Voir plus d'infos...
Archive du 20180118
18/01/2018
Asa na fifanandrifian-javatra fa samy tany Fratsa ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana sy ny filohan’ny tetezamita teo aloha Andry Rajoelina ny herinandro lasa teo.
18/01/2018
Sanganehana ny rehetra nandre ny vaovao amin’ny hanemorana ny fanadinam-panjakana eto amintsika amin’ity taom-pianarana ity. Raha ny tetiandro napetraka tany am-boalohany dia toy izao :
18/01/2018
Mivoaka ny resaka kimaizimaizina momba ny dian’ny delegasionina Malagasy notarihin’ny filoham-pirenena tany Italie ny volana oktobra 2017.
18/01/2018
Hidina ifotony izahay eto anivon’ny komisionin’ny fahamarinana sy famelana ary fifamelana (vérité, pardon et amnistie) ato anatin’ny filan-kevitry ny fampihavanana malagasy na CFM, hoy izy ireo tetsy amin’ny biraony etsy Ampefiloha.
18/01/2018
Nitarika fivoriana teny Mahazoarivo ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Mahafaly Solonandrasana Olivier, mahakasika ny tomban’ezaka vita amin’ny fanatsarana ny lisi-pifidianana.
18/01/2018
Tontosa omaly tetsy amin’ny foiben’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI etsy Nanisana ny fifanaovan-tsoniam-piaraha-miasa eo anivon’ity vaomiera ity sy ny fivondronan’ireo fiarahamonim-pirenena na ny Rohy.
18/01/2018
Manomboka mahalasa eritreritra ankehitriny ny antony marina nanosika ny filoha Hery Rajaonarimampianina hitsidika an’Ambohimitombo, renivohitry ny faritra Zafimaniry tamin’ny fiandohan’ity herinandro ity. Nihaona mivantana tamin’ny vahoaka izy,
18/01/2018
Miarahaba anao ry Jean be fikafika a ! Manadala saim-bahoaka tsotra izao ianareo nama a ! Fa tsy hainareo mihitsy ve ny mandamina ity tanàna ity e ? Im-piry ianao no efa nanoratako teto hoe
18/01/2018
Niandry izay fanambarana ofisialin’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine ny rehetra manoloana ny raharaha mafana momba ilay fanambaran’ilay Frantsay Houcine Arfa nilaza fa nandoa volabe 70 000 Euros taminy ho saran’ny fanafahana azy, saingy tsy nisy izany hatramin’izao.
18/01/2018
Mitohy ny fifandonana eo anivon’ireo tantsambo mpikambana eo anivon’ny Sygmma na ny sendikan’izany eto Madagasikara tarihin’ny sekretera jeneraliny Lucien Razafindraibe an-daniny sy Basola Nomenjanahary, an-kilany.
18/01/2018
Saika tsy nety niala ireo traboina sasany natoby tetsy amin’ny EPP Antandrokomby Anosizato Andrefana, indrindra fa ireo nipetraka tao amin’ny trano natokana hianaran’ny préscolaire.
18/01/2018
Araka ny fampitam-baovao voaray avy eny amin’ny “Maison du Foot-ball Malagasy” eny Isoraka dia nangatahan’ny rafitra iraisam-pirenen’ny baolina kitra eran-tany na ny FIFA haaton’ny FMF aloha ny “Processus electoral”
18/01/2018
Vita soa aman-tsara tahaka ny tany Boeny ihany koa ny fifidianana izay ho filohan’ny ligin’ny baolina kitra tany Bongolava ka nahalany an-dRakotonirina Mamonjisoa.
18/01/2018
Misy ilay fomba fiteny frantsay izay hoe “Sahaza antsika izay mpitondra azontsika.” Ireo mpanandro sy mpanao hatsarana na mpisikidy na mpimasy hatramin’ny mpitondra fivavahana dia samy mino ny fisian’ny ozona avokoa.
18/01/2018
Tsy moramora ny fandaminana hatrehin’Atoa Rakotondrafana Fredinard filohan’ny ASTRAM amin’ny famindrana ireo mpitatitra amin’ireo tobim-piantsonana vaovao eto amintsika amin’izao.
18/01/2018
Natomboka omaly alarobia 17 janoary manerana ny Nosy, haharitra hateloana ny fanaovam-baksiny faobe iadiana amin’ny aretina lefakozatra ho an’ireo ankizy latsaky ny dimy taona.
18/01/2018
Nitrangana fakana an-keriny na “Kidnapping” indray teny Antanimena manoloana ny Villa Pradon omaly takariva tokony ho tamin’ny 6ora sy sasany.
18/01/2018
Raha izaho no hanontaniana, dia sadaikatra sy sahirana ny tenako satria ny minisitra amin’izao fotoana izao, dia olona fantatro tsara mihitsy ary tadidiko tsara, fa niteny taminy aho ary isan’ny olona tena mpidera azy hoe olona tena mahitsy,
18/01/2018
Noho ny antso avo nataon’ny filoham-pirenena sy praiminisitra Yemenita ary ny fitotonganan’ny vola riyal any Yemen dia nandrotsaka vola mitentina 2 miliara dolara mahery ao amin’ny Banky foiben’i Yemen ny fanjakana Saodianina. Natao izao fanapahan-kevitra izao noho ny fanohizana ny fanohanan'ny fanjakana Saodianina ireo vahoaka Yemenita, hoy ny fanambarana ofisialy nivoaka tany Riyadh