Fil d'actualités du 25/09/2018

  • 25/09/2018 - 15:00 : POLITIKA KMMR:Efa an'aliny ny olona nandrotsaka vola ho an'ny kandida Marc Ravalomanana taorian'ny fanokafana ilay kaonty Tahiry ampiasaina amin'ny propagandy.

  • 25/09/2018 - 14:55 : RAVALOMANANA:manatrika fivoriana any Bruxelles miaraka amin'ny vondrona eoropeana ny kandida laharana faha 25 Marc Ravalomanana

  • 25/09/2018 - 13:00 : PESTA: Miisa 21 ny tranga voaray ka nampiahiahy. 05 tamin’ireo no voamarina fa pesta tao aorian’ny fitiliana ary tao anatin’ny Distrika 09 no nahitana izany. 16 kosa no mbola ahiana.

  • 25/09/2018 - 12:30 : FIFIDIANANA : Tontosa androany teny amin'ny Biraon'ny CENI Nanisana ny fifanaovan-tsonia teo amin'ny CENI sy ny fanjakana Britanika amin'ny fandrotsaham-bolan'izy ireo ao amin'ny kitapom-bola SACEM.

  • 25/09/2018 - 11:00 : MARC RAVALOMANANA: Lasa any ampiran-dranomasina ny tenany ka hisy ny fihaonana amin'ny mpanohana hatao ao Parisy Frantsa ny 29 septambra izao.

  • 25/09/2018 - 10:45 : AMBOVOMBE ANDROY: Fiara tsy mataho-dalana nentina lehilahy roa no tratra no voalaza fa nangalatra zaza 4 taona eo ho eo. Misavorovoro eo anoloan'ny biraon'ny zandary ny olona mitaky ny hhampiharana ny lalàna sao haodikodina ao dia tsy misy tohiny aveo, hoy izy ireo.

  • 25/09/2018 - 10:30 : BAKALOREA: Hivoaka ny 18 oktobra ho avy izao ny valim-panadinana bakalorea 2018, ka nanomboka omaly no nanomboka ny fitsarana ireo taratasim-panadinana ho an'ny eto Antananarivo.

  • 25/09/2018 - 10:00 : FAHAFATESANA DIPLAOMATY AMERIKANINA: Efa nanokatra fanadihadiana ny mpanao famotorana Amerikana sy ny Manam-pahefana Malagasy ary efa misy olona ahiahiana notazonina am-ponja ankehitriny.

  • 25/09/2018 - 09:45 : ANGOLA: Naiditra am-ponja vonjimaika noho ny fanidinkodibam-bola 500 tapitrisa dolara i José Filomeno dos Santos Zanaky ny Filoha Angolais teo aloha José Eduardo dos Santos.

  • 25/09/2018 - 09:30 : VIDIN-DRANO: Milaza ny eo ny minisitry ny angovo Lantoniaina Rasoloelison fa tsy mbola misy ny fampiakarana vidin-drano amin'izao fotoana izao, eo anatrehan'ny resabe mandeha fa hiakatra izany

Voir plus d'infos...

25/09/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180328

Misongadina

Mompera Pedro Lasa nitsabo tena any La Réunion

28/03/2018

Efa tsy salama andro maromaro ary fantatra fa lasa nitsabo tena atsy amin’ny nosy La Réunion ny mompera Pedro Opeka. Ity pretra Argentina ity no namorona ny Toby Akamasoa mba ho fanampiana sy fampianarana ireo olona sahirana hivoatra sy hanonamana ho avy tsara kokoa ho an’ny taranany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hery Rajaonarimampianina Nivadika ho olona hafa mihitsy

28/03/2018

8 taona lasa izay, raha ny voalazan’ireo olona nifanerasera tamin’ny filoham-pirenena, Hery Rajaonarimampianina, tamin’ny fotoan’androny dia olona tso-piaina, nahay nifandray aman’olona, nivavaka sy tena natahotra an’Andriamanitra ny lehilahy.

Hamaky ny tohiny...

Sarina depiote miboridana niparitaka Afa-baraka ny antenimieram-pirenena

28/03/2018

Afa-baraka tanteraka ny solombavambahoaka vehivavy iray mitondra ny anarana RR, efa somary nalazalaza tamina toe-javatra nafana teny Tsimbazaza vao tsy ela akory izay.

Hamaky ny tohiny...

Vovonan’ny mpanao politika Mitaky fanovana lalàmpanorenana

28/03/2018

Fifanandrifian-javatra ve sa nifanarahana fa nanomboka niverina nipoitra naneho hevitra tetsy Antaninarenina indray ireo vovonana politika ela tsy heno omaly.

Hamaky ny tohiny...

Vovonan’ny mpanao politika Mitaky fanovana lalàmpanorenana

28/03/2018

Fifanandrifian-javatra ve sa nifanarahana fa nanomboka niverina nipoitra naneho hevitra tetsy Antaninarenina indray ireo vovonana politika ela tsy heno omaly.

Hamaky ny tohiny...

Herivelona Ramanantsoa « Candidat naturel » an’ny AREMA ny filoha mpanorina azy

28/03/2018

Tamin’ny alalan’ny resadresaka fohy nifanaovan’ny Tia Tanindrazana taminy no nilazan’Atoa Herivelona Ramanantsoa, minisitry ny fanajariana ny tany sy ny tanàn-dehibe tamin’ny Repoblika faharoa ary mpikambana ao amin’ny Comité Exécutif ny antoko Arema ankehitriny

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Iza ilay bandy ?

28/03/2018

Faly miarahaba anao aho ry Jean fa tena efa ela izay tsy nahitako anao izay. Mbola vao mainka niontana koa ny foko naheno an’iny kaozinao omaly iny an ! Oay ee !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Orinasa Cotona Antsirabe Raikitra ny grevin’ny mpiasa

28/03/2018

Nitokona tsy nety nandray ny asany ireo mpiasan'ny orinasa Cotona misahana ny famokarana lamba tokony hiditra tamin'ny 6 maraina omaly.

Hamaky ny tohiny...

Fambolena legioma sy voankazo eto Madagasikara Hikarohana paikady manokana

28/03/2018

Notanterahana omaly tetsy amin’ny Café de la gare Soarano ny fikaonan-doha hijerena paikady entina mikajy ny zava-maniry eto amintsika mialoha ny hamoahana ny tetikasa momba izany.

Hamaky ny tohiny...

Fakana tany mirefy 30 ha eny Antanandrano Voatonona indray ny Karàna

28/03/2018

Vola ana miliara maro no atonton’ny Karàna iray tompona orinasan-tserasera mba hahazoana ny tany mirefy 30 ha ao Antanandrano -Ambohitrarahaba, raha ny fitarainan’ny teratany Malagasy tarana-dRazafitsara sy Razafimahefa izay milaza ho tompon’ny tany ary manana “titre” ara-dalàna.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

FANILO FLM - CNaPS Voasonia ny fifanekem-piaraha-miasa

28/03/2018

Ho tohin'ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon'ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) sy ny CNaPS izay tantanan’Atoa tale jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul tamin'ny taon-dasa dia tontosa tany amin'ny « Cercle Messe Mixte de la Garnison Antsirabe » ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin'ny Fampandrosoana anivon'ny Fiangonana Loterana Malagasy sy ny CNaPS.

Hamaky ny tohiny...

Herinandro Masina Fotoana natokana hibebahana

28/03/2018

Fotoana iray tena manan-danja eo amin’ny fiainan’ny Kristianina ny fetin’ny Paska tahaka izao izay hialohavan’ny herinandro masina. Eo mantsy raha araka ny fanazavan’ny loholona Liva Andriambelo,

Hamaky ny tohiny...

Antoko mpihira Orimbato Ambatonakanga Hanatanteraka antsa an-kiran’ny Paska miavaka

28/03/2018

Hanatanteraka antsa an-kiran’ny Paska miavaka ny antoko mpihira Orimbato Ambatonakanga ny alahady 1 Aprily ho avy izao manomboka amin’ny 2 ora sy sasany folakandro.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fandoto iray tandroka !

28/03/2018

Mitana ny sain’ny maro indray aloha amin’izao fotoana izao ny momba ny fipariahan’ny sarin’ny olom-boafidy iray nitanjaka tanteraka, ary afa-baraka tanteraka ny andrim-panjakana misy azy.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Paska ieren-doza Zandary 1.315 no hahetsika

28/03/2018

Manakaiky ity ny fetin`ny paska ary ny fenitra dia ny hoe : “paska ieren-doza”. Hetsika efa fanao isan-taona ihany ity, mitovy amin'ny Paska ieren-doza hatramin'izay.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fitrandrahana rano any Atsimo Efa potika sahady ny 30 %-n’ireo fotodrafitrasa natsangana

28/03/2018

Tsy misy manjary ny fitrandrahana rano fisotro madio any amin’ny Faritra Atsimo. Raha ny vaovao azo dia ny 30 %-n’ireo fotodrafitrasa natsangana hatreto no efa potika sahady.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fizahan-tany eto Madagasikara Mbola mila ezaka goavana

28/03/2018

Mbola vitsy ny mpizahatany resy lahatra mankaty Madagasikara. Misy mantsy ny laza ratsy ka mahatonga ny fizahantany tsy mivoatra mihitsy. Anisan`ny firenena miaina anaty loto i Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fipoahana grenady tetsy Antanimena Tena izy sa fanodinkodinana saim-bahoaka

28/03/2018

Niteraka resabe teny anivon`ny fiarahamonina ilay resaka grenady nipoaka teny amin’ny foiben-toeran’ny antoko Hery Vaovaon’i Madagasikara (HVM) teny Antanimena ny sabotsy lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

Be vaovao mirija Politika

28/03/2018

20 andro lasa izay dia nakaton’ny fitondram-panjakana ny orinasan-tseraseran’ny mpanolon-tsain’ny tanàna ao Nosy be Joseph Yollande. Tonga teto Antananarivo noho izany omaly ity tomponandraikitra ity mba haneho ny alahelony. Rehefa miady ho an’ny tanindrazana ve, hoy izy, dia atao toy izao ?

Hamaky ny tohiny...

Dossier

Fahantran’ny Malagasy Iza no tena fositra ?

28/03/2018

Ankoatra ny faktioran’ny JIRAMA sy ny solika dia saika miakatra isan’andro ny vidin’entana rehetra. Ny fahefa-mividin’ny Malagasy anefa efa tena ambany. 90% miaina amin’ny 1.9 dolara na 6086Ar (1dolara=3203.57Ar)isan’andro.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana