Fil d'actualités du 19/07/2018

  • 19/07/2018 - 16:00 : ATLETISMA: Hitondra ny lokon'ny firenena Frantsay i Agnés Raharolahy, izay manana fihaviana Malagasy amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Eoropa hatao any Berlin Allemagne ka ny hazakazaka 4X400m no hifaninanany.

  • 19/07/2018 - 15:30 : TOLON'NY MPANABE: Manoloana ny fanambaran'ny sasany fa mitsahatra ny tolona fa hiverina hiasa ny alatsinainy izao dia manamafy ireo filoha mpitarika ny tolona, fa vao mainka aza io hihamafy satria tsy mbola nisy mihitsy ny fifanarahana.

  • 19/07/2018 - 15:00 : FAMPIANARANA: Hiverina amin’ny laoniny ny fampianarana manomboka rahampitso faha-20 Jolay 2018, hoy ny fanambaran'ny ampahany amin'ireo nanao fitokonana tetsy Antanimbarinandriana, ary miombo-peo amin’izany ny eo anivon’ny DREN Analamanga sy ireo mpitolona, hoy izy ireo.

  • 19/07/2018 - 12:30 : ANKORONDRANO: Vola 100 tapitrisa vao avy nalaina tamin'ny banky nentina tamina moto lasan'ny jiolahy miisa 5 nirongo basy androany tokony ho tamin'ny 10 ora.

  • 19/07/2018 - 12:00 : FIFIDIANANA FILOHA: Miisa 3 900 000 no ambaran'i Eric Rajonhson fa hifidy azy amin'ny fifidianana filoha amin'ny 7 novambara, ary milaza fa mahatoky izy fa ho lany.

  • 19/07/2018 - 11:30 : ONITIANA REALLY: Hivahiny ao amin’ny fahitalavitra TV Plus izy rahampitso zoma 20 jolay hariva ary hamaly ny fanontanian’ny olon-drehetra mahakasika azy sy ny asa nataony.

  • 19/07/2018 - 11:00 : MAHAJANGA: Olona 501 no fantatra taorian'ny fitiliana fa mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA, ka ny 122 dia tranga vaovao. Ny 277 ihany no manaraka fitsaboana.

  • 19/07/2018 - 10:30 : FAMPIANARANA: Ny alatsinainy 19 novambra no fidirana ho an'ny taom-pianarana 2018-2019, araka ny tetiandro navoakan'ny Minisitera.

  • 19/07/2018 - 10:00 : ERIC RAJOHNSON: Vonona ny diaspora Malagasy hifanome tanana azy, hoy ity kandida filoham-pirenena ity.

  • 19/07/2018 - 09:30 : FAMPIAKARANA SARAN-DALANA : Ny mpitatitra ao anatin'ny FMA na Fitaterana eto Antananarivo izay ahitana ny 194, 163, 165, 109, 143, 192, 166 no hampiakatra saran-dalana.

Voir plus d'infos...

19/07/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180705

Misongadina

Tolon’ny Sendika Miainga eny Ambohijatovo ny Diabe anio

05/07/2018

Tsy nisy tanteraka na dia iray monja aza ny fiitakian’ireo sendika isan-karazany ka izao no nahatonga ny Randrambaon’ny Sendika (SSM) nanamafy omaly fa tanterahana anio alakamisy ny diaben’ny tolona sendikaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Resa-pifidianana Manomboka ny gidragidra

05/07/2018

Tsy mankasitraka amin’ny hirosoana amin’ny fifidianana ny Hetsiky ny Fanorenana Ifotony na ny HFI, izay nohamafisin’i Pety Rakotoniaina iray amin’ireo mpikambana tamin’ny fandaharana Vahaolana ao amin’ny onjam-peon’ny Top Radio 102.8 FM.

Hamaky ny tohiny...

Tetibolan’ny fifidianana Nanome 1,7 tapitrisa dolara ny Vondrona Eoropeanina

05/07/2018

Nomarihina tamin’ny fomba ofisialy omaly teny amin’ny biraon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny fandraisan’ny Vondrona Eoropeanina anjara ao anatin’ilay kitapom-bola iombonana ao amin’ny tetikasa ho fanohanana ny zotram-pifidianana eto Madagasikara na Soutien Au Cycle Electoral de Madagascar (SACEM).

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Hamitaka ny Malagasy indray

05/07/2018

Rehefa avy namitaka an’Antananarivo tamin’ny vary mora, menaka mora, coliseum, Lapan’ny tanàna, fony izy ben’ny tanàna i Andry Rajoelina, dia io indray fa hamitaka ny Malagasy manerana an’I Madagasikara amin’ny IEM. 10% raha be indrindra tamin’ny volabe 100 tapitrisa dolara sandan’ny fitrandrahana vy tany Soalala tamin’ny orinasa Wisco,

Hamaky ny tohiny...

Kandida amin’ny fifidianana Homelohin’ny antoko Teza

05/07/2018

Efa nanambara hatrany ny antoko Teza, hoy ny filohany, Jean Louis Rakotoamboa fa tsy handray anjara amina fifidianana raha tsy voamboatra ny fitsipiky ny demokrasia eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

HFI sy ny tariny Sao dia efa misy mifoka rongony, hoy i Doudou

05/07/2018

Naneho ny fahasorenany manoloana ny fihetsiky ny mpanao politika sasany ny filohan’ny vovonana politika Dinika ho Fanavotam-Pirenena (DFP), Tolojanahary Maharavo na Doudou rehefa ela tsy niteny.

Hamaky ny tohiny...

Tolona marobe 2018 Izay milefitra eo mampamangy

05/07/2018

Nirongatra ny tolona sy fitakiana sendikaly teto Madagasikara tamin’ity taona 2018 ity, indrindra taorian’ny zava-nitranga tetsy Analakely ny 21 aprily iny.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Groupe SOCOTA Notoloran’ny CNaPS mari-pankasitrahana

05/07/2018

Nanolotra mari-pankasitrahana ireo mpitantana ny orinasa SOCOTA noho ny fandraisana andraikitra ataon’izy ireo amin’ny fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa, ny tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS) omaly ka tany Antsirabe no nanatanterahana ny lanonana.

Hamaky ny tohiny...

Asa fanaovan-gazety Nodimandry i Lantomalala Rasata

05/07/2018

Taorian’ny fahalasanan’i Maurice Tsihavonana sy Charles Andriantsitohaina dia misaona indray ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Mondial 2018 Ireo mpampidi-baolina be indrindra

05/07/2018

Baolina 21 hatreto no tafiditra taorian’ny fotoana ara-dalàna 90’ amin’ny Mondial 2018 atao any Russie ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Basket AT2B 10 Taona lSlKA 'zao Hiditra amin’ny andro faha-18 sy faha-19

05/07/2018

Ny andro faha-18 sy faha-19 no hotanterahina ny sabotsy 7 sy alahady 8 jolay 2018 manomboka amin’ny 8:00 maraina-4:00 tolakandro eny amin’ny kianja At2b Andraisoro ary amin’ny 8:15 maraina-4 :00 tolakandro eny amin’ny kianjan’ny lycée technique Ampasampito ahitana ny sokajy sénior lahy sy vavy, Vétéran lahy sy vavy, U 12 zazalahy, U 18 zatovolahy.

Hamaky ny tohiny...

Baolina kitra Hifandimby ny Thb CL Malagasy sy Telma CM

05/07/2018

Ireo kianja sentetika CNaPS Sport eny Vontovorona sy any Ampasambazaha Fianarantsoa no finidin’ny FMF hanatanterahana ny dingana faharoa ny “Thb Champions League Malagasy 2018” ny 13-22 jolay 2018.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Misoko miadana

05/07/2018

Dia sanatria ho toy ny sary indray mipika na fasika entin-driaka ka hampijininika ny jinin’anjely mianjera toy ny voalazan’ireo tononkalo sy tononkira ve no hiafaran’ireo tolona isan-karazany notarihina tamin’ny resaka fanovana rehetra tamin’ity taona ity ?

Hamaky ny tohiny...

Andriantsitohaina Jean Charles Natao veloma farany amin’ny maha olomangam-pirenena azy

05/07/2018

Azo ambara fa tena fandevenana olomangam-pirenena tokoa no natao tamin’ny nofo mangatsiakan’Andriantsitohaina Jean Charles omaly alarobia 4 jolay 2018.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Krizin’ny fampianarana Tsy mbola misy vahaolana matotra

05/07/2018

Na dia nanamafy aza ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena fa tsy hihemotra ireo fanadinam-panjakana maro samihafa dia nilaza kosa ireo mpanabe nanao fitokonana tetsy Anosy, omaly fa na hivaly anio aza ny fangatahan’izy ireo dia mbola hitaky iray volana amin’ny fanjakana izy ireo hanatanterahany ny fanampin’ora “rattrapage”.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana sy ny hetra Tsy manaiky ireo fanapahan-kevitra kitoatoa

05/07/2018

Manoloana ny fizirizirian’ny fanjakana sy ny tsy fahazoana fahafaham-po amin’ny fitakiana atao nandritra izay 2 volana izay dia nanova tetikady sady hanamafy hatrany ny tolona ny sendikan’ny mpiasan’ny fadin-tseranana sy ny hetra. Hisy ny diabe anio miainga eny Ambohijatovo izay iarahana amin’ny Firaisankinan’ny Sendika eto Madagasikara (SSM).

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

PERMIS

05/07/2018

Namoaka baiko ny minisitry ny atitany ny amin’ny fanemorana ny fahazoana mampiasa ny karatra fiara izay mbola tsy biometrika sy ny taratasy fahazoan-dàlana mitondra fiara teo aloha.

Hamaky ny tohiny...

Mahajanga

05/07/2018

Efa an-dalana, raha ny vaovao voaray avy ao Mahajanga ao ny famaliana ireo fangatahan-dalana mikasika ny fitaterana an-drenivohitra ao an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

JONO TSY ARA-DALANA

05/07/2018

Tsy mandray ny andraikiny ny mpitandro filaminana manoloana ny hafitsok’ireo Sri Lankais any Itampolo any amin’ny Faritra Atsimo andrefana iny.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fahasamihafan’ny vidin’entana eny an-tsena Miankina amin’ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady

05/07/2018

Mampanontany tena ny mpanjifa maro hatramin’izay ny tsy fitovian’ny vidin’entana eny an-tsena, indrindra fa ny eny amin’ny toeram-pivarotana enta-madinika. Raha 400 Ar ny labozia iray amina toeram-pivarotana iray dia tafakatra 500 Ar ho an’ny toeram-pivarotana hafa tsy lavitra azy akory.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fampianarana eto Madagasikara Lalaovin`ny politika

05/07/2018

Marary ny tontolon`ny fampianarana. Mpampianatra iray mampianatra amina sekoly marobe. Mitombo isa hatrany ireo fianarana tsy miankina kanefa tsizarizary ny efitranon-tsekoly sy ny kalitaon’ny fampianarana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana