Voir plus d'infos...
Archive du 20180319
19/03/2018
Namono olona miisa fito hatramin’ny omaly alahady ilay rivodoza Eliakim nandalo teto amintsika. Anisan’ny nahitana izany ny tany amin’ny Faritra avaratry ny Nosy sy Atsinanana izay tena noravaravan’ity rivodoza ity tokoa.
19/03/2018
Fanehoam-pihavanana no nanombohan’i José Vianey ny fandraisam-pitenenana tetsy amin’ny Hotel Paon d’or Antanetibe Ivato ny sabotsy lasa teo.
19/03/2018
Manomboka tafajoboka ao anatin’ny fandriky ny vahiny isika, ary manangasanga any indray ny teti-dratsy samihafa hampiadiana ny samy Malagasy.
19/03/2018
Io ary ilay nambara hatrizay fa tena tompondaka amin’ny zavatra hafahafa sy manjavozavo ny fitondrana HVM. Tsy tambo isaina ireo afera maloto tamin`ity fitondrana ity toy ny ao amin’ny fitsarana sy ao amin`ny fonja toy ny ENMG, Hocine Arfa …
19/03/2018
Nanao ny tsy fanao indray ny HVM nandritra ny fety nataony tany Betroka ny sabotsy 17 martsa lasa teo.
19/03/2018
Notanterahina omaly alahady 18 martsa tetsy amin’ny sekoly Charlemagne Antohomadinika ny fifampiarahabana nahatrarana ny taona 2018 ho an’ny mpikambana Distrika TIM faritra Iva toa an’Ampefiloha, Andohatapenaka, Manarintsoa, Andranomanalina, Anatihazo.
19/03/2018
O ry Jean a ! Fa rehefa tsy faly ve dia tsy maintsy mitokona e ? Efa mitady tsy handeha amin’ny lojika intsony anie izany revinareo izany e e ! Dia tsy mba hivoatra mihitsy ve isika ity fa tena raiki-tapisaka ilay hoe sarotra ny miala amin’ny mahazatra e ?
19/03/2018
Andiana miaramila am-polony maro no nanao amboletra namotika volin’olona tetsy Sitabomba (Soute à Bombes) Ivato.
19/03/2018
Malalaka ny fanokafana haino aman-jery mpanohana fitondrana fa ny hafa kosa gejaina. Ny MBS, ohatra, dia misy amin’ireo tompon’andraikitra ambony no mamoaka vava fa raha mbola izy ireo no eo dia tsy hisokatra mihitsy.
19/03/2018
Anisan’ny manahirana sady mampikaikaika ny maro ny mampiditra rano amin’izao fotoana. Afaka manao ny asa fampidiran-drano amin’ny fomba haingana ihany anefa ny JIRAMA raha toa ka afaka mividy ireo fitaovana tsy ampy na tsy misy eo anivon’ny orinasa ny mpanjifa. Atao ity tolotra ity ho an’ireo izay efa nandoa ny faktioran’ny zavatra mety ilaina (dévis) izay nataon’ny JIRAMA.
19/03/2018
Raha ny tatitra voaray dia tena nitondra takaitra ny teo anivon’ireo distrikan’ny faritra Analanjirofo sy ny faritra Atsinanana nandalovan’ilay rivodoza Eliakim ny faran’ny herinandro teo.
19/03/2018
Miomana fatratra amin’ny lanonana lehibe hanandratana an’i Lucien Botovasoa ho olontsambatra, hatao any Vohipeno ny 15 aprily ho avy izao ny eo anivon’ny fiangonana katolika.
19/03/2018
Tafita amin'ny dingana manaraka dia ny 1/16n-dalana bis amin’ny fiadiana ny amboaran’ny CAF indray ny ekipan'ny Fosa Juniors Malagasy avy any Boeny raha nandresy ny ekipan'ny Aspl 2000 Maorisianina 1-0 tao amin'ny kianja Rabemananjara Mahajanga izay hipoka tanteraka omaly alahady 18 martsa 2018 teo amin'ny lalao miverina.
19/03/2018
Betsaka amin’ireo fiarakaretsaka sy taksibe miasa eto an-drenivohitra sy ny manodidina amin’izao no efa tena ratsy.
19/03/2018
Nanomboka ny alarobia, alakamisy ary zoma teo dia saika nahenoana fahatapahan-dalana avokoa ireo lalam-pirenena malaza eto Madagasikara. Anisan’ny tena naresaka iny tapany andrefana sy avaratra atsinanana ary atsinanan’ny nosy iny.
19/03/2018
Niverina nitokona indray ireo mpivarotra etsy amin'ny Fasan'ny Karana ny sabotsy teo.
19/03/2018
Fampandrenesana ofisialy ny avy amin’ny minisiteran’ny asa vaventy fa tapaka ny lalam-pirenena faha-6 (RN6) eo anelanelan’Ambilobe sy Ambanja noho ny fahatapahana tetezana sy fihotsahan’ny lalana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Eliakim.
19/03/2018
“Samy manao izay mahafalifaly ny fony ary samy manao izay mahamiramirana ny sainy”. Izany no teny mahafehy ny asa fampandrosoana eto Madagasikara.
19/03/2018
Mitombo isa hatrany ireo tanora manampahaizana eto amintsika. Niampy 142 isa indray izy ireo, mpianatra navoakan’ny sekoly ambony INSPNMAD notolorana ny maripahaizana Diplômes de technicien Superieur sy ny licence rehefa nianatra nandritra ny roa sy telo taona.
19/03/2018
Raha vao nandeha ny kiririoka sy ny vely tako-bilany sy ny famelesana izay azo novelezina rehetra nentina nanehoana fa tofoky ny tsy fandriampahalemana sy ny fakana an-keriny ireo mponina teto Antananarivo ny alakamisy teo dia nisy jiolahy voatifitra avy hatrany koa niara-dalana tamin’izay teny Masay.
19/03/2018
Voafidy faninefany indray hitantana an’i Rosia hatramin’ny taona 2024 ny filoha Vladimir Poutine.