Fil d'actualités du 15/10/2018

  • 15/10/2018 - 12:00 : FIANGONANA KATOLIKA : Miantso ny tanora hahay hifidy ka hahay hihaino ny feon'ny fieritreretana ny eglizy katolika, ary tsy hanome toromarika ny mpino hanohana kandida izatsy na izaroa.

  • 15/10/2018 - 11:30 : JMJ 2021: Any Antsirabe no hatao ny JMJ MADA 10 amin'ny taona 2021 taorian'ny tany Mahajanga farany teo.

  • 15/10/2018 - 11:00 : TVM - VAOVAO MAHAFINARITRA: Hivantana amin'ny fahita-lavitra TVM ny lalao miverina hiaonan'ny Barea an'i Madagasikara sy Guinée Equatoriale rahampitso amin'ny 2ora sy sasany eny Vontovorona.

  • 15/10/2018 - 10:30 : BAREAN'I MADAGASIKARA - VAOVAO FARANY: Nasaina tonga tamin'ny 6ora maraina tany amin'ny seranam-piaramanidina ny mpilalao Malagasy kanefa ny fiaramanidina mbola tsy tonga akory hatramin'izao.

  • 15/10/2018 - 10:00 : MANANDRIANA AVARADRANO: Hisy ny Carnaval goavana lehibe ho Fampielezan-kevitra hampandaniana ny Kandida Laharana 25 Marc Ravalomanana anio.

  • 15/10/2018 - 09:30 : FIFIDIANANA : Hisy ny fihaonana eo amin'ny CENI sy ny kandida filoham-pirenena rahampitso 16 oktobra, hitondrana fanazavana eo anatrehan'ny zavatra momba ny fikarakarana fifidianana hitan'ny kandida sasany fa misy zavatra tsy mangarahara.

  • 15/10/2018 - 08:45 : ANTOKO PSD: Nahatsiaro manokana ny tsingerin-taona faha-60 ny 14 oktobra 1958, nitsanganan'ny Repoblika voalohany ity antoko tarihin'ny Kandida filoha Eliana Bezaza ity.

  • 15/10/2018 - 08:30 : KARA-PIFIDIANANA: Efa voazara daholo ny kara-pifidianana any amin'ny faritra rehetra ankoatra ny eto Analamanga ary afaka maka izany eny amin'y fokontany misy azy tsirairay ireo mpifidy, hoy ny CENI.

  • 15/10/2018 - 08:15 : BAREAN'I MADAGASIKARA : Niala tany Malabo Guinée Équatoriale tamin'ny 6ora maraina teo ny Barean'i Madagasikara, ary ho tonga anio.

  • 15/10/2018 - 08:00 : FIVERENANA AVY ANY AMIN'NY JMJ 9 - Mahajanga: Mba ho fiverenana ieren-doza , ny ATT, izay rantsamiangaika ao amin'ny Ministeran'ny Fitaterana sy Famatarana ny Toetrandro, dia nikarakara Fanentanana ireo mpamily hitondra ireo mpizaika hiverina hody sy ireo tompon'andraikitra isaky ny diosezy.

Voir plus d'infos...

13/10/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180609

Misongadina

Kolonely Lylison Vonona hifampitady amin-dRajao

09/06/2018

Niseho vahoaka voalohany ny kolonely sy lohona Lylison René de Rolland, taorian’ny didy fanafahan’ny fitsarana azy ny talata 5 jona lasa teo. Tsiahivina fa nenjehin’ny fitondrana HVM nanomboka ny 25 mey 2016 ny tenany noho ny fiantsoana tanàna maty teto Antananarivo, ary nisitraka nanomboka teo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanorenana ifotony Tsy maintsy tonganay, hoy Andriamiseza

09/06/2018

Na inon-kidona na inon-kiantra, hoy ny fanamafisan’ny mpanao politika, Alain Andriamiseza, azy tetsy amin’ny fonenany etsy Mahazo omaly, dia tsy maintsy tonganay ny fanorenana ifotony.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Laboratoara politikan’ny vazaha

09/06/2018

Sasatry ny mandamina krizy politika ny firenena Malagasy, saingy tsy tena mivaha hatrany ifotony aloha hatramin’izao matoa mbola niverimberina foana ny korontana politika.

Hamaky ny tohiny...

Kolikoly sy afera maloto Ho afa-maina tsimoramora ve ireo mpitondra HVM ?

09/06/2018

Mbola maro ireo raharaha mamatotra ny mpitondra HVM noho ny afera maloto sy ny kolikoly tsy tambo isaina. Mandeha ny fifanarahana politika sy ny fananganana governemantan’ny marimaritra iraisana. Hiara-devona amin’izany ve ny fanenjehana rehetra ka ho vitavita ho azy avokoa ny raharaha maloton’ny mpitondra ?

Hamaky ny tohiny...

Politika avo lenta Ireo dingana nanendrena ny praiminisitra

09/06/2018

Manomboka mivoaka tsikelikely ny resaka ankehitriny ny amin’ireo dingana narahana mialoha ny nipoiran’ny anaran’ny praiminisitry ny marimaritra iraisana Ntsay Christian sy ny nanendrena azy avy eo.

Hamaky ny tohiny...

Fanesorana an-dRajaonarimampianina Mbola azo atao tsara

09/06/2018

Teny amin’ny antenimiera, dia efa niresaka sy samy resy lahatra ny TIM sy ny MAPAR satria sarotra ny nankeny amin’ny kianjan’ny 13 mey.

Hamaky ny tohiny...

Governemanta vaovao Sahiran-tsaina ny mpanao politika amin`ny propagandy

09/06/2018

Fotoan-dehibe andrasan`ireo mpanao politika eto Madagasikara ny fandrafetana ny governemanta vaovao.

Hamaky ny tohiny...

Parlemantera HVM Nihaona tamin’ny praiminisitra

09/06/2018

Nihaona tamin’ny praiminisitra, lehiben’ny governemanta, Ntsay Christian ireo solombavambahoaka sy senatera mpomba ny filohan’ny Repoblika omaly manoloana ny resaka politika sy ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

JLM sy ny tolon’ny fanovana Hadihadio sy Tsarao ireo raharaha maloto

09/06/2018

Ho fampiharana ny tolona ho amin’ny fanovana dia takian’ny JLM (Jery Lavitra ho an’i Madagasikara), izay hetsika politika nitaky hatrany ny tsy hisian’ny fanilikilihana kandida ho filoham-pirenena amin’ity 2018 ity fa tsy antoko politika tsy akory, ny hisian ny fanadihadiana sy fitsarana an’ireo raharaha voatonontonona nandritry ny tolom-bahoaka eny amin’ny 13 mey ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Mahafaly Olivier Ataon’ny sasany fitaovana hakana seza ny fandotoana azy

09/06/2018

Nametra-pialana tsy hitondra ny governemanta intsony ny praiminisitra teo aloha Solonandrasana Mahafaly Olivier.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Maloka tanteraka

09/06/2018

Manakory Jean a ! Inona no vaovao ? Inona ity nanjo anao ity e ! Diso fanantenana tanteraka aho ry Jean a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Lalàna Malagasy Tsy mety miteha-tany

09/06/2018

Mahery izay mahasahy mandainga fa tsy dika mitovy amin’ny lalàm-panorenana frantsay ny lalàm-panorenana hampiharina sy havaozina matetitetika eto Madagasikara eto amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Manjakandriana Nahatrarana karazan-drongony 140 kilao

09/06/2018

Efa tena sahin’ny olona andraman-doza mihitsy ny fadin-tseranana malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa Fanalamanga Mampiahiahy ireo mpiasa ny fihetsiky ny Bianco

09/06/2018

Efa ho herinandro katroka izao no tonga ao amin’ny orinasa Fanalamanga ary manao fanadihadiana ny DG, ny DAF, ny mpividy entana 2 lahy sy vavy ary mpandraharaha mirahalahy miandraikitra ny « Transport Mangoro »

Hamaky ny tohiny...

Sport

Smatch-In Inter-Institut Lalao manasa-dalana lahy sy vavy anio sabotsy

09/06/2018

Hiatrika ny lalao manasa-dalana anio ny fifaninanana Smatch-In Inter-Institut 2018 tontosaina etsy amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina miaraka amin’ny fanentanan’ny DJ Shinchan de la RDJ’s Team sy ny “crews du Smatch-in Dance Contest” sy ny hetsika Miss Smatch-In :

Hamaky ny tohiny...

Cosafa Cup 2018 Faha-4 ny Barea Madagasikara

09/06/2018

Laharana faha-4 ny Barea Malagasy tamin’ny fifaninanana Cosafa Cup 2018 tanterahina any Afrika Atsimo ka hifarana anio sabotsy 09 jona 2018

Hamaky ny tohiny...

Fandaharan-dalao Mondial - Rosia 2018

09/06/2018

Jeudi 14 juin (17h00) Russie - Arabie Saoudite, à Moscou (Loujniki)

Hamaky ny tohiny...

Edito

Iza no namadika ?

09/06/2018

Andeha atao hoe akaiky ny fiafaran’ny fidinana eny an-kianja fa ny tolona dia mbola hitohy saingy amin’ny endriny hafa fotsiny. Lokaloka izany !

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fitokonan`ny mpampianatra Tsy miato raha tsy mivaly ny fangatahana

09/06/2018

Mitohy hatrany fitokonana ataon`ny mpampianatra amin`ny DREN manerana ny Nosy. Nilaza izy ireo fa tsy hitsahatra izany raha tsy mivaly ny fangatahana.

Hamaky ny tohiny...

Sekoly ambony GSI Namoaka teknisianina 150 mianadahy

09/06/2018

Namoaka mpianatra 150 mianadahy indray ny sekoly ambony GSI. Emergence na Fisandratana no anarana nisaloran’izy ireo, notolorana ny mari-pahaizana Diplômes de technicien superieur sy ny Licence

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

ERIC FOU HEHY Efa nivoaka ny hopitaly saingy mbola manaraka fitsaboana

09/06/2018

Taorian’ny nitazonana an’i Eric fou hehy tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha noho ny aretin’ny voa mahazo azy dia efa mihatsara tanteraka ny fahasalamany ankehitriny. Efa nody any an-tokantranony izy fa mbola manaraka fitsaboana hatrany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FATY HITA TENY IMERINKASININA

09/06/2018

Zazalahy 16 taona no hita faty tetsy amin’ny lalana mizotra any Imerinkasinina raha avy aty Ambohimangakely.

Hamaky ny tohiny...

FETIN’NY RAY SY NY MONDIAL 2018

09/06/2018

Hanamarika ity volana jona ity ny fetin'ny ray sy ny fetim-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Fampidirana herinaratra any an-tokantrano Efa manao ezaka ny JIRAMA

09/06/2018

Mbola betsaka ireo tokantrano Malagasy mangataka herinaratra amin’ny JIRAMA amin’izao saingy tsy nahazo noho ny tsy fisian’ny kaontera sy ireo karazana tariby mitondra herinaratra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana