Voir plus d'infos...
Archive du 20171214
14/12/2017
Korontana tsy nifankahitana ny tany Ikongo omaly. Nandritra izany no nahavaky ny fonja any an-toerana, izay misy gadra manodidina ny 120 eo ho eo.
14/12/2017
Mazava tsara ny tenin’ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason omaly fa ny fitsarana no hanapa-kevitra farany momba ny
14/12/2017
Tao anatin’ny lanonana tsotra dia tsotra famaranana ny taom-piasana ho an’ny taona 2017 notarihan’ny sekretera nasionaliny,
14/12/2017
Raikitra ny fifanolanana sy ny fifandrahonana any an-dapa amin’izao fotoana. Antony ny fikatsahan’ny HVM handamina ny kajy politikany amin’ny alalan’ny fanoloana tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena.
14/12/2017
Tonga saina tampoka ve sa tena efa nisaina ela izany tokoa ny praiminisitra sady minisitry ny atitany,
14/12/2017
Ambanivolo anaty orana, ambanivolo fahavaratra Manangon-drano ny vahoaka,isan'andro oram-baratra. Mandomando ny zavaboahary,tsara tondraka aok'izany Velombolo ny tantsaha, fa hamokatra ny tany.
14/12/2017
Tsy niandry ela fa omaly ihany, izany hoe ny ampitson’ny fanambarana nataon’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato dia nanao be fiavy tany amin’ny Orinasa Tiko Andranomanelatra indray ny manampahefana ao Vakinankaratra,
14/12/2017
Na tsy misy aza ny fanehoan-kevitra mivantana ataon’ny vadin’ny filoham-pirenena Voahangy Rajaonarimampianina momba ireo resaka mivoaka amin’ny tambajotran-tserasera sy ny haino aman-jery, dia re fa tezitra mafy ny tenany.
14/12/2017
Miomana fatratra sy misoroka ny mety ho loza mihoapampana amin’ny fotoam-pahavaratra ny eny amin’ny boriborintany faha-4 sy ny kaominina Antananarivo satria vao miandoha ny orana dia efa toerana maro no diboi-drano.
14/12/2017
Manoloana ilay raharaha tsy fizaran’ny biraom-pirenena misahana ny loza voajanahary eto amintsika na ny BNGRC ireo sakafo fanampiana traboina 1 kaontenera efa natolotry ny fikambanana Fanahy maha olona 7 volana lasa izay dia nanambara tetsy amin’ny hotely Le Louvre Antaninarenina omaly ny filohan’ity fikambanana ity,
14/12/2017
Misoko mangina any Antsirabe faharoa ny tsy fandriampahalemana. Ankoatra ny fanafihana mitam-basy mahazo ireo mpanam-bola sasantsasany dia misoko ihany koa ny halatra taolam-paty.
14/12/2017
Manan-jo hihaino sy hijery vaovao amin’izay haino aman-jery tiany ny vahoaka Malagasy,
14/12/2017
Navoaka tamim-pomba ofisialy ny talata hariva teo teny Ankorondrano ireo boky nosoratan’i Mompera Remi Rahajarizafy notontosain’i Mompera Justino Bethaz.
14/12/2017
Taorian’ny nandreseny ara-teknika ny Tfa Anatihazo tamin’ny lalao “barrage” notontosaina tetsy amin’ny kianja Malacam Antanimena ny alahady 10 desambra 2017 teo dia ny ekipan’ny Tam Anosibe izany no hifanandrina amin’ny Tfma Ankasina eo amin’ny lalao manasa-dalana amin’ny alahady 17 desambra 2017
14/12/2017
Hiditra amin’ny andiany faha-6 amin’ity taona ity ny 20 ka hatramin’ny 23 desambra izao ny hetsika goavana fanao isan-taona ao Taolagnaro ao na ny Sambaraha.
14/12/2017
Vita tamin’ny alatsinainy 11 desambra teo ny antsapaky ny ampahavalon-dalan’ny lalao Champion’s League any Eoropa ;mangotraka tanteraka ny fifandonana, tahaka ny hoe lalao famaranana maro be.
14/12/2017
Lasa ihany ny eritreritra mahita an-dramalagasy ankehitriny misary resy tanteraka noho ny fidangan’ny vidim-piainana sy ny fahasahiranana andavanandro vokatry ny resabe ataon’ny mpitondra sy ny mpanao politika tsy mahatonga vary sy laoka any am-bilaniny.
14/12/2017
Tena hatao manara-penitra ny asa fanamboarana ilay lalana eny Avarabohitra Itaosy mirefy 2 km mahery, hampiasain’ny solombavambahoakan’Atsimondrano ilay vola azon’ity distrika iray ity tamin’ny alalan’ny Comité Local de developpement (CLD).
14/12/2017
Efa mahatratra 22.000 isa ankehitriny ireo tantsaha Malagasy mampiasa ilay fomba fambolena tsy mampiasa akora simika. Faritra maro no efa ahitana izany, toy ny any Nosy-Be, SAVA, Avaratra Andrefana,
14/12/2017
Manga ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny orinasam-pifandraisana Canal Plus.
14/12/2017
Tany amin’ny Faritra Atsimo Atsinanana sy Vatovavy Fitovinany no niantombohan’ny fidinana ifotony notanterahan’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandarimaria hanara-maso akaiky ny fampiharana ny paik’ady sy baiko nomen’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena.
14/12/2017
Fiara marika “sprinter” hita nivarina tao anaty ranon'Ikopa teny Ampasika omaly maraina.
14/12/2017
Nanataneraka fanafihana ny tafika ana habakabaka eo ambany fitantanan’ny Saodianina ny alarobia teo ka nahafaty olona 12 sy nandratrana olona 80 mahery tao amin’ny tobin’ny voafonja izay giazan’ireo mpioko Houthis ao Sanaa renivohitr’i Yemen. Ireo olona voatazona no lasibatra.