Fil d'actualités du 19/07/2018

  • 19/07/2018 - 12:00 : FIFIDIANANA FILOHA: Miisa 3 900 000 no ambaran'i Eric Rajonhson fa hifidy azy amin'ny fifidianana filoha amin'ny 7 novambara, ary milaza fa mahatoky izy fa ho lany.

  • 19/07/2018 - 11:30 : ONITIANA REALLY: Hivahiny ao amin’ny fahitalavitra TV Plus izy rahampitso zoma 20 jolay hariva ary hamaly ny fanontanian’ny olon-drehetra mahakasika azy sy ny asa nataony.

  • 19/07/2018 - 11:00 : MAHAJANGA: Olona 501 no fantatra taorian'ny fitiliana fa mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA, ka ny 122 dia tranga vaovao. Ny 277 ihany no manaraka fitsaboana.

  • 19/07/2018 - 10:30 : FAMPIANARANA: Ny alatsinainy 19 novambra no fidirana ho an'ny taom-pianarana 2018-2019, araka ny tetiandro navoakan'ny Minisitera.

  • 19/07/2018 - 10:00 : ERIC RAJOHNSON: Vonona ny diaspora Malagasy hifanome tanana azy, hoy ity kandida filoham-pirenena ity.

  • 19/07/2018 - 09:30 : FAMPIAKARANA SARAN-DALANA : Ny mpitatitra ao anatin'ny FMA na Fitaterana eto Antananarivo izay ahitana ny 194, 163, 165, 109, 143, 192, 166 no hampiakatra saran-dalana.

  • 19/07/2018 - 09:00 : FIFIDIANANA FILOHA: Hanao fanambarana ofisialy ny haha kandida azy eny amin'ny Karibotel Analakely i Eric Rajonshon.

  • 19/07/2018 - 08:30 : TSIPY KANETIBE - MASTERS DE PÉTANQUE : Manomboka anio any Illkirch-Graffenstaden Avaratra Atsinanana Frantsa ny dingana faha-4, ka hifandirana amin'ny ekipan'i Robineau i Madagasikara.

  • 19/07/2018 - 08:00 : FITATERANA: Misy amin'ireo koperativa eto an-drenivohitra milaza sy mampahafantra fa hiakatra 500Ar ny saran-dalana manomboka ny 01 aogositra.

  • 18/07/2018 - 12:00 : FITATERANA: Tontosa androany ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Tale Jeneralin'ny ATT teo aloha Jeneraly Andry Rakotondrazaka sy ny mpisolo toerana azy Kolonely Jeannot Reribake.

Voir plus d'infos...

18/07/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180206

Misongadina

Antsojay tsy an-kitsitsy Arodana ny tranon-dRavalomanana

06/02/2018

Mbola noporofoin’ny fitondram-panjakana HVM indray omaly fa tsy vonona amin’ny fampihavanana sy ny fifampiresahana izy. Ora vitsy taorian’ny antso nataon’ny mpitantana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ny amin’ny hisian’ny fifanajana sy fifampiresahana amin’ireo asa atao eto dia niroso tamin’ny fandravana ny trano iray eny Ankorondrano anisan’ny fananan’Atoa Marc Ravalomanana ny andian’olona narahana mpitandro ny filaminana. Nitarika azy ireo ny jeneraly Joseph Ramiaramanana, PDS-n’Antananarivo teo alohan-dRamatoa Lalao Ravalomanana, ary mpanara-maso ny tetikasan’ny filoham-pirenena, raha ny andraikiny ofisialy farany. Tsy nisy fanazavana hafa fa dia hoe :

Hamaky ny tohiny...

Politique

Rajaonarimampianina Hahay hanaja tena ve ?

06/02/2018

Na hihodin-kavia na hihodin-kavanana i Hery Rajaonarimampianina sy ny fanjakana HVM, dia tsy azo lavina fa tsy mankasitraka ny hitantanany ny firenena intsony ny ankamaroan’ny Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

ANTOKO MAITSO Tokony havoakan’ny fanjakana maika ny datim-pifidianana

06/02/2018

Naneho ny heviny mikasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny ny filoha nasionalin’ny antoko Maitso Atoa Georget Marie Alexandre.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Hijinja tadio

06/02/2018

Raha mba ialahy ry Jean no misy mandrahona Hoe ho avy ry dahalo handroba ny fananana. Na hoe sanatria ianareo no tratry ny "kidnapping" Angamba hisavoritaka sy hikorapaka toa inona.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Kaominina Ivato Tsy manaiky ny fandaminana ireo mpivarotra

06/02/2018

Tsy mety hiala amin’ny toerany ireo mpivarotra ao amin’ny tsenan’Ivato. Raha araka ny fandaminana eo anivon’ny kaominina mantsy dia afindra amin’ny sisiny sy ambadiky ny tsena izy ireo hahafahana manomboka ny asa fanamboarana ny tsena iray manontolo izay haharitra telo volana.

Hamaky ny tohiny...

Fampiasana telefaonina foza orana Tsy ho mora ny hanafoanana azy

06/02/2018

Amin’ny tapaky ny volana jolay ho avy izao no fe-potoana farany hahafahana manafatra ny karazana finday voasokajy ho foza orana eto amintsika, hoy ny minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra Atoa Nepatraiky.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Tsipy kanetibe « Triplette Boss » Fantatra indray ireo 16 vaovao hiatrika ny Grande finale

06/02/2018

Ekipa olon-telo miaraka (Boos 1 sy Elites 2) miisa 16 hafa indray tamin’ireo nandray anjara tamin’ny dingana faha-2 no fantatra tetsy amin’ny Cbt Mahamasina tamin’ny alahady teo fa hanampy an’ireo 16 efa fantatra tamin’ny alahady heriny 28 janoary fa tafita hiatrika ny Grande Finale hotontosaina ao ihany amin’ny sabotsy 10 sy alahady 11 febroary izao ka hiady ny “qualification 8è Star Master Thaillande de pétanque”.

Hamaky ny tohiny...

Rugby tetsy Malacam Voahosotra ho tompondakan’Analamanga vehivavy ny 3Fb

06/02/2018

Niara-dalana tamin’ny fanombohan’ny fiadiana ny amboaran’Analamanga tetsy amin’ny kianja Malacam notontosaina tamin’ny alahady 4 febroary 2018 teo ny lalao famaranana tamin’ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga 2017 amin’ny lalao rugby Malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Tournoi de Noël 2017 Omby 2 no tafavoaka tetsy amin’ny ANS tamin’ny alahady

06/02/2018

Omby 2 tamin’ny 3 niadiana no tafavaola tetsy amin’ny Ans Ampefiloha ny alahady 04 febroary 2018 tamin’ny lalao famaranan’ny « Coupe de Noël 2017” eo amin’ny taranja rugby à XV nokarakarain’ny Association FMTR sy ny fikambanana Fitahina tarihan’ny filohany Rajaonatahina Bako.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Fampiesonana 2030 !

06/02/2018

Ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina no nilokaloka fa handray an-tànana ny fampihavanam-pirenena, saingy tahaka ilay hoe telo volana dia voavahako ny delestazy tamin’ny propagandy hatrany no niseho. Izy sy ny antokony no mirehareha fatratra amin’ny fahefana eo am-pelanantanana, ka migafy etsy sy eroa.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

RNS 5a Ambilobe-Vohemar Tetikasa mifono propagandy

06/02/2018

Ampahan-dalana tena mampitaraina ny maro ny lalana mampitohy an`Ambilobe sy Vohemar. Ratsy ny lalam-pirenena mirefy 159 km ary mahatratra ora 12-15 no angalana an'izany rehefa hain-tany. Amin`izao vanim-potoanan’ny orana izao dia 5 hatramin`ny 6 andro no ahafahana manao azy.

Hamaky ny tohiny...

Seranam-piaramanidina Ivato Vita ny 25%-n’ny asa fanitarana

06/02/2018

Ny 25 %-n’ny asa fanitarana sy fanamboarana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato no efa vita ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fampindramam-bola madinika Miha sahirana ireo mpanjifa nanomboka ny taona 2015

06/02/2018

Nanomboka ny taona 2008 no niroborobo fatratra ny sehatra fampindramam-bola madinika (microfinance) teto Madagasikara. Tafakatra hatrany amin’ny 1 400 000 ny mpanjifa ny taona 2015 raha toa ka manodidina ny 1 000 000 ny taona 2013, araka ny statistikan’ny foibe fitantanana ny tahirim-bolam-panjakana.

Hamaky ny tohiny...

ZES-Madagasikara Mila 2 miliara dolara mahery ny fametrahana azy

06/02/2018

Famatsiam-bola maherin`ny 2 lavitrisa dolara na 6.385 miliara Ariary no ilaina raha hametraka ny tetikasa Faritra ara-toekarena manokana na ZES eto Madagasikara ka ny faritra ao DIANA, SAVA, Anòsy ary Moramanga no hanatanterahana an`izany.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Tra-tehaka ny afera maizina Sokatra 245 no nafenina tanaty vatampaty

06/02/2018

Fomba hafa kely sy tsy mbola fanao hatrizay no nampiasain’ireo mpanao aferan-drongony sy mpanondrana sokatra tsy ara-dalàna.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Fitsarana sy ny mpiandry fonja Ho vaky tanteraka ny ady…

06/02/2018

Mivoaka ny resaka fa manam-paniriana hisintaka tanteraka tsy ho eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny fitsarana intsony ny sampandraharahan’ny fonja.

Hamaky ny tohiny...

Kidnapping tany Toamasina Miditra an-tsehatra ny USI, olona 8 nosamborina

06/02/2018

Mahasarika olona maro ny raharaha fakana an-keriny an’i Akil Cassam Chenai any Toamasina. Samy miresaka azy avokoa ny maro satria efa mandeha indray ny fitaintaintanan-dava ho an’ireo fianakavian’ireo olona marobe nosamborin’ny GSIS fahatany sy nanaovany « bizina » tamin’ny raharaha fakana an-keriny an’i Annie sy Arnaud telo tao lasa izany.

Hamaky ny tohiny...

Ranohira Olon’ny TIM maty nisy namono

06/02/2018

Maty novonoin’ny mpiasa tao aminy i Arimanana Léon na Rabesoavaly. Efa ho iray volana tsy hita izy ary rehefa natao ny fikarohana dia nalevin’ireo olon-dratsy teo amin’ny manodidina ny trano fonenany ao Ranohira ihany.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FAMPIANARAN-JANAKA

06/02/2018

Mazoto mampiana-janaka ny ankamaroan’ireo ray aman-dreny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo.

Hamaky ny tohiny...

MARC RAVALOMANANA

06/02/2018

Tany amin’ny lalàm-pirenena faha-2 indray i Marc Ravalomanana no nanao fitsidihana sy ny nihaona nifampitakosina tamin’ny vahoaka omaly, ka isan’izany ny tao Nandihizana Carion, Manjakandriana, Ambatolaona.

Hamaky ny tohiny...

Vaovao avy any ivelany

Fifidianana filoha any Costa Rica Pastera no “favori”

06/02/2018

Nanatanteraka fifidihanana filoham-pirenena fihodinana voalohany ny firenena Costa Rica ny alahady teo. Mpitarika fivavahana iray, dia ny Pastera Fabricio Alvarado miady amin’ny fanambadian’ny olona mitovy fananahana no mitarika amin’ny ampaham-bokatra vonjimaika izay nanana isam-bato 24,9%

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana