Fil d'actualités du 19/07/2018

  • 19/07/2018 - 11:30 : ONITIANA REALLY: Hivahiny ao amin’ny fahitalavitra TV Plus izy rahampitso zoma 20 jolay hariva ary hamaly ny fanontanian’ny olon-drehetra mahakasika azy sy ny asa nataony.

  • 19/07/2018 - 11:00 : MAHAJANGA: Olona 501 no fantatra taorian'ny fitiliana fa mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA, ka ny 122 dia tranga vaovao. Ny 277 ihany no manaraka fitsaboana.

  • 19/07/2018 - 10:30 : FAMPIANARANA: Ny alatsinainy 19 novambra no fidirana ho an'ny taom-pianarana 2018-2019, araka ny tetiandro navoakan'ny Minisitera.

  • 19/07/2018 - 10:00 : ERIC RAJOHNSON: Vonona ny diaspora Malagasy hifanome tanana azy, hoy ity kandida filoham-pirenena ity.

  • 19/07/2018 - 09:30 : FAMPIAKARANA SARAN-DALANA : Ny mpitatitra ao anatin'ny FMA na Fitaterana eto Antananarivo izay ahitana ny 194, 163, 165, 109, 143, 192, 166 no hampiakatra saran-dalana.

  • 19/07/2018 - 09:00 : FIFIDIANANA FILOHA: Hanao fanambarana ofisialy ny haha kandida azy eny amin'ny Karibotel Analakely i Eric Rajonshon.

  • 19/07/2018 - 08:30 : TSIPY KANETIBE - MASTERS DE PÉTANQUE : Manomboka anio any Illkirch-Graffenstaden Avaratra Atsinanana Frantsa ny dingana faha-4, ka hifandirana amin'ny ekipan'i Robineau i Madagasikara.

  • 19/07/2018 - 08:00 : FITATERANA: Misy amin'ireo koperativa eto an-drenivohitra milaza sy mampahafantra fa hiakatra 500Ar ny saran-dalana manomboka ny 01 aogositra.

  • 18/07/2018 - 12:00 : FITATERANA: Tontosa androany ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Tale Jeneralin'ny ATT teo aloha Jeneraly Andry Rakotondrazaka sy ny mpisolo toerana azy Kolonely Jeannot Reribake.

  • 18/07/2018 - 11:30 : POLISIM-PIRENENA: Nisy androany ny fidinana ifotony amin'ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka Eric Michel Idrissa sy ny Tale Jeneralin'ny Polisim-pirenena Rafanomezantsoa Roger sy ireo tompon'andraikitra avy eo anivon'ny Polisim-pirenena nijery ny fandriampahalemana ifotony sy hihainoana ny fitarainan'ny arydia Andohotampenaka

Voir plus d'infos...

18/07/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180123

Misongadina

Fanenjehana sy ramatahora “Sahy aho matoa mijoro”, hoy Ravalomanana

23/01/2018

Nihaona tamin’ny mpanao gazety tao Tolagnaro omaly hariva taorian’ny fanakanana ny fihaonana saika hotanterahany tamin’ny mponina tao an-toerana Atoa Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny Tiako I Madagasikara, niresahany ny fifidianana sy ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny. Nanana solontena nanatrika izany ny Tia Tanindrazana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Hery Rajaonarimampianina Miantehitra amin’ny tafika

23/01/2018

Nirarakopana ny fampiakarana galonana, ka omaly no notolorana faneva teny Iavoloha ireo jeneraly 56 vao avy nahazo fampiakarana galona avy amin’ny filoham-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Harimanana Raniriharinosy Manahy korotam-be

23/01/2018

Zava-dehibe ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara, hoy ny mpahay lalàna sady mpanao politika eo anivon’ny antoko Arema,

Hamaky ny tohiny...

Fikambanan’ny Gadra politika Tokony havoaka alohan’ny fifidianana ny fanonerana

23/01/2018

Nihaona tamin’ny filohan’ny FFM, Maka Alphonse tetsy amin’ny birao fiasany tetsy Ampefiloha ny faran’ny herinandro teo ny Fedep na ny Federasion’ireo gadra politika Malagasy notarihan’ny filohany Rakotomalala Henri na i Riribe. Miantsoantso fitoniana ny FFM ankehitriny, hoy izy ireo, nefa tsy hita izay fanapahan-kevitra tena raisiny.

Hamaky ny tohiny...

CLRE Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina Misy lehiben’ny fokontany tsy mety mandray azy ireo

23/01/2018

Nihaino ny tatitra nataon’ireo CLRE na ny « Comité Locale pour le Recensement des Electeurs » tetsy Antaninandro ny faran’ny herinandro teo ny mpanolotsaina manokan’ny filoha lefitry ny TIM Faritanin’Antananarivo Ramalason Olga,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Bizna

23/01/2018

Potika sahady ny ankamaroan’ireo lalana namboarina ry Jean bizna. Ny eny Itaosy sy anosy sy Anosizato aloha no efa hita fa efa lasa lavaka be sahady ilay nandaniana ohatrinona teo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tolagnaro Nosomparan’ny Emmoreg Ravalo

23/01/2018

Nogafiana tsotra izao ny fihaonana nataon'i Marc Ravalomanana tamin'ireo mpomba azy tany Tolaganro omaly. Vao niditra fotoana fohy tao amin'ny Resto la Vanille ny tenany, dia mpitandro filaminana mirongo fiadiana no tazana teo amin'ny vavahady.

Hamaky ny tohiny...

Fanomezana tany 200 000 Km² ny sinoa Hipoaka tsy ho ela ny dosie maloto

23/01/2018

Adinodino na tsy misy tohiny intsony amin’izao fotoana ny raharaha “Villa Elizabeth” sy ny maro hafa. Nilaza kosa ny minisitra teo aloha Tabera Randriamanantsoa fa mifandray matetika amin’ny Bianco ny CRN (Comité pour la Réconciliation Nationale),

Hamaky ny tohiny...

Italianina akaiky ny fitondrana Olona madio aho, hoy i Ciro Visone

23/01/2018

Efa telopolo taona eo no nahafantarako an’i Madagasikara ary tamin’ny taona 2002 dia nitsidika matetika an’i Nosy Be…

Hamaky ny tohiny...

Olana ao amin’ny boriborintany faharoa Azo soloina ny olona, hoy ny lefitry ny ben’ny tanàna

23/01/2018

Tsy nijanona intsony fa dia mbola nitohy hatrany hatramin’iny omaly iny ny fitokonan’ireo mpiasa eo anivon’ny boriborintany faharoa hitakian’ny fialan’ny delege ao an-toerana, Jacques Ramanandraibe, na dia efa nisy aza ny fitsirihana nataon’ireo tomponandraikitra tamin’ny herinandro lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Fiovan’ny toetrandro Mila mivonona miatrika izany ny Malagasy

23/01/2018

Ny fiovan’ny toetrandro dia mety ateraky ny lalam-pivoarana anaty voajanahary na avy amina faneriterena ivelany na avy amina fanovana maharitra ataon’olombelona eo amin’ny taharon’ny atmôsfera na eo amin’ny fampiasana ny tany.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Pastera Mailhol Manohana 100 % ny kabarin’ny filohan’ny FJKM

23/01/2018

Manohana 100 % ny kabarin’ny filohan’ny fiangonana FJKM ny mpitandrina Irako Andriamahazosoa Ammi tamin’ny Alahady teo teny amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny pastera Mailhol mikasika ny fanentanany ny Kristianina mba hiroso bebe kokoa amin’ny fanaovana politika.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Baskety Baolina Malagasy Niova ny datin’ireo fifaninanana nasionaly rehetra

23/01/2018

Noho ny fanovana ny datim-panadinam-panjakana navoakan’ny minisiteran’ny fanabezam-pirenena dia nandefa taratasy any amin’ny ireo ligy rejionalin’ny basikety rehetra eto Madagasikara,

Hamaky ny tohiny...

Badminton Fantatra ireo Tompondakan’i Madagasikara vaovao 2017

23/01/2018

Fantatra avy tamin’ireo lalao natao tetsy amin’ny kianja Mitafon’Ankorondrano ny 13 sy 14 ary 21 janoary 2018 teo ireo tompondaka vaovao 2017 an’ny taranja Badminton Malagasy tamin’ireo mpandray anjara am-polony maromaro avy amin’ny ligy 3 eo amin’ity taranja ity misy eto Madagasikara (Analamanga, Atsinanana ary Vakinankaratra).

Hamaky ny tohiny...

« Tournoi baskety Ady omby d'Ambohimanarina 2.0 » Nahery ny JCSA vehivavy sy ny UNITE lehilahy

23/01/2018

Nahery ny ekipan’ny Jcsa Ambohimanarina vehivavy, nandresy tamin’ny mokafohy ny Bad Team Alarobia (62-61).

Hamaky ny tohiny...

Edito

Hiroso any an-davaka ?

23/01/2018

Ny an-tratra tsy lavo, ka eo no mbola hoe antsoy ihany koa ny raiben’ialahy, hoy ny fitenena.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Hopitalin’ny reny sy ny zaza Tsaralalana Olona sahirana ny 80 %-n’ireo tonga mitsabo tena ao

23/01/2018

Sahirana ara-pivelomana avokoa ny 80 %-n’ireo olona tonga mitondra ny menaky ny ainy hotsaboina etsy amin’ny hôpitalin’ny reny sy ny zaza etsy Tsaralalàna. Tsy mbola nisy tamin’izy ireo anefa, hoy ny profesora Annick Robinson, no noroahina na tsy notsaboina rehefa tsy manam-bola hamidy fanafody, fa raisin’ny “assistante sociale” avy hatrany ny fikarakarana, miankina amin’izay zava-misy eo am-pelatananan’izy ireo.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Toekarena Mitotongana tanteraka ny ariary

23/01/2018

Tsy nitsahatra nitotongana ny vola Ariary tao anatin’ny telo volana farany manoloana ireo vola vahiny be mpampiasa eto amintsika. 3.950 Ariary ny vola eoropeanina ary 3.230Ariary kosa ny dolara.

Hamaky ny tohiny...

Fadin-tseranana Nampahafantarina ireo lalàna vaovao

23/01/2018

Omaly no natao tetsy amin’ny tranoben’ny Varotra sy Indostria ny fampahafantarana ny lalàna vaovao sy ny lalàna nasiam-panitsiana momba ny fadin-tseranana.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

CISCO Fenoarivobe Natsahatra tsy nianatra ny kilasy nitrangan’ilay ambalavelona

23/01/2018

Tsy niandry ela fa nandray ny andraikiny avy hatrany ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny eo anivon’ny fari-piadidiam-pampianarana Fenoarivo nanoloana ireo ankizy nihetsika aretina Ambalavelona tao amin’ny CEG Ankotrabe.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Houcine Arfa Mbola manana lezionera namana miriaria eto

23/01/2018

Marobe ny fanontaniana mipetraka kanefa tsy voakasiky ny fanadihadiana akory momba ny raharaha Houcine Arfa. Feno basy tao an-tranony tamin’ny fotoana nisamborana azy teny Ambolokandrina, ary karazany maro mihitsy izany.

Hamaky ny tohiny...

Mirongatra ny asan-jiolahy Maivana ny sazy, malalaka ny fivoahana ?

23/01/2018

Mampiteny ny moana ity tsy fandriampahalemana andro aman’alina eto amin’ny firenena ity.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FIARA HAFAHAFA

23/01/2018

Fiara tsy misy taratasy na ny kely aza no nipetraka fotsiny teo amoron-dalana ary mivoha fotsiny, tetsy Bongatsara Andoharanofotsy. Mitondra ny marika Kia ilay fiara tsy mataho-dalana ary nentin’ny zandary ao amin’ny borigady aloha ary nanokafana fanadihadiana ny momba izay mety ho tompony.

Hamaky ny tohiny...

DATIM-PIFIDIANANA

23/01/2018

Afaka 11 andro dia ho tapitra tanteraka ny fe-potoana farany hahafahan’ny olom-pirenena manamarina ny anarany ao anaty lisi-pifidianana eny anivon’ny fokontany. Midika izany fa izay tsy tafiditra ao anaty lisi-pifidianana hatramin’ny 31 janoary dia tsy afaka ny handray anjara amin’ny fifidianana mifanesy eto amin’ny firenena.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana