Fil d'actualités du 19/07/2018

  • 19/07/2018 - 12:00 : FIFIDIANANA FILOHA: Miisa 3 900 000 no ambaran'i Eric Rajonhson fa hifidy azy amin'ny fifidianana filoha amin'ny 7 novambara, ary milaza fa mahatoky izy fa ho lany.

  • 19/07/2018 - 11:30 : ONITIANA REALLY: Hivahiny ao amin’ny fahitalavitra TV Plus izy rahampitso zoma 20 jolay hariva ary hamaly ny fanontanian’ny olon-drehetra mahakasika azy sy ny asa nataony.

  • 19/07/2018 - 11:00 : MAHAJANGA: Olona 501 no fantatra taorian'ny fitiliana fa mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA, ka ny 122 dia tranga vaovao. Ny 277 ihany no manaraka fitsaboana.

  • 19/07/2018 - 10:30 : FAMPIANARANA: Ny alatsinainy 19 novambra no fidirana ho an'ny taom-pianarana 2018-2019, araka ny tetiandro navoakan'ny Minisitera.

  • 19/07/2018 - 10:00 : ERIC RAJOHNSON: Vonona ny diaspora Malagasy hifanome tanana azy, hoy ity kandida filoham-pirenena ity.

  • 19/07/2018 - 09:30 : FAMPIAKARANA SARAN-DALANA : Ny mpitatitra ao anatin'ny FMA na Fitaterana eto Antananarivo izay ahitana ny 194, 163, 165, 109, 143, 192, 166 no hampiakatra saran-dalana.

  • 19/07/2018 - 09:00 : FIFIDIANANA FILOHA: Hanao fanambarana ofisialy ny haha kandida azy eny amin'ny Karibotel Analakely i Eric Rajonshon.

  • 19/07/2018 - 08:30 : TSIPY KANETIBE - MASTERS DE PÉTANQUE : Manomboka anio any Illkirch-Graffenstaden Avaratra Atsinanana Frantsa ny dingana faha-4, ka hifandirana amin'ny ekipan'i Robineau i Madagasikara.

  • 19/07/2018 - 08:00 : FITATERANA: Misy amin'ireo koperativa eto an-drenivohitra milaza sy mampahafantra fa hiakatra 500Ar ny saran-dalana manomboka ny 01 aogositra.

  • 18/07/2018 - 12:00 : FITATERANA: Tontosa androany ny fifamindram-pahefana teo amin'ny Tale Jeneralin'ny ATT teo aloha Jeneraly Andry Rakotondrazaka sy ny mpisolo toerana azy Kolonely Jeannot Reribake.

Voir plus d'infos...

18/07/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180119

Misongadina

Rajao sy Mahafaly Rava ny tsena

19/01/2018

Sanganehana ny mpanara-baovao omaly, noho ny tsy fahitana ny praiminisitra Mahafaly Solonandrasana Olivier nandritra ny fitokanana ny tranon’ny minisiteran’ny Indostria teny Anosy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lalàna iatrehana ny fifidianana Mbola maloto daholo, hoy ny Teza

19/01/2018

Mbola manana herintaona ny fitondrana ankehitriny, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa, hidirana ao anatin’ny antsoina hoe “Cadre legal” amin’ny lafiny rehetra.

Hamaky ny tohiny...

Rivo Rakotovao Tsy atokisan’ny filoha intsony…

19/01/2018

Misalasala tanteraka ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina amin’ny fandaminana ny politikany sy ny fiomanany amin’ny fifidianana.

Hamaky ny tohiny...

Fanodinkodinana ny saim-bahoaka

19/01/2018

``Miala any e, miala any ry be ... Sinema``. Niteraka resabe teny anivon ny fiarahamonina ka anisan`ny tena nanamarika ny mpanara-baovao ilay resaka ``Kolikoly avo lenta`` nahavoarohirohy tompon`andraikitra ambony maro eo anivon`ny fitondrana mahakasika an`i Houcine Arfa,

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Figadrana fahafahana

19/01/2018

O ry Jean, mba mampanontany tena ahy Hay ve ry Antanimora sy ry Tsiafahy Ka misy vidiny sy hofany azo efaina, Ka tsy mampaninona na mandatsak'aina ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Tonia mpampanoa lalàna Odette Balisama “Tsy nandray kolikoly izany aho"

19/01/2018

Nanao fanambarana teny amin' ny lapan'ny fitsarana Anosy omaly ny Tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Rtoa Razafimelisoa Odette Balisama.

Hamaky ny tohiny...

Minisitry ny fitsarana nandray 70 000 Euros Miantso ny Bianco ny SMM

19/01/2018

Nandefa fangatahana tany amin’ny Birao mahaleotena misahana amin’ny ady amin’ny kolikoly na ny Bianco momba ny hanaovany fanadihadiana lalina mikasika ilay ampamoaka nataon’ilay Frantsay ho nanome volabe ny minisitry ny fitsarana, tonia mpampanoa lalàna, tale kabinetran’ny minisiteran’ny fitsarana,…

Hamaky ny tohiny...

Rivodoza Berguitta Nandravarava an’i Maorisy sy La Réunion

19/01/2018

Tany amin'ny 955 km Atsinanan’i Nosy Varika no nisy ny foiben’ilay rivodoza Berguitta omaly alakamisy 18 janoary tamin’ny atoandro. Nitondra rivotra 102 Km/ora izy, narahina tafiotra 144 Km/ora. Manafaingana ny diany mianatsimo andrefana izy ary mahafaka 24 Km/ora. Tsy hiditra eto Madagasikara izy fa tombanana ho amin’ny antonony kosa ny rotsak’orana hoentiny any amin’ny faritra Atsimo amin’ny faran’ny herinandro.

Hamaky ny tohiny...

Sambo miditra eto Madagasikara Tsy tokony hanao tandrevaka isika, hoy ny manampahaizana

19/01/2018

Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara, izay voafaritra amin’ny hoe fetra an-tanety sy ana habakabaka ary an-dranomasina.

Hamaky ny tohiny...

Sport

«Telma Super Coupe 2017 » eny Vontovorona Hahazo fanomezana ireo mpijery 1.000 tonga voalohany

19/01/2018

Hangotraka ny eny amin’ny kianjan’ny Complexe Culturel et de Loisirs CNaPS Vontovorona hanatanterahana ny lalao miverin’ny “Telma Super Coupe de Madagascar 2017” rahampitso sabotsy 20 janoary.

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana filohan’ny ligin’ny Analamanga Endrika fanapotehana ny rugby, hoy i Andry La Pie

19/01/2018

Mitohy ny disadisa misy eo amin’ny tontolon’ny taranja rugby Malagasy ankehitriny izay miainga eo amin’ny fifandraisana tsy mety milamina eo anivon’ny mpitantana ny Malagasy Rugby an-daniny sy ny mpitantana ny Analamanga Rugby an-kilany.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Vaksiny Polio Nilamina tamin’ny ankapobeny

19/01/2018

Nizotra tamim-pilaminana ny andro voalohany sy ny faharoa nanatanterahana ilay fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny aretina lefakozatra manerana ny Nosy ho an’ireo ankizy latsaky ny dimy taona.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Fifaninanana tsy ara-drariny Velon-taraina ny mpandraharaha tsy miankina

19/01/2018

Velon-taraina ireo mpandraharaha tsy miankina noho ny gaboraraka misy ankehitriny amin’ny fidiran’ny entana avy any ivelany izay tsy manaja ny fenitra sy ny kalitao araka ny tokony ho izy.

Hamaky ny tohiny...

Agence Première Ligne 50 isa ny « salons » vita tao anatin’ny 20 taona

19/01/2018

Nambaran’ny mpitantana ny Agence Première Ligne, Michel Dominichini-Ramiaramanana, tetsy Antaninarenina omaly alakamisy 18 janoary fa nandritra ny 20 taona (1998-2018) dia « salons » niisa 50 no tontosa teo ambany fitarihan-dry zareo.

Hamaky ny tohiny...

Fampianarana

Vatsim-pianarana eny Ankatso Tsy mbola nivoaka ny tetiandron’ny DEGS

19/01/2018

Milamindamin-dratsy indray aloha ny eny anivon’ny anjerimanontolon’Antananarivo amin’izao.

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Jay’a Mampita hafatra anaty gadona mafana

19/01/2018

5 taona izao no niloman’i Robena Marco François na Jay’a tao anatin’ny mozika. Tarika Marco no anarana nentiny sy ny ekipany tany am-piandohana raha mbola tsy nivohy afa-tsy ny gadona Tsapiky.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

MANAMBONINAHITRA JENERALY

19/01/2018

Mialohan'ny lanonana ofisialy handraisana azy ireo amin'ny 22 janoary ho avy izao, dia naseho tamin'ny Filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina ireo jeneraly 58 vaovao sy vao nisondrotra eo anivon'ny tafika malagasy,

Hamaky ny tohiny...

LALAM-PIRENENA FAHA-34

19/01/2018

Tontosa omaly hariva tamin'ny 6 ora sy sasany ny asa famerenana ny fifamoivoizana notanterahin'ny linisiteran'ny asa vaventy teo amin'ny tetezan'Iandratsay (PK 53 + 700).

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Angletera sy Frantsa Manamafy fiaraha-miasa

19/01/2018

Nitsidika an’i Angletera omaly alakamisy i Emmanuel Macron hiatrika ny fihaonamben’ny fifandraisana eo amin’ny Frantsay sy i Britanika miaraka amin'ny praiminisitra Theresa May.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

Sakafo miditra sy mivoaka an’i Madagasikara Nohenjanina ny fanaraha-maso

19/01/2018

Arahi-maso akaiky ireo karazan-tsakafo miditra sy mivoaka eto amintsika manomboka izao. Anisan’ny nisantaran’ny fitondram-panjakana izany ny fanakanana ireo ronono karazany roa ho an’ny ankizy izay efa tsy azo amidy eto amintsika intsony,

Hamaky ny tohiny...

Fampiakarana tsena etsy amin’ny Esplanade Efa nifanarahana tamin’ireo mpivarotra tompon’ny tsena

19/01/2018

sy misy ambadika akory ny fampiakarana ny biraon’ny tsena etsy amin’ny Esplanade Analakely, hoy Razafitsihoarana Edison, tale misahana fanajariana ny tanàn-dehibe eto an-drenivohitra fa efa nifanarahana tamin’ireo tompon’ny pavillon teo aloha ihany.

Hamaky ny tohiny...

Vidim-bary eny an-tsena Nahitana fihenany ny eny Anosibe

19/01/2018

Nahitana fihenany ny vidim-bary eny an-tsena taorian’ny nandalovan’ny rivodoza AVA. Anisan’izany ny eny amin’ny tsenan’Anosibe izay misy ireo mpivarotra mpambongady marobe.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana