Fil d'actualités du 15/10/2018

  • 15/10/2018 - 10:30 : BAREAN'I MADAGASIKARA - VAOVAO FARANY: Nasaina tonga tamin'ny 6ora maraina tany amin'ny seranam-piaramanidina ny mpilalao Malagasy kanefa ny fiaramanidina mbola tsy tonga akory hatramin'izao.

  • 15/10/2018 - 10:00 : MANANDRIANA AVARADRANO: Hisy ny Carnaval goavana lehibe ho Fampielezan-kevitra hampandaniana ny Kandida Laharana 25 Marc Ravalomanana anio.

  • 15/10/2018 - 09:30 : FIFIDIANANA : Hisy ny fihaonana eo amin'ny CENI sy ny kandida filoham-pirenena rahampitso 16 oktobra, hitondrana fanazavana eo anatrehan'ny zavatra momba ny fikarakarana fifidianana hitan'ny kandida sasany fa misy zavatra tsy mangarahara.

  • 15/10/2018 - 08:45 : ANTOKO PSD: Nahatsiaro manokana ny tsingerin-taona faha-60 ny 14 oktobra 1958, nitsanganan'ny Repoblika voalohany ity antoko tarihin'ny Kandida filoha Eliana Bezaza ity.

  • 15/10/2018 - 08:30 : KARA-PIFIDIANANA: Efa voazara daholo ny kara-pifidianana any amin'ny faritra rehetra ankoatra ny eto Analamanga ary afaka maka izany eny amin'y fokontany misy azy tsirairay ireo mpifidy, hoy ny CENI.

  • 15/10/2018 - 08:15 : BAREAN'I MADAGASIKARA : Niala tany Malabo Guinée Équatoriale tamin'ny 6ora maraina teo ny Barean'i Madagasikara, ary ho tonga anio.

  • 15/10/2018 - 08:00 : FIVERENANA AVY ANY AMIN'NY JMJ 9 - Mahajanga: Mba ho fiverenana ieren-doza , ny ATT, izay rantsamiangaika ao amin'ny Ministeran'ny Fitaterana sy Famatarana ny Toetrandro, dia nikarakara Fanentanana ireo mpamily hitondra ireo mpizaika hiverina hody sy ireo tompon'andraikitra isaky ny diosezy.

  • 15/10/2018 - 07:45 : MARC RAVALOMANANA: "Faly aho, tena faly. Nandresy ny ekipa matanjaka BAREA-n'i Madagasikara, izay reharehan'ny vahoaka malagasy! Modely ho an'ny firenena ianareo, ary tsy mitsahatra ny manohana anareo izahay mianakavy miaraka amin'ny vahoaka. Koa mantajaha hatrany sy mahereza amin'ny lalao manaraka izay mbola hodiavinareo any Vontovorona".

  • 14/10/2018 - 18:00 : BAREAN'I MADAGASIKARA - VAOVAO FARANY: Tamin'ny 03 ora tolakandro teo dia niverina any amin’ny hotely ny ekipa roa tonta dia ny Barea sy ny Équato-guinéen satria misy olana ny "autorisation de survol de territoire" ilay "vol spécial" natao hitondra azy ireo. Ny ekipa roa tonta dia mbola miandry any avokoa noho izany.

  • 14/10/2018 - 12:00 : ANTANINARENINA: Nosamborin'ny mpitandro filaminana teny amin'ny Le Pavé Antaninarenina i Rainidina Liam-pivoarana rehefa nikasa ny hametraka ny FITONDRANA GASY izy sy ny ekipany androany.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180612

Misongadina

TIM, MAPAR, VPM MMM Nahatafiditra minisitra 12

12/06/2018

Novakiana tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly alatsinainy 11 jona takariva ny didim-panjakana laharana 2018-540 manendry ireo mpikambana vaovao miisa 30 ao anatin’ny governemanta Ntsay Christian, ka vehivavy ny 08 ary lehilahy ny 22.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Riana Andriamandavy VII Minisitry ny serasera mampiahiahy

12/06/2018

Omaly hariva ihany dia efa resa-be eraky ny orinasa fanaovan-gazety ny nanendrena an’i Riana Andriamandavy VII ho minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Tolona eny amin’ny 13 mey Ho fantatra anio izay tena heviny

12/06/2018

Andrasan’ny mpanara-baovao fatratra izay ho ambaran’ny eny amin’ny kianjan’ny 13 mey anio talata momba ny firafitry ny governemanta Ntsay Christian.Fa raha ny resaka omaly aloha dia tsy mahafa-po antsika ary tsy ekentsika izao fomba nanatanterahana ny governemanta izao, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey,

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Ho sahirana raha misy mitory

12/06/2018

Olon-tsotra, mpandraharaha, mpiasan’ny minisitera, teratany malagasy, teratany vahiny, karazan’olona marobe dia samy efa nandrenesana fitarainana ho niharan-tsotasotan’ny vadin’ny filoham-pirenena, Voahangy Rajaonarimampianina avokoa.

Hamaky ny tohiny...

Potika ny firenena Ny vahoaka maditra, ny mpitondra adala

12/06/2018

Mihazakazaka ny fahapotehan’ny firenena Malagasy satria ny vahoaka maditra sy sarotra alamina na koa sarotra entina sy mora ambakaina ary ny mpitondra adala tsy misaina afa tsy ny hameno kitapo.

Hamaky ny tohiny...

Primatiora Maka toerana ny Mapar

12/06/2018

Niroso tsikelikely amin`ny rafitra sy ny fametrahana ireo olona hiara-kiasa aminy eny anivon`ny Primatiora ny praiminisitra lehiben`ny governemanta Ntsay Christian.

Hamaky ny tohiny...

Resaka fanorenana ifotony Lasa lamaody

12/06/2018

Antoko, vondrona, vovonana politika, samy manitrikitrika ny amin’ny maha laharam-pahamehana ny fanorenana ifotony daholo.

Hamaky ny tohiny...

Lalàmpanorenana Malagasy Takon’ny fifanarahana politika hatrany

12/06/2018

Efa hatramin’ny taona 1991, taorian’ny raharaha 10 aogositra no nipoiran’ity resaka fifanarahana politika ity. Nantsoina hoe “convention du 31 octobre” moa izy tamin’izany ary nosoniavina tetsy amin’ny Panorama Andrainarivo.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

FJKM Ambohibao Antehiroka Nahazo Akany vaovao

12/06/2018

Tontosa ny alahady teo ny fanokanana ny Akany vaovao “ Manoa ny Avo” eo anivon’ny fiangonana Fjkm Ambohidroa Antehiroka. Fotoam-pivavahana nentina nisaorana an’Andriamanitra no nisantarana ny hetsika.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Cosafa Cup 2018

12/06/2018

Voatazon’ny Warriors Zimbaboeanina ny amboaran’ny fifaninanana Cosafa Cup rehefa nandresy an’i Zambie 4-2 teo amin’ny lalao famaranana notontosaina tany Afrika Atsimo tamin’ny sabotsy 9 jona teo ry zareo.

Hamaky ny tohiny...

Mondial 2018 Hevitry ny mpitia fanatanjahantena Malagasy

12/06/2018

Nirilanto na i Dona Amin-dRandriantsoaniaina Nirilanto na i Dona filohan’ny ligin’ny baolina kitra any Amoron’Imania ankehitriny dia i Allemagne sy i Brésil no hanao lalao famaranana na dia tsy ao amin’ny heriny loatra aza ity farany.

Hamaky ny tohiny...

Ireo kianja handray ny Mondial 2018 Hatolotra anao eto amin’ity pejy ity indray ireo kianja manaraka hanatanterahana ny Mondial Rosia 2018.

12/06/2018

Ny kianja Olimpika Ficht any Sotchi mahazaka mpijery miisa 48.000 dia nandraisana ny lalao olimpika ririnina tany amin’ny tanànan’i Sotchi tamin’ny taona 2014 ary nandray voalohany lalao baolina kitra tamin’n y taona 2017.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fampianarana teknika Ny 2 %-n’ny afaka baka teknika no tafiditra any amin’ny pôliteky

12/06/2018

Nivoaka tamin’ny fahanginana ireo sendikan’ny mpiasa mpampianatra mpampiofana eo anivon’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Mangotraka ny “kidnapping” Lasibatra indray ny tompon’ny Ocean Trade

12/06/2018

Nalain’ny jiolahy an-keriny ny tompon’ny orinasa Ocean Trade, Hiridjee Mustafa.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FANAFIHANA TANY BEMARAHA

12/06/2018

Vao tsy voavaha akory ny olana izay nitarainan’ny fikambanan’ny mpitatitra mpizahatany ary koa ny mpamily mpitari-dalana dia efa nisy fanafihana hafa indray teny amin’ny lalana izay mizotra any amin’ny Tsingin’i Bemaraha.

Hamaky ny tohiny...

Politika

12/06/2018

Ry zareo avy eo anivon’ny antoko Tiako I Madagasikara sisa no tazana tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey raha ny omaly.

Hamaky ny tohiny...

CSM

12/06/2018

Nahemotra amin`ny 22 jona ho avy izao indray ny fivorian`ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) tokony ho notanterahina ny herinandro lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Inspektoran’ny tahirim-bolam-panjakana Miantsoroka andraikitra maro lafy

12/06/2018

Ny didim-panjakana lah 62-098 tamin’ny 28 febroary 1962 no mamaritra ny andraikitry ny inspektoran’ny tahirim-bolam-panjakana (IT). Izy no sefo mpanampy na mpitantana amin’ny sehatra fitantanana kajy (comptabilité).

Hamaky ny tohiny...

Vidin-dranon’ny JIRAMA Hiaka-bidy amin’ny 2019

12/06/2018

Hiakatra 3 ka hatramin’ny 4 Ar ny iray litatra amin’ny vidin-dranon’ny JIRAMA manomboka amin’ny taona 2019 raha mbola mijanona ho 0,5 Ar amin’izao.

Hamaky ny tohiny...

Sakafo masaka hamidy eny amoron-dalana Tsy maintsy atao anaty “Vitrine”

12/06/2018

Anisan’ny mandeha indrindra ny varotra hani-masaka amin’izao eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fifandraisana ara-barotra manosika ny toekarena Mila maka lesona amin’ireo firenena efa tafita i Madagasikara

12/06/2018

Maro ireo firenena afrikanina efa nahazo tombony tamin’ny fifampidirana ara-toekarena (Intégration Economique) natao tamin’ny firenena hafa. Mila fanazarana ela ny fanaovana izany fa tsy vita ao anatin’ny fotoana fohy.

Hamaky ny tohiny...

Fahalainan’ny mpampiasa vola Manimba ny toekaren’i Madagasikara

12/06/2018

Miroso amin’ny famahana ny olana ara-politika ireo ankolafin-kery misy eto amin’ny firenena. Na izany aza aloha dia hita taratra amin’ny seha-pihariana rehetra fa sahirana tanteraka ny vahoaka Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana