Fil d'actualités du 19/08/2018

  • 19/08/2018 - 18:00 : KUNG-FU WISA: Tontosa androany teny amin'ny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny fanatankahantena Mahamasina ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara.

  • 19/08/2018 - 15:00 : FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Nanatitra ny taratasy filantsahan-kofidiana androany ny mpandraharaha Eric Rajaonary, Tompon'ny orinasa Guanomad.

  • 18/08/2018 - 14:00 : FANADINANA CEPE: Nivaly io maraina io ny valim-panadinana CEPE ao amin'ny CISCO ANTANANARIVO ATSIMONDRANO. Niakatra 80 % ny taham-pahafahana tamin'ity taona ity, raha toa ka 57 % izany ny taon-dasa.

  • 18/08/2018 - 13:00 : KOFI ANNAN: Nodimandry androany teo amin'ny faha-80 taonany i Kofi Annan, Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana teo aloha, izay efa nahazo ny amboara Nobel ho an'ny fandriampahalemana. Teratany Ganeanina izy.

  • 18/08/2018 - 10:45 : FIROTSAHAN'I MARC RAVALOMANANA HO FILOHA: Ny zanany dia i Saraha Ravalomanana no tonga manatitra ny taratasy eny amin'ny HCC Ambohidahy hatrehan'ireo mpanotrona maro be.

  • 18/08/2018 - 10:00 : FIFIDIANANA : Hanatitra ny antontan-tararatasiny eny amin'ny HCC anio ny kandida Eliana Bezaza, raha tsy misy ny fiovana

  • 17/08/2018 - 15:00 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nanambara tamin'ny fomba ofisialy ny haha kandida filoha azy ny tenany androany ary efa tafapetraka ny firotsahan-kofidiana amin'ny anaran'ny antoko HVM.

  • 17/08/2018 - 14:30 : KIDNAPPING: Nisaotra ny mpitandro filaminana tamin'ny vokatra azo nahafatesana mpaka an-keriny roa sy nahasamborana ny namany teny Anosivavaka Ambohinarina ny Fikambanan'ny Teratany Karana mizaka ny zom-pirenena Frantsay.

  • 17/08/2018 - 12:35 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA : Migadona ao amin'ny Hotely Colbert izy sy ny vady aman-janany amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 17/08/2018 - 11:30 : HOTELY COLBERT ANTANINARENINA: Vory lanona ny mpanohana an-dRajaonarimampianina ary andrasana ny mety ho fahatongavany sy hanaovany fanambarana anio.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180306

Misongadina

Mpiasam-panjakana Ho avy ny fitokonana faobe

06/03/2018

Miala any indray ny fitokonan’ny mpiasam-panjakana. Mety hiroso amin’ny fitokonana ny Sendikan’ny Mpampianatra-Mpikaroka na ny SECES rahampitso 7 martsa noho ny tsy fivalian’ny fitakiany.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Fanambaran’i Henri Rabary-Njaka Tsy tongatonga ho azy fa ao raha !

06/03/2018

Tafidi-kizo indray ny fanjakana HVM taorian’ny nilazan’ny minisitry ny raharaham-bahiny Henry Rabary-Njaka tamin’ny fahitalavitra Frantsay TV5 Monde fa ny 24 novambra izao ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, ary ny 24 desambra kosa ny fihodinana faharoa.

Hamaky ny tohiny...

Leader Fanilo, AVI, MDM, MTS Manohana ny vinan-dRajaonarimampianina

06/03/2018

Nitsangana ny vovonana politika ahitana ny Leader Fanilo, AVI, MDM, ary ny MTS, izay nilaza fa vonona hanohana ny vina Fisandratana 2030.

Hamaky ny tohiny...

Gilbert Raharizatovo “Marc Ravalomanana no mpandresy”

06/03/2018

Vahinin’ny fandaharana “Mandray Vahiny” vokarin’ny fahitalavitra M3TV Mahajanga ny mpamakafaka ara-politika Gilbert Raharizatovo, izay sady mpanao gazety moa no efa avy depiote sy minisitra teo aloha ny faran’ny herinandro teo,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Diplaoma baoritra ..

06/03/2018

Miarahaba jean a; nanahoana izany ianao nahazo diplaoma izany indray e.Dia tena maHery mihitsy aloha ianareo ra jean a, manangona baoritra etsy sy eroa.Ny manahiran-tsaina anay aty an-tanàna fotsiny dia toa be diplaoma tahaka anareo koa angamba ny dahalo sy jiolahy fa dia mahita paiakdy hamelezana anay fooana ry zalahy e.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana Maka traikefa amin’ny Frantsay ny Malagasy

06/03/2018

Nisokatra tamin`ny fomba ofisialy omaly tetsy amin`ny Hotel Carlton ny fikaonan-doha fiaraha-miasa faharoan`ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana Malagasy sy Frantsay izay haharitra telo andro.

Hamaky ny tohiny...

Karaman’ny mpiasam-panjakana sy tsy miankina Tokony hiakatra amin’ity taona ity, hoy ny SSM

06/03/2018

Nanao fanambarana tetsy amin’ny Koots food Mahamasina omaly ny avy eo anivon’ny randrambaon’ireo sendika eto Madagasikara na ny SSM fa hanao hetsika faobe fanairana manoloana ny fitsarana Anosy izy ireo ny zoma izao.

Hamaky ny tohiny...

Mpiasan’ny SAMVA mitaky ny zony Mitohy ny antsojay mahazo azy ireo

06/03/2018

Mihamafy ny fandrahonana sy ny fanapenam-bava mihatra amin’ireo mpiasan’ny SAMVA izay mitaky ny zony amin’izao, raha araka ny tafa nifanaovan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety. Isaky ny fivoriana mantsy, hono, ny lehiben’ny SAMVA dia mamerimberina hatrany fa “force sy voay ny tenany ka tsy tokony ho tsapatsapaina na andrama atelina”, fitenena izay tena mampatahotra mafy ireo mpiasa tokoa.

Hamaky ny tohiny...

CUA sy ny Région-Ile-de France Tafatsangana ny ivontoerana PRX

06/03/2018

Birao 2 sy efitra fivoriana iray etsy amin’ny Masoivohon’i Frantsa Ambatomena misy ny antsoina hoe “Paris Région Expertise” na PRX no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly alatsinainy 5 martsa 2018.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Horonantsary « Jeune fille au ballon ovale » Hatolotra manonkana eto Antananarivo ny 8 martsa 2018

06/03/2018

Tao anatin’ny lanonana fifanaovana sonia fanavaozana fiara-miasa nifanaovan’ny “Association Terres en Mêlées” sy ny banky Malagasy BFV-SG tetsy amin’ny IFM Analakely omaly alatsinainy 05 martsa 2018 no nampahafantaran’ireo tompon’andraikitra fa halefa manontolo eto Antananarivo hoan’ireo olona notsongaina aloha ny horonantsary fanadihadiana « Jeune fille au ballon ovale »

Hamaky ny tohiny...

« Tournoi de Pâques 3FA 2018 » Ho lalao nasionaly kely mihitsy

06/03/2018

Karazana fifaninana nasionaly kely mihitsy ny fifaninanana « Tournoi de Pâques 3FA 2018 » niantsoan’ny mpikarakara an’ireo solontenan’ny klioba eto Analamanga niara-nifampidinika taminy teny amin’ny salle polyvalente Sabotsy Namehana ny sabotsy 03 martsa 2018 lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mamosavy vahoaka

06/03/2018

Fanina tanteraka ny vahoaka ! Inona daholo itony hagegena asehon’ny mpitondra malagasy any an-tanin’olona itony ? Setrin’izany anefa dia tsy heno hatramin’izao hoe io fa voasazy ilay nigarigany fa dia vao mainka aza omaly nomena ny oroka mamy.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

RN5 Ambodiatafana, Foulpointe Potika tanteraka

06/03/2018

Feno rano tanteraka ireo faritra iva ao Toamasina nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Dumazile teo amin’ny 170km ny fari-dranomasin’i Toamasina ny alahady teo, noho ireo oram-be sy tafiotra nentiny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fifanakalozana ara-barotra Kely ny miditra amin’ny fanondranana

06/03/2018

Mifarana anio ny atrikasa andiany faharoa hijerena izay hahafahana mampivoatra ny antsoina hoe « commerce de service » na varotra ifanakalozan’ireo mpandraharaha malagasy amin’ny samy eto sy ny sehatra iraisampirenena, indrindra, aty amin’ny faritr’i afrika etsy amin’ny Panorama nanomboka omaly.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Tarika Ny Ainga Miala any ny « Vaky sehatra 2018 »

06/03/2018

Raikitra ! Ny tolakandron’ny Alatasinain’ny Paska 02 aprily ho avy izao, etsy Antsahamanitra, no hanatanterahana ny seho goavana “Vaky sehatra 2018” ho an’ny tarika Ny Ainga. Fomba amam-panao efa lasa fotoam-bita ho an’ireo Mpankafy ny “Vazon’ny tanàna” sy ity tarika tsy mihira fitiavana fa ampihirain’ny fitiavana ity ny seho “Vaky sehatra” . Ankoatry ny fivimbinan’ny tarika ireo “Vazo milay” efa fantam-bahoaka hisy ihany koa ny fihirana ireo hira vaovao toy ny “Izaho vadinao”…

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Tsy fandriampahalemana Mampiaka-peo ny mpandraharaha sy ny fiarahamonim-pirenena

06/03/2018

Samy miaiky ny rehetra fa tsy misy fandriampahalemana mandeha amin’izay laoniny intsony eto amintsika nefa mbola tsy mandray ny andraikiny ihany ny Fitondram-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

ATLETISMA ANATY TRANO

06/03/2018

Voahosotra ho tompondaka eran-tany amin’ny vikin-dava misy tehina ny alahady 4 martsa teo tany Birmingham (Grande Bretagne) eo amin’ny fifaninanana fiadiana ny ho tompondaka eran-tany taranja atletisma anaty trano,

Hamaky ny tohiny...

Vaovao avy any ivelany

Chine Atao filoha mandra-pahafatiny i Xi Jinping

06/03/2018

Hitondra fanitsiana ny famerana ny fe-potoam-piasan’ny filoham-pirenena ny parlemanta Sinoa. Izany no nisongadina omaly nandritra ny kabary fanokafana ny fivoriana tao Pekin renivohitra.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana