Fil d'actualités du 23/02/2018

  • 23/02/2018 - 16:30 : AMBANIN’AMPAMARINANA :Ho an’ireo olona tsy maintsy nafindra toerana haingana dia efa misy tany natokana hamindrana azy ireo eny Ambohidratrimo izay omena maimaimpoana ary hosoratana amin’izy ireo.

  • 23/02/2018 - 16:00 : ANDRON’NY SEKOLY : Mifarana androany ny fankalazana izany ka nisy tamin’ireo sekoly tsy miankina no namarana izany tamin’ny fanaovana diabe sy ny fanatanjahan-tena.

  • 23/02/2018 - 15:30 : AMBATONDRAZAKA : Hiasa manomboka ny volana martsa izao ilay orinasa mpamokatra zezika izay napetraka tany noho ity faritra ity sompotr’i Madagasikara amin’ny vary.

  • 23/02/2018 - 15:00 : FANAMBOARAN-DALANA : Ny minisitry ny asa vaventy no hisahana ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo sy ny manodidina ka hisy ny fandaminana amin’ny fifamoivozana eto.

  • 23/02/2018 - 14:45 : SAMBAVA : Nidina hifotony tany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana hijery akaiky ny zava-misy momban ’ny fiakarany vidim-piainana mihompapana izay mampitaraina ny mponina any.

  • 23/02/2018 - 14:30 : TOBY FIANTSONANA ANDOHATAPENAKA :Efa misy manangana trano hifindra eny sahady ireo mpivarotra sasany teny amin’ny Fasan’ny Karana.

  • 23/02/2018 - 14:15 : HALATR’OMBY : Dahalo miisa 2 no voasambotry ny zandary avy ao brigade Ambohimangakely ny alahady 18 febroary lasa teo teny Alatsinainy Betsizaraina , kaominina Ambohimangakely. Omby miisa 3 no noroahin’ireto ka rehefa nosavana dia tsy nisy taratasy.

  • 23/02/2018 - 14:00 : TETIK’ASA CFOR :Olona 700 mahery no nahazo tombony tamin’ity tetik’asa ity, toy ny fananganana orinasa kely azy ireo manokana tamin’ny alalan’ny findramam-bola, fahazoana fihofanana amin’ny sehatry ny asa.

  • 23/02/2018 - 13:45 : ANTOKO TIM : Nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao 2018 tany Toamasina amaly ny filoha Ravalomanana Marc niaraka tamin’ireo mpikatroka Tim.

  • 23/02/2018 - 13:30 : ANTSIRABE : Nanamafy ny Prefektora any an-toerana fa ireo fiangonana ara-dalàna ihany no afaka manao fotoam-pivavahana.

Voir plus d'infos...

23/02/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20180108

Misongadina

Nandravarava i AVA Traboina i Madagasikara

08/01/2018

Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analanjirofo, Analamanga, Sofia, Vatovavy Fitovinany, Boeny no faritra tena voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza AVA ny faran’ny herinandro teo. Olona 1 no maty, 3 hafa tsy hita popoka raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC omaly alahady. Efa mananika ny 23 000 kosa ireo traboina sy voatery nafindra toerana noho ny fiakaran’ny rano na ny faharavan’ny trano fonenana tamin’ireo faritra voalaza tetsy ambony ireo.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Nosakanana ny fihaonana tany Toliara Atahorana mafy Ravalomanana

08/01/2018

Nohetraketrahina indray ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha nanao fitsidihana tany Toliara ny sabotsy lasa teo. Nisy andian’olona nokaramaina manokana hisakana ny fahatongavany tany an-toerana, tao amin’ny seranam-piaramanidina.

Hamaky ny tohiny...

Fahaiza-mitarika ara-politika Mendrika indrindra aty Afrika i Ravalomanana

08/01/2018

“Faly aho, tena faly fa nofidianareo ho olon'i Afrika 2017 amin’ny lafiny fitarihana politika. Fisaorana mitafotafo no atolotro ho anareo tsy an-kanavaka. Santatry ny fandresentsika sahady izao, homba antsika hatrany anie Andriamanitra”.

Hamaky ny tohiny...

Televiziona Malagasy TVM Ampiasaina hivoizana adim-poko ?

08/01/2018

Nahasorena ny maro ny nahita ny fampahalalam-baovao navoakan’ny Televiziona Malagasy (TVM) halina. Niniana naparitaka sy novoizina ny vaovao nentina nandotoana sy nanaratsiana ny filoham-pirenena teo aloha Marc Ravalomanana, ka nilazana fa tsy nahafaly ny vahoaka tany Toliara ny fahatongavany tany an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

O ry Jean pan a !

08/01/2018

Mety efa fifaliam-be any aminareo any ry Jean pan amin'izao fotoana mampanjombona ny firenena izao a ! Fotoan-dehibe hisehosehoana ato ho ato ho anareo mpanararaotra mody hamonjena sy hampisehoana amin'ny Malagasy rehetra fa olona tsara ianareo. Rehefa andavanandro mantsy ianareo tsy misy apoaka nefa maniry mafy ny hilatsaka hofidiana, hany ka rehefa misy traboina tahaka izao dia andro lehibe ho anareo mba hilazana fa mba olona ianareo.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Antananarivo Ahiana ho vaky i Sisaony sy Ikopa

08/01/2018

Efa ao anatin’ny loza mitatao tanteraka Antananarivo ankehitriny raha ny fiakaran’ny rano amin’ny renirano lehibe Sisaony, Imamba, Ikopa manodidina an’Antananarivo, araka ny filazana laharana faha-18 navoakan’ny sampana miandraikitra ny ady amin’ny tondra-drano na ny APIPA omaly alahady 7 janoary tamin’ny 6 ora hariva.

Hamaky ny tohiny...

Madagasikara Nopotehana Rivodoza 3 tao anatin’ny 3 taona

08/01/2018

Nitondra faisana noho ny rivodoza i Madagasikara tato anatin’ny telo taona, izany hoe nanomboka ny janoary 2015 ka hatramin’ny janoary 2018. Nandalo teto ny 14 hatramin’ny 22 janoary 2015 ny rivodoza Chezda ka 15 no maty ary 80 000 no traboina. Niakatra ny renirano maro manerana ny nosy, maro be ny zavatra simba.

Hamaky ny tohiny...

Edito

Noho ny hafenoan’ny rano be loatra …

08/01/2018

Ambony ambany indray ny fiainam-pirenena, noho ny hafenoan’ny rano be loatra. Nijojo ny orana. Miantraika any anaty fiarahamonina efa ho taona maro ny fahasahiranana. Maro ny Malagasy no nindaosin’ny fahafatesana, mety noho ny aretina, ny famonoan-tena, ny lozam-pifamoivoizana, ny asan-jiolahy, ny loza voajanahary.

Hamaky ny tohiny...

Sosialy

HAFARI Malagasy Toerana telo no efa azony hanorenana trano mora

08/01/2018

Roso ny dian’ny fikambanana HAFARI Malagasy entina hanatsarana ny sosialim-bahoaka eto amintsika. Ankoatra ny fanatsarana hatrany ilay tetikasa fifindra-monina eny Soaniedanana PK 67 izay hanomboka ny 15 janoary ho avy izao ary efa misy olona manodidina ny 500 isa miasa, dia asa goavana hotanterahin’ny fikambanana ny fanomezana trano mora ho an’ireo fianakaviana tsy manana eto an-drenivohitra sy ny manodidina

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana