Fil d'actualités du 23/02/2018

  • 23/02/2018 - 16:30 : AMBANIN’AMPAMARINANA :Ho an’ireo olona tsy maintsy nafindra toerana haingana dia efa misy tany natokana hamindrana azy ireo eny Ambohidratrimo izay omena maimaimpoana ary hosoratana amin’izy ireo.

  • 23/02/2018 - 16:00 : ANDRON’NY SEKOLY : Mifarana androany ny fankalazana izany ka nisy tamin’ireo sekoly tsy miankina no namarana izany tamin’ny fanaovana diabe sy ny fanatanjahan-tena.

  • 23/02/2018 - 15:30 : AMBATONDRAZAKA : Hiasa manomboka ny volana martsa izao ilay orinasa mpamokatra zezika izay napetraka tany noho ity faritra ity sompotr’i Madagasikara amin’ny vary.

  • 23/02/2018 - 15:00 : FANAMBOARAN-DALANA : Ny minisitry ny asa vaventy no hisahana ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo sy ny manodidina ka hisy ny fandaminana amin’ny fifamoivozana eto.

  • 23/02/2018 - 14:45 : SAMBAVA : Nidina hifotony tany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana hijery akaiky ny zava-misy momban ’ny fiakarany vidim-piainana mihompapana izay mampitaraina ny mponina any.

  • 23/02/2018 - 14:30 : TOBY FIANTSONANA ANDOHATAPENAKA :Efa misy manangana trano hifindra eny sahady ireo mpivarotra sasany teny amin’ny Fasan’ny Karana.

  • 23/02/2018 - 14:15 : HALATR’OMBY : Dahalo miisa 2 no voasambotry ny zandary avy ao brigade Ambohimangakely ny alahady 18 febroary lasa teo teny Alatsinainy Betsizaraina , kaominina Ambohimangakely. Omby miisa 3 no noroahin’ireto ka rehefa nosavana dia tsy nisy taratasy.

  • 23/02/2018 - 14:00 : TETIK’ASA CFOR :Olona 700 mahery no nahazo tombony tamin’ity tetik’asa ity, toy ny fananganana orinasa kely azy ireo manokana tamin’ny alalan’ny findramam-bola, fahazoana fihofanana amin’ny sehatry ny asa.

  • 23/02/2018 - 13:45 : ANTOKO TIM : Nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2018 tany Toamasina amaly ny filoha Ravalomanana Marc niaraka tamin’ireo mpikatroka Tim.

  • 23/02/2018 - 13:30 : ANTSIRABE : Nanamafy ny Prefektora any an-toerana fa ireo fiangonana ara-dalàna ihany no afaka manao fotoam-pivavahana.

Voir plus d'infos...

23/02/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180110

Misongadina

Marc Ravalomanana « Kandidan’ny Malagasy rehetra aho »

10/01/2018

Mijoro hatrany ho kandidam-bahoaka, kandidan’ny fampihavanana, kandidan’ny fisokafana i Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Minisitry ny fitsarana “Azo samborina tsara Ravalomanana”

10/01/2018

Nikoropaka ny fanjakana, izay tsy niandry ela ka namoaka fanambarana tamin’ny alalan’ny minisitry ny fitsarana Rasolo Elise Alexandrine omaly momba ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana.

Hamaky ny tohiny...

Guy Rivo Randrianarisoa “Ny famoahana ny datim-pifidianana izao no mahamaika”

10/01/2018

Raha nanontaniana amin’izay mety hiverenan’ireo depiote hiatrika ny fivoriana tsy ara-potoana handinihana ny lalàm-pifidianana hifehy an’ireo fifidianana hotanterahina amin’ity taona 2018 ity ny Kestora faha-3 an’ny Antenimieram-pirenena, ny depiote Guy Rivo Andrianarisoa omaly,

Hamaky ny tohiny...

Fanamarinana anarana anaty lisi-pifidianana Ala nenina farany ity volana ity

10/01/2018

Hisy ny dinika iarahan’ireo sefom-pokontany eo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Kaomisionina momba ny fifidianana eny anivon’ny kaominina ary ny Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana na ny CENI rahampitso 11 janoary manomboka amin’ny 10 ora maraina eny amin’ny ENAM Androhibe.

Hamaky ny tohiny...

Hery Rajaonarimampianina Nofantsihan’ny pasitera Mailhol

10/01/2018

Anisan’ireo tsy tazana teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny pasitera Mailhol na André Christian Dieudonné nandritry ny lanonam-panjakana fifampiarahabana nahatratra ny taona farany teo.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Managadra ve no atao lahasa e ?

10/01/2018

Tena tsy manana fika hafa mba handaniana tena mihitsy ve ianareo ao ry jean forsa fa dia ny fanakanana sy ny fandrahonana no tena stratejia entinareo miady amin’i dada ah ? Dia efa hita izao fa valim-pitsarana navoakan’ny ministra voasazy sy fitondrana voasazy tamin’izany fotoana ve no atao izay ampiharana azy ankehitriny ?

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Lalao Ravalomanana Asa fa tsy kabary

10/01/2018

Araka ny fampanantenana nataon’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana tamin’ny mponin’Antananarivo Renivohitra taorian’ny fidinana ifotony tany amin’ireo boriborintany niharam-boina vokatry ny rivodoza “AVA”

Hamaky ny tohiny...

Vahaolana mahomby momba ny vary Tsy dia re feo ny minisiteran’ny fambolena

10/01/2018

Manomboka difotry ny fanafaram-bary vokatry ny hain-tany nitranga tamin’ny fiandohan’ny taona 2017 ny tsena anatiny izay tena foto-piveloman’ireo tantsaha mpamokatra eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Sampana mpamonjy voina Tsaralalana Nandrodana trano 15 ho fisorohana ny loza

10/01/2018

Mafy ny asa notanterahin’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana nandritra ny fotoana nandalovan’ny rivodoza AVA teto amintsika. Raha araka ny fanazavan’ny kapiteny Randrianarisoa,

Hamaky ny tohiny...

Takaitra navelan’ny rivodoza AVA Mpianatra roa no namoy ny ainy, 152 ireo sekoly simba

10/01/2018

Tena namela takaitra goavana teto amintsika tokoa ilay rivodoza AVA farany teo iny.

Hamaky ny tohiny...

Fanadiovana an’i Toamasina Natomboka omaly ny asa

10/01/2018

Mavesatra ny takaitra navelan’i AVA ao Toamasina. Tapaka efa ho 5 andro ny jiro sy ny rano ka ireo olona manana milina mpamokatra herinaratra ihany sisa no nahita mazava sy afaka nihaino radio.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Fiangonana Loterana Malagasy « Mila fifonana sy fibebaham-pirenena isika »

10/01/2018

Manamafy ny fanambarana navoakan’ny Fiombonan’ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara (FFKM) ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM) nandritra ny Synoda lehibe faha-138 notanterahany tany Betafo-Antsirabe ny 18 – 19 desambra

Hamaky ny tohiny...

Sport

Razafimbelo Norbert sy ny Analamanga rugby Kandida be fitetika miaraka amin-dRajaonarimampianina

10/01/2018

Atoa Razafimbelo Norbert mpitantana ny fileovana AFA Ankazomanga ankehitriny hatreto no hany kandida efa nametraka ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiana ho filoha vaovaon’ny rafitra ligin’ny rugby eto Analamanga teny amin’ny biraon’ny Malagasy Rugby hifarana ny sabotsy 13 janoary ho avy izao.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Tsy hifampifahavalo mandrakizay

10/01/2018

Miha mafana ny rivotra politika eto amin’ny firenena amin’izao fotoana izao. Mihazakazaka mihitsy aza satria efa tena ankatoky ny fifidianana tokoa isika, ka eo ny efa mametraka ny paikadiny na dia mbola misy ihany aza aloha ny somary mihainohaino.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Tovolahy voahitsaky ny « sprinter » Vaky mbamin’ny karandohany

10/01/2018

Nisehoana lozam-pifamovoizana mahatsiravina indray tao Ambatolampy amin’iny lalam-pirenena faha-7 iny omaly tolakandro.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Fanadiovana faobe Tontosaina anio tontolo andro

10/01/2018

Tantontosaina anio tontolo andro fanadiovana faobe manerana an’i Madagasikara mba hiadiana amin’ny aretina Pesta, araka ny didim-panjakana laharan 2017-1156; andro tsy iasana kanefa handraisan-karama noho izany ny anio 10 janoary 2018.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Houcine Arfa Asaina samborin’ny Frantsay

10/01/2018

Namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena ilay teratany Frantsay Houcine Arfa 54 taona, izay notanana teny Tsiafahy nanomboka ny 20 jona 2017, ary nafindra teny Antanimora avy eo.

Hamaky ny tohiny...

Be vaovao

FIARA KARENJY

10/01/2018

Mampiasa ny fiara vita Malagasy dia ny Kerenjy ny orinasa eo amin’ny tambajotran-tserasera amin’ny finday dia ny Orange Madagascar amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Any Ivelany

Angovo nokleary Hiara-kiasa i Frantsa sy Sina

10/01/2018

Nanao sonia fifanarahana i Frantsa sy Sina ny talata teo ny amin’ny fananganan’ny orinasa Areva foibe famokarana angovo nokleary ao Sina, nandritra ny fitsidihan’ny filoha Frantsay Emmanuel Macron tany Pekin. Mety hananosarotra ny orinasa Areva ny fananganana azy ity. Mety hahatratra 10 lavitrisa euro ny sarany.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana