Fil d'actualités du 21/04/2018

  • 21/04/2018 - 10:00 : KIANJAN'NY 13 MEY: Tafiditra ny depiote Rossy. Mitohy ny lakrimozenina.

  • 21/04/2018 - 09:45 : ANALAKELY: Mirohotra miditra Analakely ny olona miaraka amin'ny sainam-pirenena sy miredona ny hira Mitsangana ry tanora. Mirefotra ny baomba mandatsa-dranomaso

  • 21/04/2018 - 09:20 : ANDOHAN'ANALAKELY: Manomboka ny fifamaliana madinidinika eo amin'ny mpitandro ny filaminana sy vahoaka miha tonga maro.

  • 21/04/2018 - 09:00 : ANALAKELY: Voadidina mpitandro filamina ny tanana manomboka eo anoloan'ny La Gastronomie Pizza sy ny eny anoloan'ny Gara Soarano.

  • 20/04/2018 - 15:00 : ANALAKELY: Efa kamio feno EMMOREG miisa 5 no miantrana eo anoloan'ny Gara Soarano amin'izao fotoana izao noho ny fisian'ny famoriam-bahoaka rahampîtso.

  • 20/04/2018 - 12:00 : POLITIKA: Ny lalàm-pifidianana tsy nahazo fankatoavana avy amin'ny maro no mitarika ny zava-misy amin'izao fotoana izao ary ny hetsika hotontosain'ny depiote mpanohitra ny asabotsy izao, hoy Mahamoudou Ndriandahy, filohan'ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena PFNOSCM/VOIFIRAISANAY.

  • 20/04/2018 - 11:30 : MANDRAKA (RN2) - LOZAM-PIFAMOIVOIZANA MAHATSIRAVINA: Kamio lehibe iray no nilatsaka tanaty hantsana ary nitontona tamina fiara taksibrosy iray teny ambany ny maraina teo, ka olona iray no maty.

  • 20/04/2018 - 11:00 : FAMORIAM-BAHOAKA: Nanamafy ny solombavambahoaka TIM sy MAPAR ny maraina teo fa tsy hihemotra amin'ny hetsika eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely rahampitso.

  • 20/04/2018 - 10:30 : HERINANDRON'NY VOLA: Hankalazaina ny 23 hatramin'ny 27 aprily 2018 herinandro maneran-tany ho an'ny vola na ny "Global money week".

  • 20/04/2018 - 10:00 : TETIANDROM-PAMPIANARANA: Ny 19 novambra 2018 ary hifarana ny 30 aogositra 2019 ny taom-pianarana 2018-2019. Ny 3 septambra 2019 no hanaovana ny fanadinana CEPE, ary ny 23 hatramin'ny 26 septambra ny BEPC amin'io taom-pianarana ho avy io, araka ny tetiandro navoakan'ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena.

Voir plus d'infos...

20/04/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171230

Misongadina

Marc Ravalomanana “Hitarika olana goavana ny fanakanana ahy”

30/12/2017

Namerina indray omaly Atoa Marc Ravalomanana fa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tenany ary hitarika olana goavana ny fanakanan’ny fitondrana azy tsy ho kandida amin’io taona ho avy io. Tsy hipetra-potsiny ary tsy hanaiky izany fanakanana ahy izany ny antoko Tiako I Madagasikara (TIM), hoy izy ka aoka tsy hanao sangy ratsy.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Mihorohoro ny fitondrana Manamboninahitra 144 nakarina galona

30/12/2017

Nirarakopana ny fanondrotana galona teo anivon’ny mpitandro ny filaminana nandritra ny filankevitry ny minisitra farany ho an’ny taona 2017 ny alakamisy 28 desambra lasa teo.

Hamaky ny tohiny...

Rajaonarimampianina mivady Maka ny fon’ny ambany tanàna

30/12/2017

Nanao bemidina nizara zavatra teny La Réunion kely ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina mivady narahin’ny mpikamban’ny governemanta maromaro, toy ny minisitra Benjamina Ramanantsoa, Henry Rabary-Njaka, Jean Anicet Andriamosarisoa, Maharante Jean de Dieu, Zafilahy Ying Vah, Mamy Lalatiana Andriamanarivo, Herilanto Raveloharison, Lantoniaina Rasoloelison, Onitiana Realy … omaly.

Hamaky ny tohiny...

Asa fanatsarana an’Antananarivo Hitombo ny hafainganam-pandeha amin’ny 2018

30/12/2017

Anisan’ny teny filamatra apetraka eo anivon’ny fitantanana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra ny “Antananarivo Renivohitra, soa iombonan’ny Malagasy”, hoy ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana, raha nikabary nanoloana ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny CUA tetsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina izy omaly.

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Polisy ao Antsiranana Misy terena hiambina karana

30/12/2017

Fampitam-baovao avy amina raim-pianakaviana iray manana zanaka polisy miana-draharaha any Antsiranana no naharaisana fitarainana mikasika ny zava-manjo sy fanararaotana ireo mpitandro ny filaminana ambany grady sasany any an-toerana.

Hamaky ny tohiny...

Ankizy kamboty sy sahirana Notoloran’ny vondrona Star fitaovam-pianarana

30/12/2017

Mbola betsaka amin’ireo ankizy mpianatra amin’izao no tsy ara-dalana ny fitaovam-pianarany noho ny tsy fahampian’ny ho enti-manana eo anivon’ny tokantrano. Manampy trotraka izany ny halafosan’ny fitaovana, indrindra fa ireo kipitsony madinika izay nahitana fiakarany hatrany amin’ny 5 % tamin’ity fidiran’ny mpianatra taom-pianarana 2017-2018 ity raha kely indrindra

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana