Fil d'actualités du 24/02/2018

  • 24/02/2018 - 11:30 : KOLONTSAINA SY TANTARA: Mifarana anio 24 febroary ny fampahafantarana ny tantaran’ ny mpanjaka Ranavalona III eny amin’ny IKM Antsahavola.

  • 24/02/2018 - 10:30 : GAZETY VALISOA VAOVAO: Mankalaza ny faha-9 taona nisiany ity gazety ity anio.

  • 24/02/2018 - 09:30 : AFT ANDAVAMAMBA: Hisy ny seho lehibe hiarahana amin'ny mpanakanto Jaojaoby anio 24 febroary izao manomboka amin'ny 6ora hariva hoenti-mamarana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny AFT.

  • 23/02/2018 - 16:30 : AMBANIN’AMPAMARINANA :Ho an’ireo olona tsy maintsy nafindra toerana haingana dia efa misy tany natokana hamindrana azy ireo eny Ambohidratrimo izay omena maimaimpoana ary hosoratana amin’izy ireo.

  • 23/02/2018 - 16:00 : ANDRON’NY SEKOLY : Mifarana androany ny fankalazana izany ka nisy tamin’ireo sekoly tsy miankina no namarana izany tamin’ny fanaovana diabe sy ny fanatanjahan-tena.

  • 23/02/2018 - 15:30 : AMBATONDRAZAKA : Hiasa manomboka ny volana martsa izao ilay orinasa mpamokatra zezika izay napetraka tany noho ity faritra ity sompotr’i Madagasikara amin’ny vary.

  • 23/02/2018 - 15:00 : FANAMBOARAN-DALANA : Ny minisitry ny asa vaventy no hisahana ny fanamboarana ny lalana eto Antananarivo sy ny manodidina ka hisy ny fandaminana amin’ny fifamoivozana eto.

  • 23/02/2018 - 14:45 : SAMBAVA : Nidina hifotony tany ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana hijery akaiky ny zava-misy momban ’ny fiakarany vidim-piainana mihompapana izay mampitaraina ny mponina any.

  • 23/02/2018 - 14:30 : TOBY FIANTSONANA ANDOHATAPENAKA :Efa misy manangana trano hifindra eny sahady ireo mpivarotra sasany teny amin’ny Fasan’ny Karana.

  • 23/02/2018 - 14:15 : HALATR’OMBY : Dahalo miisa 2 no voasambotry ny zandary avy ao brigade Ambohimangakely ny alahady 18 febroary lasa teo teny Alatsinainy Betsizaraina , kaominina Ambohimangakely. Omby miisa 3 no noroahin’ireto ka rehefa nosavana dia tsy nisy taratasy.

Voir plus d'infos...

23/02/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171227

Misongadina

Hery Rajaonarimampianina Hatao veloma amin’ny 5 janoary

27/12/2017

Hotanterahina ny zoma 5 janoary 2018 ny Asaramanitra na lanonana fifampiarahabana fanaon’ny andrimpanjakana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara isaky ny fiandohan’ny taona. Manodidina ny 1200 any ny vahiny nasaina amin’io,

Hamaky ny tohiny...

Politique

Lalam-pifidianana Eny Tsimbazaza amin’ny 9 janoary

27/12/2017

Raha tsy misy ny fiovana dia hiatrika fivoriana tsy ara-potoana ireo solombavambahoaka sy loholon’i Madagasikara manomboka amin’ny talata 9 janoary 2018.

Hamaky ny tohiny...

Fitondran-Rajaonarimampianina Lany andro maka tahaka

27/12/2017

Mpaka tahaka ! Nanamarika ity fitondrana Rajaonarimampianina ity izany. Ny andro voalohan’ny fitondrany dia nahoraka sady nigagam-bahoaka ilay kabary natao nipoapoaka teo Mahamasina ny 25 janoary 2014,

Hamaky ny tohiny...

Fifidianana 2018 Didier Ratsiraka no kandidan’ny AREMA

27/12/2017

Miomana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy ny antoko politika samihafa misy eto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Vondrona MAPAR Tsy manaiky ny hikitihana ny lalàmpanorenana

27/12/2017

Fantatra fa niezaka nampiantso an’ireo lohandohan’ny mpisorona mitarika ny vondrona antoko politika MAPAR teny amin’ny lapam-panjakana Mahazoarivo ny faramparan’ny herinandro lasa teo ny praiminisitra lehiben’ny governemanta Malagasy am-perinasa

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Andeha vakansy ?

27/12/2017

Mbola mahamay be anie ny eto an-tanàna ry Jean nefa ianareo toa handeha hiala sasatra sahady e ! Isika anie mbola mila manenjika be mihitsy fa na ireo noheverina ho ganantsika teo aloha aza ity toa efa maro ny nihoatra antsika a !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Seranantsambo Toamasina Vola iray kaontenera mihitsoka ao

27/12/2017

Nampiseho ny firaisankinany ireo mpitatitra amin’ny kamiao sy ireo “Transitaires” omaly, nanombohan’ny fitokonana lavareny ataon’izy ireo,

Hamaky ny tohiny...

PM tany Mampikony Fandaniam-bola mihoapampana

27/12/2017

Nitsoriaka tany Mampikony, faritra Sofia ny delegasiona notarihin’ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier ny alakamisy lasa iny. Niara-dia taminy tamin’izany ny Sekreteram-panjakana misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana Rafatrolaza Bary Emmanuel.

Hamaky ny tohiny...

Fetin’ny faran’ny taona Hitety vanim-potoana ny Akam’s Music

27/12/2017

Ny taona 2006 no teraka ny tarika Akam’s Music, raha ny fanazavan’i Maholy, vavy tokana sady lehiben’ny tarika. Mpinamana maromaro no nanangana azy ary dia avy amin’ny teny hoe “Akama” sy ny fitiavana mozika no nahatonga ny hoe : “Akam’s music”.

Hamaky ny tohiny...

Fikambanana Fifanampiana Malagasy “Tsy manampy anay ny fanjakana”

27/12/2017

Toy ny fanaony isan-taona, isaky ny volana jona sy desambra dia nanatanteraka fizarana fanampiana ho an’ireo fianakaviana sahirana manerana ireo Boriborintany enina eto Antananarivo tetsy amin’ny foibeny etsy Ampandrana ny fikambanana Fifanampiana Malagasy mba hahafahan’ireo mpisitraka miatrika ny fetin’ny noely sy taom-baovao finaritra.

Hamaky ny tohiny...

Kaominina Andoharanofotsy Matotra ny fiaraha-miasa 3P

27/12/2017

Mahantra sy zokiolona niisa 50 tany ho any no afaka nihanoka ny fetin’ny Krismasy tamim-pitoniana tao amin’ny fokontany 5

Hamaky ny tohiny...

Maroantsetra 6000 Ar ny litatry ny solika

27/12/2017

Sarotra ny mahita solika ao Maroantsetra. Raha misy dia fotoana fohy monja, avy eo dia varomaizina no manjaka. Roa ny toby mpaninjara solika misy ao Maroantsetra,

Hamaky ny tohiny...

Manakara Solitany nitobaka, nandoro trano 20 tafo

27/12/2017

Trano 20 tafo no levon’ny afo tao Ambohitradala Manakara ny 24 desambra tokony tamin’ny11 ora alina, andro nankalazana ny fahaterahan’ny Mpamonjy indrindra.

Hamaky ny tohiny...

Finoana

Filohan’ny FLM “Miantso fibebahana Andriamanitra !”

27/12/2017

Ao anatin’ny fankalazana ny jobily faha-150 taona nidiran’ny misionera sy ny antsoina hoe reformasionina teto Madagasikara isika amin’izao fotoana.

Hamaky ny tohiny...

Fiangonana FVKFM Nizara fanomezana ho an'ireo marary

27/12/2017

Nizara fanomezana ho an'ireo olona sahirana sy ankizy marary miisa 250 manaraka fitsaboana etsy amin' ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny Vondron'ny Kristianin'ny Fanahy Masina na ny FVKFM.

Hamaky ny tohiny...

Sport

Famaranana rugby - Top 9 Hangotraka indray etsy Mahamasina

27/12/2017

Azo antoka fa noho ny fiaraha-miasan’ny Analamanga rugby amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra no ahafahan’ity farany hanatontosa ny lalao famaranana TOP 9 karakarainy etsy amin’ny kianjan’i Mahamasina amin’ny sabotsy 30 desambra izao.

Hamaky ny tohiny...

Kitra - Espaina Nahazo kiana mafy i Zinedine Zidane

27/12/2017

Nahazo kiana mafy dia mafy tamin’ny gazety espaniola maro ilay mpanazatra ny ekipan’ny Real de Madrid taorian’ny faharesen’ny ekipa tantanany 3-0 nanoloana ny Barcelone,

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Katsepy - Sambo rendrika Nieren-doza izy 13 nentin’ny “Fanantenana”

27/12/2017

Ny sambo “Fanantenana” ity dobo an-dranomasina tany Katsepy ity raha tokony hihazo an'i Tambohorano,

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Bejofo-Ambatondrazaka Rangahy avy namonjy sasak’alina, maty voafira antsy

27/12/2017

Hivavaka, hitsena ny Mpamonjy no nivoahana ny trano, fahafatesana no nitsena. Nidiram-pahoriana tampoka ny fianakaviana iray ao Bejofo, Distrikan’Ambatondrazaka ny alin’ny 24 desambra teo. Namonjy Fiangonana nankalaza ny fahaterahan’ny mpamonjy izy mianakavy kely.

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana