Fil d'actualités du 18/06/2018

  • 18/06/2018 - 23:00 : MONDIAL 2018 - VOKA-DALAO ANDROANY: Suède 1-0 Corée du Sud; Bélgique 3-0 Panama; Angleterre 2-1 Tunisie.

  • 18/06/2018 - 17:00 : LOZA AN'HABKABAKA: Raha ny vaovao farany, dia olona miisa 5 ireo tao anatin'ilay fiaramanidina kely PA31 Navajo tra-doza androany maraina teny Ampangabe Ambohitrimanjaka, ary namoy ny ainy avokoa.

  • 18/06/2018 - 16:30 : FARITRA ALAOTRA: Hotontosaina ny 25-29 jolay izao ao amin'ny Kianja Rasolonjatovo Ambatondrazaka ny foara Rejionaly "Tangorona II" any amin'ny Faritra Alaotra.

  • 18/06/2018 - 16:00 : AMPANGABE AMBOHITRIMANJAKA: Somary nisindina ambany avy eo niodikondina toy ny nandrimo ilay fiaramanidina, ka ny lohany no nandeha ambany, dia nipoaka, hoy ireo mponina teny an-toerana.

  • 18/06/2018 - 15:30 : LOZA AN'HBAKABAKA: Fiaramanidina kely iray no nianjera teny an-tanimbary tokony ho tokony ho tamin'ny 9 ora sy sasany teo teny Ampangabe Ambohitrimanjaka, olona 3 tao anatiny no namoy ny ainy, izay vazaha ny roa ary Malagasy ny iray.

  • 18/06/2018 - 14:30 : DIPLOMASIA: Nihaona tamin’ny Praiministra Ntsay Christian androany ny Mpiandraiki-draharahan’ny Masoivoho Amerikana Stuart Wilson, notronin’ny Lehiben’ny Sampan-draharaha Politika sy Toekarena eo anivon’ny masoivoho Rtoa Kelly Hapka.

  • 18/06/2018 - 14:00 : MINISITERAN'NY FIZAHANTANY: Tontosaina anio tolakandro ny fiofamindram-pahefana eo amin'ny Minisitra teo aloha Roland Ratsiraka sy ny mpandimby azy Jean Brunelle Razafitsiandraofa.

  • 18/06/2018 - 13:45 : MINISITERAN'NY FAMBOLENBA: Niditra an-tsehatra ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha noho ny fifampiandaniana amin'ny fankasitrahana sy fandavana ny minisitra HVM naverina amin'ny toerany.

  • 18/06/2018 - 13:15 : FARITRA MENABE: arahina mpitandro filaminana mitam-basy ireo fiara mitondra mpizahantany any amin'ny faritra Menabe indrindra fa ireo mandalo ao Belo Tsiribihana sy hitsidika ny tsingin'i Bemaraha.

  • 18/06/2018 - 12:45 : FIZAHANTANY: Tapakila elekronika fotsiny no entin'ireo mpizahantany raha hitsidika ireo valan-javaboahary sy toerana malaza amin'ny fizahantany sasany eto Madagasikara izy ireo mba hisorohana ny fitondrana volabe araka ny fanapahan-kevitra noraisin'ny Madagascar National Park na ny MNP.

Voir plus d'infos...

18/06/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180530

Misongadina

Tolona ho an’ny Fanovana Aongana ireo mpamadika

30/05/2018

Tafapetraka soa aman-tsara teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny fitoriana nataon’ny depioten’ny fanovana an’ireo depiote namadika palitao nivadika ho HVM nanomboka tamin’ny famoronana maro an’isa sadasada hahafaha-manendry praiminisitra ny taona 2014.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Depiote Jaona Elite Mila ady amin`ny vahoaka

30/05/2018

Nampiteny ny anarany indray ny solombavambahoaka voafidy teny Atsimondrano Atoa Randriarimalala Harijaona na Jaona Elite izay parlemantera HVM.

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika mafy loha Hogiazana ny volabeny any ivelany ?

30/05/2018

Miasa mangina ny sehatra iraisam-pirenena eo anatrehan’ny fidirana an-tsehatra amin’ny toe-draharaha politika mikorontana eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Vovonana GRRM Miantso fifanarahana politika

30/05/2018

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Maestro Betongolo koa ry zareo avy eo anivon’ny « Grand rassemblement pour la réfondation de Madagascar » omaly talata 29 mey izay ahitana fikambanana politika,

Hamaky ny tohiny...

Dosie maloto sy kolikoly Mpitondra maro toran-kovitra

30/05/2018

Mihorohoro fatratra ny mpitondra HVM amin’izao fotoana satria handao ny seza ary ho vaky bantsilana avokoa ny afera rehetra natao hatrizay, indrindra ho an’ireo minisitera sy sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny.

Hamaky ny tohiny...

Mpanao politika nifamory tetsy amin’ny Le Pavé Mizarazara ny hevitra

30/05/2018

Na iombonan’izy rehetra aza fa tokony hiala ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina dia hita ho mizarazara ihany ny hevitr’ireo mpanao politika mpivory tato ho ato etsy amin’ny Pave Antaninarenina.

Hamaky ny tohiny...

Ministeran’ny Raharaham-bahiny Nakatona nanomboka omaly

30/05/2018

Tsy voafetra ny fitokonan’ireo mpiara-miasa miisa 281 ao amin’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny izay nanomboka omaly talaa 29 mey, tetsy Anosy.

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra amin’ny fifidianana Ilaina ny fiaraha-mientana mba hisian’ny fitoniana

30/05/2018

Omaly talata 29 mey no natao tetsy amin’ny Ivontoeran’ny Kolontsaina Malagasy Antsahavola ny adihevitry ny mpiantsehatra amin’ny fifidianana nokarakarain’ny ekipan’ny tetikasa “Rindra hisiam-pifidianana lavitry ny hetraketraka” (PEV Madagascar).

Hamaky ny tohiny...

Fanapahan-kevitry ny HCC Tsy ahafahana miroso amin’ny fifidianana milamina

30/05/2018

Tsy mbola mazava tsara ireo lalàna lany manoloana ilay fanapahan-kevitry ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) nanala ny andinin-dalàna araka ny tatitry ny mpahay lalàna Andriamatoa Herilaza Imbiky.

Hamaky ny tohiny...

Antoko Zanak’i Madagasikara Tsy tokony hitsabaka amin’ny kitapom-bolam-panjakana intsony ny filoha

30/05/2018

Omaly talata 29 mey no nanao fanambarana tetsy amin’ny Hotely Telozoro Andrefanambohijanahary ny antoko Zanak’i Madagasikara (ZAMA).

Hamaky ny tohiny...

Randrianarivo Geremioh “Teknisianina avokoa no tokony ho minisitra”

30/05/2018

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny Randrianarivo Geremitoh, mpandinika raharaha politika eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

Mpitarika TIM Atsimo Andrefana Fanapahan-kevitra politika ny didy navoakan’ny HCC

30/05/2018

Tsy mitsahatra mitombo an’isa ireo mpitarika ny antoko TIM avy any Atsimo Andrefana manatevin-daharana ny tolon’ny fanovana etsy amin’ny 13 mey.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mba mianara ihany ho aho !

30/05/2018

O ry Jean aa ! Moramora ihany fa aza dia sendaotra ee ! Inona ary ity ataonao ity ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana Mikatso tanteraka ny asa

30/05/2018

Tsy mbola misy miasa ireo mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy etsy 67 ha hatramin’izao, mikatso tanteraka ny asa.

Hamaky ny tohiny...

Horohorontany 272 tao anatin’ny 5 volana Mbola tsy fantatra mazava ny antony

30/05/2018

Nihanahazo vahana ny horohorontany hatramin’ny fiandohan’ny taona, tranga tsy dia mahazatra loatra. Nahatratra 272 ny isany tato anatin’ny 5 volana, izany hoe janoary hatramin’ny volana mey.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Gender Links Mampiroborobo ny miralenta eny ambanivohitra

30/05/2018

Mbola vao 21 % monja ireo vehivavy tompon’andraikitra eto amin’ny firenena ankehitriny raha 50 % no tanjona napetrak’ireo mpiara-miombon’antoka any ivelany hahafahana mampiroborobo ny miralenta eto amintsika.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Teatra sy ny iray volan’ny teny Malagasy Hiantsehatra etsy Andavamamba ny Sakaizan’ny Teatra LJJR

30/05/2018

Amin'ity volana jona ity izay ao anatin'ny iray volana ho fanandratana ny teny Malagasy dia hiaka-tsehatra ao amin’ny Hall AFT Andavamamba ny alahady 03 jona tolakandro ny Sakaizan'ny Teatra ao amin'ny Lycée Jean Joseph Rabearivelo

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

HOUCINE ARFA

30/05/2018

Nogadraina roa taona an-tranomaizina miampy didy fisamborana avy hatrany i Arfa Houcine sy ny mpanampy an-tranony omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fanisana mponina

30/05/2018

Efa eo amin`ny dingana faharoa amin`ny fanisana ny mponina ireo mpanisa izay mitety tokantrano.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana