

  • 21/09/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Mitana ny laharana faha-106, izany hoe nahazo toerana iray ny Barean'i Madagasikara tamin'ny filaharana maneran-tany navoakan'ny FIFA ho an'ity volana ity, raha toa ka i Belgique no mitana ny laharana voalohany.

  • 20/09/2018 - 11:00 : ANTSIRANANA: Tapaka efa ho herinandro ny jiro ao amin'ny Oniversite noho ny fahasimban'ny "transformateur" ka isan'ny anton'izany ny fitomboan'ny fitaovana matanjaka.

  • 20/09/2018 - 10:30 : ASAN-DAHALO: Efa miditra ao Fianarantsoa tampon-tanana ireo Mpanara-dia, very omby tany Manandratrony sy ny manodidina. Mitondra basy, fitaovana maro samy hafa...

  • 20/09/2018 - 10:00 : RALLYE: Manomboka anio any Moramanga ny andiany faha-39 amin'ny RIM (Rallye International de Madagascar), Ka ekipazy 41 no handray ny fiaingana.

  • 20/09/2018 - 09:30 : FIFIDIANANA: Hisy ny fivoriana hoarahan'ny CFM na ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy sy ny solontenan'ny kandida filoha anio hiresahana ny sata ara-pitondran-tenan'ny kandida.

  • 20/09/2018 - 09:00 : VAOVAO MAMPALAHELO: Nodimandry alina i Andry Herizo Rakotozafy, zanaky ny Minisitra Razanamahasoa Christine, izay "mandataire"-n'ny kandida Andry Rajoelina.

  • 19/09/2018 - 13:00 : TOBY FITEHIRIZAN-TSOLIKA: Hafindra eny Ambohijanaka ny toby fitehirizan-tsolika etsy Ankorondrano. Efa voafaritra ny toerana asiana azy izay mahatratra 88 Ha ny habeny ary afaka hitehirizana solika 60 000 m3 ary mety hihitatra hatramin’ny 75 000 m3.

  • 19/09/2018 - 12:30 : FANDORANA FIARA: Hatolotra ny fampanoavana anio ilay lehilahy nosamborina noho ny resaka fandorana ilay fiara mpisava lalan'ny Praiminisitra nandona ankizy roa teny Ivandry.

Voir plus d'infos...

20/09/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180728

Misongadina

Rivo Rakotovao Niala tsy ho filohan’ny HVM intsony

28/07/2018

Nametra-pialana tsy ho filoha Nasionalin’ny Antoko HVM i Rivo Rakotovao, araka ny fanambarana nataony teo imason’ireo Birao nasionalin’ny antoko sy ireo mpikatroka teny amin’ny Hotely Carlton Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kandida Ravalomanana Tsy ho ela ny fandrotsahana dosie…

28/07/2018

Anisan’ireo kandida fantatra fa mikarakara dosie i Marc Ravalomanana ary andrasana ny fanambarana ofisialy fanamafisany ny maha kandida filoha azy amin’ny tapatapaky ny volana aogositra.

Hamaky ny tohiny...

Tolona ho an’ny fanorenana ifotony Tsy resy lahatra amin’ireo mpitarika ny olona

28/07/2018

Inona tokoa moa no tokony haharatsy ny fanorenana ifotony ? Heverina fa ilain’ny firenena Malagasy ankehitriny izy io raha mandinika ireo anton’ny fahantrana miavosa eto amin’ny firenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Nangina sy nipirina tanteraka

28/07/2018

Nangina ary toa nipirina tanteraka i Voahangy Rajaonarimampianina ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Fanambaran’i Paul Rabary Tsy voatery hitombina, hoy ny loholona Amido

28/07/2018

Taorian’ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Paul Rabary, izay nitsikera mafy ny antoko HVM dia naneho ny heviny mikasika ny fahitany izany ny loholona, Amido, izay sady mpikambana eo anivon’ny antoko Hery vaovao ho an’I Madagasikara no filoha lefitry ny lapa maitso.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Ny ilany fotsiny no mihetsika

28/07/2018

Sali Jean aa! Eo ary ilay tsisy taolana a! Ny ilany fotsiny no mihetsika, ny ilany mbola mizesta. Ha ha ha..!! Ianareo koa ity no tena mampiomehy be araka ny nambaran’ilay madama iry ka! Marina ee!

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanosoram-potaka amin’ny haino aman-jery Lasa fomba fiady politika

28/07/2018

Lasa fomba fiady politika indray izao ny fanosoram-potaka sy famoahana vaovao tsy marina amin’ny haino aman-jery sy ireo tambajotran-tserasera isan-karazany.

Hamaky ny tohiny...

Sendikan`ny mpiasan`ny paositra Hatsaharo ny fanendrena

28/07/2018

Nitaky ny fanatsaharana ny fanendrena na “nomination” ao amin`ny minisiteran'ny paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny fampivoarana ny haitao ara-kajy Mirindra ny sendikan`ny mpiasa saingy tsy notanterahina.

Hamaky ny tohiny...

« Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi » Manampy ireo tanora mitady asa ny gazety JOB

28/07/2018

Tanterahina etsy amin’ny Alliance Française Andavamamba nanomboka omaly ilay hetsika « Carrefour de la formation des métiers et de l’emploi » andiany faharoa.

Hamaky ny tohiny...

Ambohimanarina Avotra ihany ilay lehilahy tototry ny tany

28/07/2018

Bolongan-tany no nanohana ny tany tsy hanototra hatramin’ny farany ny lehilahy iray teny Ambohimanarina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Claudine Razaimamonjy sy Alain Ramarosaona Tokony havoaka ny fonja, hoy i Riribe

28/07/2018

Voalohany, hoy i Riribe “Rakotomalala Henri” raha tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana izy omaly, dia maneho eto ny fialan-tsiny amin’ireo rahalahy mpanao rugby ny tenako fa natodiko tany amin’ny mpitondra fanjakana Malagasy ny teniko nilaza ny hoe :

Hamaky ny tohiny...

Sport

1/16-ndalan’ny Telma Coupe de Madagascar Ny Elgeco Plus sy Uscafoot no tafita voalohany

28/07/2018

Ny ekipan’Analamanga Elgeco Plus sy Uscafoot no tafita voalohany hiatrika ny 1/4-dalana eo amin’ny fiadiana ny

Hamaky ny tohiny...

“Trophée Red Dog Scoot” dingana faha-3 Hotontosaina eny Imerintsiatosika rahampitso

28/07/2018

Nampahafantarin’Andriambololona Harison filoha nasionalin’ny klioba Red Dog Scoot izay mifandray mivantana amin’ny Red Dog Amc any Frantsa hotanterahina eny amin’ny SRK Imerintsiatosika rahampitso

Hamaky ny tohiny...

Basket Fiba 3 x 3 Africa Cup Qualifiers Fantatra ireo mpilalao Malagasy hiaro ny voninahim-pirenena

28/07/2018

Navoakan’ny FMBB « Federasion’ny Basikety Malagasy » omaly zoma fa ny mpilalao lehilahy Mandimbison Constant Fabrice,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hakiviana.com

28/07/2018

Hita ho miha mirongatra ankehitriny ireo adala na eny an-dalambe na eny an-tsena eny na dia efa vanim-potoanan’ny ririnina aza izao.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Vondron’ny mpitatitra FMA Tsy maintsy hampiakatra saran-dalana ho 500Ar

28/07/2018

Voatazona hatrany hatreto ny hiakaran’ny saran-dàlana ho 500Ar ho an’ny Fikambanan’ny mpitatitra mivondrona ao anatin’ny FMA (Fitaterana Mendrika eto Antananarivo) ahitana koperativa miisa 8 eto an-drenivohitra, dia ny zotra 109, 143, 163, 165, 166, 172, 192, 194 manomboka ny 1 aogositra.

Hamaky ny tohiny...

Fiarabe nahafaty olona Nitsoaka saingy nivadika

28/07/2018

Olona 3 mianaka nitaingina bisikileta no nofaohan’ny fiarabe an’olon-tsotra mpitatitra hazo tao Befotsy Moramanga omaly antoandro, ka maty teo no ho eo ny ramatoa iray, fa ny vadiny sy ny zanany kosa naratra mafy, ka nalefa haingana any amin’ny hopitaly.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Sendikan’ny mpampianatra “Aleo hoalainay ny fahefana !”

28/07/2018

Niezinezina ny fanambaran-drizareo kaonfederasionina sendikaly eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra Malagasy na Sempama tetsy amin’ny INFP Mahamasina omaly. Mitohy ny tolon’ny mpampianatra sy mpanabe, hoy izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Homamiadan’ny aty na Hepatita Ny 23 %-n’ny Malagasy no voany

28/07/2018

Areti-mandoza iray miteraka ny 80%-n’ny homamiadana mpahazo ny aty ny hepatita B. Aretina azo avy amin’ny virus de l’hepatite B izy io.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Injeniera informatika malagasy Hararaotin’ny vahiny

28/07/2018

Miisa 15.000 eo ho eo ireo asa mivantana foronin’ny sehatry ny teknolojia eto amintsika raha 60.000 no tsy mivantana, araka ny tarehimarika nampahafantarin’ny rafitra Goticom, izay isan’ny miompana amin’izany eto amintsika, tetsy amin’ny CCIA Antaninarenina omaly.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Guy Laurent Ramanakamonjy Hohamoraina ny fahazoana loharanom-baovao

28/07/2018

Nivoaka indray ny gazety boky Trandraka laharana fahatelo. Nifantoka tamin`ny fanjakana tsara tantana sy zon`olombelona indray ny lohahevitra tamin`ity andiany ity.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Halatra, fanendahana, kidnapping… Olona 836 voasambotra tao anatin’ny 1 volana

28/07/2018

Nody ventiny ny rano natsakaina tamin’ny alalan’ny hetsika manokana notanterahana tamin’ity volana ity, hoy ireo tompon’andraikitra avy ao amin’ny polisim-pirenena raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny Anosy omaly zoma 27 jolay.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

Politika

28/07/2018

Tontosa omaly tetsy amin’ny oniversiten’Antananarivo etsy Ankatso ny manasa-dalana sy famaranana mikasika ny fifaninanana adihevitra eo amin’ny samy mpianatry ny oniversite mikasika ny fifidianana sy ny fandraisan’ny tanora anjara amin’ny fiainam-pirenena. Mampametra-panontaniana ihany ny antony hifaninanana amin’izany.

Hamaky ny tohiny...

FIAINAN’OLO-MALAZA

28/07/2018

Nahavita ny fisoratam-panambadiany vao andro vitsy monja izay i Malm tao amin'ny tarika Martiora freedom sy i Mialy fofombadiny.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fampandrosoana ny maha olona Hiainga amin’ny fanetsehana ny harena anatiny

28/07/2018

Mbola lavitry ny afo ny kitay raha mijery ny laharan’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana ny maha-olona.

Hamaky ny tohiny...

Varotra Friperie Mamelona fianakaviana maro , 300.000 Ar ny balle iray

28/07/2018

Lasa mamelona olona maro ny varotra friperie eto amintsika. Mahazo tombony 100.000 Ar isaky ny balle mantsy izy ireny rehefa tena mandeha ny tsena. Amin’ny vanim-potoana ririnina tahaka izao dia be fividy hatrany ireo akanjo mafana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana