Fil d'actualités du 15/10/2018

  • 15/10/2018 - 23:00 : FIFANINTSANAN'NY CAN 2019: Amin'izao amin'ny 11 ora alina izao vao tafavoaka tao Ivato ny delegasiona Équato-guinéen noho ny fisavana. Mbola maniry ny hijery ny kianjan'i Vontovorona izy ireo amin'izao alina izao. Mbola miandrandra fandresena, raha ny resaka nataony.

  • 15/10/2018 - 22:00 : BAREA: Tonga an-tanindrazana izao alina izao ny Barean'i Madagasikara, niray fiaramanidina tamin'ny delegasionina Équato-guinéen.

  • 15/10/2018 - 15:30 : TETR'ANDRO: Miraraka ny rotsak'orana arahina avandra amin'izao fotoana izao amin'ny faritra sasany eto Antananarivo, ka isan'ny efa rakotra izay havandra ny Ankaraobato sy eny amin'iny faritra Antananarivo Atsimondrano iny.

  • 15/10/2018 - 15:00 : BAREAN'I MADAGASIKARA: Tamin'ny 2 ora mahery minitra vitsivitsy teo vao niainga avy any Malabo ny Barean'i Madagasikara iray fiaramanidina amin'ny ekipam-pirenen'i Guinée Equatoriale.

  • 15/10/2018 - 13:30 : MARC RAVALOMANANA -AMBOVOMBE: "Faly tena faly aho mihaona aminareo eto Ambovombe. Tsapako fa mangetaheta fampandrosoana ianareo. Ny antony nahatonga ahy hirotsaka ho fidiana filoham-pirenena dia tsapako ny fijaliana mahazo ny vahoaka Malagasy. Tonga aho hamerina indray ny fandriam-pahalemana, hamerina ny rafitra fitsaboana, hamerina ny tetik'asa fampianarana, hanome rano fisotro madio".

  • 15/10/2018 - 13:00 : BASY TSY ARA-DALANA: Basy 843 no hopotehina ampahibemaso eo anoloan'ny Lapan'ny tanana Analakely rahampitso 16 oktobra.

  • 15/10/2018 - 12:30 : MARC RAVALOMANANA : Any amin'ny faritra atsimon'ny Nosy izy no manao fampielezan-kevitra amin'izao fotoana izao. Efa miomana fatratra handray azy ohatra ny vahoakan'i Tolagnaro.

  • 15/10/2018 - 12:00 : FIANGONANA KATOLIKA : Miantso ny tanora hahay hifidy ka hahay hihaino ny feon'ny fieritreretana ny eglizy katolika, ary tsy hanome toromarika ny mpino hanohana kandida izatsy na izaroa.

  • 15/10/2018 - 11:30 : JMJ 2021: Any Antsirabe no hatao ny JMJ MADA 10 amin'ny taona 2021 taorian'ny tany Mahajanga farany teo.

  • 15/10/2018 - 11:00 : TVM - VAOVAO MAHAFINARITRA: Hivantana amin'ny fahita-lavitra TVM ny lalao miverina hiaonan'ny Barea an'i Madagasikara sy Guinée Equatoriale rahampitso amin'ny 2ora sy sasany eny Vontovorona.

Voir plus d'infos...

15/10/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180508

Misongadina

Depiote ho an’ny fanovana “Tsy miresaka amin’ny mpamono olona izahay”

08/05/2018

Nihaona tamin’ny SEFIP (Sehatra Eokiminika Fandinihana ny Fiainam-Pirenena) sy ny FFKM (Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara) teny Ambohimanoro omaly maraina ny solontenan’ireo depiote ho an’ny fanovana miisa 7.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Tapi-dalan-kaleha ny fitondrana Miantso vonjy amin’ny vahiny

08/05/2018

Tsy misy fanantenana firy ho an’ny fanjakana Rajaonarimampianina intsony amin’ny mbola hitantanany ny tany sy ny fanjakana na ho ela na ho haingana. Mety hahavita ny fe-potoam-piasany ihany angamba raha maharitra 5 volana,

Hamaky ny tohiny...

Depiote nilaza fa notambazana 200 tapitrisa Ariary Nampiaka-pofona an-dRivo Rakotovao

08/05/2018

Nampiaka-pofona an-dRivo Rakotovao, filoha nasionalin’ny antoko HVM ny fanambarana niendrika ampamoaka nataon’ny depiote Razafindrafito Lova Narivelo na Popil tany Fianarantsoa nandritra ny hetsi-bahoaka notarihin’ny depioten’ny fanovana ny sabotsy 5 aprily teo.

Hamaky ny tohiny...

Mahazoasy Freddie “Naman’ny mametra-pialana ireo depiote tsy mivory”

08/05/2018

Mangingina sy tsy dia handrenesam-peo ny etsy Tsimbazaza satria takona tanteraka noho ny fisian’ny hetsika tarihin’ny depiote mpanohitra na ny depioten’ny fanovana, izay efa nilaza fa tsy hivory.

Hamaky ny tohiny...

Tolon’ny depiote miisa 73 Aza ajanona ary asio tamberina any amin’ny vahoaka, hoy ny FMI Malagasy

08/05/2018

Hatramin’ny taona 1972 no nisy hetaheta sy hetsi-bahoaka, hoy ny filohan’ny Fahefa-MIvidy izao no ilain’ny Malagasy na ny FMI Malagasy, tarihin’ny filohany, Jean Jacques Ratsietison, teny Mahatony Soavimasoandro, omaly.

Hamaky ny tohiny...

Antoko politika Otrikafo Aleo hifandamina ny samy Malagasy

08/05/2018

Mitohy hatrany ny fanambarana ataon’ny antoko politika mitsangana eto Madagasikara noho izao krizy misy eto amin’ny firenena izao. Anjaran’ny antoko politika Otrikafo indray ny naneho ny heviny omaly alatsinainy teny amin’ny foibeny eny Andravoahangy.

Hamaky ny tohiny...

Benjamina Ramarcel Ramanantsoa Efa ela no niala tao amin’ny MTS

08/05/2018

Fantatra izao fa anisan’ireo antoko handray anjara mavitrika amin’ireo fifidianana hitranga eto amin’ny firenena ny antoko MTS tarihan’ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka.

Hamaky ny tohiny...

Razafindrakoto Fidy Mamy na Besetroka Mankasitraka ny HCC izahay aty Ambatondrazaka

08/05/2018

Mankasitraka ny fanapahan-kevitra mampiseho ny fitiavan-tanindrazana navoakan’ny HCC farany teo izay mampiseho ny fanarahan-dalàna sy mampanjaka ny fahamarinana ka mampamarim-pototra ny fitakian’ireo depiote 73 ho an’ny fanovana izahay aty Ambatondrazaka, hoy ny CT teo aloha Razafindrakoto Fidy Mamy na i Besetroka.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Mivalavala

08/05/2018

Salama Jean aa ! Ahoana ihany ianareo ity ee ! ilaozy mivalavala eo ihany ary fa aza miala koa. Isan’andro efa manondrana foana mbola tsy tonga saina ihany.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fiarahamiasa CNaPS -FJKM 60 mianadahy voaofana tany Manakara

08/05/2018

Talen-tsekoly sy mpampianatra, mpitandrina, pasitera, loholona, diakona no tonga nanatrika izany fiofanana izany nandritra ny 2 andro tao Manakara .Nahatratra 60 izy ireo ary naneho ny hafaliany tanteraka ny filohan’ny synodam-paritany Atsimo Atsinanana,

Hamaky ny tohiny...

Orlando Robimanana « Misy vola azo hanatsarana ny fiainan’ny Malagasy eto »

08/05/2018

Nivoaka tamin’ny fahanginana ihany koa Atoa Orlando Robimanana manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny. Nambarany fa tsy marina ny filazana fa tsy misy ny vola entina hanatsarana ny fari-piainan’ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Rovan’Ilafy Hanamboaran’ny kaominina fotodrafitrasa ao anatiny

08/05/2018

Tsy resabe intsony fa tena hanorenan’ny kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Avaradrano, fotodrafitrasa toy ny EPP sy ny CEG tokoa, ao amin’ny faritra misy ny Rovan’Ilafy.

Hamaky ny tohiny...

Mpisehatra eo amin`ny sarimihetsika Vaky tanteraka ny ady amin`ny OMDA

08/05/2018

Tsy mbola miravona ny ady mangatsiaka nisy teo amin`ny OMDA sy ireo mpisehatra amin`ny sarimihetsika, famokarana haino aman-jery, kilalao an-tsary ary fakana sary eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Brice Christopher Rabevihavy Misy fanahy maloto te handatsa-dra eto

08/05/2018

Milaza ho nahazo fanambarana avy any amin’ny tontolo tsy hita maso ifandraisany any hatrany isaky ny 48 ora tato ho ato ny mpitarika ny fikambanana Ankata zana-drazana, Brice Christopher Rabevihavy.

Hamaky ny tohiny...

Hetsika Fampiraisana Kristianina ho an’ny Firenena Hanova ireo tsy nety teto amin’ny firenena

08/05/2018

Ny 52 %-n’ny Malagasy no fantatra manerana ny Nosy fa kristianina. Ny olana anefa hatreto dia betsaka amin’ireo fiainana hita eny anivon’ny fiarahamonina no tsy araka ny sitrapon’Andriamanitra, hoy ny Hetsika Fampiraisana Kristianina ho an’ny Firenena (HFKF), omaly.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Hazakazaka am-bisikileta sy dia an-tongotra Hotanterahina ny 12 sy 13 mey ho avy izao ny Mbike

08/05/2018

Hotanterahina ny 12 sy ny 13 mey ho avy izao indray ny andiany fahatelo amin’ilay hazakazaka am-bisikileta sy dia an-tongotra iraisam-pirenena na ny Mbike Madagascar eo anelanelan’Ambohimanambola sy Mantasoa.

Hamaky ny tohiny...

Ligin’ny baolina kitra Analamanga Hetsika 3 no indray nokarakaraina

08/05/2018

Hetsika lehibe 3 niavaka tsara no indray nokarakarain’ny ligin’ny baolina kitra Analamanga tarihan-dRakotoarimanana Tôta filohany tamin’iny faran’ny herinandro lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Ligue des champions Matsiatra Ambony Mbola mitarika an’isa ny Fc Zanakala

08/05/2018

Tontosa tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo (5 sy 6 mey 2018) tao Ampasambazaha sy ny tany Ambalavao ny andro faha-6 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’ny baolina kitra any Matsiatra Ambony na ny « Ligue des champions 2018 Matsiatra Ambony

Hamaky ny tohiny...

Edito

Lasa nandeha Rafahendrena !

08/05/2018

“Ny Hendry mody voky, ny adala misesika ihany”. “Aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka”. “Aleo mifanena amin’ny mpamosavy toy izay mifanena amin’ny mpandainga.”

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Faritra Anosy Manana ny harena mampiavaka azy

08/05/2018

Na dia lavitra sy ratsy lalana aza ny faritra Anosy dia manan-javatra maro hitondra fampandrosoana any ifotony sy fampiroboroboana ara-toekarena. Betsaka ireo vokatra azo trandrahana tsara ary azo aondrana any ivelany.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Mpianatry ny IT University Hiatrika ny “WebCup International” atsy La Réunion

08/05/2018

Namiratra indray ny sekoly ambony tsy miankina IT University tamin’ny fifaninanana goavana momba ny famoronana tranonkala na ny “WebCup Madagascar 2018”, izay natao ny 5 sy ny 6 mey teo.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Lalao hahazoana loka goavana Betsaka ireo mitsapa vintana

08/05/2018

Betsaka ireo olona maniry ny hanana fiara eto amintsika. Mila vola hatrany amin’ny 8 tapitrisa Ar anefa raha te-hanana ireny fiara madinika kely mba tsaratsara ireny.

Hamaky ny tohiny...

Rovan’Ilafy Hanamboaran’ny kaominina fotodrafitrasa ao anatiny

08/05/2018

Tsy resabe intsony fa tena hanorenan’ny kaominina Ankadikely Ilafy, distrikan’Avaradrano, fotodrafitrasa toy ny EPP sy ny CEG tokoa, ao amin’ny faritra misy ny Rovan’Ilafy.

Hamaky ny tohiny...

Lalao hahazoana loka goavana Betsaka ireo mitsapa vintana

08/05/2018

Betsaka ireo olona maniry ny hanana fiara eto amintsika. Mila vola hatrany amin’ny 8 tapitrisa Ar anefa raha te-hanana ireny fiara madinika kely mba tsaratsara ireny.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

ANTOKO TIM

08/05/2018

Ny antoko TIM , ny mpitolona rehetra tao amin 'ny Magro dia hanao diabe mankeo amin 'ny kianjan’ny 13 mey anio. Eo amin 'ny Magro Behoririka izy ireo no mifanome fotoana amin 'ny 11 ora hanohana ny hetsiky ny depiote 73 . Hiaraka amin’ny sorabaventy sy tee shirt fotsy izy ireo amin’izany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao mirija Politika

08/05/2018

Haneho ny heviny mikasika ny fahitany sy ny fepetra azony raisina manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny anio ry zareo avy eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI. Ho fantatra etsy Nanisana anio, araka izany, ny tohin’ny fanapahan-kevitra horaisin’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Vladimir Poutine Tsy maintsy atao matanjaka sy manankarena i Rosia

08/05/2018

76,7% no salan’isa azon’i Vladimir Poutine ny volana martsa teo ary omaly izy no nanao ny fianianany ka hitantana an’i Rosia indray hatramin’ny taona 2024.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana