Fil d'actualités du 19/07/2018

  • 19/07/2018 - 11:30 : ONITIANA REALLY: Hivahiny ao amin’ny fahitalavitra TV Plus izy rahampitso zoma 20 jolay hariva ary hamaly ny fanontanian’ny olon-drehetra mahakasika azy sy ny asa nataony.

  • 19/07/2018 - 11:00 : MAHAJANGA: Olona 501 no fantatra taorian'ny fitiliana fa mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA, ka ny 122 dia tranga vaovao. Ny 277 ihany no manaraka fitsaboana.

  • 19/07/2018 - 10:30 : FAMPIANARANA: Ny alatsinainy 19 novambra no fidirana ho an'ny taom-pianarana 2018-2019, araka ny tetiandro navoakan'ny Minisitera.

  • 19/07/2018 - 10:00 : ERIC RAJOHNSON: Vonona ny diaspora Malagasy hifanome tanana azy, hoy ity kandida filoham-pirenena ity.

  • 19/07/2018 - 09:30 : FAMPIAKARANA SARAN-DALANA : Ny mpitatitra ao anatin'ny FMA na Fitaterana eto Antananarivo izay ahitana ny 194, 163, 165, 109, 143, 192, 166 no hampiakatra saran-dalana.

  • 19/07/2018 - 09:00 : FIFIDIANANA FILOHA: Hanao fanambarana ofisialy ny haha kandida azy eny amin'ny Karibotel Analakely i Eric Rajonshon.

  • 19/07/2018 - 08:30 : TSIPY KANETIBE - MASTERS DE PÉTANQUE : Manomboka anio any Illkirch-Graffenstaden Avaratra Atsinanana Frantsa ny dingana faha-4, ka hifandirana amin'ny ekipan'i Robineau i Madagasikara.

  • 19/07/2018 - 08:00 : FITATERANA: Misy amin'ireo koperativa eto an-drenivohitra milaza sy mampahafantra fa hiakatra 500Ar ny saran-dalana manomboka ny 01 aogositra.

  • 18/07/2018 - 12:00 : FITATERANA: Tontosa androany ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Tale Jeneralin'ny ATT teo aloha Jeneraly Andry Rakotondrazaka sy ny mpisolo toerana azy Kolonely Jeannot Reribake.

  • 18/07/2018 - 11:30 : POLISIM-PIRENENA: Nisy androany ny fidinana ifotony amin'ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Eric Michel Idrissa sy ny Tale Jeneralin'ny Polisim-pirenena Rafanomezantsoa Roger sy ireo tompon'andraikitra avy eo anivon'ny Polisim-pirenena nijery ny fandriampahalemana ifotony sy hihainoana ny fitarainan'ny arydia Andohotampenaka

Voir plus d'infos...

18/07/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180129

Misongadina

Entana vokarin’ny Tiko AAA Ifandrombahana eny amin’ny mpivarotra

29/01/2018

Tsikaritra ny faran’ny herinandro teo fa nifandrombahana teny amin’ny mpivarotra ny vokatry ny orinasa Tiko AAA na ny épicerie tsotra na ireo toeram-pivarotana lehibe (grandes surfaces) eto Antananarivo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kandida ho filoham-pirenena Tsy ho latsaky ny 15 isa…

29/01/2018

Hatreto aloha, efa mihoatra ny 15 ireo heno fa hilatsaka ho fidiana filoham-pirenena amin’ity taona ity.

Hamaky ny tohiny...

Fitondrana Rajaonarimampianina Fihemorana mirindra, hoy ny SSM

29/01/2018

Mbola manohy ny fitakiany hatrany manoloana ireo tsy rariny mianjady amin’ny mpiasa Malagasy ny randrambaon’ny sendikan’ny mpiasa eto Madagasikara na ny SSM, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneraliny, Jean Raymond Rakotoniasy, tao amina fahitalavitra tsy miankina 1 ny alin’ny sabotsy teo.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Hanolotra kandida tokana ny « Grand Sud »

29/01/2018

Manomboka mifoha tsikelikely sy manomana ny paikadiny ireo antoko sy mpanao politika mihevitra ny handray anjara amin’ny fifidianana filoham-pirenena amin’ny taona 2018.

Hamaky ny tohiny...

Zon’ny olom-pirenena amin’ny fifidianana Maro ny tsy mbola fantatry ny olona akory

29/01/2018

Manamarina ny anarana ao anaty lisitra hatramin’ny 31 janoary ihany hatreto no tena heno sy hita ho miverimberina matetika voizin’ny fitondram-panjakana eny amin’ny haino aman-jery fa na ny tokony hatao eo anelanelan’ny 31 janoary hatramin’ny 15 aprily, izay fotoana hikatonan’io lisitra io aza tsy ampy be dia be ny fanazavana mikasika azy.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Fiadidian’ny Repoblika Namboly zanakazo 2850

29/01/2018

Nanatanteraka fambolen-kazo tany Ilamaka, fokontany Ankadivola ao amin’ny kaominina Ambohijanaka ny avy amin’ny fiadidian’ny Repoblika notarihin’ny filoham-pirenena mivady ny sabotsy 27 janoary lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Kolikoly aty Afrika 50 miliara dolara isan-taona no very

29/01/2018

Misokatra amin’ny fomba ofisialy amin’ity alatsinainy ity any Addis Abeba- Etiopia ny fivoriana an-tampony faha-30 an’ny vondrona Afrikanina.

Hamaky ny tohiny...

Fikirakirana teknolojia Fetsy ratsy i Tatandraza, hoy ny zandary

29/01/2018

Tsy dia sarotra ho an’ny mpitandro ny filaminana intsony ny fikarohana ireo olona manao ratsy sy mandika lalàna amin’ny tambajotra “facebook”.

Hamaky ny tohiny...

Ady tany eny Ambohitrakely Tsy nilefitra ny miaramila

29/01/2018

Ny marainan’ny zoma teo raha tsiahivina no tonga teo amin’ny tany misy ny toeram-piasan’ny mpanao asa tanana 1 vita amin’ny simenitra etsy Ambohitrakely ny andiana miaramila nitondra taratasy milaza fa tany miaramila no misy ity toerana fanaovana asa tanana ity ka tokony hiala teo ny tenany.

Hamaky ny tohiny...

Orinasa AIRTEL Nanampy ireo traboina nandalovan’ny AVA

29/01/2018

Ireo mponina tany amin’ny faritra atsinanan’ny Nosy tamin’ny ankapobeny no tena nitondra faisana nandritra ny fandalovan’ny rivodoza AVA teto amintsika farany teo.

Hamaky ny tohiny...

Misaona ny Antoko AREMA Nodimandry i Solofoson Georges

29/01/2018

Nodimandry teo amin’ny faha-75 taonany ny alakamisy 25 janoary teo ny minisitry ny varotra teo aloha Atoa Solofoson Georges rehefa niady tamin’ny aretina tao anatin’ny 5 taona.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Imerintsiatosika Namboly zana-kazo 3.000 fototra

29/01/2018

Miroso hatrany amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana ankehitriny ny kaominina ambanivohitra Imerintsiatosika.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Rugby à XV Tompondakan’i Madagasikara ny FTM Manjakaray

29/01/2018

Norombahin’ny fileovan’ny FTM Manjakaray ny anaram-boninahitra, tompondakan’i Madagasikara 2017 eo amin’ny taranja rugby à XV. Lavony tamin’ny isa mazava 44-20 omaly alahady 28 janoary 2018 tetsy amin’ny kianja Mahamasina tamin’ny lalao famaranana ny fifaninanana Gold Top 8 2017.

Hamaky ny tohiny...

Kitra Vehivavy “Division Elite” dingana faha-3 NY Askam sy ny Ac Sab Nam hatreto no mbola tsy resy mihitsy

29/01/2018

Tontosa ny zoma 26 sy omaly alahady 28 janoary teny amin’ny kianja sentetika Carion ny andro voalohany sy andro faha-2 amin’ny kitra vehivavy “Division Elite” dingana faha-3.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mivonona indray

29/01/2018

Koa raha ny mpiasam-panjakana aza moa no efa miaiky fa toy ny mihantsy azy ireo hanao fihetsiketsehana ny fitondrana ka mampanahy sao tetika hanemorana fifidianana izany, tsy aleo koa ve mivonona amin’izay mety hitranga indray isika mianankavy ?

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fahadiovana sy fidiovana Lasa tsy laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy intsony

29/01/2018

Lasa tsy laharam-pahamehana ho an’ny Malagasy intsony ankehitriny ny fahadiovana. Manomboka amin’ny fahadiovan’ny vatany izany, izay tena lehibe sy goavana indrindra ka hatramin’ny fanadiovany ny faritra misy azy sy ny ao an-tokantranony.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Groupe Vidy Varotra Hanome ny tsara hatrany ho an’ny Malagasy

29/01/2018

Ny sabotsy 27 janoary lasa teo no nisafidianan’ny vondron’orinasa Vidy Varotra izay misy ny Gazety Vidy Varotra, Job, Jejoo, Tia Tanindrazana sy ny onjampeo Top Radio 102.8 FM nifampiarahabana sy nifampirariana soa noho ny taom-baovao 2018.

Hamaky ny tohiny...

Lalana potika Tsy mitondra fampandrosoana ara-toekarena

29/01/2018

Anisan’ny sehatra iray azo hitarafana ny fandrosoan’ny firenena iray ny fahatsaran’ny lalana misy ao aminy. Raha ny eto Madagasikara manokana ohatra, izay firenena miankin-doha tanteraka amin’ny fambolena dia ilaina ny fahatsaran’ny lalana mba amoahana haingana ny vokatra, indrindra any amin’ireny ambanivohitra ireny.

Hamaky ny tohiny...

Fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina Hanomboka ny volana Aprily ny “VINA 2025”

29/01/2018

Ny zoma hariva teo no nanao ny lanonana ho fifampiarahabana noho ny taona vaovao 2018 ny mpiasan’ny seranan-tsambon’i Toamasina notarihan’ny tale jeneraliny Avellin Eddy Christian sy ireo mpiara-miasa aminy, izay sambany no natrehan’ny filohan’ny komitim-pitantanan’ny Spat Rtoa Razanandrakoto Herisoa niaraka tamin’ireo telo mianadahy mpikambana eo anivon’ny komitim-pitantanana.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Fanabeazana 60 taona nanabeazana ny Cemeam

29/01/2018

Nofaranana tamin’ny sabotsy 27 janoary lasa teo ny fankalazana ny faha-60 taonan'ny Centre d' Entrainement aux Méthodes d' Education Active à Madagascar (CEMEAM) rehefa nosokafana ny 10 jona 2017 tamin'ny taona lasa.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Halabotry tao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa Maty nodobohana vato ilay rangahy

29/01/2018

Rangahy iray maherin’ny 50 taona no maty vokatry ny vono sy daroka nahazo azy tao amin’ny faritry ny oniversiten’Andrainjato Fianarantsoa ny marainan’ny sabotsy 27 janoary lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

MPANAO GAZETY NIHARAN’NY HERISETRA

29/01/2018

Voaendaka teny amin’ny Fiantsonan’ny taksibe teny Andranomena i Rivo Thein Swhe, mpanao gazetin’ny Top Radio ny sabotsy teo tokony ho tamin’ny 8 ora alina.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana