Fil d'actualités du 20/04/2018

  • 20/04/2018 - 15:00 : ANALAKELY: Efa kamio feno EMMOREG miisa 5 no miantrana eo anoloan'ny Gara Soarano amin'izao fotoana izao noho ny fisian'ny famoriam-bahoaka rahampîtso.

  • 20/04/2018 - 12:00 : POLITIKA: Ny lalàm-pifidianana tsy nahazo fankatoavana avy amin'ny maro no mitarika ny zava-misy amin'izao fotoana izao ary ny hetsika hotontosain'ny depiote mpanohitra ny asabotsy izao, hoy Mahamoudou Ndriandahy, filohan'ny vondron'ny fiarahamonim-pirenena PFNOSCM/VOIFIRAISANAY.

  • 20/04/2018 - 11:30 : MANDRAKA (RN2) - LOZAM-PIFAMOIVOIZANA MAHATSIRAVINA: Kamio lehibe iray no nilatsaka tanaty hantsana ary nitontona tamina fiara taksibrosy iray teny ambany ny maraina teo, ka olona iray no maty.

  • 20/04/2018 - 11:00 : FAMORIAM-BAHOAKA: Nanamafy ny solombavambahoaka TIM sy MAPAR ny maraina teo fa tsy hihemotra amin'ny hetsika eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely rahampitso.

  • 20/04/2018 - 10:30 : HERINANDRON'NY VOLA: Hankalazaina ny 23 hatramin'ny 27 aprily 2018 herinandro maneran-tany ho an'ny vola na ny "Global money week".

  • 20/04/2018 - 10:00 : TETIANDROM-PAMPIANARANA: Ny 19 novambra 2018 ary hifarana ny 30 aogositra 2019 ny taom-pianarana 2018-2019. Ny 3 septambra 2019 no hanaovana ny fanadinana CEPE, ary ny 23 hatramin'ny 26 septambra ny BEPC amin'io taom-pianarana ho avy io, araka ny tetiandro navoakan'ny Minisiteran'ny fanabeazam-pirenena.

  • 20/04/2018 - 09:30 : JIRAMA: Hovelomin'ny AKSAF Power ny Centrale thermique N2 eny Ambohimanambola tsy niodina nanomboka ny 2015, ka izy ireo no hitantana azy mandritra ny dimy taona. Aorian'izay ary aorian'izay dia hiverina 100% amin'ny JIRAMA.

  • 20/04/2018 - 09:00 : CSA: Nigadona teny Ivato alina tamin'ny 10:30 ireo delegasionin'ny Club Sportif de l'Armee (CSA) St Petersburg avy any Rosia. Miisa 15 izy ireo miaraka amin'ireo mpitantana sy mpikarakara.

  • 20/04/2018 - 08:30 : BASIKETY: Anio 20 Aprily ao amin' ny Lapan' ny Kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ny lalao fihantsiana hifanandrinan'ny ALL-STARS DU PRESIDENT sy ny Club Sportif de l' Armée de Saint Petersbourg avy any Russie.

  • 19/04/2018 - 15:00 : TARIKA NY VOANIO: Efa tonga ao amin'ny Tranompokonolona Analakely ny nofo mangatsiakan'i Clarisse, izay andrasana ao anio alina.

Voir plus d'infos...

20/04/2018

Plus d'infos...

Plus d'infos...


Archive du 20171213

Misongadina

Fanambin-dRavalomanana “Hiasa avo 10 heny noho ny efa vitako aho”

13/12/2017

Tsy mila resabe isika fa mila asa, hoy ny filoham-pirenena teo aloha no sady filohan’ny antoko Tiako i Madagasikara, Marc Ravalomanana omaly raha nandray fitenenana nandritry ny fankalazana ny faha 68 taona nahaterahany tetsy amin’ny Magro Tanjombato.

Hamaky ny tohiny...

Politique

Kabarin’i Marc Ravalomanana teny amin’ny Magro Tanjombato Hoy izy ireo :

13/12/2017

Rakotomandimby Jean Pierre (Ben’ny tanànan’i Soanindrariny Antsirabe II) “Tena ilain’ny firenena ireny tenin’ny filoha Ravalomanana rehetra teo ireny ary hombako manana ny fitsipika tokony hitondrana ny firenena ka iainana miainga avy any ambony mipaka aty amin’ny vahoaka.

Hamaky ny tohiny...

Fampihavanam-pirenena Tsy mahomby noho ny politikan’ny ady seza…

13/12/2017

Olana polika no antony tsy mampahomby ny fampihavanam-pirenena, araka ny fakan-kevitra tamin’ny mpitandrina Roger Randriamorasata. Ny zava-nisy dia nampidirana ny politika politisianina: fitadiavan-tseza, fitadiavan-toerana, fanilihana ny hafa,… ilay fampihavanam-pirenena.

Hamaky ny tohiny...

Vahoaka Malagasy Manantena an’i Dada

13/12/2017

Nahatonga solontena hanotrona ny faha 68 taonan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana teny Tanjombato avokoa omaly ny solontenan’ireo faritra 22 eto Madagasikara. Nitamberina omaly indray ny hafanam-pon’ireo malagasy niandrandra fiovana tamin’ny taona 2009. Mbola manantena an’i Dada ny vahoaka malagasy.

Hamaky ny tohiny...

Lalàm-pifidianana “Tsy voadiniky ny parlemanta amin’ity taona ity intsony”

13/12/2017

Tsy mbola tonga eny amin’ny antenimierandoholona hatry ny omaly 12 desambra ny volavolan-dalàna momba ny lalàm-pifidianana avy any amin’ny governemanta, ary tsy mbola am-pelatanan’ireo depiote

Hamaky ny tohiny...

Fetison Andrianirina “Eo amin’ny fahefana vao tena afaka manao zavatra”

13/12/2017

Anjara asan’ny eo amin’ny fitondrana ny mitady ny vahaolana hapetraka eo amin’ny firenena, hoy Filohan’ny Antoko RDS (Roso ho amin’ny Demokrasia Sosialy), Fetison Andrianirina tamin’ny fakan-kevitra natao taminy manoloana ny fahasahiranam-bahoaka ankehitriny.

Hamaky ny tohiny...

Taratasy hoan'i jean

Taratasin’i Jean Manao ady mitsatsaka

13/12/2017

Miarahaba anao aho ry Jean amin’izao tsingerintaonako izao. Isaorako hatrany ianao na dia tsy mba tazako tety amin’ity toerana mba navelanao hifalianay mianakavy kely ity aza e !

Hamaky ny tohiny...

Actualits

Kaominina Ankiranomena Mandeha ny asa, mandroso ny tanàna

13/12/2017

Nivoaka tamin’ny fahanginana Randrianaivoarison Jaona ben’ny tanànan’ny kaominina ambanivohitra Ankiranomena any amin’ny faritra Bongolava manoloana ny fanaratsiana mahazo azy mandeha be eto an-drenivohitra.

Hamaky ny tohiny...

SARDINES MANKARARY

13/12/2017

Mitombo isa hatrany ny olona naiditra hopitaly vokatry ny fihinanana Sardines misy poizina tao Antsiranana. Valo, raha araka ny tarehimarika ofisialy,

Hamaky ny tohiny...

Edito

Mipararetra ry kanosa

13/12/2017

Niezinezina ny fanambaran’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana omaly ny fahavononany sy firosoany hatrany hanarina an’i Madagasikara, ary izay no niadiany mafy ny hiverenenany teto Madagasikara.

Hamaky ny tohiny...

Fifamoivoizana

Fahapotehan’ny lalana eny Itaosy Mampikaikaika ny olona

13/12/2017

Mihapotika tsikelikely ny lalana mihazo an’Itaosy ankehitriny. Manomboka eny Anosimasina ka hatrany Andranonahoatra, mirefy 2 km sy 500 eo ho eo.

Hamaky ny tohiny...

Fahasalamana

Ady amin’ny fahajambana Ifandrombahana ny fitiliana maso maimaimpoana

13/12/2017

Mahatratra 20.000 Ar ankehitriny ny saran’ny fijerena maso eny anivon’ny mpitsabo. Vitsiana ireo manana fahafahana ny hanao izany, indrindra fa ho an’ireo efa mitondra solomaso.

Hamaky ny tohiny...

Toekarena

Antenimieran’ny varotra Atsinanana Hatao ny zoma ny fifidianana

13/12/2017

Tao anatin’ny 8 volana, nanomboka ny volana aprily nitsanganan’ny komity manokana mpikarakara ny fifidianana vaovao eo anivon’ny antenimieran’ny varotra atsinanana,

Hamaky ny tohiny...

kolontsaina

Miss Madagascar andiany faha-4 Amin’ny zoma alina ny dingana famaranana

13/12/2017

Tonga amin’ny dingana famaranana ankehitriny ny Miss Madagascar andiany fahefatra. Hotontosaina amin’ny zoma 15 desambra ho avy izao etsy amin’ny Hotel Carlton Anosy ny famaranana ny hetsika, handraisan’ireo tovovavy miisa 16 anjara.

Hamaky ny tohiny...

Fandriampahalemana

Gadra 5 nandositra teny Tsiafahy Iray no voasambotra hatreto

13/12/2017

Maro ireo lafin-javatra mahakasika ny fitsarana eto amintsika mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao ny amin’izay ho tohiny toy ny raharaha Claudine Razaimamonjy, ny endrika tsy fifankahazoana teo amin’ny fitsarana sy ny zandarimariam-pirenena,

Hamaky ny tohiny...

Talen-tsekoly voatifitry ny dahalo Tavela ao amin’ny tendany ny bala

13/12/2017

Naratra mafy vokatry ny tifitra nataon’ny dahalo azy ny 15 novambra, tokony ho tamin’ny 8 ora alina Randriamanampisoa Olivier, talen’ny EPP Mandrosoarivo, ZAP Kiranomena ao amin’io kaominina io ihany, ary ao anatin’ny DREN Fenoarivobe.

Hamaky ny tohiny...

Ady amin’ny tsy fandriampahelamana Nifanao velirano ny vahoakan’i Mampikony sy ny zandary

13/12/2017

Tao amin’ny distrikan’i Mampikony ireo iraka manokana nalefan’ny zandarimariam-pirenena hijery ifotony ny fampiharana ireo totomarika sy baiko nomen’ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena hametrahana ny fandriampahalemana manerana ny Nosy,

Hamaky ny tohiny...

Copyright 2009 Tia Tanindrazana