Fil d'actualités du 25/09/2018

  • 25/09/2018 - 15:00 : POLITIKA KMMR:Efa an'aliny ny olona nandrotsaka vola ho an'ny kandida Marc Ravalomanana taorian'ny fanokafana ilay kaonty Tahiry ampiasaina amin'ny propagandy.

  • 25/09/2018 - 14:55 : RAVALOMANANA:manatrika fivoriana any Bruxelles miaraka amin'ny vondrona eoropeana ny kandida laharana faha 25 Marc Ravalomanana

  • 25/09/2018 - 13:00 : PESTA: Miisa 21 ny tranga voaray ka nampiahiahy. 05 tamin’ireo no voamarina fa pesta tao aorian’ny fitiliana ary tao anatin’ny Distrika 09 no nahitana izany. 16 kosa no mbola ahiana.

  • 25/09/2018 - 12:30 : FIFIDIANANA : Tontosa androany teny amin'ny Biraon'ny CENI Nanisana ny fifanaovan-tsonia teo amin'ny CENI sy ny fanjakana Britanika amin'ny fandrotsaham-bolan'izy ireo ao amin'ny kitapom-bola SACEM.

  • 25/09/2018 - 11:00 : MARC RAVALOMANANA: Lasa any ampiran-dranomasina ny tenany ka hisy ny fihaonana amin'ny mpanohana hatao ao Parisy Frantsa ny 29 septambra izao.

  • 25/09/2018 - 10:45 : AMBOVOMBE ANDROY: Fiara tsy mataho-dalana nentina lehilahy roa no tratra no voalaza fa nangalatra zaza 4 taona eo ho eo. Misavorovoro eo anoloan'ny biraon'ny zandary ny olona mitaky ny hhampiharana ny lalàna sao haodikodina ao dia tsy misy tohiny aveo, hoy izy ireo.

  • 25/09/2018 - 10:30 : BAKALOREA: Hivoaka ny 18 oktobra ho avy izao ny valim-panadinana bakalorea 2018, ka nanomboka omaly no nanomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ho an'ny eto Antananarivo.

  • 25/09/2018 - 10:00 : FAHAFATESANA DIPLAOMATY AMERIKANINA: Efa nanokatra fanadihadiana ny mpanao famotorana Amerikana sy ny Manam-pahefana Malagasy ary efa misy olona ahiahiana notazonina am-ponja ankehitriny.

  • 25/09/2018 - 09:45 : ANGOLA: Naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fanidinkodibam-bola 500 tapitrisa dolara i José Filomeno dos Santos Zanaky ny Filoha Angolais teo aloha José Eduardo dos Santos.

  • 25/09/2018 - 09:30 : VIDIN-DRANO: Milaza ny eo ny minisitry ny angovo Lantoniaina Rasoloelison fa tsy mbola misy ny fampiakarana vidin-drano amin'izao fotoana izao, eo anatrehan'ny resabe mandeha fa hiakatra izany

Voir plus d'infos...

25/09/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180411

Misongadina

Taksibe eto Antananarivo Hiakatra 700 Ar ny saran-dalana

11/04/2018

Nanao fanambarana teny Ambodivona omaly ny Fikambanan’ny Koperativa Fitaterana an-drenivohitra sy ny manodidina (UCTU). Hiakatra 700 Ariary ny saran-dalana manomboka amin’ny alarobia 25 aprily ho avy izao, hoy Randrianatoandro Lova filohan’ny UCTU.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fitondran’ny HVM Nahitana vehivavy maro nanondrana

11/04/2018

Malaza sy hiadiana, saika maneran-tany ny fitovian-jo eo amin’ny lahy sy ny vavy. Mihazakazaka amin’izany ny eto Madagasikara. Efa hita ny fidirana an-tsehatry ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika na mbola somary vitsy ihany aza.

Hamaky ny tohiny...

Antenimieram-pirenena Tsimbazaza Depiote 20 amin’ny 151 no mivory sisa

11/04/2018

Solombavambahoakan’i Madagasikara latsaky ny 20 isa no tonga nanatrika ny fivoriana nitambarambe nandaniana ny volavolam-pandaharam-potoana ny alakamisy 5 aprily ka hatramin’ny alatsinainy 12 aprily 2018 natolotry ny diniky ny filoha omaly 10 aprily.

Hamaky ny tohiny...

Fisandratana maneso 2030!

11/04/2018

Mikorontana ny firenena! misavoritaka ny saim-bahoaka! Inona indray no hatao amin’ity fanambaran’ny mpitatitra milaza ny hampiakatra saran-dalàna ity? Inona no ho vahaolana petatoko na vono afo ataon’ny fitondrana HVM eo anatrehan’ny zava-misy?

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny fifidianana Nanara-drenirano fotsiny ny senatera

11/04/2018

Nitranga ny efa nampoizina. Lany tsy nasiam-panovana teny amin`ny Antenimierandoholona omaly ireo volavolan-dalàna fehizoro mifehy ny fifidianana. Loholona 53 no nanaiky ary iray monja no nandà. Tsy nisy ny fanovana na fanitsiana nataon’ny senatera fa nijanona amin’ilay endriny nandanian’ny Antenimierampirenena azy ihany.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Anaty krizy ara-drafitra tanteraka

11/04/2018

Mikorontana tsy mandeha amin’izay laoniny intsony ny raharaham-pirenena, fa tratry ny krizy ara-drafitra. Tsy misy azo antenaina amin’ny fahefana mpanao lalàna fa dia ny fizarana malety sy ny resaka kolikoly no malaza.

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Efa mahay noho ny Bianco ?

11/04/2018

Azo raisina ny fitorian’ny solombavambahoaka manoloana ny fitoriana noho ny resaka kolikoly goavana tamin’ny fampandaniana ny lalàna mifehy ny fifidianana, hoy ny Bianco.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fanarenam-pirenena Mihetsika ny Katolika

11/04/2018

Latsaka an-katerana tanteraka sy tafahitsoka tanteraka ao anatin’ny fahantrana ny firenentsika. Miara-miaina izany isika rehetra, ary samy manam-paniriana ny hitondra fanovana, hoy ny fanambarana lehibe nataon’ny fikambanana Katolika K3F (Komitin’ny Fahamarinana-Fandriampahalemana-Fiadanana) tao amin’ny Lapan’ny Kilonga ao amin’ny Saint Jean Vianney Ambalapaiso Fianarantsoa omaly.

Hamaky ny tohiny...

Haino aman-jery manohana fitondrana Avy aiza ny volabe nananganana azy ireo ?

11/04/2018

Mitombo isa hatrany ireo haino aman-jery niforona tamin’ ity taona 2018 ity. Ho an’ ny televiziona manokana dia mahatratra 15 izy ireo ankehitriny raha 12 tamin’ny taon-dasa. Marihana fa ny 85% amin’izy ireo dia manohana fitondrana avokoa.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Vovoka fotsy nanempotra mpianatra Mandeha ny fanadihadiana ataon’ny Institut pasteur

11/04/2018

Efa niverina amin’ny laoniny nanomboka omaly ny fampianarana eo anivon’ilay lisea iray nahitana vovo-javatra nanempotra mpianatra miisa 14 tany amin’ny distrikan’Arivonimamo ka voatery nampidirina hopitaly ireto farany.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

OPENFLEX Nanome fiofanana momba ny varotra mahomby

11/04/2018

Taorian’ny teny Expo Forello Tanjombato dia nanofana olona teny amin’ny Iscam Ankadifotsy indray omaly Atoa Simon Lee, tompon’andraikitra eo anivon’ny Ong Stileex Numafri sy ny Openflex.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Rovan’Ilafy Tsy namidy izany, hoy ny Ben’ny tanàna

11/04/2018

Nitondra fanazavana mikasika ilay resabe miely momba ny Rovan’Ilafy omaly ny ben’ny tanànan’Ankadikely Atoa Andriamanganoro Georges.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Fiahiana ara-tsosialin’ny mpiasa DRH maromaro nofanin’ny CNaPS

11/04/2018

Notanterahina nanomboka androany, ary hifarana rahampitso alarobia 11 aprily ny fiofanana nomen’ny CNaPS ho an’ireo mpiasan’ny orinasa miankina na tsy miankina. Tetsy amin’ny “groupe Axian” Andraharo no nanaovana izany, ary ity farany rahateo no nanatona ny CNaPS satria te – hahalala ny zon’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana