Fil d'actualités du 12/12/2018

  • 12/12/2018 - 10:00 : POLITIKA MALOTO: Misy trakta, afisy, t-shirt hosoka haparitaka ary entina hanaratsiana ny kandida laharana faha-25 amin'izao fotoana. Efa nametraka fitarainana teny amin'ny mpitandro ny filaminana ny avy amin'ny K25.

  • 12/12/2018 - 09:30 : MBOLA RAJAONAH : Hampanantsoin'ny Bianco ny tenany saingy tsy fantatra mazava ny taratasin'ady, momba izany raha ny nambaran'ny mpisolovava azy Éric Rafidison ny herinandro lasa teo

  • 12/12/2018 - 09:00 : MARC RAVALOMANANA : Feno 69 taona katroka anio 12 desambra ny tenany. Miarahaba sy mirary soa azy handresy amin'ny ady hatrehany amin'izao fotoana izao satria miandrandra izany ny ankamatoan'ny Malagasy.

  • 10/12/2018 - 14:00 : CAN BEACH SOCCER: Hifandona amin'i Egypte ny Barean'i Madagasikara anio 10 desambra taorian'ny nandreseny 4-3 an'i Côte d'Ivoire omaly.

  • 10/12/2018 - 13:30 : MARC RAVALOMANANA: Tonga nanolotra seau, zinga, koveta ary savony ho an'ireo mpanasa lamba tao amin'ny bassin Bekiraro Andranomanalina i Lalao Ravalomanana sy ny K25.

  • 10/12/2018 - 13:00 : FAMPIELEZAN-KEVITRA: Mitarika ny fampielezan-kevitry ny kandida 25 Marc Ravalomanana teny amin’ny faritra Andavamamba, Bekiraro, Anosibe ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana amin’izao ora izao.

  • 10/12/2018 - 12:30 : BAOLINA KITRA: Tafiditra ao anatin’ireo mpilalao Afrikana mendrika indrindra tamin’iny herinandro iny ily mpilalao ny Barean'i Madagasikara Marco_Ilaimaharitra, Marco Ilaimaharitra, araka ny fandaharana navoakan’ny TV5 izay efa fanaon’izy ireo. 24 taona Ilaimaharitra ary milalao ao amin’ny Royal Charleroi Sporting Club any Frantsa.

  • 10/12/2018 - 10:00 : FANAOVAN-GAZETY: Hivoaka androany 10 desambra ny andiany faha-4 amin'ny gazety boky Trandraka miresaka fanadihadiana lalina na "investigation" nataona mpanao gazety maromaro.

  • 10/12/2018 - 09:30 : FANAONGAN-GAZETY: Hivoaka androany 10 desambra ny andiany faha-4 amin'ny gazety boky Trandraka miresaka fanadihadiana lalina na "investigation" nataona mpanao gazety maromaro.

  • 08/12/2018 - 18:30 : KIDNAPPING : Nisy naka an-keriny teny Soavina i Malick Karmaly, tompona tranombarotra mivarotra PPN, ny atoandro teo. Nanapoaka basy ireo mpaka an-keriny ary ny fiaran'ilay karana ihany no nitondrany azy nitsoaka.

Voir plus d'infos...

12/12/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180505

Misongadina

Miha mahery vaika ny tolona Faharavan’ny fitondrana no fetra

05/05/2018

Fandresena lehibe iray ho an’ny tolon’ny depioten’ny fanovana sy ny vahoaka ny nandavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny volavolan-dalàna fehizoro momba ny fifidianana noho ny teboka marobe tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Jean Max Rakotomamonjy Manaiky fandravana governemanta sy antenimiera

05/05/2018

Raha ny fandravana ny antenimieram-pirenena na ny governemanta no vahaolana amin'izao olona eto Madagasikara izao dia ekeny ny firosoana amin'izany, raha ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy taorian’ny fihaonany tamin’ny FFKM teny Tsimbazaza omaly.

Hamaky ny tohiny...

Be galona manao politika Mamotika ny mpitandro ny filaminana

05/05/2018

Voizina foana ny hoe tsy manao politika ny mpitandro ny filaminana saingy toa mandiso tanteraka izany ny zava-misy raha dinihina amin’ny miseho ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Antoko Maitso Ny fialan-dRajaonarimampianina ihany no vahaolana

05/05/2018

Nanamafy ny antoko Maitso, tarihin’ny filoha nasionaliny Georget Alexandre omaly fa ny fialan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ihany no vahaolana eto amin’ny firenena ialana amin’ny krizy.

Hamaky ny tohiny...

Voahangy Rajaonarimampianina Poizina ho an’ny fitondrana ?

05/05/2018

Tsy fantatra intsony izay misy an’i Voahangy Rajaonarimampianina, vadin’ny filoha amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny fiadidiana ny repoblika sy primatiora Hany sisa tsy mitokona

05/05/2018

Taorian’ny fanambaran’ny fianakaviamben’ny foloalindahy ny 23 aprily teo fa tsy handray baiko hitondra any amin’ny fandatsahan-dra ny mpiray tanindrazana intsony dia nitohivakana ny fiandrasan’ireo mpiasan’ny minisitera sy andrim-panjakana isan-karazany ny fakan’ireo mpitolon’ny 13 mey azy teny amin’ny fiasanany tsirairay avy.

Hamaky ny tohiny...

Mpanelanelana iraisam-pirenena Tsy te ho tompon’andraikitra intsony ?

05/05/2018

Somary mangina ny mpanelanelana iraisam-pirenena raha oharina tamin’ny krizy 2009.

Hamaky ny tohiny...

Rafanomezantsoa Jean Nirina Kandida filoham-pirenena

05/05/2018

Hilatsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina. Betsaka ireo antony manosika azy hanao izany, raha ny fanazavany omaly tetsy Anosizato.

Hamaky ny tohiny...

Mpanara-dia ny HVM Lany andro amin’ny fanaratsiana

05/05/2018

Any anaty tambajotran-tserasera sisa no ahitana ny fanehoan-kevitr’ireo mpanara-dia ny antokon’ny fitondrana na ny Hery vaovao ho an’i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Hetsika ho an’ny fanovana Hangotraka ny any Toamasina anio

05/05/2018

“Malalaka ny hetsika ataon’ny depiote eo amin’ny tany malalaky ny lapan’ny tanàna; saingy aoka samy hanaja ny lalàna velona ny rehetra amin’ny fitandroana ny filaminam-bahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

FFKM Nihaona tamin`ireo lehibena Andrimpanjakana

05/05/2018

Eo anatrehan`ny zava-misy eto amin`ny firenena dia miditra lalindalina kokoa amin`ny fitadiavam-bahaolana miorina amin`ny fampihavanana ireo filoham-piangonana eo anivon`ny FFKM.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra Amin’ny 2 jona ny fivoriambe

05/05/2018

Taorian’ny lanonana tsotra, natao teny Isoraka foibe toerany, niarahabana sy nanoloran’ny FMF fankasitrahana ny Barea U 17 niatrika ny lalao Cjsoi tany Djibouti farany teo ka nahazoany ny medaly volafotsy no nanambaran’Atoa Doda

Hamaky ny tohiny...

Rugby Malagasy Ho any Algerie ny Makis U 18

05/05/2018

Efa nivoaka tamin’ny sabotsy 28 aprily 2018 teo ny anaran’ireo mpilalao handrafitra ny Makis U 18 hiatrika ny fiadiana ny “Jeux des Jeunes” taranja rugby à XV hotontosaina any Algerie amin’ny faramparan’ny volana mey izao na amin’ny tenatenan’ny volana jolay 2018. Efa nanomboka tamin’ny alatsinainy 30 aprily teo ny fampivondronana azy ireo.

Hamaky ny tohiny...

AT2B Basikety 10 taona isika ‘zao Hanampy betsaka amin’ny Fety de Basket ny Otiv Vonjy

05/05/2018

Vonona tanteraka ny fikambanana AT2B na Andraisoro Tia Basket-Ball amin’ny fikarakarana ny Fety de Basket-Ball (basikety, lanonana, mozika, dihy) hotontosaina amin’ny sabotsy 12 mey sy sabotsy 4 aogositra sy ny alahady 5 aogositra 2018, raha ny nambaran-dRasaony Pascal mpitantana azy teny amin’ny biraon’ny Otiv Tanà agence Vonjy teny Avaradoha omaly zoma 4 mey 2018.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy misy fanafodiny

05/05/2018

Inona moa izany sisa fanantenana ho an’ity fanjakana ity ? Nolavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana iny volavolan-dalàna mifehy ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Mpandraharaha avy any la Réunion sy eto Madagasikara Hifampizara traikefa

05/05/2018

Nampahafantarina tetsy amin’ny Hotel Colbert Antaninarenina omaly ny fisian’ny fihaonambe hokarakarain’ny Groupement des Entreprises de Madagascar (GEM) sy ny Club Export Réunion hatao amin’ny volana novambra ho avy izao any La Réunion.

Hamaky ny tohiny...

Tetikasa “Week end startup” Tanora 80 mianadahy nahazo tombontsoa tany Mahajanga

05/05/2018

Tanora 80 mianadahy indray no nahazo tombontsoa tamin’ilay tetikasa Week end startup notanterahina tany Mahajanga nanomboka ny 27 ka hatramin’ny 29 aprily lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Rija Ramanantoanina « Efa lalana voasoritra ny mozika. »

05/05/2018

30 taona niakarana an-tsehatra, nitondrana mozika tsotra kanefa dia nahafahana nitety izao tontolo izao.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana