Voir plus d'infos...
Archive du 20180726
26/07/2018
Nisehoana loza mahatsiravina indray teny amin’ny lalàn’i By Pass, tsy lavitry ny tetezan’Androndrakely omaly hariva tokony ho tamin’ny 4 ora tany ho any.
26/07/2018
Nivoaka tamin’ny fahanginany omaly ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary manoloana ny fialany tsy ho mpikambana ao anatin’ny antoko HVM intsony. Nambarany fa fampifangaroana ny asam-panjakana sy ny politika no antony.
26/07/2018
Tsy ny Parvis irery akory no atao hoe kianjan’ny 13 mey, hoy ry zareo avy eo anivon’ny antoko Tambatra.
26/07/2018
Tsy re feo firy intsony ny praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier taorian’ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny praiminisitra ankehitriny. Tsaroana tsara kosa ny teny nataony tamin’izay ka nilazany hoe: “mametraka ny mandrapihaona vetivety” ny 6 jona lasa teo.
26/07/2018
Samy ilain’ny Malagasy daholo, hoy ny filohan’ny Vondron’Olon-tsotra (VOT), Sarah Zoe, na ny fanorenana ifotony na ny fifidianana saingy mila hay ny mametraka ny laharam-pahamehana sao zava-doza no hitranga.
26/07/2018
Miverina ny fandrangarangana hery sy famoretana ataon’ny fanjakana eo anatrehan’ny fitakiana sy fitokonana samihafa mbola misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana.
26/07/2018
Nahavita ny tatitra momba ny asa nataony ny taona 2017 ireo mpiahy ara-drariny (médiateur). Sampandraharaham-panjakana najoro araka ny didy hitsivolana mitondra ny laharana 92-012 tamin’ny 29 aprily 1992 ary manana andraikitra ny amin’ny fiarovana ny zon’ny isam-batan’olona ny mpiahy ara-drariny.
26/07/2018
Mila mifanome tanana isika mba hahafahana manaisotra ny firenena amin’ny krizy niainana nandritra ny 50 taona, hoy ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina nandritra ny fitokanana ireo fotodrafitrasa fototra miisa 5 teny amin’ny distrikan’Antananarivo Avaradrano omaly.
26/07/2018
Tsy mikely soroka amin’ny asa fanadiovana sy fandaminana ny tanàna ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA).
26/07/2018
Notanterahana tetsy amin’ny hotely Panorama Andrainarivo ny atrikasa nanamafisana ny fomba fiasa avy amin’ny fitondrana malagasy hanatsarana ny fisorohana sy fiatrehana ny loza any atsimon’ny nosy.
26/07/2018
4 andro mialoha ny hiatrehana ny lalao basikety Africa Cup Qualifiers etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, hahazoana hiatrika ny famaranana hatao any Lomé Togo amin’ny novambra 2018, ho an’ny vondrona A misy an’i Madagasikara mpampiantrano ka handraisana vahiny Afrikanina toa an’i Egypte, Ouganda, Rdc, Seychelles,
26/07/2018
Tsy ara-dalàna avokoa, hoy ny K2HB « Komity Hamerina ny Hasin’ny Baolina Kitra Malagasy” tarihan’Atoa Ramasy « Jean-Ignace Randrianirina » nivory tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo teto Antananarivo,
26/07/2018
Nambaran’ny filoha nasionalin’ny ASIEF (Association Sportive Interministérielle pour l'Entretien des Fonctionnaires),
26/07/2018
« Ny ratsy atao loza mihantona, ny soa atao ilevenam-bola », hoy ny Ntaolo. “ Izay nafafy no hojijaina ary misy farany ny zava-drehetra”.
26/07/2018
Miverina tsikelikely ny fampianarana manerana ny Faritra maro eto Madagasikara, anisany ny eto Antananarivo Renivohitra, hoy ny vaovao navoakan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena izay nahely tamin’ny tambajotram-pifandraisana, indrindra tamin’ny haino aman-jery, toy ny haino aman-jerim-panjakana TVM sy RNM.
26/07/2018
Tontosa omaly alakamisy 25 jolay tao amin’ny Amphi 24, FLSH Ankatso ny fivoriamben’ny Sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na ny SECES Antananarivo, niresahana ny vokatry ny fifampidinihana tamin’ny tompon’andraiki-panjakana sy ny tohin’ny fitakiana.
26/07/2018
Ny firenena tsirairay avy, hoy ny manampahaizana momba ny fomba malagasy, Eddy Jean Philippe sady filoha lefitry ny fikambanana Tandroharena, dia samy manana ny fomba amam-panao mampiavaka azy avokoa.
26/07/2018
Olona miisa 4 no indray matin’ny dahalo tany amin’ny kaominina Ambohiboromanga any amin’ny distrikan’Ambatondrazaka ny talata teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina.
26/07/2018
Lasa fahazaran’ny tokantrano Malagasy sasany ankehitriny ny miaina ao anaty loto.
26/07/2018
Mivelatra sady midadasika ny fari-dranomasina Malagasy satria avo telo heny mihoatra ny velaran-tanin`i Madagasiakra. Antony tsy hahafehezana ny fifindra-monina sy ny fanondranana an-tsokosoko ny fidadasiny. Olana goavana ny tsy fahampian`ny fitaovana anatanterahana ny asa na efa nanomboka manampy amin`ny fampitaovana aza ny fanjakana.
26/07/2018
Efa eo an-dalam-pijerena ny momba ny fanampiana nangatahan’ny governemanta Malagasy i India, araka ny tatitra nataon’ny Ambasadaoro Subir Dutta tetsy amin’ny foibeny Tsaralalàna. 80, 7 tapitrisa dolara na 271 099 545 000 Ariary (1dolara=3359,35Ar) izy io, hanampiana amin’ny sehatra fambolena.
26/07/2018
Taorian’ny nahavitan’ny fifamindram-pahefana ny 14 jona 2018 dia niroso avy hatrany amin’ny asa sy fandaminana anatiny ny ministeran’ny indostria sy ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ny minisitra Guy Rivo Randrianarisoa.