Voir plus d'infos...
Archive du 20180316
16/03/2018
Leo ny tsy fandriampahalemana misy eto amin’ny firenena ankehitriny ny Malagasy. Tsy mijanona amin’ny fandrobana sy ny halatra madinika intsony mantsy izany fa mihafara amin’ny hala-jaza, ny fakana an-keriny, ny vono olona… mihitsy.
16/03/2018
Nivoaka tamin’ny fahanginana omaly ny filoha nasionalin’ny fikambanana HAFARI Malagasy Rafanomezantsoa Jean Nirina manoloana ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny.
16/03/2018
Sesilany ny toe-javatra manaratsy endrika ny rafi-panjakana sasany sy ny tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena, raha tsy hilaza afa tsy ny teo anivon’ny minisiteran’ny fitsarana, ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola, ny minisiteran’ny raharaham-bahiny,…
16/03/2018
Mitarazoka ny fivoahan`ny lalam-pifidianana izay efa ho valo volana no nanoloran`ny CENI azy ity teo anivon`ny filankevitry ny governemanta.
16/03/2018
Nifarana tetsy amin`ny Oniversite an`Ankatso ny fitsidiam-panjakana nataon`ny Filoham-pirenena Ram Nath Korvind teto Madagasikara. Nandritra ny lahateny manoloana ny mpianatra dia nanambara ny filoha Ram Nath Korvind fa nampiraisin’ny tantara i Madagasikara sy Inde ary mivelatra hatrany ny fifandraisana eo amin’ny firenena roa tonta.
16/03/2018
Rehefa avy nihaona tamin’ny ankolafin-kery Malagasy eo amin’ny sehatry ny baolina kitra toy ny birao mpanatanteraky ny FMF, ireo mpikambana ao amin’ny CEN Football, ny filohan’ny fikambanan’ireo ligim-paritra eto amintsika ary koa ireo andian’olona nametraka fitarainana tany amin’izy ireo nivantana ireo
16/03/2018
Miarahaba sy mankasitraka anao aloha ry Jean nisolotena an’i Jeanne be niala tsiny taminay noho iny hagegeny iny.
16/03/2018
Betsaka ireo tsenakely lasa mivaro-panafody ankehitriny. Ny mampalahelo aza, hoy dokotera Manitra Rakotoarivony anisan’ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka dia ny fokontany indray no tena mandrisika ireny mpivarotra ireny hanao ny asany satria lavitra toeram-pivarotam-panafody, hono, izy ireo.
16/03/2018
Ny talata 13 martsa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora dia nisy asam-baomiera itambarambe tsy azon’ny besinimaro atrehina tety Tsimbazaza, hoy ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena, Mahazoasy Freddy, raha niverina nanazava ny tranga teny amin’ny antenimiera omaly.
16/03/2018
Manoloana ny horonantsary miparitaka mampiseho mazava ny fampijalian’ireo polisy ny mponin’Antsakabary, dia mangataka amin’ny fanjakana Malagasy ny hanaovana fanadihadiana tsy mitanila momba ny fitondran-tenan’ireo polisy ny Amnesty International noho ny fiahiana fa izy ireo no tompon’antoka tamin’ny loza amin’atambo, ary tokony hajaina ny fitsipika iraisam-pirenena. Tokony hanonitra ny fahavoazana manontolon’ireo vahoaka lasibatra ihany koa ny fanjakana.
16/03/2018
Nisy faritra maro nahitana fahatapahan-drano teto an-drenivohitra omaly tokony ho tamin’ny 9ora maraina hatramin’ny 2 ora sy sasany tolakandro teo ho eo. Anisan’izany Ambohijatovo, Faravohitra, Manjakaray.
16/03/2018
Tovovavy iray tsy ampy taona, avy any amin’ny kaominina Ambatomiady no fatantra fa nahavita namono ny zaza naterany, tao Antanifotsy-Vakinankaratra omaly alakamisy 15 martsa.
16/03/2018
Matetika no andrenesana fifanandrinana sy tsy fifankahazoan’ny samy mpiangona amina fiangonana samihafa eto amintsika. Noho ny resa-bola amin’ny ankapobeny no miteraka izany.
16/03/2018
Mbola nanamafy ny teny nataony Atoa Andry Ravelojaona La Pie fa tokana ihany ny ligin’ny rugby misy eto Analamanga dia izay tarihany ankehitriny izany.
16/03/2018
Rehefa avy nihaona tamin’ny ankolafin-kery Malagasy eo amin’ny sehatry ny baolina kitra toy ny birao mpanatanteraky ny FMF,
16/03/2018
Mananontanona antsika ny korontana sy sakoroka, raha dinihina amin’ny zava-misy amin’izao fotoana.
16/03/2018
Tonga eto Madagasikara indray ny iraka manokan’ny FMI (Fonds Monétaire International) izay tarihan’i Marshall Mills. Manara-maso indray ny fanatanterahana ilay FEC (Facilité Elargie de Crédit) andiany faharoa izay nahazoana 80 tapitrisa dolara tamin’ny taona 2017.
16/03/2018
Tsy mbola miova ny vahaolana atolotry ny FMI Malagasy na ny fahefa-mividy izao no ilain’ny malagasy, tarihin’ny filohany Jean Jacques Ratsietison, mikasika ny hahafahana manavotra an’i Madagasikara dia ny hoe foanana ny MID na ny « marché interbancaire de devise »,
16/03/2018
Basy niisa 18 no sarona tany amin’ny kaominina Bemaha tamin’ity herinandro ity. Basy vita Malagasy moa ny 16 tamin’ireo ary basy Mass 36 niaraka tamin’ny bala 9 sy P.A, tamin’ny andron’i Hitler miaraka amin’ny bala 9mm niisa 3 ary bala amin’ny basim-borona niisa 13 hafa.
16/03/2018
Nisy namaky omaly tokony tamin’ ny 7 ora latsaka fahefany hariva ny banky fampindramam-bola madinika na ny Microcred ao Mahabibo Mahajanga. Fiara tsy mataho-dalana marika Nissan miloko volon-davenona na « Gris » miafara amin'ny ...
16/03/2018
Nisedra olana ny CENI teo amin`ny fanisana ireo lisi-pifidianana. Maro ireo nitaraina toy ny tany Toamasina izay nahatratra 10 000 no niverina.
16/03/2018
Satria azo hilalaovana tsara ny andro alarobia hahazoana mamita haingana ny fifaninanana dia naroso tamin’ny alarobia 14 martsa 2018 ny andro faha-6 eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Ligy 1 eto Analamanga. Vokatra : Tanà Formation 1 – 0 Mama Fc ; Cospn 1 – 1 Mi-20 ; Elgeco 1 – 0 Fosa Juniors Tanà ; Cnaps Sport Tanà 1 – 2 Uscafoot ; Cosfa 1 - 1 As Adema