Fil d'actualités du 26/05/2018

  • 26/05/2018 - 10:00 : FAMORIAM-BAHOAKA ENY ANTSONJOMBE: Noterena hitondra olona 50 avy ireo ben'ny tanana maro hiatrika ny famoriam-bahoakan'ny anio?

  • 26/05/2018 - 09:00 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nanome toromarika amin'ny hanamafisana ny fitandroana ny filaminana ny tenany eo anatrehan'ny hetsiky by mpanohitra izay miha mahery vaika.

  • 26/05/2018 - 08:30 : TOLON'NY 13 MEY: Mitohy anio ary hihamafy by tolona eny an-kianja anio. Andrasana izay hambaran'ny Depioten'ny fanovana eo anatrehan'ny didin'ny HCC omaly.

  • 26/05/2018 - 08:00 : FILANKEVITRY NY MINISITRA: Efa nampahafantarina ny didin'ny HCC momba ny fanesorana ny filoha izay tsy tanteraka fa mila mandrava governemanta ny minisitra rehetra omaly takariva.

  • 25/05/2018 - 15:00 : RANON'ANOSY: Nisy zana-boay iray nivezivezy tao anaty rano teny an-toerana ny atoandro teo, izay nampitangorona olona maro be.

  • 25/05/2018 - 14:20 : ANOSY: Rakotra mpitandro filaminana eo Anosy anoloan'ny Carlton misakana ny depiote sy ny vahoaka tsy hiditra ao amin'ny RNM sy TVM sy RNM.

  • 25/05/2018 - 12:00 : ELIANA BEZAZA: Tsy tokony hiditra amin'ny tetezamita lava be na tetezamihitatra isika amin'ny famahana ny krizy misy amiin'izao fotoana izao.

  • 25/05/2018 - 11:30 : KAOMININA ANTANANARIVO: Miombon-kevitra sy manohana ny tolona ny CUA ka izay no mahatonga ny sora-baventy hoe "En grève" hita eny boriborintany.

  • 25/05/2018 - 11:00 : DEPIOTEN'NY FANOVANA: Mihevitra ny hanao diabe hihazo an'Anosy eny haino aman-jerim-panjakana RNM sy TVM anio.

  • 25/05/2018 - 10:30 : TOLOTRA FETIN'NY RENY: Mitohy hatrany eny amin'ny Ivon-toerana ara-kolontsaina IKM Antsahavola ny hetsika "Neny tiko fifaliako" izay nanomboka omaly ary hifarana rahampitso. Misy ny famelabelaran-kevitra sy ny varotra fampiratiana samihafa.

Voir plus d'infos...

25/05/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180515

Misongadina

Afa-baraka indray ny fitondrana HVM Nivadika ho korontana ny fizaram-bary

15/05/2018

Rehefa tsy mety izay ny atao dia tsy mety. Nivadika ho korontana sy sakoroka miendrika fandrobana ny fizarana ireo vary sy menaka avy amin’ny filoham-pirenena mivady teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina omaly tamin’ilay lanonana fanokafana ny herinandron’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fampihavanam-pirenena Tsy olana ny fidiran’ny vahiny, hoy ny CRN

15/05/2018

Isika tsy nanaja ny sonia natao sy ny teny nomena no olana tsy mahatontosa ny fampihavanana sy ny fivoahana amin’ny krizy hatramin’izao, hoy ny filohan’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na CRN, Tabera Randriamanantsoa.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Soluma « Tokony hametra-pialana ireo depiote 151 »

15/05/2018

Mitohy hatrany ny fanehoan-kevitr’ireo mpanao politika, fikambanana, vondrona sy izay mahatsiaro tafiditra ao anatin’ny raharaham-pirenena ankehitriny rehetra manoloana ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Mpiara-dia amin’ny HVM Mbola misy avo vava ihany

15/05/2018

Efa tena tapaka tanteraka amin’ny zava-misy sa manao tsipaky ny miala aina ? Ireo no fanontaniana roa lehibe manitikitika ny mpanara-baovao ankehitriny manoloana ny fihetsik’ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana misy ankehitriny sy ny antokony ka mahalasa saina.

Hamaky ny tohiny...

Fialan-dRajao sy ny governemanta Manome fe-potoana 48 ora ny depiote

15/05/2018

Ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) no tena hamaritra ny ho tohin’ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ary miantefa any amin’izy ireo ny hafatra amin’ny hamoahana faran’izay haingana ny didy momba ny fangatahana ny fialan’ny filoha.

Hamaky ny tohiny...

Fialan-dRajaonarimampianina Tsy hihoatra ny 26 jona…

15/05/2018

Isika efa dodona amin’ny fialan’ny mpitondra ka hofenointsika manontolo ity kianja ity manomboka amin’ny alatsinainy ho hitan’ny iraisam-pirenena, hoy ny Solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Malagasy Maro no tsy rototra amin’ny fiainam-pirenena

15/05/2018

Tsy dia tokony hatao hahagaga loatra aty amin’ny tany an-dalam-pandrosoana sy nandalo krizy maro toy ny aty amintsika ny mahita olom-pirenena maro tsy mandraharaha ny raharaham-pireneny intsony, raha ny fanazavan’ny mpitandrina iray mandinika ny fizoran’izao tontolo izao any amin’ilay rafitra antsoina hoe « Nouvel ordre mondial ».

Hamaky ny tohiny...

OHT Mila fitoniana mialoha, mandritra ary aorian`ny fifidianana

15/05/2018

Taorian`ny fangatahan`ny CENI Madagascar tamin`ireo antoko politika nanotrona ny fihaonana tetsy amin’ny Hotel Le Pavè ny zoma lasa teo ny hamoahana ny lalàm-pifidianana hatramin`ny 31 mey ho avy izao raha tiana ny hisian`ny fifidianana amin`ity taona ity dia nihaona omaly teo amin’ny Le Pavé Antaninarenina ireo antoko poIitika miisa 92.

Hamaky ny tohiny...

IEP Ampandrana Hitondra tantsoroka ho an’ireo mpanao politika

15/05/2018

Hanao tantsoroka ho an’ireo antoko politika sy kandida hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena eto amintsika ny ivontoerana fianarana sy fandalinana politika IEP etsy Ampandrana.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanatsarana ny fanabeazana sy ny fahasalamana 6 tapirisa dolara no nomen’ny Koreanina tatsimo

15/05/2018

Omaly alatsinainy 14 mey no nosoniavina teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny fifanarahana momba ny politikan’ny fanabeazana ny tanora eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Fanadinana eny amin’ny ENMG Asiana « camera de surveillance » ny efitrano rehetra

15/05/2018

Ahiana hisy olana, hoy ny tale jeneran’ny sekoly manofana ho mpitsara sy mpiraki-draharahan’ny Fitsarana (ENGM) etsy Tsaralalana, ny fanatontosana ny fanadinana handraisana mpianatra ao amin’izy ireo amin’ity taona ity noho ny zava-misy eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka Hanjakan’ny kolikoly, hoy ny sendika

15/05/2018

Tonga nilanja sorabaventy tetsy amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha avokoa omaly ireo mpikambana eo anivon’ny sendikan’ny mpiasan’ny fahasalamana eto amintsika. Nifanindran-dalana indrindra tamin’ny fahatongavan’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady teny an-toerana izay nitokana ilay ivontoerana nohavaozina hitiliana sy hitsaboana ny aretin’ny homamiadana mpahazo ny vehivavy, eo anivon’ity hopitaly iray ity.

Hamaky ny tohiny...

Tale jeneralin’ny Fanalamanga Toherin’ireo mpiasa ny fanesorana azy

15/05/2018

Vao maraina ny vahoaka efa niandry sy vonona ny hiaro ny fananany no hita niatrana tao amin’ny tokotany malalaky ny orinasa Fanalamanga Moramanga ny zoma 11 mey 2018 lasa teo. Araka ny fantatra dia io andro io no nanatanterahana ny fanoloana ny mpitantana eo anivon’ny orinasa Fanalamanga, hoy ny fanazavan’ireo sendika sy ny vahoaka tao Moramanga.

Hamaky ny tohiny...

Fibodoana tanim-bahoaka any Sambava Miray tendro amin’ny mpanam-bola ny mpitondra

15/05/2018

Tany an-jatony hektara no namitahan'ny fitondrana HVM ny vahoaka ao amin'ny faritra SAVA, hoy ny mponina. Araka ny fampitam-baovao, voalaza fa ahoron'ny mpanam-bola mpiray tsikombakomba amin'ny mpitondra sy ny depiote HVM any amin'ny faritra SAVA ny tany efa nohajarian'ny vahoaka an-taonany maro.

Hamaky ny tohiny...

Fitantanana ny tranoprintim-pirenena Malagasy Teti-dratsy ny fikasana hanomezana azy ny tsy miankina

15/05/2018

Tetika maizina hoentin’ny fitondrana manao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena Malagasy, hoy ireo mpiasa, ny fikasany hanome ny tsy miankina ny fitantanana ny tranoprintim-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra vehivavy “Division Elite 2018” Any Antsirabe nanomboka omaly 14 mey ny dingana voalohany

15/05/2018

Raikitra indray ny fifaninanana baolina kitra vehivavy “Division Elite 2018”. Any amin’ny kianja Velodrôme ao an-tanànan’Antsirabe Vakinankaratra no hanatanterahana ny dingana voalohany nanomboka omaly alatsinainy 14 mey ka hitohy hatramin’ny faha -26 mey 2018 ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

AT2B Andraisoro 10 taona Natomboka ofisialy tamin’ny sabotsy teo

15/05/2018

Enin-kaja enim-boninahitra ny AT2B na Andraisoro Tia Basket-Ball tamin’ny fanombohana ofisialy ny fanamarihana ny faha-10 taonan’izy ireo, ny sabotsy teo teny amin’ny kianja filalaovana baskety teny Andraisoro nasiam-panavaozana tanteraka niaraka tamin’ny Otiv

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mba mahalala menatra e !

15/05/2018

Henatra sy fahafaham-baraka indray no nozakain’ingahy filoha mihevitra ny mbola haka fom-bahoaka ao anatin’izao fotoana efa mampihombo ny fankahalana azy izao.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

ROLAND RATSIRAKA

15/05/2018

Azo ekena ny fananganana governemantan’ny marimaritra iraisana handamina sy hikarakara fifidianana, saingy aleo mijanona amin’ny toerany ihany ny filoham-pirenena, hoy i Roland Ratsiraka minisitry ny fizahantany sady filoha nasionalin’ny antoko MTS omaly.

Hamaky ny tohiny...

SOKATRA NAONDRANA AN-TSOKOSOKO

15/05/2018

Filazana nipetaka teo amin’ny toeram-pivarotana lehibe any Maorisy ny fivarotana sokatra radiata avy aty Madagasikara ho an’izay mitady. Anisan’ny sokatra tsara indrindra maneran-tany ary mitady ho lany tamingana vokatry ny fanondranana an-tsokosoko ny sokatra Radiata na tortue étoilée.

Hamaky ny tohiny...

Vaovao avy any ivelany

Mangotraka ny ady ao Gaza Palestinianina 52 maty, 2000 naratra

15/05/2018

Nifanandrify indrindra tamin’ny fitokanana ny masoivohon’i Etazonia any Jerosalema omaly izay efa niteraka resabe am-bolana maro no raikitra ny fifandonana mahery vaika teo amin’ny Palestinianina sy ny miaramila Israelianina.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Tetezan-kazo Andrianalefy Androhibe Notoherin’ny mponina ny fanalana azy

15/05/2018

Notoherin’ny mponina hatramin’ny farany ny fikasan’ny polisy kaominaly iraky ny CUA hanala ny tetezan-kazo mampitohy an’ity toerana ity amin’ireo cité eny Ivandry noho ny fitarainan’ny teratany Karana manorin-trano handalovan’ity tetezana ity fa simban’ny dobo Charmille ny fanambanin’ny tamboho vatony izay ambarany fa efa mitolila ka mila fanarenana.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana