Fil d'actualités du 19/08/2018

  • 19/08/2018 - 18:00 : KUNG-FU WISA: Tontosa androany teny amin'ny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny fanatankahantena Mahamasina ny fiadiana izay ho Tompondakan'i Madagasikara.

  • 19/08/2018 - 15:00 : FIFIDIANANA FILOHAM-PIRENENA: Nanatitra ny taratasy filantsahan-kofidiana androany ny mpandraharaha Eric Rajaonary, Tompon'ny orinasa Guanomad.

  • 18/08/2018 - 14:00 : FANADINANA CEPE: Nivaly io maraina io ny valim-panadinana CEPE ao amin'ny CISCO ANTANANARIVO ATSIMONDRANO. Niakatra 80 % ny taham-pahafahana tamin'ity taona ity, raha toa ka 57 % izany ny taon-dasa.

  • 18/08/2018 - 13:00 : KOFI ANNAN: Nodimandry androany teo amin'ny faha-80 taonany i Kofi Annan, Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana teo aloha, izay efa nahazo ny amboara Nobel ho an'ny fandriampahalemana. Teratany Ganeanina izy.

  • 18/08/2018 - 10:45 : FIROTSAHAN'I MARC RAVALOMANANA HO FILOHA: Ny zanany dia i Saraha Ravalomanana no tonga manatitra ny taratasy eny amin'ny HCC Ambohidahy hatrehan'ireo mpanotrona maro be.

  • 18/08/2018 - 10:00 : FIFIDIANANA : Hanatitra ny antontan-tararatasiny eny amin'ny HCC anio ny kandida Eliana Bezaza, raha tsy misy ny fiovana

  • 17/08/2018 - 15:00 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA: Nanambara tamin'ny fomba ofisialy ny haha kandida filoha azy ny tenany androany ary efa tafapetraka ny firotsahan-kofidiana amin'ny anaran'ny antoko HVM.

  • 17/08/2018 - 14:30 : KIDNAPPING: Nisaotra ny mpitandro filaminana tamin'ny vokatra azo nahafatesana mpaka an-keriny roa sy nahasamborana ny namany teny Anosivavaka Ambohinarina ny Fikambanan'ny Teratany Karana mizaka ny zom-pirenena Frantsay.

  • 17/08/2018 - 12:35 : HERY RAJAONARIMAMPIANINA : Migadona ao amin'ny Hotely Colbert izy sy ny vady aman-janany amin'izao ora sy fotoana izao.

  • 17/08/2018 - 11:30 : HOTELY COLBERT ANTANINARENINA: Vory lanona ny mpanohana an-dRajaonarimampianina ary andrasana ny mety ho fahatongavany sy hanaovany fanambarana anio.

Voir plus d'infos...

//

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180226

Misongadina

Tantsaha sy mpiasan’ny AAA – Antsirabe Voadaroka lakrimozenina, 5 naratra

26/02/2018

Nanao hetsika ho fitakiana ny fanokafana ny orinasa AAA ny sabotsy lasa teo ireo mpiasa sy mpitantana tao Antsirabe tampon-tanàna, notronin'ireo tantsaha maro avy amin'ny faritra vakinankaratra iny ary ireo solombavambahoaka voafidy tao Antsirabe voalohany sy faharoa.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Depiote Nicolas Halatra ireny nataon’i Andry Rajoelina ireny ka tsy maharitra

26/02/2018

Na dia be aza no tokony hamaly an’ireny tenin’i Andry Rajoelina tamin’ny fahitalavitra amin’ireo tompon’andraiki-panjakana toy ny minisitra mpomba ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa dia mahagaga fa ny tena ihany no tsy mahatsindry fo ka hamaly an’ireny fanambarana nataony ireny indray,

Hamaky ny tohiny...

Andry Rajoelina Miezaka mafy mampivondrona ny ekipany

26/02/2018

Nifampiarahaba sy nifampirary soa noho ny taom-baovao 2018 ny vondrona Mapar sy ireo mpiara-dia azy notarihan’ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Nirina Rajoelina.

Hamaky ny tohiny...

Orinasan-dRajoelina Ahiana hanaradia ny AAA Tiko

26/02/2018

Hita ho mailo dia mailo ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina, raha ny fihetsiny sy ny firesany taorian’ny fiverenany teo amin’ny tontolo politika indray taorian’izay 4 taona nahanginany izay.

Hamaky ny tohiny...

Lalàna mifehy ny fifidianana Hodinihin’ny parlemanta manomboka anio

26/02/2018

Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana eny anivon’ny antenimieram-pirenena, ka raha ny voafaritry ny lalàna dia tsy hihoatra ny 12 andro izany. Hifantoka betsaka amin’ny fandinihana ny tolo-dalàna momba ny fifidianana ny ny lahadinika, arahin’ny fandaniana izany.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Dibo-drano

26/02/2018

Vao tonga eto Gasikara, dia efa menatra ny tena Hoe eny Ivato aza dia efa rano be mangeniheny. Kotsa sahady ireo mba fitafy sy kiraro vaovao. Ary ahiana mihitsy aza ho boboka sy lao.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Seraseran’ny Prezidansa Nodimandry i Tsilavina Ralaindimby

26/02/2018

Nodimandry omaly alahady 25 febroary maraina teo amin’ny faha-70 taonany ny talen’ny fifandraisana eo anivon’ny fiadidiana ny repoblikan’i Madagasikara, Tsilavina Ralaindimby.

Hamaky ny tohiny...

Seranam-piaramanidina Ivato Dibo-drano tamin’ny sabotsy

26/02/2018

Efa mba ela ihany no niainana teto Madagasikara fa tsy mbola fahita ity zava-nitranga teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny sabotsy hariva teo.

Hamaky ny tohiny...

Vidim-panafody Miaka-bidy ihany koa

26/02/2018

Taorian’ny fiakaran’ny JIRAMA dia nahitana fiakarana ihany koa ny vidin’ny fanafody eny amin’ny toeram-pivarotana eto Madagasikara. Araka izany dia mikaikaika ny maro indrindra fa ireo manana ny marary mainka moa ireo miditra hopitaly.

Hamaky ny tohiny...

Fiantohana Tsy mbola laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy

26/02/2018

Maivana ny fiantohana eto Madagasikara satria betsaka no tsy mahalala ny tombontsoa azo avy amin’ny fiantohana.

Hamaky ny tohiny...

Mponin’ny faritra iva Hampianarina mihary

26/02/2018

Tsy afa-misitraka ny zo ekonomikany, amin’ny ankapobeny, ireo mponin’ny faritra iva, raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny Cefor, Jean Ambinintsoarivelo, na ny ivontoerana iray misehatra amin’ny fanabeazamboho ny fanofanana ara-pihariana tetsy amin’ny Pave Antaninarenina ny zoma teo.

Hamaky ny tohiny...

Voalaza ho namosavy ankizy roa Vehivavy iray matin’ny fitsaram-bahoaka

26/02/2018

Vehivavy iray antsoina hoe Fielina no voalaza fa matin’ny fitsaram-bahoaka tany Ambitsika Mananara Avaratra ny faran’ny herinandro lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baolina kitra tompondakan’Analamanga Vita avokoa ireo lalao miverina rehetra

26/02/2018

Tonga dia notontosaina omaly alahady 25 febroary avokoa ireo lalao miverin’ny andro voalohan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny baolina kitra

Hamaky ny tohiny...

Basket-Ball « Coupe du Président Zone Ouest » Nahery ny ASB Itasy nandresy ny Cnaps Itasy 108-91

26/02/2018

Nahery ny ekipan’ny ASB Itasy tamin’ny lalao famaranan’ny fifanintsanana “Coupe du Président Zone Ouest” notontosaina ny sabotsy 24 febroary teo tany Arivonimamo nanoloana ny ekipan’ny Cnaps Itasy.

Hamaky ny tohiny...

Rugby tetsy Malacam Voatanan’ny XV Family ady sahala ny Irc

26/02/2018

Mitohy hatrany ny fifaninanana rugby etsy amin’ny kianja Malacam Antanimena tarihan’ny ligin’Analamanga na dia teo aza ilay fanatanterahana fifidianana hoe hanoloana an’i Andry La Pie mpitarika azy.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Iniana ampahoriana !

26/02/2018

Mijaly tanteraka ny Malagasy eo anatrehan’ny fahasahiranana mandifotr’olona zakaina amin’izao. Na vary hohanina aza tsy voavidy intsony noho ny fidangany.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Gare routière MAKI-Andohatapenaka Niboridana ilay vehivavy tsy navela nivarotra

26/02/2018

Tsy azo hivarotana mihitsy etsy amin’ny tobim-piantsonana vaovao Andohatapenaka.

Hamaky ny tohiny...

Mpivarotra etsy amin’ny Fasan’ny Karana Very fanahy mbola velona, nisy nivaro-pananana

26/02/2018

Very fanahy mbola velona tanteraka ny ankamaroan’ireo mpivarotra etsy amin’ny Fasan’ny Karana amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana an-tanàn-dehibe Tsy mety milamina

26/02/2018

Tsy mety milamina ary efa tsy nilamina hatramin’izay ny fandaminana ny fifamoivoizana eto an-drenivohitra. Ny resaka fiantsonan’ireo fiara mpitati-bahoaka no tena tiana asian-dresaka.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

“Marché O Soldes” andiany voalohany Hotanterahina ny 23,24 ary ny 25 martsa izao

26/02/2018

Hampiantrano hetsika ara-barotra goavana isika eto an-drenivohitra ny 23,24 ary 25 martsa ho avy izao. “Marché O Soldes” no anarana nampitondraina izany karakarain’ny B-COM &C. Eny amin’ny Village Voara Andohatapenaka hanatontosana azy io ahitana mpandray anjara hatrany amin’ny 200 isa.

Hamaky ny tohiny...

Labiera CASTEL Nivoaka ny tavoahangy 65 Cl

26/02/2018

Navoaka tamin’ny endrika vaovao ny zava-pisotro Castel Beer. Raha tsiahivina kely ny tantara dia tao anatin’ny 65 taona izay, dia anisan’ireo vokatra fanta-daza indrindra aty amin’ny faritr’i Afrika Miteny Frantsay ny Castel Beer.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Mpitsara sy mpiandry fonja Fitsarana mikatso, gadra tafaporitsaka…

26/02/2018

Voakiana mafy ny resaka fitsarana sy ny mpandraharaha ny fonja mikasika ny resaka fitazonana am-ponja vonjimaika amin’izao fotoana izao.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

TRANO NIRODANA

26/02/2018

Trano iray nianjera tety Andravoahangy omaly alahady. Lehilahy iray no naratra mafy vokatr’izany. Efa nidina ifotony teny an-toerana ny mpamonjy voina. Mateti-piseho mihitsy ny loza amin’izao fotoam-pahavaratra izao, ka ilaina hatrany ny mitandrina.

Hamaky ny tohiny...

Vaovao avy any ivelany

Inter RD Congo

26/02/2018

Naparitaky ny mpitandro ny filaminana tamin’ny baomba mandatsa-dranomaso sy basy misy bala mamono ny hetsika am-pilaminan’ny vondron’ireo laika tao Kinshasha

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana