Fil d'actualités du 18/02/2019
- 18/02/2019 - 19:00 : LOZA MAHATSIRAVINA: Olona miisa 2 no voafaokan'ny fiara teny Marais Masay tokony ho tamin'ny 6ora hariva teo, ka ny iray maty tsy tra-drano ary ny iray naratra mafy.
- 18/02/2019 - 12:00 : TOETR'ANDRO: Misy andian-drahona matevina ao amin’ny lakandranon’i Mozambika izay mitondra orana betsaka sy rivotra mahery mety hahatratra 45 Km/ora ary mety hihoatra ny 60Km/ora indraindray any amin’ny faritra Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana ary Androy.
- 18/02/2019 - 11:30 : FONJAN'I TSIROANOMANDIDY: Mitsahatra ao anatin'ny fotoana tsy voafetra ny fahafaha-mamangy ao amin'ny fonjan'i Tsiroanomandidy taorian'ny fahavakian'ny fonja omaly alahady.
- 18/02/2019 - 11:00 : ERIC FOU'HEHY: Tsy mbola nodidiana izy satria mbola mila vola 75 000Euros ny fanatanterahana izany.
- 18/02/2019 - 10:30 : SMM: Ny mpitsara Clément Jaona no voafidy ho filohan'ny Sendikan'ny Mpitsara eto Madagasikara na ny SMM.
- 18/02/2019 - 10:00 : ANDOTIANA: Higadona an-tanindrazana ny zoma 22 febroary ny nofo mangatsiakan'ity tovovavy Malagasy 23 taona nanjavona iray volana teo ho eo tany Frantsa ary hita faty ity, ka ny fanjakana no hiantoka manontolo ny lany.
- 18/02/2019 - 09:30 : HERINANDRON'NY ANGOVO: Eny amin'ny Hôtel PANORAMA, manomboka androany faha-18 hatramin'ny zoma faha-22 febroary ny fanamarihana izany.
- 18/02/2019 - 09:30 : MAROTSOPOY ANJOZOROBE: Olona 4 no efa matin'ny dahalo tao antin'ny fanafihana nisesy ary basy 4 no very ankoatran'ny omby maro.
- 16/02/2019 - 20:00 : TSIROANOMANDIDY:Vaky ny tolakandro tokony tamin'ny 4 ora teo ny fonjan'ny Tsiroanomandidy. Raha ny vaovao voaray vonjimaika hatreto dia voafonja am-polony no tafatsoaka. Ny roa tamin'ireo gadra ireo kosa efa voasambotra.
- 15/02/2019 - 11:00 : MOPERA VOATIFITRA: Nodimandry androany maraina i Mopera Nicolas isan'ireo voatifitra teny Mahitsy nandritra ny fanafihan-jiolahy tamin'ny herinandro ambony.
Voir plus d'infos...
18/02/2019
Plus d'infos...
Plus d'infos...
Handefa fitarainana kolikoly
Copyright 2009 Tia Tanindrazana