Fil d'actualités du 17/11/2018

  • 17/11/2018 - 15:30 : VOKA-PIFIDIANANA: Fanambaran'ny CENI ny voka-pifidianana vonjimaikan'ny fifidianana Filoham-pirenena novambra 2018 , anio asabotsy 17 novambra amin'ny 6 ora hariva. Alefa mivantana ao amin'ny Televiziona Malagasy sy ny Radio Nasionaly Malagasy.

  • 17/11/2018 - 13:30 : MBOLA RAJAONAH: Namoahana didy fampisamborana ny tenany rehefa tsy namaly ny antson'ny Bianco omaly. Ahiana ho misy ambadika politika ny raharaha.

  • 16/11/2018 - 11:30 : BAOLINA KITRA: Efa nigadona eto Madagasikara omaly ny ekipam-pirenena Soudanais hiatrika lalao miverina amin'ny Barea de Madagascar, fifanintsanana hiatrehana ny CAN 2019 any Cameroun.

  • 16/11/2018 - 11:00 : KABARY: Anio 16 Novambra 2018 no Fankalazana ny ivon'ny faha-55 taona ny FIMPIMA izay tanterahina eny amin'ny Akademia Malagasy Tsimbazaza. Nandritra ity fankalazana androany ity ihany koa no nanendrena ireo birao foibe FIMPIMA mandritra ny 4 taona ho avy.

  • 16/11/2018 - 09:00 : MPITANDRO FILAMINANA: Hisy fanambarana lehibe hatao ao amin'ny Toby Ratsimandrava anio maraina.

  • 15/11/2018 - 14:00 : CENI: Hiroso amin'ny fampitahana na "confrontation" an'ireo PV an-tsoratra, ny vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana anio manomboka amin'ny 3ora tolakandro ka miantso, ireo kandida, ny fiarahamonim-pirenena, ny mpanao gazety hanatrika izany.

  • 15/11/2018 - 11:30 : LALAO RAVALOMANANA: Tonga nijery ireo fanotofana tany tsy aradalana teny Andranomahery ny ben'ny tanana Lalao Ravalomanana androany.

  • 15/11/2018 - 11:00 : FAMPIANARANA AMBONY: Nisokatra androany maraina ary haharitra 2 andro ny fampiratiana momba ny sekoly sy fampianarana ambony tsy miankina na ny "Salon des études supérieurs" karakarain'ny Madajeune, ahitana mpandray anjara manodidina ny 70.

  • 15/11/2018 - 10:45 : CENI 15 NOVAMBRA 2018 10H23 BV 20061 / 24852 (80.72%) MPIFIDY VOASORATRA ANARANA: 8005632 / 9913599 VATO MANAN-KERY: 4003476 TAHAM-PANDRAISANA ANJARA: 54.03% - RAJOELINA Andry Nirina : 1588543 soit 39.68% - RAVALOMANANA Marc: 1424466 soit 35.58% - RAJAONARIMAMPIANINA Hery: 324465 soit 8.10% - MAILHOL André Christian Dieu Donné: 52063 soit 1.30%

  • 15/11/2018 - 09:30 : BAOLINA KITRA: Manomboka anio amin'ny 10 ora maraina ny fivarotana ny tapakila Tribune Latérale ho an'ny lalao ihaonan'ny Barea de Madagascar amin'ny Sokoor Al Jedian du Soudan ny Alahady 18 Novambra 2018. Izany tapakila izany dia afaka jifaina eny Isoraka amin'ny vidiny 50.000 ariary.

Voir plus d'infos...

16/11/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180619

Misongadina

Solombavambahoaka TIM “Tsy hamadika ny tolona izahay”

19/06/2018

Tsy mamadika ny tolona ny depiote Tiako I Madagasikara, izay efa nifanao velirano tamin'ny vahoaka sy ireo sendika. Mijoro hatrany hatramin'ny farany, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Praiminisitra Christian Ntsay Nifampiresaka tamin’ny Amerikana sy ny Sinoa ary ny OIF

19/06/2018

Nifandimby noraisin’ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian teny Mahazoarivo ny mpiandraiki-draharaha Amerikana miasa sy monina eto Madagasikara, Stuart Wilson, ny Solontenan’ny Biraom-paritry ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia (OIF) Malik Sarr, ary ny Ambasadaoron’i Sina, Ramatoa Yang Xiaorong.

Hamaky ny tohiny...

Olon`ny HVM Ho raikitra ny ampamoaka …

19/06/2018

Miseho amin`izay ny tsy fahamatoran`ny antoko HVM eo amin`ny tontolo politika. Araka ny nambara hatrizay dia tsy mahagaga intsony ny tsy fahamatoran`ny antoko HVM satria tsy manam-pototra sady antoko ialokalofan`ireo mpanao afera, ireo mpanao politika mpamadika palitao ary ireo mersenera.

Hamaky ny tohiny...

Zanaka ampielezan’i Madagasikara Mangataka an’i Dama hirotsaka ho filoham-pirenena

19/06/2018

Nanambara ry zareo avy eo anivon’ny Zanaka ampielezan’i Madagasikara fa olom-pirenena malagasy, miraharaha ny tanindrazana na tsy manana zo hifidy aza ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Samy mandeha..samy mitady

19/06/2018

Ny vahoaka moa variana amin'ny tolona. Ny vidin-tsolika anefa toa miakatra eny ihany Ireo mpanao politika sondriana mangorona Ny krizy lalovana toa mihamafy hatrany.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fiaramanidina kely nidaraboka 5 maty tsy tra-drano

19/06/2018

Fiaramanidina kely marika PA31 Navajo mitondra ny laharana 5R-MKF, an'ny kaompaniam-pitaterana tsy miankina Madagascar Trans Air (MTA) no niharam-boina omaly maraina manodidina ny tamin’ny 9 ora sy sasany teny Ampangabe Ambohitrimanjaka, teo amin’ny toerana antsoina hoe “Delta V”.

Hamaky ny tohiny...

SECES Antananarivo Handefa taratasy any amin’ny HCC

19/06/2018

Tapaka nandritra ny fivoriambe manokan-dry zareo avy eo anivon’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo na ny Seces Tana teny Ankatso omaly fa hitory eny amin'ny filankevi-panjakana izy ireo noho ny tsy fahatanterahan'ireo fangatahana notakiany nandritra ny taona maro.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Antanetibe Mahazaza Nampivoatra ny fiainan’ny mponina ireo fotodrafitrasa vita

19/06/2018

Anisan’ny kaominina iray tena nisedra olana teo aloha teo ny kaominina Antanetibe Mahazaza. Ratsy dia ratsy ny lalana mihazo ny kaominina, antony mahavitsy ireo taksibe miasa any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Taribin’ny Jirama nisy nangalatra Amidy mora 3000 ariary ny kilao

19/06/2018

Niaina haizina nandritra ny adiny iray ny vahoaka tao Toamasina ny alahady alina. Tapaka noho izany ny ambiansy ho an’ireo mpitia baolina kitra nanaraka ny lalao nihaonan’i Brésil sy Suisse, noho ny halatra tariby mampitambatra an’i Volobe Toamasina II sy Betainaomby Toamasina I amin’ny herinaratra.

Hamaky ny tohiny...

Antsirabe Renivohitra Niaina tao anaty haizina tanteraka

19/06/2018

Toerana tsy mba iharan’ny Delestazy ny ao Antsirabe ao. Niaina tanteraka tao anaty haizina anefa ny iray tanàna nanomboka ny alahady 17 jona tamin’ny 11 ora ka hatramin’ny omaly alatsinainy 18 jona tolakandro.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tournoi Foot Futsal Inter-Direction CUA Raikitra amin’ny alakamisy ny manasa-dalana

19/06/2018

Mihetsiketsika fatratra ny tompon’andraikitry ny kolontsaina sy fanatanjahantena eo anivon’ny CUA na Kaominina Antananarivo-Renivohitra(Dcvc) tarihan’ny Taleny, Andrimisa Ramihone Patrick Angelo.

Hamaky ny tohiny...

Mondial 2018 Nahazo penalty tamin’ny VAR koa i Suède

19/06/2018

Taorian’i Frantsa dia ekipa faha-2 nahazo penalty tamin’ny VAR na « arbitrage vidéo »

Hamaky ny tohiny...

Thb Champion’s League Malagasy Hanomboka amin’ny 22 jona ny fifanintsanana

19/06/2018

Raha mbola eo amin’ny lalao 1/32-ndalana ankehitriny ny fifaninanana « Telma Coupe de Madagascar 2018 » dia efa nivoaka kosa anketriny ireo ekipa hifanintsana isam-bondrona misy 4 eo amin’ny fiadiana ny

Hamaky ny tohiny...

Edito

Valalabemandry

19/06/2018

« Valalabemandry ialahy ! Rahoviana ihany vao Valalabemifoha ? », hoy ny hiran’i Zokibe Sareraka, Fanontaniana mbola mitombina tsara io ary miantefa amintsika rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fitokonan’ny Lisea Teknika Antsirabe Tsy manaiky lembenana ny mpampianatra

19/06/2018

Na dia efa nahazo minisitra vaovao aza ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa dia mbola nanamafy ny fitokonany indray omaly ny mpiasa.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

AAA-Tiko Andranomanelatra Efa niala ireo mpitandro ny filaminana

19/06/2018

Ny alarobia 13 jona lasa teo no niala tao amin’ny orinasa AAA-Tiko tao Andranomanelatra ireo mpitandro ny filaminana maro nasaina niambina sy nanao sakana tao an-toerana nandritra ny fotoana naharitra.

Hamaky ny tohiny...

Vokatra azo avy amin’ny ranomamy sy ranomasina Hitondra fampandrosoana haingana ara-toekarena

19/06/2018

Ankoatra ny fambolena sy fiompiana, ny harena an-kibon’ny tany ary ny fizahantany dia tena manankarena haren-dranomasina i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny fambolena sy fiompiana Mitaky ny hialan’ny minisitra ny sendikan’ny mpiasa

19/06/2018

Raikitra ny fitokonana faobe eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana etsy Anosy.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

“Smooth Night” etsy amin’ny Trano Bongo Hampiara-peo i Manoa, Grace Loren ary Elsie

19/06/2018

Hotanterahina ny alin’ny 22 jona ho avy izao etsy amin’ny Trano Bongo hotel Tanjombato indray ilay hetsika “Smooth Night” hohafanain’ny orkestra Ivenco.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Tale jeneralin’ny OCEAN TRADE Efa votsotra teo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny

19/06/2018

Votsotra tamin’ny alahady tokony ho tamin’ny 10 ora alina teo am-pelatanan’ireo mpaka an-keriny Atoa Mustafa Hiridjee, tale jeneralin’ny orinasa Ocean Trade.

Hamaky ny tohiny...

Asan-dahalo tany Alarobia-Bemaha Omby 20 tamin’ny 29 no tafaverina

19/06/2018

Nitrangana asan-dahalo indray tany amin’ny kaominina Alarobia-Bemaha ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 18 jona 2018, tao amin’ny toerana antsoina hoe Ampasatokana fokontany Ambohijafy, kaominina Bemaha Betafo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TRA-DOZA MATETIKA NY FIARAMANIDINA KELY

19/06/2018

Fiaramanidina kely hatrany no nianjera sy nahafaty olona tao anatin’ny tantaran’ny firenena. Tao anatin’ny roa taona izao dia efa roa no niharan’izany.

Hamaky ny tohiny...

BORIBORINTANY VOALOHANY

19/06/2018

Na dia eo aza ny fitokonana etsy amin’ny kianjan’ny 13 mey etsy Analakely dia tsy adinon-dry zareo avy eo anivon’ny boriborintany voalohany kosa ny fanomanana ny fetim-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

TSENA 7 LEVON’NY AFO

19/06/2018

Nitrangana hain-trano nahatsiravina indray tao amin’ny faritra Antsenakely-Antsirabe ny alin’ny sabotsy 16 jona 2018 lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fampitana mivantana ny « Mondial 2018 » Mila vola be an-jatony miliara ariary

19/06/2018

Mianoka ao anatin`ny fiadiana ny amboara eran-tany, taranja baolina kitra “Mondial 2018” tanterahana any Rosia izao tontolo izao ka anisan`izany koa ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana