Fil infos

  • 19/07/2018 - 16:00 : ATLETISMA: Hitondra ny lokon'ny firenena Frantsay i Agnés Raharolahy, izay manana fihaviana Malagasy amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Eoropa hatao any Berlin Allemagne ka ny hazakazaka 4X400m no hifaninanany.
  • 19/07/2018 - 15:30 : TOLON'NY MPANABE: Manoloana ny fanambaran'ny sasany fa mitsahatra ny tolona fa hiverina hiasa ny alatsinainy izao dia manamafy ireo filoha mpitarika ny tolona, fa vao mainka aza io hihamafy satria tsy mbola nisy mihitsy ny fifanarahana.
  • 19/07/2018 - 15:00 : FAMPIANARANA: Hiverina amin’ny laoniny ny fampianarana manomboka rahampitso faha-20 Jolay 2018, hoy ny fanambaran'ny ampahany amin'ireo nanao fitokonana tetsy Antanimbarinandriana, ary miombo-peo amin’izany ny eo anivon’ny DREN Analamanga sy ireo mpitolona, hoy izy ireo.
  • 19/07/2018 - 12:30 : ANKORONDRANO: Vola 100 tapitrisa vao avy nalaina tamin'ny banky nentina tamina moto lasan'ny jiolahy miisa 5 nirongo basy androany tokony ho tamin'ny 10 ora.
  • 19/07/2018 - 12:00 : FIFIDIANANA FILOHA: Miisa 3 900 000 no ambaran'i Eric Rajonhson fa hifidy azy amin'ny fifidianana filoha amin'ny 7 novambara, ary milaza fa mahatoky izy fa ho lany.
  • 19/07/2018 - 11:30 : ONITIANA REALLY: Hivahiny ao amin’ny fahitalavitra TV Plus izy rahampitso zoma 20 jolay hariva ary hamaly ny fanontanian’ny olon-drehetra mahakasika azy sy ny asa nataony.
  • 19/07/2018 - 11:00 : MAHAJANGA: Olona 501 no fantatra taorian'ny fitiliana fa mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA, ka ny 122 dia tranga vaovao. Ny 277 ihany no manaraka fitsaboana.
  • 19/07/2018 - 10:30 : FAMPIANARANA: Ny alatsinainy 19 novambra no fidirana ho an'ny taom-pianarana 2018-2019, araka ny tetiandro navoakan'ny Minisitera.
  • 19/07/2018 - 10:00 : ERIC RAJOHNSON: Vonona ny diaspora Malagasy hifanome tanana azy, hoy ity kandida filoham-pirenena ity.
  • 19/07/2018 - 09:30 : FAMPIAKARANA SARAN-DALANA : Ny mpitatitra ao anatin'ny FMA na Fitaterana eto Antananarivo izay ahitana ny 194, 163, 165, 109, 143, 192, 166 no hampiakatra saran-dalana.

- Suivant>>

Copyright 2009 Tia Tanindrazana