Fil d'actualités du 19/08/2018

  • 19/08/2018 - 18:00 : KUNG-FU WISA: Tontosa androany teny amin'ny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny fanatankahantena Mahamasina ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara.

  • 19/08/2018 - 15:00 : FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Nanatitra ny taratasy filantsahan-kofidiana androany ny mpandraharaha Eric Rajaonary, Tompon'ny orinasa Guanomad.

  • 18/08/2018 - 14:00 : FANADINANA CEPE: Nivaly io maraina io ny valim-panadinana CEPE ao amin'ny CISCO ANTANANARIVO ATSIMONDRANO. Niakatra 80 % ny taham-pahafahana tamin'ity taona ity, raha toa ka 57 % izany ny taon-dasa.

  • 18/08/2018 - 13:00 : KOFI ANNAN: Nodimandry androany teo amin'ny faha-80 taonany i Kofi Annan, Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana teo aloha, izay efa nahazo ny amboara Nobel ho an'ny fandriampahalemana. Teratany Ganeanina izy.

  • 18/08/2018 - 10:45 : FIROTSAHAN'I MARC RAVALOMANANA HO FILOHA: Ny zanany dia i Saraha Ravalomanana no tonga manatitra ny taratasy eny amin'ny HCC Ambohidahy hatrehan'ireo mpanotrona maro be.

  • 18/08/2018 - 10:00 : FIFIDIANANA : Hanatitra ny antontan-tararatasiny eny amin'ny HCC anio ny kandida Eliana Bezaza, raha tsy misy ny fiovana

  • 17/08/2018 - 15:00 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nanambara tamin'ny fomba ofisialy ny haha kandida filoha azy ny tenany androany ary efa tafapetraka ny firotsahan-kofidiana amin'ny anaran'ny antoko HVM.

  • 17/08/2018 - 14:30 : KIDNAPPING: Nisaotra ny mpitandro filaminana tamin'ny vokatra azo nahafatesana mpaka an-keriny roa sy nahasamborana ny namany teny Anosivavaka Ambohinarina ny Fikambanan'ny Teratany Karana mizaka ny zom-pirenena Frantsay.

  • 17/08/2018 - 12:35 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA : Migadona ao amin'ny Hotely Colbert izy sy ny vady aman-janany amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 17/08/2018 - 11:30 : HOTELY COLBERT ANTANINARENINA: Vory lanona ny mpanohana an-dRajaonarimampianina ary andrasana ny mety ho fahatongavany sy hanaovany fanambarana anio.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180725

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Nataon’ny olona tohatra fiakarana fotsiny

25/07/2018

Tsy misy mihitsy filoham-pirenena hisafidy ny hanaotao foana hanimba tena mandritra ny fitondrany fa ao raha matoa tsy mahomby. Iankinan-javatra ny ekipa ao anaty fitondrana satria tsy vitany irery io.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hetsiky ny HFI Amin’ny zoma indray

25/07/2018

Efa nampoizina ihany ny zava-nitranga tetsy amin’ny Parvis Analakely omaly. Nahagaga ny maro ihany hoe naninona ireo fikambanana sy antoko ary vondrona tapa-kevitra ny hanohy ny tolona etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey mivondrona ao anatin’ny HFI ka hanome anarana hoe tolona ho an’ny tena fanovana no tsy nangataka alalana mihitsy na tany amin’ny prefektiora na teo anivon’ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ?

Hamaky ny tohiny...

Fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana Tsy afa-manoatra ny CENI

25/07/2018

Tsy afa-manoatra ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) manoloana ny fanatanterahana ny fampielezan-kevitra mialoha ny fifidianana raha ny tranga misy amin`izao fotoana, hoy ny filohan`ny CENI, Hery Rakotomanana.

Hamaky ny tohiny...

Fifankahalana sy fifanalam-baraka Efa fomba fiadin’ny MAPAR sy HVM hatrizay

25/07/2018

Ny ekipan’ny tetezamita sy ny HVM no tena manam-pahaizana amin’io politikan’ny fankahalana sy kapa vavaranjo io, ary manomboka tsy misy ankitsitsy izy io amin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao. Mahavita mamorona ny tsy misy mihitsy hahafahana manenjika sy manasoketa ny hafa sy hanapotehana azy.

Hamaky ny tohiny...

Pastera Mailhol Tohanan’ny mpampianatra

25/07/2018

Vonona ny hanohana an’ny pastera Mailhol ireo mpampianatra eto amintsika amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina ny volana novambra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Maitre Willy Razafinjatovo na Olala Miantso fifanatrehana amin’ny filohan’ny holafitra

25/07/2018

Na “conseil de discipline” na “ commission de discipline”, izay hiantsoana azy, hoy ny mpisolovava, Willy Razafinjatovo na Olala dia tokony hisy fampahafantarana ny antony iantsoana izay hampanantsoina foana,

Hamaky ny tohiny...

Lalao baolina kitra teny Talatavolonondry Nahatontosa ny fanambiny ny Tanora TIM

25/07/2018

Notanterahina ny alahady 22 jolay 2018 lasa teo ny lalao famaranana taranja baolina kitra, nokarakarain'ny Tanora Tiako i Madagasikara (Jeune TIM) ao Talatavolonondry.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fampitsaharana ny tolon’ny mpampianatra Ho avy ny fampiasan-kery ?

25/07/2018

Nogiazan'ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny fanamafisam-peo dia notapahana ny herinaratra, ka nanao tsipaipaika izahay ary nahazo fanamafisam-peo vaovao, hoy ireo sendikan’ny mpampianatra mitaky ny zony etsy amin'ny tokotanin'ny Minisitera etsy Anosy.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Adina ara-panatanjahantena bakalorea Savorovoro ny tao Toamasina, tsy vita ny tao Brickaville

25/07/2018

Vao maraina dia efa nameno ny kianjabe nikasana hanaovana ny adina ara-panatanjahantena tao Brickaville ireo mpampianatra mpikambana eo anivon’ny Sempama any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Canal plus Madagascar Hanome vahana ny sarimihetsika Malagasy

25/07/2018

Tsy fahita any anatin’ireny fahitalavitra avy any ivelany ny horonantsary Malagasy hatramin’izay. Hanomboka hisy eto amintsika izy ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fidangan’ny vidina lavanila Tokony ho tohana lehibe ho an’ny vola Malagasy

25/07/2018

Nanomboka ny taona 2016 dia niakatra be mihitsy ny vidin’ny lavanila satria avo folo heny na 15 mihitsy aza.

Hamaky ny tohiny...

Sehatra fambolena eto Madagasikara Mila mivoatra ny tantsaha

25/07/2018

Omaly talata 24 jolay no nampahafantarina tetsy amin’ny Hotely Le Louvre Antaninarenina ny fisian’ny foara be andiany faharoa ho an’ny fambolena (FIA) ny 14 hatramin’ny 17 septambra ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana