Voir plus d'infos...
Archive du 20180528
28/05/2018
Tsy maintsy ravana ao anatin’ny 7 andro nanomboka ny zoma takariva teo ny governemanta, araka ny didin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC.
28/05/2018
Fotoana sisa isaina dia azo antoka fa handao tanteraka ny sezany ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier, izay efa hatry ny ela no naha be resaka ny tokony nanalana azy, saingy voahazona teo ihany.
28/05/2018
Tonga nanatrika sy nanatevin-daharana ny hetsika teny Atsonjombe ny sabotsy lasa teo ireo ben’ny tanàna voafidy manerana an’i Madagasikara. Tonga naneho firaisankina sy fanohanana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ireo parlemantera sy ben`ny tanàna manohana ny fitondrana teny amin`ny Lapan`Iavoloha, taorian`ny fihaonambe.
28/05/2018
Manomboka anio alatsinainy dia hitohy hatrany ny tolona eny amin’ny 13 mey sy any amin’ny Faritany miisa 5 eto Madagasikara, hoy ny toromarika teny an-kianja tamin’ny alalan’ny depiote Tody Arnaud ny sabotsy teo.
28/05/2018
Araka ny efa nambara hatrizay dia niseho indray ny efa nampoizina tamin’ny hetsika fampisehoan-kery nataon’ny parlemantera manohana ny fitondrana teny amin’ny Coliseum Antsonjombe ny sabotsy lasa teo.
28/05/2018
Nanjary nalalaka tsy voafehin’ny andininy faha 60 – 082 ao amin’ny lalàmpanorenana milaza ny amin’ny tokony hakana alalana mialoha ny hihetsiketsehana intsony ny fidinana an-dalambe eto Madagasikara taorian’ny 21 aprily teo.
28/05/2018
Nilaza ny HCC fa tsy nanaraka ny lalàmpanorenana ny filoham-pirenena, ary tsy vitany ny nametraka ny HCJ (Haute Cour de Justice) na ny Fitsarana ambony.
28/05/2018
Miezaka hatrany manakaiky ny vahoaka ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS.
28/05/2018
Miezaka hatrany manakaiky ny vahoaka ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy na ny CNaPS.
28/05/2018
« Tsy manadino anareo izahay na misy io tamboho be manasaraka antsika io aza », hoy ny filohan’ny fikambanana MMA na Malagasy Mandray Andraikitra ao Toamasina izay saika isan-taona dia misy hatrany ny fiaraha-mifety sy fanoloran’izy ireo fanomezana ireto reny sy vehivavy mifonja eo anivon’ny fonjaben’i Toamasina Ambalatavoahangy.
28/05/2018
Omaly alahady 27 mey 2018 tao amin’ny kianja Old Peter Mokaba Stadium any Afrika Atsimo no niatrehan’ny Barean’i Madagasikara ny lalao voalohany nandraisany anjara amin’ilay hetsika Cosafa Cup 2018.
28/05/2018
Nifarana omaly alahady 27 mey raha nanomboka ny zoma lasa teo ny fifaninanana mamily fiarakodia “Rallye Motul” andiany voalohany,Nirefy 251,52 km ary nahitana dingana manokana miisa 11 mirefy 112,90 km izy ity , nolalovan’ireo mpifaninana 35 teo am-piaingana ny teny Ambohimanambola,
28/05/2018
Voahosotra fanintelony ho tompondakan’ny Champions League UEFA ny ekipan’ny Real Madrid tarihan’ilay mpanazatra Frantsay Zinédine Zidane. Resiny tamin’ny isa mazava 3-1 ny sabotsy alina teo ny Liverpool tany amin’ny kianja olimpikan’i Kiev any Ukraine.
28/05/2018
Voahosotra fanintelony ho tompondakan’ny Champions League UEFA ny ekipan’ny Real Madrid tarihan’ilay mpanazatra Frantsay Zinédine Zidane. Resiny tamin’ny isa mazava 3-1 ny sabotsy alina teo ny Liverpool tany amin’ny kianja olimpikan’i Kiev any Ukraine.
28/05/2018
Nifampidera taim-by ny mpitondra sy ny mpanohitra ny sabotsy teo amin’ny fahazakana olona, saingy niteny ho azy ny karatra. Raha nambara fa ben’ny tanàna an’arivony sy vahoaka an’aliny no ho avy teny amin’ny Coliseum, dia tsy arakaraka izay ny zava-niseho satria toa fahafaham-baraka tanteraka ho an’ny HVM satria na teo aza ny fizaram-bola, dia tsy nahomby firy intsony ny paikady.
28/05/2018
Nifarana ny sabotsy teo rehefa naharitra herinandro ilay hetsika herinandron’ny literatiora ho an’ny ankizy nokarakarain’ny Alliance Française Antananarivo ( AFT) sy ny Institut Français de Madagascar.
28/05/2018
Azo ambara fa nitondra fanomezana niavaka ho an’ireo reny tonga nanatrika teny amin’ny CCESCA Antanimena, ankoatra ny fanomezana manokana efa natolotra azy ireo noho ny fetin’ny reny, ny kalokalo tao anatin’ilay hetsika “Ny hiranay Fahiny” natolotry ny Best Pro sy See You omaly alahady 27 mey 2018.
28/05/2018
Polisy iray mpiambina akaiky eo anivon'ny lapan'i Mahazoarivo no hita maty voatifitry ny bala. Hatreto dia namono tena no eritreretin'ny maro ho antony. Misy fanadihadiana nosokafana
28/05/2018
Maika amin`ny fandaniana ny lalàna ny ZES na Faritra ara-toekarena manokana ny depiote Mahazoasy Freddie satria zava-dehibe ho an`ny fiainam-pirenena amin`ny fampandrosoana fa tsy hoe « Fivarotan-tanindrazana » ary azo taterina eto izany araka ny fanazavany.
28/05/2018
Maro amin’ireo toerana fakana taksibe eto Antananarivo no tsy misy filaharan’ireo mpanjifa ary dia lasa fanararaotan’ireo mpangarom-paosy.
28/05/2018
Anisan’ny faritra iray tena maloto eto an-drenivohitra ireo toerana lalovan’ny lakandranon’Andriantany.
28/05/2018
Ny ankamaroan’ireo renim-pianakaviana tonga miteraka etsy amin’ny hopitalim-panjakana Befelatanana dia saika sahirana ara-pivelomana avokoa.
28/05/2018
Niteraka fahavoazana ara-toekarena ho an’i Cuba ny ankivy nataon’ny Amerikana tamin’ny 1962. 50 taona no namaizana an’i Cuba ary tany am-boalohany dia tena tsy nisy ny fandrosoana ara-toekarena.