Fil d'actualités du 21/04/2018

  • 21/04/2018 - 10:00 : KIANJAN'NY 13 MEY: Tafiditra ny depiote Rossy. Mitohy ny lakrimozenina.

  • 21/04/2018 - 09:45 : ANALAKELY: Mirohotra miditra Analakely ny olona miaraka amin'ny sainam-pirenena sy miredona ny hira Mitsangana ry tanora. Mirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

  • 21/04/2018 - 09:20 : ANDOHAN'ANALAKELY: Manomboka ny fifamaliana madinidinika eo amin'ny mpitandro ny filaminana sy vahoaka miha tonga maro.

  • 21/04/2018 - 09:00 : ANALAKELY: Voadidina mpitandro filamina ny tanana manomboka eo anoloan'ny La Gastronomie Pizza sy ny eny anoloan'ny Gara Soarano.

  • 20/04/2018 - 15:00 : ANALAKELY: Efa kamio feno EMMOREG miisa 5 no miantrana eo anoloan'ny Gara Soarano amin'izao fotoana izao noho ny fisian'ny famoriam-bahoaka rahampîtso.

  • 20/04/2018 - 12:00 : POLITIKA: Ny lalàm-pifidianana tsy nahazo fankatoavana avy amin'ny maro no mitarika ny zava-misy amin'izao fotoana izao ary ny hetsika hotontosain'ny depiote mpanohitra ny asabotsy izao, hoy Mahamoudou Ndriandahy, filohan'ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena PFNOSCM/VOIFIRAISANAY.

  • 20/04/2018 - 11:30 : MANDRAKA (RN2) - LOZAM-PIFAMOIVOIZANA MAHATSIRAVINA: Kamio lehibe iray no nilatsaka tanaty hantsana ary nitontona tamina fiara taksibrosy iray teny ambany ny maraina teo, ka olona iray no maty.

  • 20/04/2018 - 11:00 : FAMORIAM-BAHOAKA: Nanamafy ny solombavambahoaka TIM sy MAPAR ny maraina teo fa tsy hihemotra amin'ny hetsika eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely rahampitso.

  • 20/04/2018 - 10:30 : HERINANDRON'NY VOLA: Hankalazaina ny 23 hatramin'ny 27 aprily 2018 herinandro maneran-tany ho an'ny vola na ny "Global money week".

  • 20/04/2018 - 10:00 : TETIANDROM-PAMPIANARANA: Ny 19 novambra 2018 ary hifarana ny 30 aogositra 2019 ny taom-pianarana 2018-2019. Ny 3 septambra 2019 no hanaovana ny fanadinana CEPE, ary ny 23 hatramin'ny 26 septambra ny BEPC amin'io taom-pianarana ho avy io, araka ny tetiandro navoakan'ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena.

Voir plus d'infos...

20/04/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180330

Misongadina

Depiote Rabetafika Roberthine Nitantara ny nafenina

30/03/2018

Nanao fanambarana sy nitondra fanazavana momba ny raharaha fiparitahan’ny sary sy ny horonantsary mamoafady tamin’ny tambajotran-tserasera sy ny antony nahatonga izany ny Depiote voafidy tany Isandra Rabetafika Roberthine.

Hamaky ny tohiny...

Politique

ANTOKO AREMA

30/03/2018

Tsy nanadino ny fanamarihana ny tolom-pahafahana tamin’ny 1947 ny avy amin’ny antoko Arema omaly 29 martsa.

Hamaky ny tohiny...

Rajoelina ao Mahajanga Ho gidragidra anio …

30/03/2018

Ho avy any Mahajanga ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina anio hiatrika ny fitokanana lalana nataon’ny kaominina, araka ny fanasana nataon’ny Ben’ny tanàna Mokhtar Salim Andriantomanga sy ny mpiara-miasa aminy.

Hamaky ny tohiny...

Kajikajy politika Lehiben’ny distrika 11 no indray nesorina

30/03/2018

Lehiben’ny distrika miisa 11 no indray nesorina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny alarobia 28 martsa teo, dia ny tao Ambilobe,

Hamaky ny tohiny...

Difotry ny adim-piainana Tsy dia fantatry ny olona ny Tolom-panafahana 1947

30/03/2018

Tsy dia fantatry ny olona loatra amin’ny ankapobeny, indrindra fa ny tanora ny tantara fonosin’ny datin’ny 29 martsa 1947, izay notsaroana omaly, nisian’ny tolom-panafahana namoizan’ireo Malagasy maro ny ainy mihitsy, mba hiverenan’ny fahaleovantena.

Hamaky ny tohiny...

Orlando Raobimanana “Tsy manana dosie maloto aho ! “

30/03/2018

“Endrikendrika sy fanosoram-potaka” fotsiny ireo vaovao niparitaka an-gazety sy tamin'ny haino aman-jery mahakasika ahy, hoy ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana teo aloha,

Hamaky ny tohiny...

Kaominin’i Mahitsy PDS izao no resaka

30/03/2018

Nidina an-dalambe, nanery ny Ben’ny tanàna Andriambololona Rakotovao hanome fanazavana sy hanafoana ny tetika saika hivarotany ny kianja ara-panatanjahantena Mahitsy RN4 ny fokonolona ny alarobia 28 martsa teo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tsiaro ny tolom-pahafahana 1947 Feno fihatsarambelatsihy

30/03/2018

Fihatsarambelatsihy no nisehoan’ny fahatsiarovana ny tolom-pahafahana 1947 raha ny tamin’ity 29 martsa indray mitoraka ity. Toa tsy misy vidiny sy tsy misy te hahalala ny lanjan’izany tolona izany, intsony fa dia endrika hafa mihitsy no isehoany.

Hamaky ny tohiny...

« Formateurs » CRINFP Ampifilafilaina ny valin-kasasarany

30/03/2018

Nafanafana tetsy amin’ny INFP Mahamasina ny harivan’ny alarobia 28 martsa teo.

Hamaky ny tohiny...

Diaspora Kristianina Malagasy Mitaky ny hitsinjarana ara-drariny ny harena

30/03/2018

Efa mampiteny ny moana ny fitotongan’ny harinkaren’i Madagasikara arahin’ny fihazakazaky ny fahantran’ny vahoaka Malagasy, nefa dia mampiaiky an’izao tontolo izao ny harena tsy hita pesimpesenina misy eto ary mahay sy nianatra ary kinga saina ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Kitra - Ligy Matsiatra Ambony Nahemotra ny fiadiana ny tompondaka

30/03/2018

Noho ny fifidianana filohan’ny ligy tsy mbola vita sy araka ny taratasy voaray avy amin’ny federasiona izay milaza fa ny ligy am-perinasa ihany aloha no manohy ny asa mandrapahavita ny fifidianana sy ny famindrana asa, dia ny faran’ny herinandro lasa teo, 24-25 martsa,

Hamaky ny tohiny...

Ekipan’ny PSG Maniry ny hiantsoana an’i Zidane i Neymar

30/03/2018

Hamaky ny tohiny...

Edito

Masina ny tanindrazana !

30/03/2018

Vao omaly isika no nahatsiaro ireo Raiamandreny « naherifo » sy « tia tanindrazana » nivonona ny hamoy ny ainy tamin’ny taona 1947 mba hahazoan’ity nosy ity fahaleovantena sy mba hiadanan’ny faramandimby.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fitaterana – Zotra Arivonimamo Mifanenjana ny mpitatitra sy ny ATT

30/03/2018

Nanao fitokonana faobe ireo kaoperativa miisa dimy manao zotram-pitaterana mampiasa ny lalam-pirenena voalohany. Nitarika izany ireo mihazo an’Arivonimamo, izay nanafoana tanteraka ny fitaterana mihitsy na dia fety aza ny andro raha tsy mahazo valiny mahafa-po avy amin’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT).

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fandidiana maimaimpoana Nisitraka izany ireo vaky lanilany

30/03/2018

Marary manana fahasamponana toy ny sima sy vaky lanilany miisa 150 mahery no misitraka ny fandidiana maimaimpoana ataon'ny Santé Plus Antsirabe sy ny fikambanana Les enfants de Noma avy any Frantsa.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Orinasa HBSN Miahy ny hatsarana ara-boajanahary

30/03/2018

“Notre priorité est votre bien être naturellement.” Ny hatsaranao amin’ny alalan’ny fampiasana ireo vokatra natoraly no filamatry ny orinasa HBSN na « Huile de beauté et soins naturels ».

Hamaky ny tohiny...

« Sahamaitso » Manome lanja ny vokatra Malagasy

30/03/2018

Sambany no hisy tsenabe entina hanasongadinana ny asa tanana Malagasy sy vokatry ny tany ny 01 sy ny 02 aprily ho avy izao eny Ombalahivato Ambohimalaza ao anatin’ilay hetsika “Sahamaitso” andiany voalohany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FANAMARIHANA NY 29 MARTSA

30/03/2018

Feno 71 taona ny tolom-panafahana 1947 ka nanatanteraka fametrahana fehezam-bonikazo tetsy Ambohijatovo ny praiminisitra lehiben'ny governemanta, ny filohan'ny Antenimierandoholona ary ny Ben'ny tanànan'Antananarivo Renivohitra izay nitarika ny fametrahana voninkazo teo amin'ity tsangambato ity.

Hamaky ny tohiny...

POLITIKA

30/03/2018

Nanoloana ny zava-niseho mikasika ny mpikambana iray eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izay niparitaka tamin’ny tambajotran-tserasera moa ny sariny mitanjaka dia niantso ny rehetra ny filohan’ny Antenimieram-pirenena, Jean Max Rakotomamonjy, mba ho tony.

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fitiavan-tanindrazana Nivaona ny ankehitriny

30/03/2018

71 taona izay no lasa sy nahatsiarovana hatrany ny zava-nisy tamin’izany.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana